Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany
Toko faha-8
59 Tamin'izay naka vato izy ireo hitorahana azy; fa niery Jesoa ka nivoaka ny tempoly.Toko faha-9
1 Ary nony nandalo Jesoa, dia nahita lehilahy anankiray izay teraka jamba,2 ka hoy ny mpianany nanontany azy: Raby, iza moa no nanota, io lehilahy io sa ny rainy aman-dreniny, no teraka jamba izy? 3 Jesoa namaly hoe: Tsy izy no nanota, na ny rainy aman-dreniny, fa mba hisehoan'ny asan'Andriamanitra eo aminy no antony. 4 Tsy maintsy manao ny asan'Izay naniraka ahy aho raha mbola antoandro: fa ho avy ny alina izay tsy azon'olona na iza na iza iasana. 5 Raha mbola amin'izao tontolo izao aho, dia fahazavan'izao tontolo izao. 6 Nony avy nilaza izany izy, dia nandrora tamin'ny tany ka nanao feta tamin'ny rorany, nahosony ny mason'ilay jamba, 7 dia hoy izy taminy: Mandehana manasa ny masonao any amin'ny farihin'i Siloa (izany hoe, Iraka). Dia nandeha nanasa izy ka niverina nahiratra. 8 Tamin'izay ny olona mifanakaiky trano taminy, sy izay nahita azy nangataka teo aloha nanao hoe: Moa tsy ity ilay nipetraka nangataka? Dia hoy ny sasany: Izy io. 9 Fa hoy kosa ny sasany: Tsia, fa olo-mitovy aminy. Ary hoy kosa izy: Izaho no izy. 10 Ka nanao ahoana, hoy ireo taminy, no nahiratan'ny masonao? 11 Dia hoy izy: Ilay lehilahy atao hoe Jesoa no nanao feta, nahosony ny masoko, dia nanao tamiko hoe: Mandehana manasa ny masonao any amin'ny farihin'i Siloe, dia lasa aho nanasa, ka nahiratra. 12 Ary hoy izy ireo taminy: Aiza izany Lehilahy izany? Asa, hoy izy. 13 Dia nentiny tany amin'ny Farisiana ilay jamba taloha,
14 fa andro sabata no nanaovan'i Jesoa feta sy nampahiratany ny masony. 15 Nanontany azy indray àry ny Farisiana izay nahiratany, ka hoy ny navaliny azy: Nasiany feta ny masoko, dia nosasako, ka nahiratra aho. 16 Tamin'izany ny sasany tamin'ny Farisiana nanao hoe: Tsy Andriamanitra no nihavian'izany Lehilahy izany, fa tsy mitandrina ny sabata izy. Fa ny sasany kosa nanao hoe: Hataon'ny mpanota ahoana no fahavita fahagagana toy izany? Koa nisara-kevitra izy ireo. 17 Dia hoy indray izy ireo tamin'ilay jamba: Mba ahoana kosa no filazanao azy, fa nampahiratra ny masonao izy? Ka hoy ralehilahy: Mpaminany izy. 18 Dia tsy nety nino ny Jody fa jamba sy vao nahiratra izy, ka nampiantsoiny aloha ny ray aman-drenin'ity nahiratra, 19 sy nanontaniany hoe: Ity va no zanakareo izay lazainareo hoe teraka jamba? Ka nanao ahoana àry no nahiratany izao? 20 Dia namaly ny ray aman-dreniny ka nanao hoe: Fantatray fa zanakay ity sady teraka jamba; 21 fa tsy fantatray izay nahiratany izao, ary tsy fantatray koa izay nampahiratra ny masony, ka izy no anontanio fa efa lehibe izy: izy ihany no aoka hilaza ny momba ny tenany. 22 Ny ray aman-dreniny no nilaza izany, dia noho izy natahotra ny Jody, satria efa nifanaiky ny Jody fa horoahina amin'ny sinagoga izay hanaiky an'i Jesoa ho Kristy, 23 ka izany no nanaovan'ny ray aman-dreniny hoe: izy no anontanio fa efa lehibe izy. 24 Dia nantsoin'ireo indray ilay lehilahy jamba taloha, ka nilazany hoe: Andriamanitra no omeo voninahitra; fa raha iny Lehilahy iny, dia fantatray fa mpanota.
25 Ka hoy ny navaliny azy: Tsy fantatro na mpanota izy na tsia, fa izao ihany no fantatro: jamba aho taloha ary mahiratra aho ankehitriny. 26 Dia hoy izy ireo taminy: Inona no nataony taminao? Nanao ahoana sy ahoana avy no nampahiratany ny masonao? 27 Ka hoy ny navaliny azy ireo: Efa voalazako taminareo, fa tsy nohenoinareo akory; ka ahoana indray no itiavanareo handre? Te-ho tonga mpianany koa va hianareo? 28 Dia notevatevain'ireo izy sy nataony hoe: Ialahy no mpianany, fa raha izahay kosa dia mpianatr'i Moizy. 29 Moizy fantatray fa nitenenan'Andriamanitra, fa iny kosa tsy fantatray akory izay nihaviany. 30 Namaly ralehilahy ka nanao hoe: Ity indray no mahagaga, fa tsy fantatrareo izay nihaviany, nefa izy no nampahiratra ny masoko. 31 Fantatsika fa Andriamanitra tsy mihaino ny mpanota; fa izay manompo azy sy manao ny sitra-pony no henoiny. 32 Na oviana na oviana tsy mbola nisy olona re fa nampahiratra ny teraka jamba; 33 ka raha tsy avy amin'Andriamanitra izany Lehilahy izany, dia tsy hahefa na inona na inona akory. 34 Dia namaly ry zareo, ka nanao taminy hoe: Izay ialahy tena teraka tanatin'ny ota indray ve no mampianatra anay! Sady noroahiny izy. 35 Ren'i Jesoa fa hoe noroahin-dry zareo izy, ka nony hitany dia nilazany hoe: Mino ny Zanak'Andriamanitra va hianao?
36 Namaly izy ka nanao hoe: Iza moa no izy, Tompoko, mba hinoako azy? 37 Dia hoy Jesoa taminy: Efa hitanao izy, ary izay miteny aminao no izy. 38 Ka hoy izy: Mino aho, Tompoko; sady niankohoka nitsaoka azy izy. 39 Dia hoy Jesoa: Fanavahana no nahatongavako amin'izao tontolo izao, mba hahiratra izay tsy mahiratra ary ho tonga jamba izay mahiratra. 40 Ren'ny Farisiana sasany teo izany, ka hoy izy ireo taminy: Ary izahay ve mba jamba koa? 41 Dia hoy Jesoa taminy: Raha jamba hianareo, dia tsy ho nanan-keloka; fa noho hianareo ankehitriny manao hoe: Mahiratra izahay, dia tsy afaka ny helokareo.
Toko faha-10
1 Lazaiko marina aminareo, fa izay tsy miditra amin'ny vavahady ho amin'ny valan'ondry, fa mananika amin'ny hafa, dia mpangalatra sy jiolahy;2 fa izay miditra amin'ny vavahady no mpiandry ondry. 3 Ka ny mpiandry vavahady mamoha azy, ny ondry mihaino ny feony, ary izy miantso ny azy amin'ny anarany avy sy mamoaka azy. 4 Rahefa tafavoakany avokoa ny azy, dia mialoha izy, ka manaraka azy ny ondry, satria mahalala ny feony: 5 ary ny olon-kafa tsy arahiny, fa andosirany, satria tsy fantany ny feony. 6 Nolazain'i Jesoa taminy izany fanoharana izany, nefa tsy azon'izy ireo izay nolazainy tamin'izany. 7 Ka hoy indray Jesoa taminy: Lazaiko marina dia marina aminareo fa izaho no varavaran'ny ondry. 8 Mpangalatra sy jiolahy izay rehetra tonga talohako, fa tsy nihaino azy ny ondry.