Boky Voalohan'ny Tantara

Toko faha-12

40 Ary na dia izay nitoetra tao anilany aza hatramin'Isakara sy Zabolona ary Neftalì samy nampitondra hanina, netin'ny ampondra aman-drameva mbamin'ny omby sy ny mole, dia lafarina, ampempan'aviavy maina amam-boaloboka maina, divay, diloilo, omby aman-ondry sesehena, satria nisy fifaliana tamin'Israely.

Toko faha-13

1 Ary Davida niara-nihevitra tamin'ny tompon'arivo sy ny tompon-jato ary ny mpifehy rehetra,

2 ka hoy Davida tamin'ny fiangonan'Israely rehetra hoe: Raha ataonareo ho mety, sy raha toa hevitra avy amin'Andriamanitsika, dia handeha isika haniraka faingana any amin'ny rahalahintsika sisa rehetra, any amin'ny tanin'Israely rehetra sy any amin'ny mpisorona mbamin'ny Levita ao amin'ny tanànany misy tany fiandrasany biby, mba hikambana amintsika izy, 3 sy hitondrantsika ho atý amintsika indray ny fiaran'Andriamanitra, fa tsy nahoantsika akory izany tamin'ny andron'i Saola. 4 Nasain'ny fiangonana rehetra hatao izany, satria noheverina ho tsara teo imason'ny vahoaka rehetra izany. 5 Koa novorin'i Davida Israely rehetra, hatramin'ny Sihora any Ejipta, ka hatrany amin'ny hadilàlan'i Emata, haka ny fiaran'Andriamanitra avy any Kariatiarima.

6 Dia niakatra Davida mbamin'Israely rehetra, nankany Baalà, izany hoe Kariatiarima izay any Jodà, mba hampiakatra avy any ny fiaran'Andriamanitra, ny fiaran'ny Tompo izay mipetraka eo ambonin'ny kerobima, izay fiantsoana ilay Anarana. 7 Napetrany teo ambony sarety vaovao ny fiaran'Andriamanitra dia nentiny avy tao an-tranon'i Abinadaba: Ozà sy Ahiao nitarika ny sarety; 8 Davida sy Israely rehetra nandihy araka izay tratra teo anatrehan'Andriamanitra; sady nihira niaraka tamin'ny harpa aman-dokanga sy amponga tapaka, sy kipantsona, aman'anjomara. 9 Nony tonga teo am-pamoloan'i Kidona, dia naninjitra ny tànany hihazona ny fiara Ozà, fa nisolifaka ny omby.

10 Fa nirehitra tamin'i Ozà ny fahatezeran'ny Tompo, ka nokapohin'ny Tompo izy, noho izy naninji-tànana tamin'ny fiara, dia maty teo anatrehan'Andriamanitra Ozà. 11 Nahatezitra an'i Davida ny nikapohan'ny Tompo an'i Ozà toy izany, ary io toerana io dia nantsoina mandrak'androany hoe Ferets-Ozà. 12 Natahotra an'Andriamanitra Davida tamin'izay andro izay, ka nanao hoe: Hataoko ahoana no fampiditra ny fiaran'Andriamanitra ho ao amiko? 13 Ka tsy notarihin'i Davida, ny fiara, fa nasainy nentina tany an-tranon'i Obededoma, any Geta. 14 Dia nipetraka telo volana tao amin'ny ankohonan'i Obededoma tao an-tranony, ny fiaran'Andriamanitra; ary nambinin'ny Tompo ny ankohonan'i Obededoma mbamin'ny anànany rehetra.

Toko faha-14

1 Ary Hirama mpanjakan'i Tira, nandefa iraka tany amin'i Davida nitondra hazo sedera sy tambato ary mpandrafitra, hanao trano ho azy.

2 Dia fantatr'i Davida, fa efa nampiorina azy ho mpanjaka amin'Israely Iaveh, satria voasandratra ny fanjakany, noho Israely vahoakany. 3 Mbola naka vady koa Davida tany Jerosalema ka mbola niteraka zazalahy aman-jazavavy.

4 Izao no anaran'ny zanany naterany tany Jerosalema: Samoà, Sobada, Natana, 5 Salomona, Jebahara, Elisoa, 6 Elifaleta, Nefega, Jafia, 7 Elisamà, Baniadà ary Elifaleta. 8 Ren'ny Filistina fa hoe voahosotra ho mpanjaka amin'Israely rehetra Davida; dia niakatra hitady an'i Davida ny Filistina rehetra. Nahare izany Davida ka dia nivoaka hanoloana an'ireo izy.

9 Nony tonga ny Filistina dia nirotsaka teny amin'ny lohasahan'ny Refaima. 10 Nanontany an'Andriamanitra Davida nanao hoe: Hiakatra hamely ny Filistina va aho? Hatolotrao eo an-tànako va izy? Ka hoy Iaveh taminy: Miakara, ary hatolotro eo an-tànanao izy. 11 Dia niakatra nankany Baalal-Farasina izy ireo ka nandresy azy tao Davida. Ary hoy Davida: Ny tànako no namakian'Andriamanitra ny fahavaloko, toy ny amakian'ny rano ny fefiloha. Izany no nanaovana ny anaran'io fitoerana io hoe: Baala-Farasina. 12 Nilaozan'irerý tao ny andriamaniny, ka nasain'i Davida nodorana tamin'ny afo. 13 Nirotsaka indray ny Filistina teny amin'ny lohasaha.

14 Dia nanontany an'Andriamanitra Davida, ka hoy Andriamanitra taminy: Aza miakatra manaraka azy fa mivilia azy, ary hivarina aminy hianao avy eo amin'ny lafiny misy ny balsamie. 15 Ka rahefa mandre figondongodon'olona any an-tendron'ny balsamie hianao, miroata hiady amin'izay, fa Andriamanitra hivoaka mialoha anao hamely ny tafiky ny Filistina. 16 Dia nataon'i Davida izay nandidian'Andriamanitra azy, ka nandresy ny tafiky ny Filistina, hatrany Gabaona ka hatrany Gazera izy ireo. 17 Dia niely eran'ny tany rehetra ny lazan'i Davida, ary nataon'ny Tompo natahotra azy ny firenena rehetra.

Toko faha-15

1 Ary Davida nanao trano ho azy tao an-tanànan'i Davida, dia nanomana fitoerana ho an'ny fiaran'Andriamanitra, ka nanorin-day ho azy.

2 Hoy Davida tamin'izay: Tsy misy afa-tsy ny Levita ihany no hitondra ny fiaran'Andriamanitra, satria ireo no voafidin'ny Tompo hitondra ny fiaran'Andriamanitra sy hanao ny fanompoana momba azy mandrakizay.

3 Dia novorin'i Davida tao Jerosalema Israely rehetra hampiakatra ny fiaran'ny Tompo ho ao amin'ny fitoerany, izay efa nomaniny ho azy. 4 Novorin'i Davida ny taranak'i Aarona sy ny Levita; 5 tamin'ny taranak'i Kaata: Oriela lehibe sy ny rahalahiny, roapolo amby zato; 6 tamin'ny taranak'i Merarì: Asaià lehibe sy ny rahalahiny, roapolo sy roan-jato; 7 tamin'ny taranak'i Gersoma: Joela lehibe sy ny rahalahiny, telopolo amby zato; 8 tamin'ny taranak'i Elisafàna: Semeiasa lehibe sy ny rahalahiny, roan-jato; 9 tamin'ny taranak'i Hebrona: Eliela lehibe sy ny rahalahiny, valopolo; 10 tamin'ny taranak'i Oziela: Aminadaba lehibe sy ny rahalahiny, roa ambin'ny folo amby zato. 11 Nantsoin'i Davida ny mpisorona Sadaoka sy Abiatara, ary ny Levita, Oriela, Asaiasa, Joela, Semeiasa, Eliela ary Aminadaba.

12 Ka hoy izy tamin'ireo: Hianareo, loha fianakavian'ny Levita, hamasino ny tenanareo, dia hianareo sy ny rahalahinareo, ka ampiakaro ny fiaran'ny Tompo Andriamanitr'Israely ho eo amin'ny fitoerana nomaniko ho azy. 13 Fa satria noho hianareo tsy nampiakatra azy tamin'ilay voalohany, no nikapohan'ny Tompo Andriamanitsika antsika, satria tsy nitady azy araka ny lalàna isika. 14 Dia nanamasin-tena ny mpisorona sy ny Levita, mba hampiakatra ny fiaran'ny Tompo Andriamanitr'Israely.

15 Ary ny taranak'i Levì, dia nilanja ny fiaran'Andriamanitra tamin'ny baony, araka ny nandidian'i Moizy, araka ny tenin'ny Tompo. 16 Nasain'i Davida notendren'ny lehiben'ny Levita ny rahalahiny mpihira miaraka amin'ny zava-maneno, dia ny valiha, ny harpa, ny kipantsona, hampaneno azy amin'ny feo mikarantsana sy maneho hafaliana.

17 Ka dia notendren'ny Levita Hemàna zanak'i Joela, ary tamin'ireo rahalahiny Asafa zanak'i Barakiasa; tamin'ny taranak'i Merarì rahalahiny, Etana zanak'i Kosaià; 18 naman'ireo ny rahalahiny, amin'ny ambaratonga faharoa: Zakaria, Bena, Jaziela, Semiramota, Jahiela, Anì, Eliaba, Banaiasa, Maasiasa, Matatiasa, Elifalò, Maseniasa, Obededoma, ary Jehiela, mpiandry varavarana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.151