Ny Asan'ny Apostoly

Toko faha-13

30 Fa Andriamanitra kosa nanangana azy tamin'ny maty. 31 Ary niseho nandritra ny andro maromaro tamin'izay niara-niakatra taminy avy tany Galilea ho any Jerosalema izy, ka dia ireo no vavolombelony amin'ny vahoaka ankehitriny. 32 Ary izahay koa mitory aminareo ilay teny napetraka tamin'ny razantsika, 33 fa notanterahin'Andriamanitra tamintsika zanak'izy ireo izany, tamin'ny nananganany an'i Jesoa tamin'ny maty, araka izay voasoratra amin'ny Salamo faharoa hoe: Zanako hianao; izaho no niteraka anao androany. 34 Ary voalazany fa natsangany tamin'ny maty izy, ka tsy hiverina amin'ny lò intsony, tamin'ny teny hoe: Homeko anareo ny fanambinana nanomezan-toky an'i Davida; 35 ary tamin'ny teny hafa koa hoe: Tsy havelanao ho tratry ny lò ny Masinao. 36 Raha Davida aloha, dia nody mandry izy rahefa nahatanteraka ny sitrapon'Andriamanitra tamin'ny androny, ka nakambana tamin'ny razany, sy tratry ny lò; 37 fa izay natsangan'Andriamanitra tamin'ny maty no tsy tratry ny lò. 38 Aoka ho fantatrareo àry, ry rahalahy, fa izy ihany no itoriana famelan-keloka aminareo, ary ny ota rehetra tsy nahazoanareo fanamarinana tamin'ny Lalàn'i Moizy,

39 dia ao aminy no anamarinana an'izay rehetra mino mba ho afaka amin'izany. 40 Koa mitandrema hianareo fandrao dia iharan'izay voalazan'ny mpaminany hoe: 41 Mihevera, ry mpamotsifotsy, ka migagà sy levòna hianareo; fa izaho hanao zavatra anankiray amin'ny andronareo, dia zavatra tsy hinoanareo na dia holazaina aminareo aza. 42 Nony nivoaka izy ireo, dia nangatahany mba hilaza izany teny izany indray amin'ny sabata manaraka.

43 Rahefa nirava ny fiangonana, dia betsaka ny Jody sy ny proselita nanompo an'Andriamanitra no nanaraka an'i Paoly sy Barnabe, ary izy roa lahy kosa niresaka tamin'izy ireo sy namporisika azy haharitra amin'ny fahasoavan'Andriamanitra. 44 Tamin'ny sabata nanaraka, dia saika tafangona hihaino ny tenin'Andriamanitra avokoa ny tao an-tanàna rehetra. 45 Fa feno fialonana ny Jody nony nahita izany vahoaka be izany, ka sady nanohitra ny teny nolazain'i Paoly no nanevateva azy. 46 Tamin'izay Paoly sy Barnabe dia niteny tamin-kasahiana hoe: Hianareo no tsy maintsy nitoriana ny tenin'Andriamanitra voalohany indrindra; nefa noho hianareo mandà azy sy manao ny tenanareo ho tsy mendrika ny fiainana mandrakizay, dia indro hankany amin'ny jentily izahay. 47 Fa toy izao no nandidian'ny Tompo anay: Efa nantsangako ho fahazavan'ny jentily hianao, mba hitondra famonjena hatramin'ny fara vazan-tany. 48 Faly ny jentily nony nandre izany, ka nankalaza ny tenin'ny Tompo, ary nino avokoa izay rehetra voalahatra ho amin'ny fiainana mandrakizay. 49 Dia niely eran'izany tany izany ny tenin'ny Tompo.

50 Nefa notarihin'ny Jody ny vehivavy tia vavaka sy ambony toetra, mbamin'ny loholona tao an-tanàna, ka nampanenjika an'i Paoly sy Barnabe, sy nandroaka azy hiala amin'ny taniny. 51 Tamin'izay, izy roa lahy nanintsana ny vovoka tamin'ny tongony hiampanga an'ireo, dia lasa nankany Ikonioma, 52 ary ny mpianatra kosa, feno hafaliana sy Fanahy Masina.

Toko faha-14

1 Nony tany Ikonioma izy roa lahy, dia niara-niditra tao amin'ny sinagogan'ny Jody ka nitory teny, ary betsaka no nino, na Jody na jentily.

2 Ny Jody izay tsy nino anefa, dia nitarika sy nanome fo ny jentily hanohitra ny rahalahy. 3 Fa na izany aza, dia nitoetra ela tao ihany izy roa lahy, ka nitory tamin-kasahiana noho ny fitokiany ny Tompo, izay nanamarina ny tenin'ny fahasoavany tamin'ny nampanaovana azy ireo famantarana sy fahagagana. 4 Dia nisara-tsaina ny olona rehetra tao an-tanàna, ny sasany nomba ny Jody, ny sasany nomba ny Apostoly. 5 Efa nivonon-kanala baràka sy hitora-bato ny Apostoly ny jentily sy ny Jody mbamin'ny lehibeny; 6 saingy reny izany, ka lasa nankany Listra sy Derbe, tanàna any Likaonia, ary tamin'ny tany rehetra manodidina izy ireo, dia nitory ny Evanjely tany. 7 Tany Listra, nisy lehilahy anankiray nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny ka tsy mbola namindra, fa nipetraka hatrany hatrany.

8 Nihaino an'i Paoly nitory teny izy io, ary nibanjina azy Paoly, ka nahita fa nino izy fa ho sitrana, 9 dia hoy izy tamin'ny feo mahery: Mitsangàna, ka mijoroa amin'ny tongotrao. Dia niantsambotra ralehilahy, ka namindra. 10 Nony hitan'ny vahoaka ny nataon'i Paoly, dia niantso mafy tamin'ny fitenin'i Likaonia izy nanao hoe: Andriamanitra maka endrik'olona no nidina nankaty amintsika. 11 Dia Barnabe moa nantsoiny hoe Jopitera, ary Paoly kosa Merkory, satria izy no mpandaha-teny. 12 Mihoatra noho izany, ny mpisoron'i Jopitera takaikin'ny tanàna mbamin'ny vahoaka aza, dia efa nitondra ombalahy sy fehiloha teo am-bavahady mihitsy, ka nikasa hanao sorona. 13 Fa nony nandre izany ny Apostoly Barnabe sy Paoly, dia nandriatra ny akanjony, ka nandroso teo afovoan'ny vahoaka niantso mafy hoe: 14 Nahoana, ry olona, no dia manao izany hianareo? Izahay dia olombelona toa anareo ihany, ka ny mitory aminareo no anay, mba hialanareo amin'izao zava-poana izao, sy hanatonanareo an'Andriamanitra velona, izay nanao ny lanitra sy ny tany, ary ny ranomasina mbamin'ny zavatra rehetra ao amin'ireo. 15 Namela ny firenena rehetra teo aloha handeha amin'ny làlana tiany izy; 16 kanefa tsy nitsahatra ny nanisy vavolombelona hanambara ny tenany mandrakariva tamin'ny soa nataony, dia ny mandatsaka ny ranonorana avy any an-danitra, ny mahavokatra ny tany amin'ny fotoana ka mahavoky hanina antsika, sy mahafeno hafaliana ny fontsika. 17 Fa na dia izany aza no tenin'izy roa lahy, dia saiky tsy nahasakana ny vahoaka tsy hanao sorona taminy izy. 18 Tamin'izay dia nisy Jody tonga avy tany Antiokia sy Ikonioma, nanome fo ny vahoaka, ka nitora-bato an'i Paoly izy ireo, sy nitarika azy ho any ivelan'ny tanàna, satria nataony ho efa maty izy.

19 Kanjo nony tonga nanodidina azy ny mpianatra, dia nitsangana izy, ka niditra tao an-tanàna. Ny ampitso ihany dia lasa nankany Derbe izy sy Barnabe. 20 Ary rahefa nitory ny Evanjely tamin'izany tanàna izany izy ka nahazo mpianatra maro, dia niverina tany Listra sy Ikonioma ary Antiokia,

21 nankahery fo ny mpianatra, sy namporisika azy haharitra amin'ny finoana, ary nilaza fa amim-piaretana fahoriana betsaka no tsy maintsy hidirantsika amin'ny fanjakan'Andriamanitra. 22 Isan'Eglizy nalehany, nony efa nivavaka sy nifady hanina izy ireo dia nanendry Pretra, sy nanankina azy tamin'ny Tompo izay efa ninoany. 23 Dia namaky an'i Pisidia izy ireo, ka tonga tany Panfilia. 24 Ary rahefa nitory ny tenin'ny Tompo tany Perjy izy, dia nidina nankany Atalia. 25 Avy ao izy, dia niondrana an-tsambo hankany Antiokia, fa teo no nanolorana azy hoentin'ny fahasoavan'Andriamanitra hanao ny asa izay vitany. 26 Vao tonga tao izy, dia namory ny fiangonana, ka nitantara ny zavatra lehibe nataon'Andriamanitra taminy, sy ny namohany ny varavaran'ny finoana ho an'ny jentily. 27 Ary elaela ihany no niarahany nitoetra tamin'ny mpianatra tao Antiokia.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.191