Ny Detoronomy
Toko faha-5
1 Ary niantso an'Israely Moizy ka nanao taminy hoe: Henoy, ry Israely, ny didy amam-pitsipika ampandrenesiko anao anio; ianaro izany, ary araho amim-pitandremana tokoa.2 Nanao fanekena tamintsika Iaveh Andriamanitsika, tany Horeba. 3 Tsy tamin'ny razantsika no nanaovan'ny Tompo izany fanekena izany, fa tamintsika rehetra izay eto ankehitriny izao, samy velona avokoa. 4 Niteny nifanatrika taminareo tany an-tendrombohitra Iaveh tao anatin'ny afo, 5 ary nitsangana teo anelanelan'ny Tompo sy hianareo aho tamin'izay, mba hitondra aminareo ny teniny, fa natahotra ny afo hianareo ka tsy niakatra tany an-tendrombohitra. Izao no nolazainy: 6 Izaho no Iaveh Andriamanitrao, izay nampivoaka anao avy any amin'ny tany Ejipta tamin'ny trano fanandevozana.
7 Aza manana andriamani-kafa eo anatrehako. 8 Aza manao sarin-javatra voasokitra, na izay mety ho endriky ny zavatra eny amin'ny lanitra ambony, na ety amin'ny tany ambany, na any amin'ny rano ambanin'ny tany.
9 Aza miankohoka eo anatrehany na manompo azy, fa izaho Iaveh Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro, ka mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka, hatramin'ny taranaka fahatelo sy fahefatra, amin'izay mankahala ahy; 10 fa mamindra fo amin'ny taranaka arivo mifandimby kosa, amin'izay tia ahy sy mitandrina ny didiko. 11 Aza manonom-poana ny anaran'ny Tompo Andriamanitrao, fa tsy havelan'ny Tompo ho afa-potsiny, izay manonom-poana ny anarany.
12 Mitandrema ny andro sabata, mba hankamasina azy, araka ny nandidian'ny Tompo Andriamanitrao anao.
13 Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny asanao rehetra. 14 Fa ny andro fahafito, dia sabata ho an'ny Tompo Andriamanitrao, ka aza manao zavatra na inona na inona hianao, na ny zanakao lahy, na ny zanakao vavy, na ny ankizilahinao, na ny ankizivavinao, na ny ombinao, na ny ampondranao, na ny biby fiompinao rehetra, na ny vahiny tafiditra ny vavahadinao, mba hitsahatra toa anao koa ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao. 15 Tsarovy fa efa andevo tany amin'ny tany Ejipta hianao, ary tànana mahery sy sandry ahinjitra no nitondran'ny Tompo Andriamanitrao anao nivoaka avy tany: koa izany no nandidian'ny Tompo Andriamanitrao anao hitandrina ny andro sabata. 16 Manajà ny ray aman-dreninao, araka ny nandidian'ny Tompo Andriamanitrao anao, mba ho halavaina ny andronao sy ho sambatra any amin'ny tany omen'ny Tompo Andriamanitrao anao.
17 Aza mamono olona. Aza maka vadin'olona. Aza mangalatra. Aza mitsangana ho vavolombelona tsy marina hamely ny namanao.
18 Aza mitsiriritra ny vadin'ny namanao. Aza mitsiriritra ny tranon'ny namanao, na ny taniny, na ny ankizilahiny, na ny ankizivaviny, na ny ombiny, na ny ampondrany, na izay mety ho an'ny namanao.
19 Ireo no teny nolazain'ny Tompo tamin'ny fiangonanareo rehetra tamin'ny feo mahery, tany an-tendrombohitra, tao anatin'ny afo sy ny rahona, ary ny aizim-pito, ka tsy nampiany na inona na inona. Nosoratany tamin'ny takelaka vato roa natolony ahy ireo.
20 Nanatona ahy hianareo, rahefa nandre ny feo avy teo amin'ny aizina, raha nirehitra afo daholo ny tendrombohitra, dia ny filohan'ny fokonareo rehetra sy ny loholonareo, ka hoy hianareo:
21 Indro Iaveh Andriamanitsika efa naneho ny voninahitra amam-pahalehibeazany tamintsika, ary isika efa nandre ny feony avy tao anatin'ny afo; koa hitantsika androany Andriamanitra miteny amin'ny olombelona, ary ny olombelona dia mbola velona. 22 Koa ankehitriny nahoana no dia ho faty izahay? Fa ho levon'io afo lehibe io izahay, ary ho faty izahay, raha mbola mandre ny feon'ny Tompo Andriamanitsika indray. 23 Satria, tamin'izao nofo rehetra izao, zovy moa no efa nandre ny feon'Andriamanitra velona, niteny tao afovoan'ny afo, tahaka antsika, nefa mbola velona ihany? 24 Koa hianao re no aoka hanatona ary hihaino izay rehetra holazain'ny Tompo Andriamanitsika, dia hianao no hilaza aminay izay rehetra holazain'ny Tompo Andriamanitsika aminao, ka hohenoinay sy harahinay izany. 25 Ren'ny Tompo teo am-pitenenanareo tamiko ny teninareo, ka hoy Iaveh tamiko: Efa reko ny teny nolazain'io vahoaka io taminao, ka tsara avokoa ny voalazany.
26 Endrey, raha mba toy izany mandrakariva mantsy ny fony ka hatahotra ahy sy hitandrina ny didiko rehetra izy, ka ho sambatra mandrakizay izy sy ny taranany. 27 Mandehana lazao amin'izy ireo hoe: Miverena any an-dainareo. 28 Fa hianao kosa, mijanòna eto amiko, dia holazaiko aminao ny lalàna sy ny didy amam-pitsìpika rehetra hampianarinao azy, mba harahiny any amin'ny tany izay omeko azy ho fananany. 29 Koa mitandrema, mba hanatanteraka izay nandidian'ny Tompo Andriamanitrareo anareo; aza mivily na ho amin'ny ankavanana na ho amin'ny ankavia; 30 fa amin'ny zavatra rehetra mizora amin'ny làlana nandidian'ny Tompo Andriamanitrareo anareo, mba ho velona hianareo, ka ho sambatra sy ho lava andro any amin'ny tany hanananareo.
Toko faha-6
1 Izao no lalàna sy didy amam-pitsìpika nasain'ny Tompo Andriamanitrareo hampianarina anareo, mba harahinareo any amin'ny tany halehanareo mba hakanareo azy ho fanananareo;2 mba hatahoranao an'ny Tompo Andriamanitrao, hianao sy ny zanakao ary ny zanaky ny zanakao, ka hitandrina ny didy aman-dalàny rehetra nandidiako anao hianao, amin'ny andro rehetra hiainanao, ka hohalavaina ny andronao. 3 Koa henoy izany, ry Israely, ary mitandrema ny mba hanatanteraka izany, mba ho sambatra sy hitombo isa be hianao, any amin'ny tany tondra-dronono aman-tantely; araka ny nolazain'ny Tompo Andriamanitry ny razanao anao. 4 Mihainoa, ry Israely: Iaveh Andriamanitsika, dia izy ihany no Iaveh.
5 Tiàva an'ny Tompo Andriamanitrao, amin'ny fonao rehetra sy amin'ny fanahinao rehetra. 6 Aoka ho ao am-ponao izao didy omeko anao anio izao. 7 Alatsaho ao an-tsain'ny zanakao izany; ary resaho, na ao an-tranonao hianao, na eny amin'ny dia alehanao, na mandry hianao, na hiarina. 8 Afehezo amin'ny tànanao izany, mba ho famantarana ho anao, ary ataovy toy ny fehin-kandrina eo anelanelan'ny masonao. 9 Soraty eo amin'ny tolàm-baravaranao izy, sy eo amin'ny vavahadinao. 10 Raha avy izay hahatafidiran'ny Tompo Andriamanitrao anao any amin'ny tany nianianany tamin'i Abrahama sy Isaaka ary Jakoba razanao, homena anao, tanàna sady soa no lehibe, tsy naorinao;
11 trano feno zava-tsoa isan-karazany, tsy nofenoinao; dobo famorian-drano, tsy nolavahanao, voaloboka amam-pototr'oliva, tsy nambolenao, dia hihinana sy hivoky hianao; 12 ka tandremo fandrao manadino an'ny Tompo izay nampivoaka anao avy tany amin'ny tany Ejipta, tany amin'ny trano fanandevozana. 13 Matahora an'ny Tompo Andriamanitrao, manompoa azy, ary aoka ny anarany no hianiananao. 14 Aza manaraka andriamani-kafa, amin'izay andriamanitry ny firenena hanodidina anareo. 15 Fa Iaveh Andriamanitrao, izay eo afovoanao, dia Andriamanitra saro-piaro, ka dia hirehetan'ny fahatezeran'ny Tompo Andriamanitrao hianao, sy fongorany eto ambonin'ny tany. 16 Aza maka fanahy an'ny Tompo Andriamanitrareo, tahaka ny nakanareo fanahy azy tany Masah.
17 Tandremo tsara ny didin'ny Tompo Andriamanitrareo, ny lalàna amam-pitsìpika nandidiany anareo. 18 Ny mahitsy sy tsara eo imason'ny Tompo no ataovy, mba ho sambatra hianao sy hiditra ao amin'ny tany soa izay nampanantenain'ny Tompo ny razanao tamim-pianianana mba hanananao azy, 19 rehefa voaroakany eo anoloanao, araka ny voalazan'ny Tompo, ny fahavalonao. 20 Raha manontany anao ny zanakao, indray andro any, manao hoe: Ahoana moa ny amin'ireo didy sy lalàna amam-pitsìpika nandidian'ny Tompo Andriamanitsika anareo ireo?