Boky Faharoan'ny Mpanjaka

Toko faha-24

7 Tsy nivoaka avy tany amin'ny taniny intsony ny mpanjakan'i Ejipta, fa lasan'ny mpanjakan'i Babilona avokoa izay an'ny mpanjakan'i Ejipta, hatramin'ny ranon-driakan'i Ejipta, ka hatramin'ny ony Eofrata.

8 Valo ambin'ny folo taona Joasina fony vao nanjaka, ary telo volana no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Nohesta zanak'i Elnatana avy ao Jerosalema.

9 Nanao izay ratsy eo imason'ny Tompo araka izay rehetra nataon-drainy izy. 10 Niakatra hamely an'i Jerosalema ny mpanompon'i Nabokodonosora mpanjakan'i Babilona tamin'izany, ka natao fahirano ny tanàna.

11 Ary mbola nanao fahirano azy ny mpanompony no tonga teo anoloan'ny tanàna koa Nabokodonosora mpanjakan'i Babilona. 12 Tamin'izany dia nivoaka nankao amin'ny mpanjakan'i Babilona Joasina, mpanjakan'i Jodà, mbamin'ny reniny, ny mpanompony, ny manam-boninahiny sy ny eonokany, dia nataon'ny mpanjakan'i Babilona sambo-belona izy, tamin'ny taona fahavalo nanjakany. 13 Nogoahina tao avokoa ny rakitra rehetra tao an-tranon'ny Tompo sy ny rakitra tao an-tranon'ny mpanjaka, ary novakina daholo ny fanaka volamena nataon'i Salomona, mpanjakan'Israely, tao an-tranon'ny Tompo, araka izay efa voalazan'ny Tompo rahateo. 14 Nentina ho babo avokoa Jerosalema manontolo, ny mpifehy rehetra sy ny lehilahy mahery rehetra, dia olon-tsambo-belona iray alina, mbamin'ny mpanao taozavatra rehetra sy ny mpanefy vy; ny olo-mahantra tao amin'ny tany ihany no sisa tafajanona. 15 Nentina ho any Babilona Joasina, nentiny ho babo avy any Jerosalema ho any Babilona ny renin'ny mpanjaka, ny vadin'ny mpanjaka rehetra, ny eonokany, ny olo-malaza amin'ny tany. 16 Fanampin'izany koa ny lehilahy mahery rehetra nisy fito arivo, mbamin'ny mpanao taozavatra sy mpanefy vy arivo lahy, samy lehilahy mahery sy mahay miady, dia nentin'ny mpanjakan'i Babilona ho babo any Babilona daholo. 17 Ary ny natsangan'ny mpanjakan'i Babilona ho mpanjaka hisolo an'i Joasina, dia Mataniasa rahalahin-drainy, ka novany hoe Sedesiasa ny anarany. 18 Iraika amby roapolo taona Sedesiasa fony vao nanjaka, ary nanjaka iraika ambin'ny folo taona tao Jerosalema izy. Ny anaran-dreniny dia Amitala zanak'i Jeremia avy ao Lobnà.

19 Nanao izay ratsy eo imason'ny Tompo izy, fa naka tahaka izay rehetra nataon'i Joakima. 20 Nihatra tamin'i Jerosalema sy Jodà izany, noho ny hatezeran'ny Tompo, mandra-panesorany azy hiala eo anatrehan'ny tavany. Ary niodina tamin'ny mpanjakan'i Babilona Sedesiasa.

Toko faha-25

1 Tamin'ny taona fahasivy nanjakan'i Sedesiasa, tamin'ny volana fahafolo, andro fahafolon'ny volana, dia tonga hamely an'i Jerosalema Nabokodonosora mpanjakan'i Babilona sy ny tafiny rehetra; dia niorin-dasy teo anoloany izy, ary nanao manda fanantomorana manodidina azy.

2 Natao fahirano hatramin'ny taona faharaika ambin'ny folo nanjakan'i Sedesiasa ny tanàna. 3 Tamin'ny andro fahasivin'ny volana, nony efa mafy ny mosary tao an-tanàna, fa tsy nisy mofo intsony ho an'ny vahoakan'ny tany,

4 dia nobangaina ny tanàna, dia lasa nandositra avokoa ny lehilahy mpiady, nihazo ny lalan'ny vavahady anelanelan'ny manda roa, akaikin'ny zaridainan'ny mpanjaka; ny Kaldeana amin'izany manodidina ny tanàna eo. Ny làlana mankamin'ny Arabah no nalehan'ny mpanjaka. 5 Nenjehin'ny tafiky ny Kaldeana ny mpanjaka, ka trany teo an-tany lemak'i Jerikao; dia niparitaka lavitra azy ny tafiny rehetra. 6 Nony voasambotr'izy ireo ny mpanjaka dia nentiny niakatra ho any Rebla, amin'ny mpanjakan'i Babilona, ka namoaka teny fitsarana momba azy izy ireo. 7 Ny zanakalahin'i Sedesiasa novonoina teo anatrehan'izy rainy. Rahefa izany, dia nopotsirin'i Nabokodonosora ny mason'i Sedesiasa ary nafatony tamin'ny gadra varahina roa izy, dia nentina nankany Babilona. 8 Tamin'ny volana fahadimy, andro fahafiton'ny volana, taona fahasivy ambin'ny folo nanjakan'i Nabokodonosora mpanjakan'i Babilona, dia tonga tao Jerosalema Nabozardana, kapitenin'ny mpiambina mpanompon'ny mpanjakan'i Babilona.

9 Nodorany ny tranon'ny Tompo sy ny tranon'ny mpanjaka mbamin'ny trano rehetra tao Jerosalema; nodorany tamin'ny afo avokoa ny trano lehibe. 10 Ary noravan'ny tafiky ny Kaldeana rehetra izay niaraka tamin'ny kapitenin'ny mpiambina, ny manda mamaritra manodidina an'i Jerosalema. 11 Nentin'i Nabozardana kapitenin'ny mpiambina avokoa ny vahoaka sisa tafajanona tao an-tanàna, sy ny mpilefa nitolo-tena tamin'ny mpanjakan'i Babilona, ary ny vahoaka be sisa rehetra,

12 fa olo-mahantra tompon-tany vitsivitsy sisa navelan'ny kapitenin'ny mpiambina ho mpamboly voaloboka sy ho mpiasa tany. 13 Nopotehin'ny Kaldeana ny andry varahina izay tao an-tranon'ny Tompo, mbamin'ny fanambanim-piteran-drano ary ny ranomasina varahina izay tao an-tranon'ny Tompo, ka nentiny ho any Babilona ny varahina.

14 Nentiny koa ny vilany, ny sotron'afo, ny antsy, ny kapoaka, mbamin'ny fanaka varahina rehetra, nenti-nanao ny fanompoana. 15 Nentin'ny kapitenin'ny mpiambina koa ny fanembohana sy ny tasy, ny zavatra volamena sy ny zavatra volafotsy. 16 Ny amin'ny andry roa sy ny ranomasina, ary ny fanambanim-pitoeran-drano nataon'i Salomona tao amin'ny tranon'ny Tompo, dia tsy nisy fotony intsony ny handanjana ny varahina amin'ireo fanaka rehetra ireo. 17 Ny andry iray dia valo ambin'ny folo hakiho ny hahavony, ary teo amboniny dia nisy koronosy varahina, ary telo hakiho ny hahavon'ny koronosy, ary nisy harato sy voan'ampongaben-danitra nanodidina ny koronosy, ka varahina avokoa izany rehetra izany; torak'izany koa ny andry faharoa mbamin'ny harato aminy. 18 Nentin'ny kapitenin'ny mpiambina Saraiasa mpisorona lehibe, sy Sofonia mpisorona ambaratonga faharoa, ary mpiandry varavarana telo lahy.

19 Azony tao an-tanàna ny manam-boninahitra anankiray mpifehy ny lehilahy mpiady, ny olona dimy lahy isan'ny mpanolo-tsaina manoloana ny mpanjaka, izay hita tao an-tanàna, ny mpanoratry ny filohan'ny tafika, miadidy ny fandatsahana ny olona amin'ny tany ho miaramila, ary enimpolo lahy amin'ny vahoakan'ny tany, izay hita tao an-tanàna. 20 Nony azon'i Nabozardana kapitenin'ny mpiambina ireo, dia nentiny ho any amin'ny manjakan'i Babilona tany Rebla. 21 Ka novonoin'ny mpanjakan'i Babilona nataony maty tany Rebla any amin'ny tany Emata Toy izany no nitondrana an'i Joda ho babo lavitry ny taniny. 22 Ny amin'ny vahoaka tafajanona tany amin'ny tanin'i Jodà, navelan'i Nabokodonosora mpanjakan'i Babilona kosa, dia Godoliasa zanak'i Ahikama zanak'i Safana no notendreny ho mpanapaka azy.

23 Ren'ny lehiben'ny isan-toko-miaramila, dia izy sy ny olom-peheziny avy, fa hoe Godoliasa no voatendrin'ny mpanjakan'i Babilona ho mpanjaka, dia tonga nanatona an'i Godoliasa tany Masfà izy ireo: Ismaela zanak'i Nataniasa; Johanana, zanak'i Karea; Saraiasa zanak'i Tanehometa avy ao Netofà, ary Jezoniasa zanak'ilay Maakatiana, dia ireo sy ny olom-peheziny avy. 24 Ka tamim-pianianana no nilazan'i Godoliasa tamin'izy ireo sy tamin'ireo olom-peheziny hoe: Aza misy hatahoranareo akory raha ny amin'ny mpanompon'ny Kaldeana, fa monena amin'ny tany, manompoa ny mpanjakan'i Babilona, fa izany no hanasoa anareo. 25 Kanjo nony tamin'ny volana fahafito, tonga Nataniasa zanak'i Elisama, isam-pianakavian'ny mpanjaka, nomban'olona folo lahy, ka namono nahafaty an'i Godoliasa mbamin'ireo Jody sy Kaldeana teo aminy tany Masfà. 26 Ka ny vahoaka rehetra, hatramin'ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra, mbamin'ireo lehiben'ny isan-toko-miaramila, dia niainga ka lasa nitsoaka nankany Ejipta fa natahotra ny Kaldeana. 27 Tamin'ny taona fahafito amby telopolo nahalasan-ko babo an'i Joasina, mpanjakan'i Jodà, tamin'ny volana faharoa ambin'ny folo, andro fahafito amby roapolon'ny volana, dia nasandratr'i Evil-Merodaka, mpanjakan'i Babilona, ny lohan'i Joasina, mpanjakan'i Jodà, ka nesoriny tao an-tranomaizina tamin'ny taona nahatongavany ho mpanjaka.

28 Nanaovany teny soa izy, nataony ambonin'ny seza fiandrianan'ireo mpanjaka teo aminy tany Babilona ny seza fiandrianany, 29 nasainy nosoloina ny fitafiany tany an-tranomaizina, ary nihinan-kanina mandrakariva teo anatrehany izy, tamin'ny andro niainany rehetra. 30 Ny amin'ny fivelomany, dia ny fivelomany lalandava, dia ny mpanjaka no niantoka izany isan'andro tamin'ny andro rehetra niainany.

Boky Voalohan'ny Tantara

Toko voalohany

1 Adama, Seta, Enosa,

2 Kainàna, Malaleela, Jareda, 3 Henaoka, Matosale, Lameka, 4 Noe, Sema, Kama, Jafeta. 5 Zanak'i Jafeta: Gomera, Magoga, Madaia, Javàna, Tobala, Mosaoka, ary Thirasa.

6 Zanak'i Gomera: Aseneza, Rifata, ary Togorimà.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1509