Ny Detoronomy
Toko faha-28
48 dia amin'ny hanoanana sy hetaheta, ary amin'ny fitanjahana sy tsy fananana na inona na inona kosa no hanompoanao ny fahavalonao, izay halefan'ny Tompo hamely anao; hanisy jioga vy ny vozonao mandra-pandringany anao izy. 49 Firenena avy lavitra, avy any amin'ny faravazantany, faingam-pandeha hoatra ny fanidin'ny voromahery, firenena tsy azonao veroka akory no hampandehanin'ny Tompo hamely anao; 50 firenena mahatsiravina endrika, tsy handala ny antitra na hangoraka ny tanora akory. 51 Ho laniny ny teraky ny biby fiompinao sy ny vokatry ny taninao mandra-pahalevona anao. Tsy misy hamelàny ho anao, na vary, na divay vaovao, na diloilo, na teraky ny biby fiompinao, na lehibe na kely, mandra-pandringany anao. 52 Hataony fahirano hianao, anatin'ny vavahadinao rehetra, mandra-paharavan'ny manda avo sy mafy amin'ny taninao, izay nitokianao. Hataony fahirano hianao ao amin'ny vavahadinao rehetra sy amin'ny tany rehetra, izay nomen'ny Tompo Andriamanitrao anao. 53 Hohaninao ny naloaky ny kibonao, dia ny nofon'ny zanakao lahy aman-janakao vavy, izay nomen'ny Tompo Andriamanitrao anao, fa ho mafy loatra ny horohoro amam-pahoriana haneren'ny fahavalonao anao. 54 Ny lehilahy fatra-piangentsana sy zatra manao fiainana indrindra aminareo, ho ratsy fijery ny rahalahiny sy ny vady mandry eo am-pofoany ary ny zanany sisa tsy novonoiny, 55 ary tsy misy omeny amin'ny nofon-janany izay hohaniny, satria tsy hisy sisa intsony ao aminy noho ny hamafin'ny horohoro amam-pahoriana haneren'ny fahavalonao anao, anatin'ny vavahadinao rehetra. 56 Ny vehivavy fatra-piangentsana sy zatra manao fiainana indrindra aminareo, izay malemilemy sy sarotsarotiny ka tsy sahy manitsaka ny tany amin'ny faladiany akory, dia ho ratsy fijery ny vady mandry eo am-pofoany, sy ny zanany lahy aman-janany vavy, 57 noho ny amin'ny ahitra izay nivoaka avy eo anelanelan'ny tongony, sy noho ny zanany vao teraka, satria hohaniny mangingina izany, fa tsy manana na inona na inona izy, noho ny hamafin'ny horohoro amam-pahoriana haneren'ny fahavalonao anao, anatin'ny vavahadinao rehetra. 58 Raha tsy tandremanao tsara ny fanarahana ny teny rehetra amin'ity lalàna ity, izay voasoratra amin'ity boky ity, ka tsy atahoranao ity anarana be voninahitra sy mahatahotra ity hoe Iaveh Andriamanitrao,59 dia hataon'ny Tompo mahatsiravina mihitsy ny loza hamelezany anao sy ny loza hamelezany ny taranakao, loza lehibe sady tsy tapaka, aretina mafy sy sarotra sitranina. 60 Hataony hihatra aminao indray ny aretina rehetra tany Ejipta izay nampangovitra anao, ka hiraikitra aminao izany. 61 Fanampin'izany, hataon'ny Tompo mahazo anao koa, ny aretina amam-pery isan-karazany izay tsy voasoratra amin'ny bokin'ity lalàna ity, mandra-paharinganao.
62 Hianao efa maro toy ny kintana eny an-danitra iny, ka ho olom-bitsy sisa ho tavela aminao, noho hianao tsy nihaino ny feon'ny Tompo Andriamanitrao. 63 Ho toy ny nifalian'ny Tompo tamin'ny nanasoavany sy nampitomboany anao ihany no hifalian'ny Tompo koa amin'ny handringanany sy handravàny anao kosa, ka hofongorana hianareo amin'ny tany hidiranao hanananao azy. 64 Haelin'ny Tompo any amin'ny vahoaka rehetra hatrany amin'ny faravazantany hianao, ary any dia hanompo andriamani-kafa vato aman-kazo tsy fantatrao na fantatry ny razanao akory.
65 Any amin'izany firenena izany hianao, dia tsy ho afaka ahiahy ary tsy misy tany hitsaharan'ny faladianao; fo tebiteby, maso manjambena ary fanahy miferin'aina no homen'ny Tompo anao any. 66 Ny ainao hihevingevina eo anoloanao, hianao hangovitra andro aman'alina, ka tsy hanompo izay ho velona intsony hianao. 67 Maraina hianao hanao hoe: Malakia hariva! Hariva hianao hanao hoe: Malakia maraina! noho ny tahotra hampivadi-po anao sy ny zavatra ho hitan'ny masonao. 68 Haverin'ny Tompo an-tsambo ho any Ejipta hianao, hihazo ny làlana voalazako taminao hoe: Tsy ho hitanao intsony izany, ary any hianareo hivaro-tena ho andevolahy sy andevovavy amin'ny fahavalonareo nefa tsy hisy mpividy. 69 Izao no tenin'ny fanekena nandidian'ny Tompo an'i Moizy hatao amin'ny zanak'Israely, tany amin'ny tany Moaba, afa-tsy ilay fanekena nataony taminy tany Horeba.
Toko faha-29
1 Niantso an'Israely rehetra Moizy, dia nilaza taminy hoe: Efa hitanareo izay nataon'ny Tompo teo imasonareo, tany amin'ny tany Ejipta, tamin'i Faraona sy ny mpanompony rehetra ary ny taniny rehetra,2 dia ny fizahan-toetra lehibe, ireo famantarana amam-pahagagana lehibe efa hitan'ny masonao. 3 Mandrak'androany anefa dia mbola tsy nomen'ny Tompo fo mahalala sy maso mahita ary sofina mahare hianareo. 4 Efapolo taona no nitondrako anareo tany an'efitra; nefa ny fitafiana teny an-koditrareo tsy tonta, ny kapa tamin'ny tongotrareo tsy tonta, 5 tsy mofo nohaninareo, tsy divay na labiera nosotroinareo; mba hahazoanareo mahalala fa izaho no Iaveh Andriamanitrareo. 6 Toy izany no nahatongavanareo teto amin'ity toerana ity. Nivoaka nitsena antsika hiady tamintsika Sehona mpanjakan'i Hesebona, sy Oga mpanjakan'i Basàna, fa resintsika, 7 ka nalaintsika ny taniny, dia nomentsika ho zaratanin'ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasa-pokon'ny Manasita. 8 Koa tandremo ary ny tenin'ity fanekena ity, ary araho izy, mba hahomby hianareo, amin'izay rehetra hataonareo. 9 Miseho eto anatrehan'ny Tompo Andriamanitrareo hianareo rehetra anio, dia ny lehibenareo, ny fokonareo, ny loholonareo, ny mpifehy anareo, ny lehilahy rehetra amin'Israely,
10 ny zanakareo sy ny vadinareo ary ny vahiny eo an-tobinao hatramin'ny mpikapa hazonao ka hatramin'ny mpantsaka ranonao, 11 mba hiditra amin'ny faneken'ny Tompo Andriamanitrao, sy amin'ny fianianany; dia ny fanekena izay ataon'ny Tompo Andriamanitrao aminao anio, 12 mba hanandratany anao anio ho vahoakany, dia izy no ho Andriamanitrao, araka ny nolazainy taminao sy nianianany tamin'ny razanao Abrahama sy Isaaka ary Jakoba. 13 Tsy aminao ihany no anaovako izao fanekena sy fianianana izao, 14 fa amin'izay rehetra eto amintsika anio, eto anatrehan'ny Tompo Andriamanitsika, sy amin'ireo tsy eto amintsika anio koa na iza na iza. 15 Fantatrareo izay nitoerantsika tany Ejipta sy izay namakiantsika ny tanin'ny firenena izay nandalovanareo;
16 efa hitanareo ny fahavetavetan'izy ireo sy ny sampy vato aman-kazo, volafotsy amam-bolamena, tany amin'izy ireo. 17 Koa aoka tsy hisy aminareo anio, na lahy na vavy, na fianakaviana na foko, hanana fo mivily miala amin'ny Tompo Andriamanitsika, mba handeha hanompo ny andriamanitr'ireny firenena ireny; aoka tsy hisy aminareo ho fototra hiteraka poizina sy absinta. 18 Aoka tsy hisy amin'izay mandre ny tenin'ity fianianana ity, hihambo anankam-pony manao hoe: Hiadana ihany aho, na dia mandeha manaraka ny ditran'ny foko aza; ka dia ho voatariky ny efa leony izay mangetaheta. 19 Tsy hanaiky hamela heloka izany olona izany Iaveh, fa hirehitra amin'izany olona izany ny hatezeran'ny Tompo sy ny fahasarotam-piarony ka hianjera aminy avokoa ny ozona rehetra voasoratra amin'ity boky ity, ary hovonoin'ny Tompo tsy ho eto ambanin'ny lanitra ny anarany. 20 Hosarahin'ny Tompo amin'ny fokon'Israely rehetra izy, ka hatolony amin'ny loza, araka ny fanozonana momba ny fanekena voasoratra amin'ity bokin'ny lalàna ity. 21 Ny taranaka any aoriana, ny zanakareo mbola ho teraka handimby anareo mbamin'ny vahiny avy any amin'ny tany lavitra, hahita ny loza sy ny aretina hamelin'ny Tompo izany tany izany, 22 dia ny solfara sy ny sira, fanakilàna an'izany tany rehetra izany, izay hofafazana tsy hanome vokatra avy aminy, tsy haniriana ahitra akory, toy ny tamin'ny fikorontanan'i Sodoma sy Gomora, Adamà sy Seboima, izay nakorontan'ny Tompo tamin'ny fahatezerany amam-pahavinirany, 23 ka hiteny izany firenena rehetra izany hanao hoe: Nahoana Iaveh no dia nanao izao tamin'izany tany izany? Inona no dia nahatonga izao firehetam-pahatezerana lehibe izao? Dia hisy hilaza hanao hoe: 24 Noho izy ireo nahafoy ny fanekena tamin'ny Tompo Andriamanitry ny razany, izay nataony tamin'izy ireo, fony izy nampivoaka azy avy tany amin'ny tany Ejipta, 25 ka nandeha nanompo andriamani-kafa sy niankohoka teo anatrehan'ireny andriamanitra tsy fantany akory, na nomen'ny Tompo ho anjarany, 26 dia nirehitra tamin'izany tany izany ny fahatezeran'ny Tompo, nazerany taminy avokoa ny ozona rehetra voasoratra amin'ity boky ity. 27 Fahatezerana sy fahavinirana amam-pisafoahana lehibe no nanatsoahan'ny Tompo azy hiala amin'ny taniny, sy nanilihany azy ho any an-tany hafa, tahaka izao ankehitriny izao: 28 Ny zava-miafina, an'ny Tompo Andriamanitsika; fa ny zava-nambara kosa, antsika sy ny taranatsika mandrakizay, mba hanatanterahantsika ny teny rehetra amin'ity lalàna ity.