Ny Detoronomy
Toko faha-2
16 Nony efa ringan'ny fahafatesana, tsy ho eo amin'ny vahoaka intsony ny lehilahy mpiantafika rehetra,17 dia niteny tamiko Iaveh nanao hoe: 18 Mandehana amin'izao mamaky ny faritr'i Moaba, dia Ara, 19 ka ho tonga any akaikin'ny taranak'i Amona hianao, nefa aza manomboka ady aminy, na mifanditra aminy, fa tsy hanomezako ho fanananao ny tanin'ny taranak'i Amona, na dia kely aza, satria efa nomeko ho fananan'ny taranak'i Lota izany. 20 Natao ho tanin'ny Refaïma koa izany tany izany, fa fahiny dia nonina tao ny Refaïma izay nantsoin'ny Amonita hoe Zomzomima, 21 vahoaka lehibe, maro isa sy lava toy ny Enakima. Naringan'ny Tompo ireny teo anoloan'ny Amonita izay nandriaka azy sy nonina nisolo azy; 22 toy izany no nataon'ny Tompo ho an'ny taranak'i Esao izay monina any Sira, tamin'ny nandringanany ny Horeana, teo anoloany, dia noroahiny ireny, ka izy ireo no nonina nisolo ireny mandrak'androany. 23 Ny Heveana izay nonina tamin'ny vohitra hatrany Gaza koa, dia naringan'ny Kaftorima, izay nivoaka avy tany Kaftora sy nonina nisolo ireny. 24 Koa mitsangàna hianareo mandehana mita ny ranon-driaka Arnona. Indro atolotro eo an-tànanao Sehona mpanjakan'i Hesebona, Amoreana, mbamin'ny taniny. Atombohy ny fakana azy, ka tafiho izy. 25 Hatramin'ny anio dia haeliko amin'ny vahoaka rehetra ambanin'ny lanitra ny horohoro aman-tahotra ny anaranareo; ka raha vao mandre ny lazanao izy dia hangovitra sy hangorohoro noho ny aminao. 26 Teo an'efitra Kademota dia nandefa iraka hankany amin'i Sehona, mpanjakan'i Hesebona aho, nitondra tenim-pihavanana, nampilaza taminy hoe:
27 Aoka mba hamaky ny taninao aho, dia homba ny làlam-be fotsiny, fa tsy hivily na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia. 28 Hamidinao vola amiko ny hanin-kohaniko; ny rano hosotroiko hatakalonao vola amiko; fa ny handalo mandeha tongotra fotsiny no tadiaviko. 29 Efa nanao izany tamiko ny taranak'i Esao monina any Seira, sy ny Moabita monina any Ara mandra-pitako an'i Jordany, ho any amin'ny tany omen'ny Tompo Andriamanitray anay. 30 Tsy nety namela antsika hamaky ny taniny anefa Sehona mpanjakan'i Hesebona; fa efa nohenjanin'ny Tompo Andriamanitrao ny fanahiny, ary efa nohamafisiny ny fony mba hanolorany azy ho eo an-tànanao araka ny hitanao amin'izao anio izao. 31 Hoy Iaveh tamiko: Indro aho, nanomboka nanolotra anao an'i Sehona sy ny taniny. Atombohy ny fanafihana azy mba hahazoanao ny taniny ho fanananao. 32 Dia nivoaka Sehona mbamin'ny vahoakany rehetra, mba hiady amintsika tao Jasà; 33 ka natolotry ny Tompo Andriamanitsika sy noresentsika izy sy ny zanany ary ny vahoakany rehetra. 34 Afatsika tamin'izay ny tanànany rehetra, nataontsika anatema ny tanànany rehetra, ny lehilahy, ny vehivavy, ny zaza, tsy nasiantsika niangana izy na dia iray aza. 35 Fa ny biby fiompiny kosa sy izay mety ho babo tao amin'ny tanàna afatsika no norobaintsika ho antsika. 36 Hatrany Aroera amoron'ny lohasan-driaka Arnòna, sy ny tanàna eo anatin'ny lohasaha, ka hatrany Galaada, dia tsy nisy tanàna sarotra anihina ka tsy afatsika, fa natolotry ny Tompo Andriamanitsika ho antsika daholo. 37 Tsy nisy nakekenao anefa ny tanin'ny taranak'i Amona, ary na aiza na aiza koa teo amoron'ny ranon-driaka Jabaoka, na ny tanàna eo amin'ny tendrombohitra na ny toerana rehetra efa nandraran'ny Tompo Andriamanitsika anao.
Toko faha-3
1 Dia nihodina isika ka niakatra tamin'ny làlana mankany Basàna, ary nivoaka hifanehatra amintsika Oga mpanjakan'i Basàna mbamin'ny vahoakany rehetra, mba hiady amintsika tao Edraìa.2 Hoy Iaveh tamiko: Aza matahotra azy, fa efa natolotro eo an-tànanao izy mbamin'ny vahoakany rehetra sy ny taniny, ka ataovy toy ny nanaovanao an'i Sehona mpanjakan'ny Amoreana, izay nonina tany Hesebona. 3 Koa natolotry ny Tompo Andriamanitsika teo an-tànantsika koa Oga mpanjakan'i Basàna, mbamin'ny vahoakany rehetra; dia nasiantsika izy mandra-paha-tsy nisy niangana ny vahoakany na dia iray aza. 4 Afatsika ny tanànany rehetra tamin'izay; tsy nisy tsy azontsika tamin'ireny na dia iray aza, dia tanàna enimpolo, ny faritany Argoba rehetra, ny fanjakan'i Oga tany Basàna. 5 Tanàna mimanda daholo ireo tanàna rehetra ireo ka samy nisy manda avo sy vavahady ary hidiny avokoa; ary mbola tsy anisan'izany ny tanàna tsy mimanda be dia be. 6 Nataontsika anatema izy, toy ny nanaovantsika an'i Sehona, mpanjakan'i Hesebona; natao anatema ny tanàna, ny lehilahy, ny vehivavy sy ny zaza; 7 fa ny biby fiompy sy izay mety ho babo tao amin'ny tanàna no norobaintsika ho antsika. 8 Koa tamin'izany andro izany dia azontsika tamin'ny mpanjakan'ny Amoreana roa, ny tany any an-dafin'i Jordany, hatramin'ny ranon-driaka Arnona, ka hatramin'ny tendrombohitra Hermona;
9 Sariona no iantsoan'ny Sidoniana an'i Hermona, ary Sanira no iantsoan'ny Amoreana azy; 10 dia ny tanàna rehetra amin'ny tany lemaka, Galaada rehetra ary Basàna rehetra, hatrany Selkà sy Edraìa, tanàna amin'ny fanjakan'i Oga tany Basàna. 11 Oga mpanjakan'i Basàna, no hany taranaky ny Refaïma sisa tavela. Moa tsy ao Rabata va ao amin'ny taranak'i Amona, ny farafarany, farafara vy? Sivy hakiho ny halavany, efatra hakiho ny sakany, amin'ny hakihon-dehilahy. 12 Dia azontsika tamin'izay, izany tany izany. Nomeko ny Robenita sy ny Gadita ny hatrany Aroera izay manerinerina amin'ny lohasahan'i Arnona sy ny antsasaky ny tendrombohitr'i Galaada mbamin'ny tanànany.
13 Ary nomeko ny antsasaky ny fokon'i Manase ny sisa amin'i Galaada sy ilay faritanin'i Basàna manontolo izay fanjakan'i Oga. Ny tany Argoba rehetra sy Basàna rehetra no atao hoe tanin'ny Refaïma. 14 Jaira, zanak'i Manase no nahazo ny tany Argoba, hatramin'ny sisin-tanin'ny Gesoriana sy ny Makatiana, ary nantsoiny amin'ny anarany ny vohitr'i Basàna izay atao hoe vohitr'i Jaira, mandrak'androany. 15 Nomeko an'i Makira Galaada. 16 Ny Robenita sy ny Gadita nomeko ny sasany amin'i Galaada hatramin'ny ranon-driaka Arnona, ny am-pamatonan'ny lohasaha no faritra aminy, hatramin'ny ranon-driaka Jabaoka, sisin-tanin'ny zanak'i Amona, 17 mbamin'i Arabaha, ka i Jordany no faritra ao, hatrany Kenereta ka hatrany amin'ny ranomasin'ny Arabaha sy ny ranomasin-tSira eo ambodin'ny kisolososon'i Fasgà any atsinanana. 18 Nanome didy anareo aho tamin'izany andro izany, nanao hoe: Efa nomen'ny Tompo Andriamanitrareo ho fanananareo ity tany ity, koa hianareo rehetra, rahefa mety ho lehilahy matanjaka dia handeha mitam-piadiana eo alohan'ny rahalahinareo, dia ny zanak'Israely.
19 Fa ny vadinareo ihany sy ny zanakareo madinika ary ny biby fiompinareo, fantatro fa manana biby fiompy betsaka hianareo, no hijanona amin'ny tanàna nomeko anareo; 20 mandra-panomen'ny Tompo fitsaharana ny rahalahinareo, tahaka ny nataony taminareo koa, ka mahazo ny tany nomen'ny Tompo azy koa izy any an-dafin'i Jordany. Izay vao samy hiverina amin'ny anjara lova nomeko anareo avy hianareo. 21 Nanome didy an'i Josoe koa aho tamin'izany andro izany nanao hoe: masonao no nahita izay rehetra nataon'ny Tompo Andriamanitrareo tamin'ireo mpanjaka roa lahy ireo. Toy izany koa no hataon'ny Tompo amin'ny fanjakana rehetra halehanao hiadiana.
22 Koa aza matahotra azy hianareo, fa ny tenan'ny Tompo Andriamanitrareo no hiady ho anareo. 23 Nitaraina tamin'ny Tompo aho tamin'izany andro izany, nanao hoe:
24 Ry Iaveh Tompo ô, vao naneho ny halehibeazanao sy ny tànanao mahery tamin'ny mpanomponao hianao, fa na any an-danitra na ety an-tany, aiza moa no misy andriamanitra mahefa ny asanao sy ny zava-dehibe vitanao? 25 Aoka re aho hita, aoka re aho hahita izany tany soa any an-dafin'i Jordany izany, izany tendrombohitra tsara tarehy sy Libàna! 26 Fa tezitra tamiko Iaveh noho ny aminareo, ka tsy nihaino ahy. Hoy Iaveh tamiko: Aoka izay, fa aza miteny amiko ny amin'izany zavatra izany intsony. 27 Miakara any an-tampon'i Fasgà, dia atopazo miankandrefana sy mianavaratra ary mianatsimo sy miantsinanana ny masonao, ka tazano amin'ny masonao, fa hianao tsy hita io Jordany io. 28 Josoe no omeo didy, dia ankaherezo sy hatanjaho, fa izy no handeha eo alohan'ity vahoaka ity, ary izy no hampahazo azy ny tany izay ho hitanao.