Boky Voalohan'ny Tantara

Toko faha-9

44 Nanan-janaka enin-dahy Asela, ka ireto no anarany avy: Ezrikama, Bokrao, Ismaela, Sarià, Obdià, ary Hanàna. Ireo no zanakalahin'i Asela.

Toko faha-10

1 Niady tamin'Israely ny Filistina ary nandositra teo anoloan'ny Filistina ny lehilahy amin'Israely, ka lavo teny an-tendrombohitra Jelboe efa azon'ny ratra mahafaty.

2 Nifikitra nanenjika an'i Saola sy ireo zanany ny Filistina ka matin'ny Filistina Jonatàna sy Abinadaba ary Melkisoi, zanak'i Saola. 3 Dia Saola indray no nezahin'ny ady mafy. Nony hitan'ny mpandefa tsipìka izy, dia natahotra mafy an'ireo mpandefa tsipìka izy. 4 Ary hoy Saola tamin'ny mpitondra fiadiany: Tsoahy ny sabatrao, ka trobary aho, fandrao avy manevateva ahy ireo tsy mifora ireo. Tsy nety anefa ilay mpitondra fiadiana fa azon-tahotra, ka nalain'i Saola ny sabany, dia nianjerany avy eo ambony. 5 Vao hitan'ilay mpitondra fiadiana fa maty Saola, dia mba nianjera tamin'ny sabany koa izy, ka maty. 6 Toy izany no nahafatesan'i Saola sy ny zanany lahy, ary indray maty ny ankohonany rehetra. 7 Nony hitan'ny lehilahy rehetra amin'Israely, izay teny amin'ny tany lemaka, fa nandositra ny zanak'Israely, ary maty koa Saola sy ny zanany, dia nilaozan'izy ireo ny tanànany, ka nitsoaka nandositra izy; ary tonga sy niorim-ponenana teo ny Filistina. 8 Ny ampitson'iny, tonga handroba ny zavatry ny maty ny Filistina ka hitany niampatra teo an-tendrombohitra Jelboe, Saola sy ny zanany.

9 Nendahany ny teny an-kodiny dia nentiny ny lohany amam-piadiany; rahefa izany, dia nandefa iraka izy, hilaza izany zava-baovao mahafaly izany eran'ny tanin'ny Filistina, eo anoloan'ny sampiny sy ny vahoaka rehetra. 10 Ny fiadian'i Saola, napetrany tao an-tranon'ny andrimaniny, ary ny karandohany nohomboany tao amin'ny tempolin'i Dagona. 11 Nony nandre izay rehetra nataon'ny Filistina tamin'i Saola ny tany Jabesa any Galaada rehetra, 12 dia niainga avokoa ny lehilahy mahery, naka ny fatin'i Saola sy ny fatin'ireo zanany, ary nitondra azy ho any Jabesa. Naleviny teo ambanin'ny terebinta tao Jabesa ny taolany, dia nifady hanina hafitoana izy ireo. 13 Maty Saola noho ny hadisoany tamin'ny Tompo, izay nahameloka azy, fa tsy nitandrina ny tenin'ny Tompo izy, sady nanontany ary nila hevitra tamin'ireo mpiantso ny maty.

14 Tsy nila hevitra tamin'ny Tompo izy, ka dia novonoin'ny Tompo, ary nafindrany amin'i Davida zanak'Isaia ny fanjakana.

Toko faha-11

1 Ary nivory teo amin'i Davida tany Hebrona Israely rehetra nanao hoe: Indro fa taolanao sy nofonao izahay.

2 Taloha fony mbola nanjaka aza Saola, dia efa nitondra an'Israely nivoaka sy niditra hianao. Ary hoy Iaveh Andriamanitrao taminao: Hianao no ho mpiandry an'Israely vahoakako, ary hianao no ho mpanapaka an'Israely vahoakako. 3 Dia tonga teo amin'ny mpanjaka, tany Hebrona, ny loholon'Israely rehetra, ary Davida nanao fanekena tamin'izy ireo, teo anatrehan'ny Tompo, tany Hebrona, ary izy ireo nanosotra an'i Davida ho mpanjakan'Israely, araka ny tenin'ny Tompo, notononin'i Samoela. 4 Dia nandeha Davida mbamin'Israely rehetra hamely an'i Jerosalema, izany hoe Jebosa; tao ny Jeboseana mponina tamin'ny tany.

5 Fa hoy ny mponina tao Jebosa tamin'i Davida: Tsy ho tafiditra eto hianao. Afak'i Davida ihany anefa ny trano mimandan'i Siona: izany no tanànan'i Davida. 6 Ary hoy Davida: Na iza na iza handresy voalohany ny Jeboseana dia izy no ho lehibe sy filohany. Ary Joaba zanak'i Sarvia no niakatra voalohany, ka izy no tonga lehibe. 7 Dia nitoetra tao anatin'ny trano mimanda Davida, ka izany no niantsoana azy hoe: tanànan'i Davida. 8 Nanorina ny tanàna tamin'ny manodidina hatrany Melao sy ny eny akaiky eny izy, ary Joaba namboatra ny sisa tamin'ny tanàna. 9 Koa nandroso nihalehibe ihany Davida, ary nomban'ny Tompon'ny tafika izy. 10 Ireto no lehiben'ny lehilahy mahery izay tao amin'i Davida, ka nanampy azy niaraka tamin'Israely rehetra nandritra ny andro nanjakany, sady efa nampanjaka azy izy araka ny tenin'ny Tompo ny amin'Israely.

11 Dia izao no isan'ny lehilahy mahery tao amin'i Davida: Jesboama, zanak'i Hakamonì, lehiben'ny Telo-polo lahy: Izy no nampandihy ny lefony tamin'ny olona telon-jato lahy, izay novonoiny tamin'ny indray mandeha monja. 12 Ny manarakaraka azy dia Eleazara, zanak'i Dodao, Ahohita; anisan'izy telo lahy mahery izy. 13 Izy no nomba an'i Davida tany Fesa-Domima, ary nivory teo ny Filistina mba hiady; nisy toerana anankiray feno orja teo, ary vaky nandositra teo anoloan'ny Filistina ny vahoaka. 14 Lasa nankeo afovoan'ny saha izy ireo, niaro azy sy nandresy ny Filistina, dia nanao famonjena lehibe Iaveh. 15 Nisy telo lahy tamin'ireo kapiteny telopolo lahy nidina nankany amin'i Davida teo amin'ny vatolampy, tany an-johin'i Odolama, ary ny tobin'ny Filistina tamin'izay dia tafaorina tao amin'ny lohasahan'i Refaima.

16 Tao amin'ny trano mimanda Davida tamin'izay ary nisy antoko-miaramilan'ny Filistina tany Betleema. 17 Nanam-paniriana Davida ka nanao hoe: Iza no mba hampisotro ahy rano avy amin'ny famorian-drano eo am-bavahadin'i Betleema? 18 Niaraka tamin'izay ireo telo lahy ireo dia namakivaky ny tobin'ny Filistina ka nanovo rano teo amin'ny famorian-drano eo am-bavahadin'i Betleema, dia noraisiny sy nentiny nankeo amin'i Davida. Kanjo tsy nety nisotro izany Davida, fa nataony fanatitra araraka ho an'ny Tompo izany, ary hoy izy: 19 Sanatria raha hanao izany aho! Ra aman'ain'ireo olona ireo ve, ka dia hosotroiko? Fa ny ainy no nataony vy very, hitondrany an'ity! Dia tsy nety nisotro izy. Izany no nataon'izy telo lahy mahery ireo. 20 Abisai, rahalahin'i Joaba lehiben'ny Telo lahy, dia nampandihy ny lefony tamin'ny lehilahy telon-jato, ka nahafaty an'ireo, ka nanan-daza tamin'izy telo lahy.

21 Amin'izy telo lahy faharoa, dia izy no malaza indrindra, ka lehiben'izy ireo, nefa tsy nahomby an'irerý telo lahy voalohany izy. 22 Banaiasa zanak'i Joiadà zanaky ny lehilahy anankiray mahery sy naneho herim-po lehibe matetika, avy any Kabseela. Izy no namely ireo ariela roalahy avy any Moaba. Indray andro nisy oram-panala izay, dia nidina izy ka namely ilay liona tao amin'ny lavaka famorian-drano.

23 Izy no nahafaty ny Ejipsiana anankiray, izay dimy hakiho no halavany, ary nisy lefona sahala amin'ny vodi-tenon'ny mpanenona tao an-tanan'ny Ejipsiana. Nitondra tehina izy nankany aminy ary ny lefona teny an-tanan'ilay Ejipsiana no nosarihiny, dia novonoiny tamin'ny lefony indrindra izay. 24 Izany no nataon'i Banaiasa zanak'i Joiada, ka nanan-daza tamin'izy telo lahy mahery izy. 25 Nalaza noho izy telopolo lahy, nefa tsy nahomby azy telo lahy izy. Nataon'i Davida isan'ny mpanolo-tsaina azy manokana izy. 26 Lehilahy mahery tamin'ny foloalindahy: Asaela rahalahin'i Joaba; Elkanàna, zanak'i Dodao, avy any Betleema;

27 Sammota avy any Arorì, Helesa avy any Falona, 28 Irà zanak'i Aksesa avy any Tekoe; Abiesera, avy any Anatota; 29 Sobokaì, Hosatita; Ilaì, Aholita; 30 Maharaì, avy any Netofà; Heleda zanak'i Baanà, ary Netofà; 31 Etaì, zanak'i Ribaì avy any Gabaàn'ny taranak'i Benjamina; Banaià avy any Faratona. 32 Horaì avy any amin'ny lohasahan'i Gaasa; Abiela avy any Arabà; Azmaveta avy any Baorama; Eliaba avy any Salabona; 33 Bene-Asema avy any Gezona; Jonatàna zanak'i Sage avy any Arara; 34 Ahiama zanak'i Sakara avy any Arara; 35 Elifala zanak'i Ora,

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1519