Ny Jenezy

Toko faha-26

9 Dia niantso an'Isaaka izy, ka nanao hoe: Hita fa vadinao mihitsy izy. Ka ahoana no nilazaonao hoe: Anabaviko io. Ary hoy Isaaka taminy: Satria, hoy aho anakampo, sao dia maty aho noho ny aminy. 10 Ka hoy Abimeleka: Ahoana no nanaovanao izany taminay? Fa nety ho nisy nandeha tamin'ny vadinao ny olona ka ho nampiditra fahotana taminay hianao. 11 Dia nomen'i Abimeleka teny ny vahoakany rehetra, nataony hoe: Izay mikasika io lehilahy io na ny vadiny dia vonoina ho faty. 12 Ary Isaaka namafy tamin'izany, ka nahavokatra avo zato heny izy tamin'io taona io. 13 Nambinin'ny Tompo ka tonga mpanankarena ralehilahy; ary nandroso nandroso ihany izy nampitombo ny hareny, mandra-pahatongany ho manana harena tsy hita noanoa. 14 Nananany andiany maro ny biby fiompy na lehibe na kely; ary nananany betsaka koa ny mpanompo; ka velom-pialonana azy ny Filistina. 15 Nototofan'ny Filistina nofenoiny tany avokoa ny lavaka fantsakàna nohadin'ny mpanompon-drainy, fony fahavelon'i Abrahama rainy. 16 Ary Abimeleka nanao tamin'Isaaka hoe: Mandehàna miala aty aminay hianao, fa efa mahery lavitra noho izahay. 17 Dia nandeha Isaaka ka niorin-day teo an-dohasahan'i Jerara sy nonina teo. 18 Ary ny lavaka fantsakàna voahady fony fahavelon'i Abrahama rainy izay nototofan'ny Filistina nony maty Abrahama dia nohadin'Isaaka indray, ka nasiany anarana araka ny anarana nomen-drainy azy ihany.

19 Mbola nihady teo amin'ny lohasaha koa ny mpanompon'Isaaka, ka nahita loharano velona teo. 20 Fa niadin'ny mpiandry ondry tao Jerara ny mpiandry ondrin'Isaaka nataony hoe: Anay ny rano. Ka nataon'Isaaka hoe Esaka ny anaran'ny lavaka fantsakàna, satria niadin-dry zareo izy. 21 Ary nihady lavaka fantsakàna hafa indray ny mpanompon'Isaaka nefa mbola niadina ihany koa io, ka nataony hoe Sitnà no anarany. 22 Dia niala teo izy ka nihady lavaka fantsakàna hafa indray, izay vao tsy niadina intsony, ka nataony hoe Rekobota ny anarany: Satria, hoy izy, efa nomen'ny Tompo toera-malalaka isika, ka hiadana amin'ny tany. 23 Avy eo izy dia niakatra ho any Bersabea.

24 Ary niseho taminy Iaveh ny alin'izay ka nanao hoe: Izaho no Andriamanitr'i Abrahama, rainao, aza matahotra fa momba anao aho; ka hanisy soa anao ka hahamaro ny taranakao, noho ny amin'i Abrahama mpanompoko. 25 Dia nanangana otely teo Isaaka, ka niantso ny anaran'ny Tompo. Ary niorin-day teo izy, ka nihady lavaka fantsakàna teo ny mpanompony. 26 Ary nanatona azy avy any Jerara Abimeleka, nomban'i Okozota sakaizany, sy Fikola, filohan'ny tafiny.

27 Fa hoy Isaaka tamin'izy ireo: Ahoana no anatonanareo ahy nefa sady mankahala ahy hianareo no nandroaka ahy hiala tany aminareo? 28 Ary hoy iretsy: Efa hitanay miharihary fa momba anao Iaveh, ka hoy izahay: Aoka samy hanao fianianana isika, dia izahay sy hianao; ka hanao fanekem-pihavanana aminao izahay. 29 Aoka hianiana hianao fa tsy hanisy ratsy anay, araka ny tsy nikasihanay anao akory, na nanaovanay na inona na inona taminao afa-tsy ny soa ihany, fa efa nampandehaninay soa aman-tsara hianao. Ary hianao izao no ilay hasoavin'ny Tompo. 30 Dia nanao fanasana ho azy ireo Isaaka ka nihinana sy nisotro izy. 31 Ary nifoha vao maraina koa izy, dia samy nanao fianianana izy roa tonta, izay izy ireo vao nalefan'Isaaka; ka dia lasa soa aman-tsara niala taminy. 32 Tonga tao amin'Isaaka androtr'izay ihany ny mpanompony, nilaza ny momba ny lavaka fantsakàna izay nohadiny tamin'izany ka nanao taminy hoe: Efa nahita rano izahay.

33 Dia nataony hoe Sibea ny anaran'ny fantsakàna. Izany no nanaovana ny anaran'ny tanàna hoe Bersabea mandraka androany. 34 Rahefa efa-polo taona Esao dia nanambady an'i Jodita, zanak'i Beerì, Heteana, sy Basemata, zanak'i Elona, Heteana.

35 Nahasorisorena mafy an'Isaaka sy Rebekà izy ireny.

Toko faha-27

1 Efa antitra Isaaka ka efa nanjavona ny masony ka tsy nahita intsony. Dia niantso an'i Esao zanany lahimatoa izy, ka nanao tamin'ny hoe: Anaka. - Ary hoy io taminy: Inty aho.

2 Dia hoy Isaaka: Hitanao fa efa antitra aho izao; ary tsy fantatro izay andro hahafatesako. 3 Koa ankehitriny, alao ny fitaovanao, dia ny tranon-jana-tsipikanao sy ny tsipikanao, ka mandehana any an-tsaha ka mamonoa biby fihaza ho ahy. 4 Dia anaovy nahandro tsara ho ahy izany, araka ilay tiako; ka ento aty amiko hohaniko, mba hitsofan'ny fanahiko rano anao, dieny mbola tsy maty aho. 5 Ary henon-dRebekà kosa ny nitenenan'Isaaka tamin'i Esao, zanany; dia lasa Esao nankany an-tsaha mba hiremby haza sy hitondra azy. 6 Tamin'izay Rebekà nilaza tamin'i Jakoba, zanany hoe: Izao no reko nolazain-drainao tamin'i Esao, rahalahinao:

7 Itondray haza aho, ka anaovy nahandro tsara hohaniko, mba hitsofako rano anao eo anatrehan'ny Tompo alohan'ny hahafatesako. 8 Koa ankehitriny, anaka, araho ny teniko amin'izay asaiko hataonao: 9 Mandehana mankany amin'ny biby fiompy ka angalao zanak'osy roa izay tsara aho, hanaovako nahandro tsara ho an-drainao, araka ilay tiany; 10 dia hoentinao ao amin-drainao izany dia hohaniny, mba hitsofany rano anao, alohan'ny hahafatesany. 11 Ary hoy Jakoba tamin-dRebekà reniny: Esao rahalahiko, lehilahy voloina, fa izaho malambo hoditra. 12 Angamba hitsapa ahy ikaky ka hoheveriny ho mpamazivazy azy aho, ary amin'izay, ozona fa tsy tso-drano no ho azoko. 13 Hoy reniny taminy: Aoka hihatra amiko ny fanozonana anao, anaka. Fa araho ihany ny teniko: mandehàna, angalao zanak'osy roa aho. 14 Dia nandeha naka Jakoba, ka nitondra izany tamin-dreniny, nanaovany nahandro tsara araka ilay tian-drainy. 15 Ary nalain-dRebekà ny fitafian'i Esao, zanany lahimatoa, ny tsara indrindra, izay tao an-trano, ka nampitafiany an'i Jakoba, zanany lahiaivo. 16 Dia nofonosiny tamin'ny hodi-janak'osy koa ny tànany mbamin'ny malambolambo amin'ny vozony. 17 Izay vao nataony an-tanan-janany ny nahandro tsara sy ny mofo efa namboariny. 18 Dia nankao amin-drainy Jakoba, ka nanao hoe: Dada ô! - Inty aho, hoy Isaaka, iza moa hianao anaka?

19 Ary hoy Jakoba tamin-drainy: Izaho no Esao, zanakao lahimatoa. Vitako ny nasainao nataoko ka masìna hianao, miarena ary mipetraha hihinana ny hazako, mba hitsofan'ny fanahinao rano ahy. 20 Fa hoy Isaaka tamin-janany: Ahoana no dia nahazoanao faingana toy izany, anaka? Ka hoy Jakoba: Iaveh Andriamanitrao no nahatonga azy teo anoloako. 21 Manatòna àry, hoy Isaaka, mba hitsapako anao kely, na hianao tokoa no Esao zanako, na tsia. 22 Dia nanatona an-drainy Jakoba; ka hoy Isaaka nony nitsapa azy: Ny feony dia feon'i Jakoba, fa ny tànany dia tànan'i Esao. 23 Tsy nahalala azy izy, satria voloina tahaka ny an'i Esao, rahalahiny, ny tànany, ka dia nitso-drano azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1887