Bokin'i Nehemia
Toko faha-7
42 fito ambin'ny folo sy arivo, ny taranak'i Arema. 43 Levita: efatra amby fitopolo, ny taranak'i Josoe sy Kedmiela avy amin'ny taranak'i Odoiasa.44 Mpihira: valo amby efapolo amby zato, ny taranak'i Asafa. 45 Mpiandry varavarana: valo amby telopolo amby zato, ny taranak'i Seloma, ny taranak'i Atera, ny taranak'i Telmona, ny taranak'i Akoba, ny taranak'i Hatita, ny taranak'i Sobaì. 46 Natineana: ny taranak'i Sohà, ny taranak'i Hasofà, ny taranak'i Tebaota;
47 ny taranak'i Kerosa, ny taranak'i Siaà, ny taranak'i Fadona; 48 ny taranak'i Lebàna, ny taranak'i Hagabà; 49 ny taranak'i Selmaì, ny taranak'i Hanàna, ny taranak'i Gedela, ny taranak'i Gahera, 50 ny taranak'i Raaiasa, ny taranak'i Rasìna, ny taranak'i Nekodà, 51 ny taranak'i Gezema, ny taranak'i Azà, ny taranak'i Faseà, ny taranak'i Besea, 52 ny taranak'i Monima, ny taranak'i Nefosima; 53 ny taranak'i Bakboka, ny taranak'i Hakofà; 54 ny taranak'i Harhora, ny taranak'i Beslota, ny taranak'i Mahidà, ny taranak'i Harsà, 55 ny taranak'i Berkosa, ny taranak'i Sisarà, ny taranak'i Temà, 56 ny taranak'i Nasià, ny taranak'i Hatifà. 57 Taranaky ny mpanompon'i Salomona: ny taranak'i Sotai, ny taranak'i Sofereta, 58 ny taranak'i Faridà, ny taranak'i Jahalà, ny taranak'i Darkona, ny taranak'i Jedela, 59 ny taranak'i Safatiasa, ny taranak'i Hatilà, ny taranak'i Fakereta-Asebaima, ny taranak'i Amona. 60 Roa amby sivifolo sy telon-jato no tontalin'ny Natineana sy ny taranaky ny mpanompon'i Salomona. 61 Izao no nandeha niala tany Tel-Melà, Tel-Harsà, Keroba, Adaona, ary Emera, izay tsy nahalaza ny fianakavian-drainy amam-pirazanany, hanamarina ny maha-Israely azy:
62 ny taranak'i Dalaiasa, ny taranak'i Tobia, ny taranak'i Nekodà, roa amby efapolo sy enin-jato. 63 Ary ny tamin'ny mpisorona dia ny taranak'i Hobià, ny taranak'i Akosa, ny taranak'i Berzelaì, izay naka ho vady ny anankiray tamin'ny zanakavavin'i Berzelaì, Galaadita, ka dia nantsoina amin'ny anarany. 64 Nikaroka ny taratasy vavolombelon'ny firazanany izy ireo, fa tsy nahita, ka dia nolazaina ho tsy madio, tsy mahatana ny fisoronana; 65 ary noraran'ny governora tsy hihinana ny zavatra masina indrindra izy ireo, mandra-pitsangan'izay mpisorona, hanontany amin'Andriamanitra, amin'ny Orima sy ny Tomima. 66 Enipolo sy telon-jato amby roa arivo sy efatra alina no tontalin'ny fiangonana rehetra,
67 afa-tsy ny mpanompony, lahy amana vavy, izay nisy fito amby telopolo sy telon-jato sy fito arivo. Nisy mpihira, lahy amana vavy, roan-jato tamin'izy ireo. 68 Ary izao no nananany: soavaly enina amby telopolo sy fiton-jato, mole dimy amby efapolo sy roan-jato, 69 rameva dimy amby telopolo sy efa-jato, ary ampondra roapolo sy fiton-jato sy enina arivo. 70 Maro tamin'ny loham-pianakaviana no nanao fanomezana, hanaovana ny asa. Ny governora nanome darìka volamena arivo, kopy dimampolo, akanjom-pisoronana telopolo sy diman-jato, hatao amin'ny rakitra.
71 Ny sasany amin'ny loham-pianakaviana nanome darìka volamena roa alina, mina volafotsy roan-jato sy roa arivo, hatao amin'ny rakitra hanaovana ny asa. 72 Ny vahoaka sisa kosa nanome darìka volamena roa alina, mina volafotsy roa arivo, ary akanjom-pisoronana fito amby enimpolo. 73 Dia toy izany no nahatafapetraka tamin'ny tanànany avy ny mpisorona sy ny levita, ny mpihira, ny mpiandry varavarana, ny olona amin'ny ankapobem-bahoaka, ny Natineana, ary Israely rehetra.
Toko faha-8
1 Nony tonga ny volana fahafito, ka efa tafapetraka amin'ny tanànany avy ny zanak'Israely, dia nivory toy ny olona iray ihany ny vahoaka rehetra, teo amin'ny kianja anoloan'ny vavahadin'ny Rano. Ary efa nilazan'izy ireo Esdrasa mpanora-dalàna, mba hitondra ny bokin'ny lalàn'i Moizy, izay nandidian'ny Tompo an'Israely.2 Ka nentin'i Esdrasa mpisorona ny lalàna, ho eo anatrehan'ny fiangonana, dia ny lehilahy sy ny vehivavy mbamin'izay rehetra efa manan-tsaina hahafantatra azy; andro voalohan'ny volana fahafito tamin'izay. 3 Novakiny teo anatrehan'ny lehilahy sy ny vehivavy mbamin'izay efa manan-tsaina hahafantatra azy ny boky, teo amin'ny kianja anoloan'ny vavahadin'ny Rano, hatramin'ny maraina ka mandra-pisasaky ny andro, ary nampandry sofina nihaino ny bokin'ny lalàna avokoa ny vahoaka. 4 Teo ambony lampihazo vao narafitra hanaovana izany, no nitsangana Esdrasa mpanora-dalàna, ary ireto no teo anilany: ao an-kavanany, Matatiasa, Semeiasa, Aniasa, Oria, Helkiasa, Maasiasa; teo an-kaviany, Fadaiasa, Misaela, Melkiasa, Hasoma, Hasbadanà, Zakaria, Mosolama. 5 Dia nosokafan'i Esdrasa teo imason'ny vahoaka rehetra ny boky, fa tafasondrotra ambonin'ny vahoaka rehetra izy, ary rahefa nosokafany dia nitsangana ny vahoaka rehetra. 6 Nisaotra an'ny Tompo Andriamanitra lehibe Esdrasa, dia nanandra-tànana ny vahoaka rehetra namaly hoe: Amena, Amena! Sady niondrika sy niankohoka tamin'ny tany teo anatrehan'ny Tompo izy ireo. 7 Ary nampianatra ny vahoaka ny lalàna, Josoe, Banì, Sarabiasa, Jamina, Akoba, Septaì, Odiasa, Maasiasa, Kelità, Azariasa, Jozabeda, Hanàna, Falaiasa, mbamin'ny levita; ka samy nijanona teo amin'ny fitoerany ny olona. 8 Novakiny mazava ny boky, dia ny lalàn'Andriamanitra, novoasany koa ny heviny; ka azo tsara ny teny novakina. 9 Ary Nehemia, governora, Esdrasa mpisorona sy mpanora-dalàna, mbamin'ny levita, nampianatra ny vahoaka, niteny tamin'ny vahoaka rehetra, nanao hoe: Andro masina ho an'ny Tompo Andriamanitrareo ity ka aza asiana fisaonana na ranomaso. Fa nitomany avokoa ny vahoaka nony nandre ny tenin'ny lalàna.
10 Dia hoy koa Nehemia tamin'ireo: Mandehana mihinana hena matavy sy misotro zava-pisotro mamy, ary anatero anjara izay tsy nahavoatra, fa masina ity andro ity ho an'ny Tompontsika; ka aza malahelo fa ny fifaliana amin'ny Tompo no herinareo. 11 Ny levita koa nampionona ny vahoaka rehetra nanao hoe: Mangina hianareo fa masina ity andro ity ka aza malahelo. 12 Dia samy nandeha hihinana sy hisotro ary hampitondra anjara ho an'ny sasany ny vahoaka rehetra, ka nanao fifaliana lehibe. Fa azony tsara ny teny nampahafantarina azy ireo. 13 Ny andro faharoa dia nivory teo amin'i Esdrasa mpanora-dalàna, ny loham-pianakavian'ny vahoaka rehetra, mbamin'ny mpisorona sy ny levita, mba handavorary kokoa ny fianarany ny tenin'ny lalàna.
14 Ka hitan'izy ireo voasoratra ao amin'ny lalàna izay nandidian'ny Tompo tamin'ny alàlan'i Moizy, fa tsy maintsy mitoetra an-trano lay ny zanak'Israely, mandritra ny fety amin'ny volana fahafito, 15 sy tsy maintsy manao fiantsoana am-pahibemaso ao amin'ny tanànany rehetra sy any Jerosalema hoe: Mankanesa any an-tendrombohitra hianareo dia mitondrà sampan'oliva, sampan'oliva maniry ho azy, sampan-drofia, ary sampan-kazo milobolobo, hanaovan-trano lay araka ny voasoratra. 16 Dia nandeha nankany ny olona, ka nitondra, ary samy nanao trano lay avy izy ireo teny ambony tafon-tranony, teny an-tokotaniny, teny amin'ny kianjan'ny tranon'Andriamanitra, teo amin'ny kianjan'ny vavahadin'i Efraima. 17 Samy nanao trano lay sy nipetraka tao anatin'ny trano lay avokoa ny fiangonan'izay niverina avy any amin'ny fahababoana. Tsy mbola nahavita zavatra hoatra izany ny zanak'Israely, hatramin'ny andron'i Josoe zanak'i Nona ka hatramin'io andro io. Ka nisy fifaliana lehibe indrindra tamin'izay. 18 Namakiana isan'andro ny bokin'ny lalàn'Andriamanitra hatramin'ny andro voalohany ka hatramin'ny andro farany. Hafitoana no nanaovana ny fety, ary tamin'ny andro fahavalo, dia nisy fivoriana manetriketrika, araka ny fomba voadidy.