Boky Faharoan'ny Mpanjaka
Toko faha-20
11 Tamin'izay nangataka tamin'ny Tompo ny mpaminany ka nahemony ambaratonga folo ny aloka teo amin'ny ambaratongan'i Akaza, dia teo amin'ny ambaratonga efa nidinany. 12 Tamin'izany andro izany ihany koa, no nampitondran'i Merodaka-Baladàna zanak'i Baladana mpanjakan'i Babilona taratasy sy fanomezana ho an'i Ezekiasa, satria reny fa hoe narary Ezekiasa.13 Faly tamin'ireo iraka Ezekiasa, ka naneho tamin'ireo ny trano rehetra fitehirizan-java-tsoany, dia ny volafotsy sy ny volamena, ny zava-manitra sy menaka sarobidy, ary ny trano fitehirizam-piadiany, mbamin'izay rehetra tao amin'ny firaketany: tsy nisy tsy nasehon'i Ezekiasa tamin'izy ireo, na ny tao an-tranony, na ny tamin'ny taniny. 14 Fa tonga tao amin'i Ezekiasa mpanjaka kosa Izaia mpaminany, ka nanao taminy hoe: Ahoana no nolazain'ireny olona ireny, ary avy aiza moa izy ireny no tonga tatý aminao? Dia hoy ny navalin'i Ezekiasa: Avy amin'ny tany lavitra izy, dia avy any Babilona. 15 Ary hoy ny mpaminany: Inona avy no hitany tao an-tranonao? Ka hoy ny navalin'i Ezekiasa: Hitany avokoa izay tato an-tranoko rehetra, tsy misy tsy nasehoko azy ny tao amin'ny firaketako. 16 Dia hoy Izaia tamin'i Ezekiasa: Henoy ny tenin'ny Tompo: 17 Indro, ho avy ny andro hitondran'ny olona ho any Babilona, izay rehetra ao an-tranonao sy izay nangonin'ny razanao hatramin'izao andro izao, tsy hisy hijanona amin'izany, na inona na inona, hoy Iaveh. 18 Ary ny zanakao izay naloaky ny kibonao izay naterakao, dia hangalany hatao eonoka any an-dapan'ny mpanjakan'i Babilona. 19 Dia hoy ny navalin'i Ezekiasa tamin'Izaia: Tsara ny tenin'ny Tompo notononinao. Dia hoy indray izy hoe: Eny, satria homba ahy amin'ny andro hiainako ny fiadanana sy ny hatezana. 20 Ny sisa tamin'ny asan'i Ezekiasa, ny herim-po nasehony, ny nanaovany ny kamory aman-dakan-drano mbamin'ny nitarihany rano ho ao an-tanàna, dia efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny Tantaran'ny mpanjakan'i Jodà.
21 Ary nodimandry any amin'ny razany Ezekiasa ka Manase zanany no nanjaka nandimby azy.
Toko faha-21
1 Roa ambin'ny folo taona Manase fony tonga mpanjaka, ary dimy amby dimampolo taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Hafsiba.2 Nanao izay ratsy eo imason'ny Tompo izy, nanaraka ny fahavetavetan'ireo firenena noroahin'ny Tompo teo anoloan'ny zanak'Israely. 3 Naoriny indray ny fitoerana avo noravan'i Ezekiasa rainy, nanangana otely ho an'i Baala izy, nanao aseraha anankiray tahaka ny nataon'i Akaba mpanjakan'Israely, ary niankohoka teo anatrehan'ny tafiky ny lanitra rehetra sy nanompo ireny. 4 Nanorenany otely ny tranon'ny Tompo izay nolazain'ny Tompo hoe: Ao Jerosalema no hametrahako ny anarako. 5 Otely ho an'ny tafiky ny lanitra rehetra no nataony tao anatin'ny kianja roa amin'ny tranon'ny Tompo. 6 Nampamakiny ny afo ny zanany, narahiny ny fanandroana sy ny sikidy, natsangany ny mpiantso ny maty sy ny mpanao ody, ka nandroso nandroso ihany izy nanao izay ratsy teo imason'ny Tompo hampahatezerany azy. 7 Ny sampin'i Astarte nataony, napetrany tao amin'ny trano izay nolazain'ny Tompo tamin'i Davida sy Salomona zanany hoe: Ato amin'ity trano ity, sy eto Jerosalema izay nofidiko tamin'ny fokon'Israely rehetra, no hametrahako ny anarako mandrakizay. 8 Tsy hampandehandeha ny tongotr'Israely hiala amin'ity tany nomeko ny razany ity intsony aho, raha tahiny mba mikely aina ihany izy hanaraka izay rehetra nandidiako azy, sy ny lalàna rehetra nandidian'i Moizy mpanompoko azy. 9 Kanjo tsy nety izy ireo, ary nampivily azy Manase ka nanao ratsy mihoatra noho ireo firenena rehetra naringan'ny Tompo teo anoloan'ny zanak'Israely. 10 Ary tamin'izay, dia niteny Iaveh tamin'ny vavan'ny mpaminany mpanompony nanao hoe:
11 Noho Manase mpanjakan'i Jodà nanao izany fahavetavetana izany, sy noho izy nanao zava-dratsy mihoatra noho izay rehetra nataon'ny Amoreana teo alohany, ary noho izy nampanota an'i Jodà tamin'ny sampiny, 12 dia izao kosa no lazain'ny Tompo Andriamanitr'Israely: Indro aho hahatonga loza ho any amin'i Jerosalema sy Jodà, ka izay rehetra handre izany dia hangintsingitsina ny sofiny roa. 13 Hohenjaniko amin'i Jerosalema ny famolain'i Samaria sy ny pilaon'ny fianakavian'i Akaba. Hamaoka an'i Jerosalema aho ho toy ny lovia izay faohina sy ahohoka rehefa avy nofaohina. 14 Hafoiko ny lovako sisa, fa hatolotro eo an-tanan'ny fahavalony, ka ho tonga sambotra sy babon'ny fahavalony: 15 satria nanao izay ratsy eo imasoko izy, ka nampahatezitra ahy, hatramin'ny andro nivoahan'ny razany tany Ejipta ka mandrak'ankehitriny. 16 Afatsy ny fahotany izay nampanotany an'i Jodà, nitarihany azy hanao ratsy eo imason'ny Tompo, dia nandatsaka ra tsy manan-tsiny be koa Manase, ka feno izany Jerosalema hatrany an-tendrony ilany, ka hatrany an-tendrony ilany iray koa.
17 Ny sisa tamin'ny asan'i Manase, mbamin'izay rehetra nataony, sy ny fahotana vitany, moa tsy dia efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny Tantaran'ny mpanjakan'i Jodà va izany?
18 Ary nodimandry any amin'ny razany Manase ka nalevina tao an-tanimbolin'ny tranony, dia tao amin'ny tanimbolin'i Oza. Amona zanany no nanjaka nandimby azy. 19 Roa amby roapolo taona Amona fony tonga mpanjaka, ary nanjaka roa taona tao Jerosalema izy. Ny anaran-dreniny dia Mesalemeta, zanak'i Harosa, avy any Jeteba.
20 Nanao izay ratsy eo imason'ny Tompo izy, tahaka ny nataon'i Manase rainy, 21 fa nandeha tamin'ny làlana rehetra nalehan-drainy izy; nanompo ny sampy notompoin-drainy izy, ary niankohoka teo anatrehan'ireny. 22 Nahafoy an'ny Tompo Andriamanitry ny razany izy, ary tsy nandeha tamin'ny lalan'ny Tompo. 23 Nikomy tamin'i Amona ny mpanompony, ka namono ny mpanjaka tao an-tranony. 24 Novonoin'ny vahoakan'ny tany kosa anefa izay rehetra nikomy tamin'i Amona mpanjaka, ary Josiasa zanany no natsangan'ny vahoakan'ny tany ho mpanjaka hisolo azy. 25 Ny sisa tamin'ny asan'i Amona, mbamin'izay nataony, moa tsy dia efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny Tantaran'ny mpanjakan'i Jodà va izany?
26 Tao amin'ny fasany ao amin'ny tanimbolin'i Oza no nalevina izy; ary Josiasa zanany no nanjaka nandimby azy.
Toko faha-22
1 Valo taona Josiasa fony tonga mpanjaka, ary iraika amby telopolo taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Idida zanak'i Hadaia avy any Besekata.2 Nanao izay mahitsy teo imason'ny Tompo izy, ary nandeha tamin'izay rehetra nalehan'i Davida rainy, sady tsy nivily na ho amin'ny an-kavanana na ho amin'ny an-kavia. 3 Tamin'ny taona fahavalo ambin'ny folo nanjakan'i Josiasa mpanjaka, dia naniraka an'i Safàna, mpanoratra, zanak'i Aslia zanak'i Mesolama, ny mpanjaka ho any amin'ny tranon'ny Tompo, nanao hoe:
4 Miakara any amin'i Helkiasa mpisorona lehibe, asaovy ataony an-tànana ny vola naterin'ny olona ao an-tranon'ny Tompo, noraisin'ny mpiandry varavarana avy tamin'ny vahoaka. 5 Hapetraka eo an-tanan'izay mandraharaha ny asa, dia izay voatendry ho mpitandrina amin'ny tranon'ny Tompo izany, ka homen'ireo ho an'izay miasa amin'ny asan'ny tranon'ny Tompo, hanamboatra ny banga amin'ny trano, 6 dia ny mpandrafitra, sy ny manevra, ny mpandrafi-bato, hividianana hazo amam-bato voapaika hanamboarana ny trano. 7 Aza ampamoahina ny amin'ny vola natolotra teo an-tànany anefa izy ireo, fa manaraka ny rariny. 8 Tamin'izay Helkiasa mpisorona lehibe nilaza tamin'i Safana mpanoratra hoe: Hitako tao an-tranon'ny Tompo ny bokin'ny lalàna. Ary natolotr'i Helkiasa an'i Safàna ny boky ka novakiny.
9 Rahefa izany, nandeha hilaza ny toe-draharaha amin'ny mpanjaka Safàna mpanoratra, ka nanao hoe: Efa nalain'ny mpanomponao avokoa ny vola hita tao an-trano, ka napetrany eo an-tanan'izay mandraharaha ny asa, izay voatendry ho mpitandrina ao amin'ny tranon'ny Tompo. 10 Izao koa no nampandrenesin'i Safàna mpanoratra ny mpanjaka: Misy boky nomen'i Helkiasa mpisorona ahy; sady novakiny teo anatrehan'ny mpanjaka. 11 Nony nandre ny teny tao amin'ny bokin'ny lalàna ny mpanjaka, dia nandriatra ny fitafiany,
12 sady nanome didy an'i Helkiasa mpisorona, sy Ahikama zanak'i Safàna, sy Akobora zanak'i Mika, sy Safàna mpanoratra, ary Asaiasa mpanompon'ny mpanjaka hoe: 13 Mandehana hianareo manontany amin'ny Tompo ho ahy sy ny vahoaka mbamin'i Jodà rehetra, ny amin'ny teny ato amin'ity boky vao hita ity, fa nirehitra mafy amintsika ny fahatezeran'ny Tompo, noho ny tsy naneken'ny razantsika ny tenin'ity boky ity, amin'ny fanatanterahana izay rehetra nandidiana antsika.