Bokin'i Josoe
Toko faha-13
3 hatramin'i Sikora, izay eo atsinanan'i Ejipta ka hatrany amin'ny faritanin'i Akarona eo avaratra, izay tokony hatao ho tany Kananeana; ny andrianan'ny Filistina dimy, ny an'i Gazà, ny an'i Azota, ny an'i Askalona, ny an'i Geta, ny an'i Akarona; 4 any atsimo, ny Heveana, ny tanin'ny Kananeana rehetra, sy Maarà izay an'ny Sidoniana, hatrany Afeka, hatrany amin'ny faritanin'ny Amoreana, 5 ny tanin'ny Gebalita sy Libàna rehetra, any atsinanana, hatrany Baala-Gada, eo am-bodin'ny tendrombohitra Hermona, ka hatrany am-bavan'i Hamata; 6 ny mponina rehetra amin'ny tendrombohitra hatrany Libàna ka hatrany amin'ny ranon i Mserefota dia ny Sidoniana rehetra: horoahiko eo anoloan'ny zanak'Israely ireo. Nefa zarao amin'ny filokana ireo tany ireo ho lovan'Israely, araka ny efa nandidiako izany. 7 Ary ankehitriny zarao izany tany izany amin'ny foko sivy, sy ny antsasaky ny fokon'i Manase, mba ho lovany. 8 Fa ny antsasany efa niara-nahazo ny lova tamin'ny Robenita sy ny Gadita, izay nomen'i Moizy azy tany an-dafin'i Jordany any atsinanana, araka ny nomen'i Moizy mpanompon'ny Tompo azy; 9 hatrany Aroera eo amoron'ny ranon-driaka Arnona, sy ny tanàna eo afovoan'ny lohasaha, ny tany lemaka Medabà rehetra hatrany Dibona, 10 ny tanàna rehetra an'i Sehona mpanjakan'ny Amoreana, izay nanjaka tao Hesebona, hatrany amin'ny faritanin'ny taranak'i Armona, 11 Galaada, ny faritanin'ny Gesoriana sy ny Makatiana, ny tendrombohitra Hermona rehetra ary Basana rehetra hatrany Salekà; 12 ny fanjakana rehetra tany Basana an'i Oga, izay nanjaka tany Astarota sy tany Edraia; izy io no hany sisa tamin'ny Refaima: resin'i Moizy ireo mpanjaka ireo ka noroahiny. 13 Ny Gesoriana sy ny Makatiana anefa tsy mba noroahin'ny zanak'Israely ka samy mbola mitoetra eo amin'ny zanak'Israely mandrak'androany i Gesora sy Makata. 14 Ny fokon'i Levì tokana no tsy mba nomen'i Moizy lova, fa ny sorona atao amin'ny afo ho an'ny Tompo Andriamanitr'Israely no lovany araka ny voalazany taminy. 15 Nomen'i Moizy lova ny fokon'ny tarana-dRobena, araka ny fianakaviany avy,16 ka izao no faritaniny, hatrany Aroera, eo amoron'ny ranon-driaka Arnona, sy ny tanàna eo afovoan'ny lohasaha, ny tany lemaka rehetra akaikin'i Medabà, 17 Hezebona sy ny tanànany rehetra amin'ny tany lemaka, Dibona, Bamota-Baala, Beti-Baala-Maona, 18 Jasà, Kedimota, Mefaata, 19 Kariataima, Sabamà, Sarat-Asara amin'ny tendrombohitra ao an-dohasaha, 20 Beti-Fogora, ny kisolosolon'i Fasgà, Beti-Jesimota, 21 ny tanàna rehetra amin'ny tany lemaka sy ny fanjakana rehetra an'i Sehona mpanjakan'ny Amoreana, izay nanjaka tao Hesebona, fa resin'i Moizy izy sy ireo andrianan'i Madiana, dia Evì, Rekema, Sora, Hora, ary Rebe, mpandoa hetra amin'i Sehona, monina amin'ny tany. 22 Anisan'ireo novonoin'ny zanak'Israely tamin'ny sabatra koa Balaama, mpanao hitsak'andro, zanak'i Beora. 23 Koa tonga hatrany Jordany ka hatramin'ny faritaniny ny faritanin'ny tarana-dRobena. Izany no lovan'ny tarana-dRobena sy ny fianakaviany dia ny tanàna aman-jana-bohiny. 24 Nomen'i Moizy anjara ny fokon'i Gada, ny taranak'i Gada, araka ny fianakaviany avy;
25 ka izao no faritaniny: Jasera, ny tanànan'i Galaada rehetra, ny antsasaky ny tanin'ny taranak'i Amona, hatrany Aroera tandrifin'i Rabà, 26 hatrany Hesebona ka hatrany Rabota-Masfe sy Betonima, ary hatrany Manaima ka hatrany amin'ny faritr'i Dabira, 27 ary eo amin'ny lohasaha, Beti-Harama, Beti-Nemrà, Sokota sy Safona, sisa tamin'ny fanjakan'i Sehona mpanjakan'i Hesebona; ary Jordany sy ny tany momba azy, hatramin'ny tendron'ny ranomasina Kenerata an-dafin'i Jordany any atsinanana. 28 Izany no lovan'ny taranak'i Gada, araka ny fianakaviany, dia ny tanàna aman-jana-bohiny. 29 Nomen'i Moizy anjara ny antsasaky ny fokon'i Manase, ny taranak'i Manase, araka ny fianakaviany,
30 ka izao no faritaniny, hatrany Manaima: Basana rehetra, ny fanjakana rehetra an'i Jaira any Basana, dia tanàna enimpolo. 31 Ny antsasak'i Galaada sy Astarota ary Edraia, tanàna amin'ny fanjakan'i Oga, any Basàna, dia nomena ny taranak'i Makira zanak'i Manase, dia ny antsasaky ny taranak'i Makira, araka ny fianakaviany. 32 Izany no lova nozarain'i Moizy fony izy tany amin'ny tany lemak'i Moaba, any an-dafin'i Jordany tandrifin'i Jerikao any atsinanana. 33 Tsy mba nomen'i Moizy lova ny fokon'i Levì, fa Iaveh Andriamanitr'Israely no lovany, araka ny voalazany taminy.
Toko faha-14
1 Izao no noraisin'ny zanak'Israely ho lova, tany amin'ny tany Kanaana, izay nozarain'i Eleazara mpisorona sy Josoe zanak'i Nòna, ary ny loham-pianakaviana amin'ny fokon'Israely.2 Filokana no nahazoany ny lovany, araka ny nandidian'ny Tompo ho an'ny foko sivy sy ny antsasa-poko; 3 fa ny foko roa sy ny antsasa-poko efa nomen'i Moizy lova tany an-dafin'i Jordany; fa tsy mba nomeny lova teo amin'izy ireo ny Levita. 4 Fa mizara ho foko roa ny taranak'i Josefa dia Manase sy Efraima, fa tsy mba nomena anjara tamin'ny tany ny levita afatsy ny tanàna honenany sy ny fananany. 5 Nanatanteraka ny didy nomen'ny Tompo an'i Moizy ny zanak'Israely, ka nizara ny tany izy. 6 Nanatona an'i Josoe ny taranak'i Jodà tany Galgalà, ary Kaleba zanak'i Jefone, Kenezeana, nanao taminy hoe: Fantatrao izay nolazain'ny Tompo tamin'i Moizy olon'Andriamanitra ny amiko sy ny aminao tany Kadesa-Barne.
7 Efapolo taona aho, no nirahin'i Moizy, mpanompon'ny Tompo, avy tao Kadesa-Barne, hisafo ny tany; ary araka izay tao am-poko tokoa no nanaovako filazana taminy. 8 Ireo rahalahiko niara-niakatra tamiko dia nanaketraka ny fon'ny olona; fa izaho kosa nanaraka an-tsakany sy an-davany an'ny Tompo Andriamanitro; 9 ka nianiana Moizy tamin'izany andro izany, nanao hoe: Ho lovanao sy ny taranakao mandrakizay ny tany izay nohitsahin'ny tongotrao, fa nanaraka an-tsakany sy an-davany an'ny Tompo Andriamanitro hianao. 10 Koa ankehitriny, efa nitahiry ny aiko araka ny voalazany Iaveh hatramin'ny dimy amby efapolo taona nilazany izany teny izany tamin'i Moizy, fony Israely nandeha tany an'efitra, ary dimy amby valopolo taona aho izao. 11 Mbola matanjaka aho anio toy ny fony nirahin'i Moizy, ny heriko ankehitriny sahala amin'ny fahizàny, na hiady, na hivoaka sy hiditra. 12 Koa omeo ahy io tendrombohitra voalazan'ny Tompo tamin'izany andro izany io; ny tenanao no nandre tamin'izany andro izany, fa ny Enakima no ao, mbamin'ny tanàna lehibe sy mimanda. Angamba homba ahy Iaveh ka hahavatra mandroaka azy ireo aho, araka ny tenin'ny Tompo. 13 Dia nitso-drano an'i Kaleba, zanak'i Jefone, Josoe ary nomeny ho lovany Hebrona.
14 Koa Kaleba zanak'i Jefone, Kenezeana, no tompon-dova an'i Hebrona mandrak'androany, satria nanaraka an-tsakany sy an-davany an'ny Tompo Andriamanitr'Israely izy. 15 Kariat-Arbe no anaran'i Hebrona fahiny; Arbe dia lehilahy goavam-be indrindra tamin'ny Enakima. Ary nitsahatra tamin'ny ady ny tany.
Toko faha-15
1 Ny anjara lasan'ny fokon-taranak'i Jodà, araka ny fianakaviany, tamin'ny filokana, dia nitatra hatrany amin'ny faritanin'i Edoma hatrany amin'ny efitra Sina any atsimo any amin'ny farany atsimo.2 Ny faritry ny taniny amin'ny atsimo dia niantomboka avy amin'ny faran'ny ranomasin-tSira dia amin'ny tendrony mitodika atsimo,
3 ka nitohy ao atsimon'ny fiakarana Akdrabima, dia mahazo an'i Sina, sy miakatra any atsimon'i Esrona, niakatra mankany Adara, niolaka any Karkaà, 4 avy eo dia nahazo an'i Asmona, nitohy hatramin'ny ranon-driakan'i Ejipta, dia nihatra hatrany amin'ny ranomasina ny faritry ny taniny. Izany no ho faritry ny taninareo any atsimo.