Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Toko faha-12

18 Dia ny Sadoseana izay mandà ny fitsanganan'ny maty kosa indray no nankeo aminy ka nanontany azy hoe:

19 Ry Mpampianatra ô, izao no nosoratan'i Moizy ho antsika: Raha misy lehilahy maty momba ka mbola velona ny vadiny, dia aoka ny rahalahiny no hampakatra ny vadiny mba hiteraka hamelo-maso azy. 20 Ary nisy olona fito mirahalahy, ka nanam-bady aloha ny lahimatoa, dia maty momba. 21 Dia nanam-bady an-dravehivavy indray ny faharoa, fa maty momba koa izy; toraka izany koa ny fahatelo. 22 Ary samy nanam-bady azy izy fito, fa maty momba avokoa. Faran'izy rehetra dia maty koa ravehivavy. 23 Koa amin'ny fitsanganan'ny maty, rahefa tafatsangana izy ireo, iza no ho vadin-dravehivavy, fa efa samy nanam-bady azy avokoa izy fito mirahalahy? 24 Ary hoy ny navalin'i Jesoa azy: Moa tsy diso hevitra va hianareo noho ny tsy fahafantaranareo ny Soratra Masina sy ny fahefan'Andriamanitra? 25 Fa rehefa tafantsangana ny maty, dia tsy hisy mpampakatra sy ampakarina intsony, fa ho tahaka ny anjely any an-danitra izy. 26 Ary raha ny amin'ny fitsanganan'ny maty, moa tsy mbola novakinareo va ao amin'ny bokin'i Moizy, amin'ilay misy ny voaroy, izay nolazain'Andriamanitra taminy hoe: Izaho no Andriamanitr'i Abrahama, sy Andriamanitr'Isaaka, ary Andriamanitr'i Jakoba? 27 Tsy Andriamanitry ny maty izy, fa an'ny velona. Koa diso lehibe loatra hianareo. 28 Ary nisy mpanora-dalàna anankiray nahare izany ady hevitra izany sy nahita ny namalian'i Jesoa azy tsara, ka mba rafitra nanatona azy koa sy nanontany azy hoe: Inona no voalohany amin'ny didy rehetra?

29 Ary Jesoa namaly azy hoe: Ny voalohany indrindra amin'izy rehetra dia ity: Mihainoa, ry Israely: ny Tompo Andriamanitsika no hàny Tompo tokana; 30 koa tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra, sy amin'ny fanahinao rehetra, sy amin'ny sainao rehetra, ary amin'ny herinao rehetra. Izany no didy voalohany. 31 Ary ity no faharoa mitovy aminy ihany koa: Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao. Tsy misy didy lehibe mihoatra noho ireo. 32 Dia hoy ilay mpanora-dalàna taminy: Tsara izany, ry Mpampianatra, marina indrindra ny nilazanao fa tokana Andriamanitra, ary tsy misy hafa afa-tsy izy, 33 ka ny tia azy amin'ny fo rehetra, sy amin'ny fanahy rehetra, ary amin'ny hery rehetra, ary ny tia namana tahaka ny tena, dia lehibe lavitra noho ny sorona dorana rehetra sy ny fanatitra hafa rehetra. 34 Nony hitan'i Jesoa fa namaly tamim-pahendrena izy, dia hoy izy taminy: Tsy lavitra ny fanjakan'Andriamanitra hianao. Ary hatramin'izay dia tsy nisy olona sahy nanontany azy intsony. 35 Ary mbola nampianatra tao anatin'ny tempoly Jesoa, dia niteny nanao hoe: Ahoana no ilazan'ny mpanora-dalàna fa ny Kristy dia zanak'i Davida?

36 Nefa Davida ihany no nampilazain'ny Fanahy Masina hoe: Ny Tompo nilaza tamin'ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-kavanako hianao mandra-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao. 37 Koa raha antsoin'i Davida ho Tompony izy, ahoana no maha-zanany azy? Ary nihaino azy an-kafaliana ny vahoaka be. 38 Dia izao koa no nolazainy tamin'ny fampianarany: Mahìna amin'ny mpanora-dalàna, izay tia ny mitsangantsangana miakanjo mirebareba, sy ny arahabaina eny an-kianja,

39 ary ny fipetrahana voalohany ao amin'ny fanasana. 40 Fa miseho ho manao fivavahana lavareny izy ireny, kanjo mihinana ny fananan'ny mpitondratena, ka vao mainka hohelohina mafimafy kokoa. 41 Raha nipetraka tandrifin'ny fandatsahan-drakitra Jesoa, dia nijery ny fandatsaky ny olona tao, ary maro ny mpanan-karena no nandatsaka be.

42 Ary nisy mpitondratena mahantra anankiray tonga tao koa, ka nandatsaka farantsa kely roa ankevitry ny variroaventy avy. 43 Dia nantsoin'i Jesoa ny mpianany ka nilazany hoe: Lazaiko marina aminareo fa io mpitondratena mahantra io no nandatsaka indrindra tamin'izay rehetra nandatsaka tao amin'ny fandatsahan-drakitra; 44 satria ireo rehetra ireo nandatsaka ny ambim-bavany, fa izy kosa nandatsaka izay ilainy, dia izay rehetra nananany sy ivelomany.

Toko faha-13

1 Nony nivoaka avy ao amin'ny tempoly izy, dia hoy ny mpianany anankiray taminy: Ry Mpampianatra ô, jereo ange, endrey ireto vato sy izato rafitra!

2 Ary hoy ny navalin'i Jesoa azy: Hitanao va ireo rafitra lehibe ireo? Tsy havela hisy vato mifanongoa eo izay tsy horavana. 3 Ary nony nipetraka teo amin'ny tendrombohitra Oliva tandrifin'ny tempoly izy, dia nanontany azy manokana Piera, sy Jakoba, sy Joany, ary Andre nanao hoe: 4 Lazao aminay rahoviana no ho tonga izany, ary inona no ho famantarana hahalalana fa efa ho tanteraka izany rehetra izany? 5 Ary izao no navalin'i Jesoa azy: Tandremo fandrao hisy hamitaka anareo; 6 fa maro no ho avy amin'ny anarako hanao hoe: Izaho no izy; ary maro no ho voafitany. 7 Ary raha mandre ady sy honohono hoe: hiady, hianareo, dia aza matahotra; fa tsy maintsy ho tonga izany, nefa tsy mbola izany no farany. 8 Fa hisy firenena hitsangana hiady amin'ny firenena, sy fanjakana hiady amin'ny fanjakana, ary hisy horohoron-tany amin'ny tany samihafa, sady hisy mosary. Izany no ho fiandohan'ny fahoriana. 9 Tandremo koa ny amin'ny tenanareo, fa hotorina amin'ny mpitsara hianareo, sy hokapohina ao amin'ny sinagoga, ary hoentina eo anatrehan'ny mpanapaka sy ny mpanjaka noho ny amiko, mba ho vavolombeloko eo aminy. 10 Kanefa tsy maintsy hotorìna amin'ny firenena rehetra aloha ny Evanjely. 11 Ary rahefa entina hanatrika ny mpitsara hianareo, dia aza heverina mialoha izay holazainareo; fa izay hevitra homena anareo no lazao, satria tsy hianareo no hiteny, fa ny Fanahy Masina. 12 Amin'izany, ny rahalahy dia hanolotra ny rahalahiny hovonoina, ny ray hanolotra ny zanany lahy, ny zanaka hikomy amin-drainy aman-dreniny ka hamono azy; 13 ary ho halan'ny olona rehetra hianareo noho ny anarako; fa izay haharitra hatramin'ny farany no ho voavonjy. 14 Ary raha hitanareo eo amin'izay tsy tokony hisy azy ny fahavetavetan'ny fandravana (aoka hahafantatra izay mamaky ity), dia aoka izay any Jodea handositra any an-tendrombohitra;

15 aoka izay any ambony tafon-trano, tsy hidina ao an-tranony, na hiditra haka zavatra ao, 16 ary aoka izay any an-tsaha, tsy hiverina haka ny fitafiany. 17 Loza ho an'ny bevohoka sy ny mitaiza kely amin'izany andro izany! 18 Mivavaha mba tsy ho amin'ny ririnina izany, 19 fa amin'izany andro izany dia hisy fahoriana lehibe izay tsy mbola nisy toa azy hatramin'ny naharian'Andriamanitra ny zavatra rehetra ka mandraka ankehitriny, ary tsy hisy toy izany intsony. 20 Ary raha tsy nohafohezin'ny Tompo izany andro izany, dia tsy nisy olona ho voavonjy; fa nohafoheziny izany noho ny olom-pinidy izay nofidiny. 21 Amin'izany, raha misy milaza aminareo hoe: Indry ato ny Kristy, na indro ary izy, aza mino hianareo; 22 fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hiseho ary hanao famantarana sy fahagagana hamitahany na dia ny olom-pinidy aza, raha azo atao izany. 23 Koa mintandrema hianareo, fa efa voalazako anareo rahateo izao ny zavatra rehetra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.092