Ny Fanisana

Toko faha-3

11 Niteny tamin'i Moizy Iaveh ka nanao hoe:

12 Indro efa nalaiko ho ahy eo afovoan'ny zanak'Israely, ny Levita, ho solon'ny lahimatoa izay voalohan-teraky ny reniny ao amin'ny zanak'Israely, ka dia ahy ny Levita; 13 satria ahy ny lahimatoa rehetra. Tamin'ilay andro namelezako ny lahimatoa rehetra tany amin'ny tany Ejipta no nanokanako ho ahy ny voalohan-teraka rehetra amin'Israely, na olona na biby fiompy; ka dia ahy ireo, fa izaho no Iaveh. 14 Tany an'efitra Sinaia, dia niteny tamin'i Moizy Iaveh ka nanao hoe:

15 Alao isa, araka ny fokom-pianakaviany, araka ny fianakaviany avy, ny taranak'i Levì, ka ny lahy rehetra hatramin'ny iray volana no ho miakatra no isao. 16 Dia nataon'i Moizy ny fanisana azy ireo, noho ny tenin'ny Tompo, araka ny nandidiany azy. 17 Izao no zanakalahin'i Levì, araka ny anarany avy: Gersona, Kaata ary Merary.

18 Izao no anaran'ny zanakalahin'i Gersona, araka ny fianakaviany: Lebny sy Semeì. 19 Ny zanak'i Kaata araka ny fianakaviany dia Amrama, Jezaara, Hebrona ary Oziela. 20 Ny zanak'i Merary, araka ny fianakaviany, dia Moholy sy Mozì. Ireo no fokon'i Levì araka ny fokom-pianakaviany avy. 21 Ny fokon'i Lebny sy ny fokon'i Semeì dia avy amin'i Gersona ka atao hoe fokon'ny Gersonita.

22 Ny voaisa tamin'izy ireo, tamin'ny nanisana ny lahy rehetra hatramin'ny iray volana no ho miakatra, ny voaisa dia diman-jato amby fito arivo. 23 Eo ivohon'ny Fonenana, amin'ny lafiny andrefana, no nitobian'ny Gersonita. 24 Ny filohan'ny fianakavian'ny Gersonita dia Eliazafa zanak'i Laela. 25 Ny amin'ny trano lay fihaonana dia izao no niadidian'ny zanak'i Gersona: ny Fonenana sy ny trano lay, ny rakony, ny varavarana lamba izay ao amin'ny fidiran'ny trano lay fihaonana; 26 ny fefy lamban'ny kianja, sy ny vavahady lamba amin'ny kianja izay manodidina ny Fonenana sy ny otely, ary ny kofehy rehetra ilaina aminy. 27 Ny avy amin'i Kaata dia ny fokon'ny Amramita, ny fokon'i Jesaarita, ny fokon'ny Hebronita, ary ny fokon'ny Azielita: ireo no fokon'ny Kaatita. 28 Tamin'ny nanisana ny lahy rehetra hatramin'ny iray volana no ho miakatra dia enin-jato amby valo arivo no isany, izay miandraikitra ny fiambenana ny fitoerana masina. 29 Eo amin'ny lafiny atsimo amin'ny Fonenana no nitobian'ny fokon'ny zanakalahin'i Kaata. 30 Ny filohan'ny foko ihavian'ireo fianakavian'ny Kaatita, dia Elifasana zanak'i Oziela. 31 Ary ny anjara raharahany dia fiambenana ny fiara, ny latabatra, ny fanaovan-jiro, ny otely, ny fanaky ny fitoerana masina, izay fanaovana fanompoana, ny varavarana lamba mbamin'ny fanaovan-draharaha rehetra momba azy. 32 Eleazara zanak'i Aarona mpisorona, no lehiben'ny filohan'ny Levita, ka izy no mpitandrina an'ireo miandraikitra ny fiambenana ny fitoerana masina. 33 Ny fokon'ny Moholita sy ny fokon'ny Mosita dia avy amin'i Merary, ka ireo no fokon'ny Merarita.

34 Roan-jato amby enina arivo no isan'izy ireo, tamin'ny nanisana ny lahy rehetra hatramin'ny iray volana no ho miakatra. 35 Ny filohan'ny foko ihavian'ny fianakavian'i Merary, dia Soriela zanak'i Abihaiela. Eo amin'ny lafiny avaratra amin'ny Fonenana no nitobian'izy ireo. 36 Napetraka tamin'ny zanakalahin'i Merary ny fitandremana amam-pikarakarana ny hazo fisaka amin'ny Fonenana, ny barany, ny andriny mbamin'ny faladiany, ary ny fanaka rehetra momba azy, mbamin'ny zavatra rehetra ilaina aminy, 37 ny andry manodidina amin'ny kianja, ny faladiany, ny tsimany, ary ny kofehiny. 38 Moizy sy Aarona mbamin'ny zanany no nitoby eo anoloan'ny Fonenana, eo atsinanana, eo anatrehan'ny trano lay fihaonana, amin'ny lafiny iposahan'ny masoandro; izy ireo no niadidy ny fiambenana ny fitoerana masina, araka izay tokony hotandreman'ny zanak'Israely rehetra; fa raha olon-kafa no manakaiky eo, dia tsy maintsy hohelohin-ko faty.

39 Roa arivo sy roa alina no tontalin'ny Levita voaisa tamin'ny fanisana nataon'i Moizy, araka ny nandidian'ny Tompo azy, dia ny lehilahy rehetra hatramin'ny iray volana no ho miakatra, araka ny fianakaviany azy.

40 Ary hoy Iaveh tamin'i Moizy: Alao isa ny lahimatoa rehetra amin'ny zanak'Israely, hatramin'ny iray volana no ho miakatra, ka isao ny anarany.

41 Dia ny Levita no halainao ho ahy, fa izaho no Iaveh, dia ho solon'ny lahimatoan'ny zanak'Israely rehetra izy; ary ny biby fiompin'ny Levita, ho solon'ny volaohan-teraka rehetra amin'ny biby fiompin'ny zanak'Israely. 42 Dia nisain'i Moizy araka ny nandidian'ny Tompo azy, ny lahimatoa rehetra tamin'ny zanak'Israely,

43 ka nisy telo amby fito-polo sy roan-jato sy roa arivo sy roa alina ny lahimatoa rehetra voaisa, hatramin'ny iray volana no ho miakatra, nisaina araka ny anarany avy. 44 Ary niteny tamin'i Moizy Iaveh ka nanao hoe:

45 Alao ny Levita ho solon'ny lahimatoa rehetra amin'ny zanak'Israely; ary ny biby fiompin'ny Levita ho solon'ny biby fiompiny koa, ka dia ho ahy ny Levita; izaho no Iaveh. 46 Ny amin'ny avotr'ireo lahimatoa telo amby fitopolo sy roan-jato amin'ny zanak'Israely, izay mihoatra isa noho ny Levita, 47 dia sikla dimy isan'olona no horaisinao aminy, ka araka ny sikla masina, izay gera roapolo avy, no handraisanao azy; 48 ary homenao an'i Aarona sy ny zanany ny vola, ho avotr'ireo mihoatra ny isan'ny Levita. 49 Dia noraisin'i Moizy ny vola avotr'ireo nihoatra isa ka navotan'ny Levita; 50 ka sikla dimy amby enimpolo sy telon-jato sy arivo, araka ny sikla masina, no vola noraisiny tamin'ny lahimatoan'ny zanak'Israely. 51 Nomen'i Moizy an'i Aarona sy ny zanany izany vola avy amin'ny fanavotana izany, araka ny tenin'ny Tompo, dia araka ny nandidian'ny Tompo an'i Moizy.

Toko faha-4

1 Ary niteny tamin'i Moizy sy Aarona Iaveh ka nanao hoe:

2 Isao ny taranak'i Kaata amin'ny taranak'i Levì, araka ny fianakaviany sy ny fokom-pianakaviany avy, 3 hatramin'ny telopolo taona no ho miakatra ka hatramin'ny dimam-polo taona; dia izay rehetra voatendry hanao fanompoana hahavita raharaha ao amin'ny trano lay fihaonana. 4 Izao no raharaha hataon'ny taranak'i Kaata ao amin'ny trano lay fihaonana: hitondra ny fanaka masina indrindra izy.

5 Rahefa hifindra lasy, dia Aarona sy ny zanany aloha no ho avy hampidina ny lamba fanakonana, ka ny fiaran'ny vavolombelona, dia hosaronany amin'io; 6 ary hodi-dogaona no harakony eo ambonin'io; lamba jaky volomparasy iray volo no hovelariny ambonin'izay; izay vao hapetany eo ny baony. 7 Ny latabatry ny mofo alahatra, dia hovelarany lamba jaky volomparasy ka hapetrany eo amboniny, ny lovia, ny kalisy, ny kapaoka, ary ny kopy amin'ny fanatitra araraka, ary ny mofo mifandimby tsy tapaka, dia hatao eo ambonin'ny latabatra. 8 Hovelariny lamba mena antitra eo amboniny ireo, sy horakofany firakotra hodi-dogaona vao hapetany ny baon'ny latabatra. 9 Haka lamba jaky volomparasy izy ireo handrakofany ny fanaovan-jiro mbamin'ny lalampiny, ny hetin-jirony, ny fitoeran-davenon-jirony, ny fitoeran-diloilo fanao aminy, sy izay ilaina aminy;

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2164