Bokin'i Jeremia
Toko faha-30
8 Fa hisy toy izao amin'izany andro izany, - teny marin'ny Tompon'ny tafika: Hotapahako ho afaka amin'ny vozonao ny jiogany, ary hotsoahako ny fatoranao; tsy hampanompo azy intsony ny olon-kafa;9 fa ho mpaneky an'ny Tompo Andriamaniny izy ireo, sy an'i Davida mpanjakany, izay hatsangako ho azy.
10 Koa aza matahotra hianao, ry Jakoba, mpanompoko, - teny marin'ny Tompo, ary aza manam-badi-po, ry Israely. Fa indro aho hanaisotra anao any an-tany lavitra, sy ny taranakao, avy any amin'ny tany nahababo azy. Dia ho tafaverina Jakoba, ka hiadana, handry fahizay, tsy hisy mpanabataba azy.
11 Fa momba anao aho, - teny marin'ny Tompo, - hamonjy anao; hataoko ringana ny firenena rehetra nampielezako anao. Fa hianao kosa, tsy mba haringako; hofaiziko ara-drariny ihany hianao, fa tsy dia havelako ho afa-potsiny tsy akory.
12 Fa izao no lazain'ny Tompo: Tsy azo sitranina ny ratranao, manaintaina ny ferinao;
13 tsy misy olona hisolo vava anao amin'ny adinao, mba hamehezana ny ferinao, tsy misy fanafody mahasitrana ho anao.
14 Ny lehilahinao rehetra, nanadino anao, fa tsy manan-draharaha aminao akory. Satria nasiako toy ny famely fahavalo hianao, tamin'ny famaizana lozan-tany, noho ny habetsahan'ny helokao, fa efa nitombo be ny fahotanao.
15 Nahoana no mitaraina hianao noho ny faharatranao, noho ny tsy fahazoana manasitrana ny ferinao? Noho ny habetsahan'ny helokao ihany, sy noho ny nitomboan'ny fahotanao, no nanaovako izany zavatra izany taminao.
16 Koa izay rehetra mandany anao, holanina; izay rehetra mampahory anao, ho lasan-ko babo; izay mambabo anao, hobaboina; ary izay rehetra mandroba anao, hatolotro horobaina.
17 Fa efa hamehy anao aho, efa hositraniko amin'ny ferinao hianao, - teny marin'ny Tompo. Fa ny anaranao dia atao hoe: Ikala noroahina, Siona tsy manam-piahy!
18 Izao no lazain'ny Tompo: Indro hatsangako indray ny lain'i Jakoba, ary hamindrako fo ny fonenany; ny tanàna haorina indray eo amin'ny havoany; ary ny lapany hatsangana indray eo amin'ny fitoerany.
19 Hira fiderana no hivoaka avy ao, sy hobim-piravoravoana. Hahamaro azy aho, ka tsy hohavitsina intsony izy; hanome voninahitra azy aho, ka tsy hohamavoina intsony izy;
20 ho tahaka ny taloha ny zanany; hiorina mafy eo anatrehako ny fiangonany, ary hofaiziko avokoa ny mpampahory azy.
21 Ny iray amin'izy ireo ihany no ho filohany; ary ny avy ao anatiny no ho mpanapaka azy; hasaiko manatona izy, dia hanatona ahy; fa zovy moa no olona hahay manamboatra ny fony, ka mba hanatona ahy? - teny marin'ny Tompo.
22 Ary hianareo dia ho oloko, ary izaho ho Andriamanitrareo.
23 Indro, ny tafio-drivotry ny Tompo, ny fahatezerana, efa hipoaka: mivatravatra ny ranonoram-baratra, miantonta amin'ny lohan'ny ratsy fanahy.
24 Tsy hihemotra ny firehitry ny hatezeran'ny Tompo, raha tsy efa niasa sy nanatanteraka ny hevitry ny fony izy: ho fantatrareo any am-paran'ny andro any.
Toko faha-31
1 Amin'izany andro izany, - teny marin'ny Tompo, Izaho ho Andriamanitry ny fianakaviana rehetra amin'Israely, ary izy ireo ho oloko.2 Izao no lazain'ny Tompo: Nahita fitia tany an'efitra ny vahoaka afaka tamin'ny sabatra; ta-hanome fitsaharana an'Israely aho.
3 Niseho tamiko tany lavitra tany Iaveh. Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao; izany no nampaharetako ny famindram-po aminao.
4 Izaho hanorina anao indray, dia ho voaorina indray hianao, ry virjinin'Israely; hiramarama amin'ny ampongatapakao indray, ary hamindra amin'ny dihy fifaliana.
5 Hamboly ny tanim-boalobokao indray hianao any an-tendrombohitr'i Samaria: izay mamboly, hamboly ka hioty.
6 Fa efa avy ny andro, hiantsoan'ny mpiambina any amin'ny tendrombohitr'i Efraima hoe: Mitsangàna hianareo, ka andeha isika hiakatra any Siona, ho any amin'ny Tompo Andriamanitsika!
7 Fa izao no lazain'ny Tompo: Mihobia an-kafaliana, ny amin'i Jakoba, manaova firavoravoana, noho ny amin'ilay lohan'ny firenena; ataovy re ny feonareo, mihirà hira fiderana, ka lazao hoe: Ry Iaveh, vonjeo ny olonao, dia ny sisa amin'Israely!
8 Indro aho mamerina azy avy any amin'ny tany avaratra; manangona azy avy any amin'ny faran'ny tany. Ho eo amin'izy ireo ny jamba sy ny mandringa, ny manan'anaka sy ny efa mihetsi-jaza; hanao dia be izy ireo no hiverina atý.
9 Hiverina amin-dranomaso izy; ary eo amin'ny fifonany no hitondrako azy miverina; eny amin'ny rano velona, no hitarihako azy, amin'ny làlana marin-tampona tsy hahatafintohina azy; satria efa ray ho an'Israely aho, ary lahimatoako Efraima.
10 Hianareo, firenena, mihainoa ny tenin'ny Tompo, ary torionareo izany, any amin'ireo nosy lavitra; ataovy hoe: Ilay nampiely an'Israely, dia hanangona azy indray; ary hiandry azy toy ny fiandrin'ny mpiandry ondry ny ondry;
11 Satria Iaveh, efa nanavotra an'i Jakoba, sy nanafaka azy tamin'ny tànan'ny mahery noho izy.
12 Ho avy izy, omban-kobim-pifaliana ho eo amin'ny havoan'i Siona. Hitanjozotra ho eo amin'ny zava-tsoan'ny Tompo izy ireo, ho amin'ny vary, ny divay vaovao, ny diloilo, ho amin'ny ondry aman'omby; ho toy ny saha vonton-drano ny fanahiny, ka hitsahatra tsy halazo intsony.
13 Amin'izany, hifaly amin'ny dihy ny zazavavy, mbamin'ny zazalahy, sy ny anti-panahy koa. Hampodiko ho fifaliana ny fisaonany, halako alahelo, hampifaliko izy ireo manaraka ny fijaliany.
14 Hovokisako ny matavy ny fanahin'ny mpisorona; ary hivoky ny zava-tsoako ny oloko; - teny marin'ny Tompo.
15 Izao no lazain'ny Tompo: Nisy feo re tany Rama, dia fidradradradrana sy fitomaniana mangidy; fa nitomany ny zanany Rasely ka mandà tsy hampiononina izy, ny amin'ny zanany, satria tsy velona intsony ireo.
16 Izao no lazain'ny Tompo: Sakano ny feonao tsy hitaraina ary ny masonao tsy hitomany; fa hahazo valisoa ny asanao, - teny marin'ny Tompo. Hody avy any an-tanim-pahavalo izy ireo.
17 Misy fanantenana ho amin'ny fara andronao, - teny marin'ny Tompo, ary dia hiverina ho amin'ny faritaniny indray ny zanakao.
18 Reko ny fitarainan'i Efraima hoe: Nofaizinao aho, ka voafay, toy ny vantotr'ombalahy tsy voafolaka; avereno aho, dia hiverina, satria hianao no Iaveh Andriamanitro;
19 Fa nony efa nivily aho, dia nanenina; ary nony efa nahalala aho, dia nisafo sirana sady menatra sy nangaihay, satria mitondra ny fahafaham-barakan'ny fahatanorako aho.
20 Moa zanaka malala loatra ho ahy va Efraima, zanaka mahazo tombom-pitia? fa isaky ny miteny mamely azy aho, dia mba mahatsiaro azy ihany indray; ka mangotika ny atiko noho ny aminy. Eny hamindra fo aminy aho. - Teny marin'ny Tompo.
21 Manangàna famantaran-dalana, manorena famolaina ho anao, tandremo ny làlam-be, ny làlana efa nalehanao. Miverena, ry virjinin'Israely, miverena aty amin'ny tanànanareo indray. Mandra-pahoviana no hiriariavanao, ry zanaka vavy mpiodina?
22 Fa nahary zava-baovao amin'ny tany Iaveh: vehivavy hanodidina lehilahy.
23 Izao no lazain'ny Tompon'ny tafika, Andriamanitr'Israely: Izao teny izao koa no holazaina any amin'ny tanin'i Jodà, sy amin'ny tanànany, raha avy izay hampodiako ireo lasan-ko babo tamin'izy ireo: Hohasoavin'ny Tompo anie hianao, ry firenen'ny fahamarinana, ry tendrombohitry ny fahamasinana!
24 Honina ao avokoa Jodà sy ny tanànany rehetra, ny mpiasa tany mbamin-dry zareo mitarika ny biby fiompy.
25 Fa ny fanahy mangetaheta, hampisotroiko, ary ny fanahy reraka, hovokisako.
26 Tamin'izay, dia nahatsiaro aho, ka hitako fa mamy ny torimaso azoko.
27 Indro, avy ny andro, - teny marin'ny Tompo, hamafazako eo amin'ny taranak'Israely aman-taranak'i Jodà, masombolin'olombelona sy masombolim-biby. Ka izao no hitranga: toy ny niambenako azy ireo: hongotana, hazera, harodana, horavana ary hampahoriana,
28 no hiambenako azy kosa, haorina sy hambolena, - teny marin'ny Tompo.
29 Amin'izany andro izany, tsy hisy intsony hanao hoe: Ny ray no nihinam-boaloboka marikivy, ka ny zanany no madilo nify.
30 Fa samy ho fatin'ny helony avy ny olon-drehetra: izay mihinam-boaloboka marikivy, na iza na iza, dia izy ihany no hadilo nify koa.
31 Indro avy ny andro, - teny marin'ny Tompo, hanaovako fanekena vaovao amin'ny taranak'Israely sy ny taranak'i Jodà:
32 ka tsy fanekena toy ny nataoko tamin'ny razany, tamin'ny andro nitantanako azy, nitondrako azy nivoaka avy any amin'ny tany Ejipta, fanekena nivadihan'izy ireo, na dia vadiny aza aho.
33 Fa izao no fanekena hataoko amin'ny taranak'Israely, rahefa afaka izany andro izany, - teny marin'ny Tompo: Hataoko ao anatiny ny lalàko, dia sady hosoratako ao am-pony; ka ho Andriamanitr'izy ireo aho, ary izy ireo ho oloko.