Ny Detoronomy

Toko faha-8

20 Tahaka ny firenena aringan'ny Tompo eo anoloanareo, dia ho ringana koa hianareo, satria tsy mihaino ny feon'ny Tompo Andriamanitratreo hianareo.

Toko faha-9

1 Mihainoa ry Israely. Ndeha hita an'i Jordany hianao izao, ary handroso haka firenena maro lehibe sy mahery noho hianao, tanàna lehibe misy manda manakatra ny lanitra.

2 Vahoaka vaventy, lava, taranaky ny Enakima, izay fantatrao sy renao laza hoe: Zovy no hahatohitra ny taranak'i Enàka? 3 Koa aoka ho fantatrao anio, fa Iaveh Andriamanitrao, no hita eo alohanao, toy ny afo mandevona, izy no handringana azy ireny, izy no hampietry azy eo anoloanao, dia handroaka azy hianao sy handringana azy haingana, araka ny voalazan'ny Tompo taminao. 4 Rahefa roahin'ny Tompo Andriamanitrao eo anoloanao ireny, aza manao anakam-po hoe: Noho ny fahamarinako no nitondran'ny Tompo ahy haka ity tany ity hananako azy; noho ny haratsian'ireo firenena ireo no androahan'ny Tompo azy eo anoloanao.

5 Tsy noho ny fahamarinanao na ny hitsim-ponao no andehananao haka ny taniny ho fanananao, fa noho ny haratsian'ireo firenena ireo no androahan'ny Tompo Andriamanitrao azy eo anoloanao, ary koa mba hahatanterahan'ny teny efa nianianan'ny Tompo tamin'i Abrahama sy Isaaka ary Jakoba razanao. 6 Koa aoka ho fantatrao, fa tsy ny fahamarinanao no anomezan'ny Tompo Andriamanitrao izany tany soa izany ho fanananao, fa vahoaka mafy hatoka hianao. 7 Tsarovy ka aza hadinoinao, fa nanao ahoana moa no nampahatezeranao an'ny Tompo Andriamanitrao tany an'efitra. Hatramin'ny andro nivoahanao tany amin'ny tany Ejipta, ka hatramin'ny nahatongavanao teto amin'ity fitoerana ity, dia niodina tamin'ny Tompo ihany hianareo.

8 Tany Horeba aza dia nihantsy ny fahatezeran'ny Tompo hianareo, ka tezitra taminareo Iaveh, ka saika handringana anareo.

9 Fony aho niakatra tany an-tendrombohitra handray ny takelaka vato, - ireo takelaky ny fanekena nataon'ny Tompo taminareo - nijanona tany an-tendrombohitra efapolo andro sy efapolo alina aho, tsy nihinan-kanina na nisotro rano, 10 dia nomen'ny Tompo ahy ny takelaka vato roa, nosoratan'ny rantsan-tànan'Andriamanitra sy misy ny teny rehetra nolazain'ny Tompo taminareo tany an-tendrombohitra, tao afovoan'ny afo, tamin'ny andro nivoriana. 11 Nony tapitra ny efapolo andro sy efapolo alina, vao nomen'ny Tompo ahy ny takelaka vato roa, ny takelaky ny fanekena. 12 Tamin'izay dia hoy Iaveh tamiko: Mitsangàna ka midìna faingana miala eto, fa nihasimba ny vahoakanao nentinao nivoaka avy tany Ejipta: vetivety foana dia niviliany ny làlana nasaiko nalehan'izy ireo; fa nanao sarin-javatra anidina ho azy izy. 13 Ary hoy Iaveh tamiko: Hitako fa vahoaka mafy hatoka ity vahoaka ity. 14 Avelao haringako izy, ho foanako tsy ho aty ambanin'ny lanitra ny anarany, fa hianao kosa no hataoko firenena mahery sy maro isa noho ity vahoaka ity. 15 Dia nihodina aho, ka nidina avy tany an-tendrombohitra; ary ny tendrombohitra nirehitra afo, ary ny takelaka roa nisy fanekena teny an-tànako roa.

16 Nijery aho, ka indreo hianareo fa efa nanota tamin'ny Tompo Andriamanitrareo; nanao zanak'omby anidina ho anareo hianareo, ary nivily haingana niala tamin'ny làlana nasain'ny Tompo nalehanareo. 17 Koa noraisiko ny takelaka roa, dia tànako no nanjera azy, ary namakivaky azy teo imasonareo aho. 18 Ary niankohoka teo anatrehan'ny Tompo tahaka ilay teo aloha aho, efapolo andro sy efapolo alina, tsy nihinan-kanina na nisotro rano noho ny fahotana rehetra nataonareo tamin'ny nanaovanareo izay ratsy eo imason'ny Tompo ka nahatezitra azy. 19 Satria tsiravina aho nahita ity hatezerana amam-pahavinirana nirehetan'ny Tompo taminareo, ka efa saika hataony levona hianareo, saingy mbola nihaino ahy indray Iaveh tamin'izay. 20 Tezitra mafy tamin'i Aarona koa Iaveh, ka efa saika hataony levona izy; ary nifona ho an'i Aarona koa aho tamin'izany andro izany. 21 Ary nalaiko ny fahotana nataonareo, dia ilay zanak'omby volamena ka nodorako tamin'ny afo, sy nomontsamontsaniko mandra-pahatongany ho vovoka, dia nariako tamin'ny ranon-driaka avy any an-tendrombohitra izany vovoka izany. 22 Nampahatezitra an'ny Tompo koa hianareo, tany Tabeerà sy Masah, ary Kibrota-Hataavà.

23 Ary raha nasain'ny Tompo handeha avy ao Kadesa-Barne hianareo, nataony hoe: Miakara, alaovy ho anareo ny tany izay omeko anareo; dia notoherinareo ny tenin'ny Tompo Andriamanitrareo, fa tsy nino azy hianareo na nanaiky ny feony. 24 Niodina tamin'ny Tompo ihany hianareo hatramin'izay andro nahalalako anareo izay. 25 Niankohoka teo anatrehan'ny Tompo ihany aho, nandritra ny efapolo andro sy efapolo alina, izay niankohofako; satria efa nilaza handringana anareo Iaveh.

26 Nifona tamin'ny Tompoy aho, ka nanao hoe: Ry Iaveh Tompo ô, aza mandringana ny vahoakanao, ny lovanao, izay navotanao tamin'ny fahalehibeazanao sy navoakanao avy tany Ejipta tamin'ny tànanao mahery. 27 Tsarovy Abrahama sy Isaaka ary Jakoba mpanomponao, fa aza heverinao ny ditran'ity vahoaka ity, na ny faharatsiany amam-pahotany, 28 fandrao dia lazain'ny tany namoahanao anay hoe: Tsy azon'ny Tompo natao ny nampiditra azy ireo any amin'ny tany nampanantenainy azy; sady halany izy ireo ka izany no namoahany azy, mba hahafaty azy aty an'efitra. 29 Kanefa ireo no vahoakanao sy lovanao izay navoakanao avy tany Ejipta, tamin'ny herinao lehibe sy tamin'ny sandrinao nahinjitra.

Toko faha-10

1 Tamin'izany andro izany dia hoy Iaveh tamiko: Mandidia takela-bato roa tahaka ireo voalohany, ka miakara ho aty amiko aty an-tendrombohitra, ary manaova koa fiara hazo anankiray,

2 dia hosoratako amin'ireo takelaka ireo ny teny tamin'ny takela-bato voalohany nomontsaninao, ka hataonao ao anaty fiara izany. 3 Dia nanao fiara anankiray tamin'ny hazo akasià aho, sy nandidy takela-bato roa tahaka ireo voalohany dia niakatra tany an-tendrombohitra nitondra ny takelaka roa teny an-tànako. 4 Nosoratany teo amin'ireo takelaka ireo izay voasoratra tamin'ny voalohany, dia ny teny folo, izay efa nolazain'ny Tompo taminareo, teny an-tendrombohitra, tao afovoan'ny afo, tamin'ny andro nivoriana; dia natolotry ny Tompo ahy izany. 5 Nihodina aho, dia nidina avy any an-tendrombohitra, napetrako tao anatin'ilay fiara nataoko ny takelaka, ary nipetraka tao izy araka ny nandidian'ny Tompo ahy. 6 Niala tao Berota-Bene-Jakàna ny zanak'Israely hankany Moserà. Tao no nahafatesan'i Aarona sy nandevenana azy; Eleazara zanany no tonga mpisorona nandimby azy.

7 Niala tao izy ireo hankany Gadgada, niala tao Gadgada indray hankany Jetebatà tany be sakeli-drano. 8 Tamin'izany andro izany no nanokanan'ny Tompo ny fokon'i Levì hitondra ny fiaran'ny faneken'ny Tompo sy hitoetra eo anatrehan'ny Tompo, hanompo azy ary hitso-drano amin'ny anarany, mandraka androany. 9 Izany no tsy mba ananan'i Levì zaratany na lova eo amin'ny rahalahiny, fa Iaveh no lovany, araka ny voalazan'ny Tompo Andriamanitrao taminy. 10 Efapolo andro sy efapolo alina tahaka ny teo aloha no nitoerako tany an-tendrombohitra dia nihaino ahy indray Iaveh tamin'ity, ka tsy sitrak'Iaveh ny nandringana anao.

11 Hoy Iaveh tamiko: Mitsangàna; aoka hianao hialoha làlana ny vahoaka, aoka izy hiditra sy haka ho azy ny tany efa nianianako tamin'ny razany homena azy ireo. 12 Ary ankehitriny, ry Israely, inona moa no angatahin'ny Tompo Andriamanitrao aminao, afa-tsy ny mba hatahoranao an'ny Tompo Andriamanitrao, amin'ny fizoranao eo amin'ny làlany rehetra, sy amin'ny fitiavanao ary fanompoanao an'ny Tompo Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy amin'ny fanahinao rehetra;

13 ary amin'ny fitandremanao ny didin'ny Tompo sy ny lalàny izay andidiako anao anio, mba ho sambatra hianao? 14 Jereo fa an'ny Tompo Andriamanitrao ny lanitra sy ny lanitry ny lanitra, ary ny tany mbamin'izay rehetra eo aminy. 15 Kanefa ny razanao ihany no niraiketan'ny Tompo ho tiany; ary ny taranany nandimby azy, dia hianareo, no nofidiny tamin'ny vahoaka rehetra, araka izao hitanareo anio izao. 16 Koa forao ny fonareo, ary aza henjanina intsony ny hatokareo.

17 Iaveh Andriamanitrareo no Andriamanitry ny andriamanitra, Tompon'ny tompo, Andriamanitra lehibe mahery sy mahatahotra, tsy mba mizaha tavan'olona, na mandray kolikoly, 18 fa manome rariny ny kamboty sy ny mpitondra-tena; tia ny vahiny, sy manome hanina amam-pitafiana azy. 19 Tiavo ny vahiny, fa efa mba vahiny tany amin'ny tany Ejipta koa hianareo. 20 Matahora an'ny Tompo Andriamanitrao, manompoa azy; miraiketa aminy, ary ny anarany no ataovy fianianana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2765