Boky Faharoan'ny Makabeo

Toko faha-8

15 na dia tsy noho ny amin'izy ireo aza, dia noho ny fiheverana ny fanekena natao tamin'ny razany ahay, ary noho ny anarany masina sy lehibe efa voa-antso tamin'izy ireo. 16 Novorin'i Makabeo ny sisa tafajanona taminy, nisy enina arivo lahy no isany, dia namporisihiny tsy hatahotra, na hihorohoro amin'izay hamaroan'ny firenena tamy hamely azy tsy an-drariny, fa hiady amin-kerim-po, 17 ka hany hatrehina, dia ny fandoroana tsy mendrika nafitsok'ireo ny fitoerana masina, ny fanazimbazimbana ny tanàna noravany, mbamin'ny fanafoanana ny fomba nentin-drazana. 18 Izy ireo, hoy izy, mitoky amin'ny fiadiana sy ny fikatrohana amin-kasahiana; fa isika kosa, mametraka ny fitokiantsika amin'Andriamanitra, Tompon'ny zavatra rehetra, mahay manakorontana ireo tamy hamely antsika sy izao tontolo izao aza, amin'ny baiko iray monja. 19 Dia novisavisainy teo anatrehan'izy ireo ny ohatry ny fiarovan'Andriamanitra fahataloha; ny naharingana ny miaramila valo alina sy iray hetsy tamin'ny andron'ny Senakeriba; 20 tamin'ny ady tamin'ny Galata, tany Babilonia, valo arivo lahy monja no isan'ny nikatroka, nampiana Masedoniana efatra arivo, voasokera mafy dia mafy izy ireto; nefa nahafaty fahavalo roa alina sy iray hetsy, izy valo arivo lahy; noho ny vonjy azony avy any amin'ny lanitra sady nahazo voka-tsoa be vava. 21 Nony avy nanome toky azy ireo, tamin'izany fampahatsiarovana izany izy, sy namonon-ko faty azy ireo ho an'ny lalàna aman-tanindrazana, dia nozarainy ho antokony efatra ny tafiny.

22 Napetrany hitakika isan-tokony avy Simona sy Josefa ary Jonatasa rahalahiny; nomeny miaramila diman-jato amby arivo avy. 23 Fanampin'izany, nandidy an'i Eleazara izy hanao famakiana ny boky masina; rahefa izany, nomeny ny baiko hoe: Vonjin'Andriamanitra, dia nitarika ny antokony voalohany izy namely an'i Nikanora. 24 Tonga namonjy azy ny Tsitoha ka matiny ny fahavalo mihoatra ny sivy arivo, naratrany sy noboriany ny ankabeazan'ny miaramilan'i Nikanora nataony vaky nandositra avokoa 25 Nalainy koa ny volan'ireo izay tonga hividy azy. Efa lasa lavitra ihany izy nanenjika ny mpandositra, 26 vao niverina, fa voasakan'ny fotoana, satria omalin'ny sabata tamin'izay; izany no tsy nanohizany ny fanenjehana azy. 27 Ka nangoniny ny fiadian'ny fahavalo, nobaboiny izay teny aminy, dia nankalaza ny Tompo, izay namonjy azy tamin'izany andro izany, fa efa nanapa-kevitra haneho taminy ny fiandohan'ny famindram-pony. 28 Nony lasa ny sabata, nizarany tamin'ny babo ireo niharan'ny fanenjehana, ny kamboty sy ny mpitondra-tena, vao nozarainy tamin'ny samy izy mbamin'ny zanany ny sisa. 29 Vita izany dia rafitra niara-nivavaka izy ireo, nitalaho tamin'ny Tompo mpamindra fo, hihavana tanteraka amin'ny mpanompony indray. 30 Mihoatra ny roa alin-dahy no matiny koa, tamin'ny miaramila niady fehin'i Timotea sy Bakidesa ary azony tamin-kerim-po ireo trano mimanda avo. Nozarainy roa mitovy ny babo betsaka azony: ny iray toko azy; ny iray toko an'ireo nenjehina, ny kamboty, ny mpitondra-tena ary ny antitra koa.

31 Nangoniny ny fiadiana, dia napetrany tamim-pilaminana tao amin'ny fitoerana mety; ary nentiny ho any Jerosalema ny babo sisa. 32 Novonoiny ho faty Filarka, izay nomba an'i Timoteo; lehilahy ratsy fanahy loatra izy izany, nahavita ratsy be tamin'ny Jody. 33 Raha mbola nankalaza ny fandreseny tao amin'ny renivohiny izy, ry Kallistena mbamin'ny sasany hafa kosa izay nandoro ny varavarana masin'ny tempoly dia nandositra tao an-trano kely anankiray; ka dia nodorany tao ireo, sy nomeny ny valy tandrifin'ny fametavetany ny zavatra masina. 34 Nikanora ilay jiolahy safatsiroa, izay nampihavy mpandranto arivo, hividy ny Jody aminy,

35 dia voaetrin'ireto nataony ho osa noho izy, noho ny vonjy avy amin'ny Tompo, ka nendahany ny fitafiam-boninahitra teny aminy, dia namakivavky ny saha toy ny mpandositra izy tsy nisy mpanotrona, ary niditra tao Antiokia honjohonjon'izy irery, sady nivarilavo fa namoy ny fatiny. 36 Ilay izy nampanantena hanefa ny sisan'ny hetra haloa amin'ny Romana, amin'ny vidim-babo avy any Jerosalema teo iny indrindra, no nilaza am-pahibemaso fa manana an'Andriamanitra ho mpiaro azy ny Jody, ka tsy mety maratra izy amin'izany; satria mankatò ny lalàna nandidiany azy izy ireo.

Toko faha-9

1 Takaikin'izany andro izany, no nahatongavan'i Antiokosa, tamin-kenatra, avy any amin'ny tanin'i Persa.

2 Fa niditra tao amin'ny tanàna atao hoe Persepolisa izy, dia nanandrana ny handroba ny tempoly, sy hampahory ny tanàna; kanjo niroatra ny vahoaka, ka nandray fiadiana, dia indro Antiokosa nataon'ny mponina vaky nandositra, dia lasa niverina afa-baraka. 3 Tao amin'ny faritanin'i Ekbatana, izy no nandre ny nanjò an'i Nikanora sy ny tafik'i Timoteo. 4 Nirehitra ny hatezerany ka ny hamaliana ny fanaikan'ireo nanery azy handositra amin'ny famelezana ny Jody no noheveriny; nobaikoiny handefa ny kalesiny tsy an-kijanona ny mpitarika mba hahafaingana ny dia. Nenjehin'ny famalian'ny any ambony anefa izy, fa nilaza tamim-piavonavonana hoe: Vao tonga ao Jerosalema aho, dia hataoko fasan'ny Jody io tanàna io. 5 Kanjo nasian'ny Tompo, Andriamanitr'Israely, mahita ny zavatra rehetra, tamin'ny fery tsy lai-panafody, maha-tsy te-hijery. Vao avy nanonona io teny io izy dia nahatsiaro fanaintainana lozan-tany teo an-kibony, sy fangirifiriana nanotikotika tao anatiny. 6 Famaizana marina izany, fa nandrotika ny kibon'ny sasany tamin'ny fampijaliana maro sy mafy mihoa-pampana izy. 7 Tsy nety nionona tamin'ny fiavonavonany anefa izy fa mbola feno rehareha, dia naneho ny hatezerany mirehitra amin'ny Jody, nandidy ny hanafainganana ny dia izy, fa injay nidaboka tampoka avy ao amin'ny kalesy, izay nikodiadia nikotrokotroka, sady loza ny hamafin'ny fianjerany, fa mangana avokoa ny rantsam-batany rehetra; 8 ka indro, ilay vao teo no nanao ny tenany ho mpandidy ny onjan-dranomasina noho ny reharehany tafahoatra ny an'ny olona, ilay nihevitra handanja ny hahavon'ny tendrombohitra amin'ny mizàna, fa tafatsingidina amin'ny tany, ka nolanjaina tamin'ny filanjana, naneho miharihary teo imason'ny olon-drehetra ny fahefan'Andriamanitra. 9 Kankana be dia be no nivoaka tamin'ny vatan'ity mpankahala ny fivavahana, mbola velona ny tenany dia nirarak'ompana ny nofony tamim-pijaliana lozan-tany; fofon-javatra lò no nivoaka nankararirary ny tafika manontolo; 10 ka ilay toa hanakatra ny kintana eny an-danitra teo iny, tsy nisy nahazaka azy intsony ankehitriny, fa tsy toha izany hamaimboana izany. 11 Voa lalina loatra izy tamin'izany, ka izay vao nihemotra tamin'ny fiavonavonany makadiry sy nahalala ny tenany azon'ny kapok'Andriamanitra izay nampitombo ny fanaintainany hatrany hatrany; 12 ary hatramin'ny tenany avy, no tsy nahatanty ny hamaimbony intsony, ka hoy izy: Rariny mihitsy ny manaiky an'Andriamanitra; ary raha izay mety maty foana, tsy tokony hirehareha hifaninana amin'Andriamanitra. 13 Nivavaka tamin'ny Tompo ambony indrindra, izay tsy tokony hamindra fo aminy intsony anefa, ilay tsy misoro-doza io; 14 nampanantena izy, fa holazainy ho tanàna afaka, ny tanàna masina, izay nidodododoany taloha hampitovina tantana amin'ny tany sy hatao fasan'ny mponina ao; 15 hampitoviny saranga amin'ny Ateniana avokoa ny Jody izay notombanany ho tsy mendrika hanam-pasana, sy nokendreny hatao sakafon'ny vorona mpihaza amam-biby masiaka; 16 hampihaingoina amin'ny fanomezana kanto ny tempoly masina izay namaboany taloha sady haveriny aminy avokoa sy hampiany aza ny fanaka masina rehetra, hosahaniny amin'izay miditra ho an'ny tenany, ny lany amin'ny sorona; 17 fanampin'izany, hilatsaka ho Jody ny tenany, ary hitety ny tany misy mponina rehetra izy hanambara ny fahefan'Andriamanitra. 18 Tsy nitony anefa ny fijaliany fa ny fitsarana masin'Andriamanitra efa nihatra taminy, ka nony hitany fa tsy hantenaina intsony ny amin'ny toetrany, dia nanoratra taratasy ho an'ny Jody izy, ka fitarainana no fomba nandaharany azy, ary izao no teny ao: 19 Antiokosa mpanjaka sy jeneraly, manoratra ho an'ny Jody, vahoakany tsara indrindra, Arahaba! Fahasalamana! Fiadanana tanteraka!

20 Raha salama tsara ny tenanareo mbamin'ny zanakareo, raha mandroso araka ny fanirianareo ny raharahanareo, dia manome voninahitra lehibe indrindra an'Andriamanitra amin'izany aho, ary mametraka ny fitokiako amin'ny lanitra. 21 Izaho izao, mandry tsy manan-kery intsony eto am-pandriana dia mahatsiaro amim-pitiavana ny mari-boninahitra amam-pitiavana noraisiko taminareo. Tamin'ny niverenako avy tany amin'ny tanin'i Persa, notsindrian'aretina lozan-tany aho, ka nataoko fa ilaina ny himasoako amin'izay hiadanan'ny olona rehetra. 22 Tsy dia manary toky ny amiko aho tsy akory amin'izany fa vao mainka matoky mafy ny ho sitrana amin'izao aretina izao. 23 Fa izao no noheveriko: fony ikaky hiady tany amin'ny faritany ambony, dia notendreny izay ho dimbiny, 24 mba ho fantatr'izay eo amin'ny fanjakana ny nametrahana ny raharaha, ka tsy ho very hevitra izy raha avy izay loza tsy nampoizina na izay tsahotsaho ratsy; 25 heveriko manampy izany koa fa ireo mpanjaka mifanolotra sy ireo andrian-dahy mifanakaiky amin'ny fanjakana mitsikilo ny toe-draharaha, sy miandry izay hitranga, ka dia notendreko ho mpanjaka Antiokosa zanako ilay efa napetrako tamin'ny ankabeazany aminareo, tamim-panafatrafarana fony aho nitety ireo faritany ambony; ary io nadika eo ambany io ny taratasy nampitondraiko azy. 26 Koa mangataka aminareo sy mihanta aminareo, mba hahatsiaro ny soa nataoko, na tamin'ny ankapobeny, na tamin'ny tsirairay avy, sy mba samy hahatana ny fitiavanareo ahy sy ny zanako. 27 Satria matoky marina aho fa noho izy feno halemem-panahy sy antra olona, dia hahatanteraka ny hevitro sy hiseho ho mora aminareo. 28 Koa tany an-tanin'olon-kafa, tany an-tendrombohitra tamim-pahafatesana mahamenatra no nahafatesan'io mpanomo olona sy mpanevateva an'Andriamanitra io, azon'ny fijaliana mahatsiravana toraky ny nafitsony ny hafa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1472