Bokin'i Ezekiela
Toko faha-24
6 Ka izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Loza ho an'ny tànana mpandatsa-dra, vilany misy taim-barahana ao anatiny, ka tsy afaka tao aminy ny taim-barahana! Loary tsirairay ny didin-kena, aza hanaovana filokana,7 fa ny ra nalatsany dia mbola ao aminy; nataony teo amin'ny vatolampy mangadihady fa tsy nalatsany tamin'ny tany hosaronan'ny vovoka. 8 Mba hampirehitra ny hatezerana ary mba hanao famaliana azy, dia nataoko latsaka tamin'ny vatolampy mangadihady ny ra nalatsany tsy ho voasarona. 9 Ka izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Loza ho an'ny tànana mpandatsa-dra. Izaho koa hanangona antontan-kitay betsaka.
10 Angony ny kitay hazo, ampireheto ny afo, ataovy motraka ny hena, ataovy mangotraka ny koban-kena, ary aoka ho levon'ny afo koa ny taolana. 11 Dia ataovy eo ambony vainafo ny vilany foana, hahafana azy, hahamay ny varahana, hiempoan'ny lotony ao anatiny, hahalevona ny taim-barahany. 12 Aim-bery foana! fa tsy mety afaka ny vonga-taim-barahany, maharitra ny afo ny taim-barahany. 13 Misy zavatra lozan-tany amin'ny lotonao: satria tsy mety madio hianao, rahefa nodioviko dia tsy ho voadio amin'ny lotonao na oviana na oviana hianao, raha tsy efa nataoko mipetraka aminao ny hatezerako. 14 Izaho Iaveh no niteny, ho tonga izany ary hotanterahako; tsy hiahotrahotra aho, na hitsimbina, na hanenina. Hotsaraina araka ny nataonao sy ny helokao be vava hianao, - teny marin'ny Tompo Iaveh. 15 Tonga tamiko ny tenin'ny Tompo, nanao hoe:
16 Ry zanak'olona, indro hesoriko tampoka aminao, amin'ny indray mitselaka monja, ilay fifalian'ny masonao; nefa aza midradradradra na mitomany, na mandatsa-dranomaso akory. 17 Misentoa mangingina, fa aza misaona ny maty. Ataovy amin'ny lohanao ny hamamanao, asio kiraro ny tongotrao, aza saronana ny volombavanao, ary aza mihinana ny mofom-piononana. 18 Nony maraina dia niteny tamin'ny olona aho, ka ny harivan'izany ihany dia maty ny vadiko; ary ny ampitso maraina indray dia notanterahako izay nandidiana ahy.
19 Ka hoy ny olona tamiko: Tsy hovoasanao aminay va izay hevitra mahazo anay amin'izao ataonao izao? 20 Dia izao no nolazaiko tamin'ireo: Tonga tamiko ny tenin'ny Tompo nanao hoe: 21 Lazao amin'ny taranak'Israely hoe: Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Indro, hovetavetaiko ny fitoerako masina, ilay reharehan'ny herinareo, fifalian'ny masonareo, fitiavan'ny fanahinareo; ary ho lavon-tsabatra ny zanakalahinareo aman-janakavavinareo, izay nilaozanareo. 22 Amin'izany hianareo, hanao toy izao nataoko izao: tsy hanarona ny volombavanareo; tsy hihinana ny mofom-piononana. 23 Ho eo an-dohanareo ihany ny hamamanareo, ary ho eo an-tongotrareo ny kiraronareo, tsy hidradradradra na hitomany, fa hihalevona ao anatin'ny helokareo hianareo, ka hitoloko eo am-pifanilanareo. 24 Ezekiela no famantarana ho anareo; izay rehetra nataony no hataonareo, rahefa tonga izany; dia ho fantatrareo fa izaho no Tompo Iaveh. 25 Ary hianao, ry zanak'olona, amin'ny andro hanesorako amin'izy ireo ny heriny, ny voninahiny, ny firavoravoany, ny fahafinaretan'ny masony, ary ny fanirian'ny fanahiny; - dia ny zanany lahy aman-janany vavy; -
26 amin'izany andro izany, hisy olona mpandositra hankaty aminao, hilaza izany vaovao izany aminao. 27 Amin'izany andro izany, dia amin'ny fahatongavan'ilay mpadositra vao hisokatra ny vavanao, ka hiteny hianao fa tsy ho moana intsony; ary ho famantarana ho azy ireo hianao, dia ho fantatr'izy ireo fa Tompo Iaveh aho.
Toko faha-25
1 Tonga tamiko ny tenin'ny Tompo nanao hoe:2 Ry zanak'olona, atodiho mankany amin'ny taranak'i Amona ny tavanao, ka maminania ny hanjo azy ireo.
3 Lazao amin'ny taranak'i Amona hoe: Mihainoa ny tenin'ny Tompo Iaveh ! Izao no lazain'ny Tompo Iaveh : Noho hianao nanakora hoe: Hià! Hià! ny amin'ny fitoerako masina satria efa voavetaveta, sy ny amin'ny tanin'Israely, satria efa voarava, sy ny amin'ny taranak'i Jodà, satria lasan-ko babo izy ireo;
4 noho izany dia indro hatolotro hozakain'ny zanaky ny Atsinanana kosa hianao; ka hanorina ny tobiny eo aminao izy ireo, sy hiorim-ponenana ao aminao; izy no hihinana ny voankazonao, sy hisotro ny ronononao.
5 Ary Rabata hataoko tany fihinanan-drameva; ary ny tanin'ny taranak'i Amona ho valan'ondry, dia ho fantatrareo fa Iaveh aho.
6 Fa izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Noho hianao niteha-tànana sy nigado-tongotra, ary nifaly tao am-ponao tamin'ny fanesoanao rehetra, ny amin'ny momba ny tanin'Israely;
7 noho izany dia indro aho haninji-tànana aminao: hanolotra anao ho babon'ny firenena, hamongotra anao, eo amin'ny vahoaka, hanesotra anao tsy ho isan'ny tany; handringana anao aho, ka ho fantatrao fa Iaveh aho.
8 Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Noho Moaba sy Seira manao hoe: Indro ny taranak'i Jodà fa sahala amin'izao firenena rehetra izao ihany,
9 noho izany dia indro hotatahako ny lanivoan'i Moaba, hatrany amin'ny tanàna, hatrany amin'ny tanànany, hatrany amin'ny faritry ny taniny, tabihan'ny tany, Betjesimota, Beelmeona, Kariataina.
10 Hotatahako hidiran'ny zanaky ny Atsinanana izy, toraky ny tanin'ny taranak'i Amona, hatolotro hozakainy izy, mba tsy hotsaroana intsony eny amin'ny firenena ny taranak'i Amona.
11 Hanao fitsarana any amin'i Moaba aho, ka ho fantany fa Iaveh aho.
12 Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Noho Edoma namaly an-kalozana ny taranak'i Jodà, ka nanao heloka makadiry tamin'ny namaliany azy ireo;
13 noho izany dia izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Haninji-tànana amin'i Edoma aho; ka haringako ny olona sy ny biby eo aminy; hataoko zary efitra, hatrany Temàna izy; ary ho lavon-tsabatra hatrany Dedàna.
14 Ny hanaovako famaliana an'i Edoma, dia ny tànan'Israely, vahoakako; hasiany araka ny hatezerako amam-pahavinirako i Edoma, ka ho fantany ny famaliako, - teny marin'ny Tompo Iaveh.
15 Izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Noho ny Filistina nanampatra ny famaliana, sady namaly an-kalozana, tamin'ny fanesoana ao am-po, mba handringana izao rehetra izao noho ny fankahalany tsy misy farany,
16 noho izany dia izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Indro aho haninji-tànana amin'ny Filistina, handringana ny Kretoà, ary handrava izay sisa monina eny amoron-dranomasina.
17 Hanao famaliana lehibe azy ireo aho, manasazy azy amin-katezerana mafy, ka ho fantany fa Iaveh aho, rahefa mampihatra aminy ny famaliako aho.
Toko faha-26
1 Tamin'ny taona faharaika ambin'ny folo, andro voalohan'ny volana, tonga tamiko ny tenin'ny Tompo nanao hoe:2 Ry zanak'olona, noho ny nitenenan'i Tira momba an'i Jerosalema nataony hoe: Hià! Hià! vaky ilay vavahadin'ny firenena! aty amiko indray no todihin'ny olona; ka izaho ho feno; izy kosa efa zary efitra! -
3 noho izany, dia izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Indro, hihaviako hianao, ry Tira! Hampiakatra firenena maro hamely anao aho, toy ny fampisondrotry ny ranomasina ny hady izy;
4 Horavan'ireo ny mandan'i Tira, sady harodany ny tilikambony; hailiko lavitra azy ny vovo-taniny; ary hataoko toy ny vatolampy mangadihady izy;
5 dia ho fitoerana fanahazana harato, ao afovoan'ny ranomasina izy, fa efa niteny aho - teny marin'ny Tompo Iaveh; ka ho babon'ny firenena izy.
6 Ny zanany vavy eny an-tanety hovonoina amin'ny sabatra, ka ho fantatra fa Iaveh aho.
7 Fa izao no lazain'ny Tompo Iaveh: Indro, hoentiko avy any avaratra hamely an'i Tira, Nabokodonozora mpanjakan'i Babilona, mpanjakan'ny mpanjaka, mitondra soavaly aman-kalesa, mpitaingin-tsoavaly, omba-miaramila betsaka sy vahoaka maro.
8 Hovonoiny amin'ny sabatra ny zanakao vavy eny an-tanety, hanorina manda hamelezana anao izy, hanandratra tovon-tany hamelezana anao, handahatra ny sokatra ampinga hanoherany anao.
9 Hanitsy ny fikapoky ny lohondry vy ho ao amin'ny mandanao, ary handrava ny tilikambonao amin'ny farangony.
10 Tsy erany ny habetsahan'ny soavaliny, ka ho tototry ny vovo-taniny hianao; ary azon'ny firodorodon'ny mpitaingin-tsoavaly, sy ny kodiarana aman-kalesa, dia hihozongozona ny mandanao, rahefa miditra amin'ny vavahadinao izy, toy ny fiditry ny olona amin'ny tanàna voabanga.
11 Ny lalam-benao rehetra, hohitsakitsahan'ny kitron-tsoavaliny; ny olonao, hovonoiny amin'ny sabatra, ary ny andrinao mafy, hazerany amin'ny tany.