Levitika

Toko faha-27

33 Tsy azo ifidianana izay tsara na ratsy izany, ary tsy azo takalozana koa; fa raha takalozana dia ho samy zava-masina avokoa, na ny biby natakalo, na izay natakalo azy, sady samy tsy ho azo avotana. 34 Ireo no didy nomen'ny Tompo an'i Moizy ho an'ny zanak'Israely, tao an-tendrombohitra Sinaia.

Ny Fanisana

Toko voalohany

1 Tany an'efitra Sinaia, tao amin'ny trano lay fihaonana, tamin'ny andro voalohan'ny volana faharoa, taona faharoa taorian'ny nivoahana tany amin'ny tany Ejipta, dia niteny tamin'i Moizy Iaveh nanao hoe:

2 Alao isa ny fiangonan'ny zanak'Israely rehetra, araka ny fianakaviany sy ny fokom-pianakaviany avy, ka ny anaran'ny lehilahy rehetra isam-batan'olona no hisaina tsirairay avy, 3 hatramin'ny roapolo taona no ho miakatra, dia ny lehilahy rehetra amin'Israely izay mahatam-piadiana. Hianao sy Aarona no hanisa azy araka ny isan-tokony avy; 4 ary lehilahy iray avy amin'ny isam-pokony, izay filohan'ny fokom-pianakaviany avy, no hiaraka aminareo. 5 Ireto no anaran'ny lehilahy hiaraka aminareo: Ny amin'i Robena: Elisora zanak'i Sedeora;

6 ny amin'i Simeona: Salamiela zanak'i Sorisadaia; 7 ny amin'i Jodà: Nahasona zanak'i Aminadaba; 8 ny amin'Isakara: Natanaela zanak'i Soara; 9 ny amin'i Zabolona: Eliaba zanak'i Helona; 10 ny amin'ny terak'i Josefa: ny amin'i Efraima: Elisamà zanak'i Amioda; ny amin'i Manase: Gamaliela zanak'i Fadasora: 11 ny amin'i Benjamina: Abidana zanak'i Jedeona; 12 ny amin'i Dana: Ahiesera zanak'i Amisadaia; 13 ny amin'i Azera: Fegiela zanak'i Okrana; 14 ny amin'i Gada: Eliasafa zanak'i Doela; 15 ny amin'i Neftalì: Ahira zanak'i Enana. 16 Ireo no voafidy tamin'ny fiangonana. Lohan'ny firenena avy amin'ny razany izy sy mpifehy arivo amin'Israely. 17 Nalain'i Moizy sy Aarona ireo olona izay efa voantendry amin'ny anarany avy,

18 dia nanaika ny fiangonana rehetra izy, ka ny hatramin'ny roapolo taona no ho miakatra rehetra, dia samy nosoratana araka ny fianakaviany sy ny fokony, ary noisaina ny anarany isam-batan'olona. 19 Araka ny nandidian'ny Tompo an'i Moizy dia nataony ny fanisana tany an'efitra Sinaia. 20 Ny tera-dRobena lahimatoan'Israely, ny taranak'ireo araka ny fianakaviany sy ny fokom-pianakaviany avy, no nisainy araka ny anarany isam-batan'olona, ny lehilahy rehetra hatramin'ny roapolo taona no ho miakatra, ny lehilahy rehetra mahatam-piadiana,

21 dia nisy diman-jato amby enina arivo sy efatra alina no voasoratra ho isan'ny fokon-dRobena. 22 Ny terak'i Simeona, ny taranak'ireo araka ny fianakaviany sy ny fokom-pianakaviany avy, ny voasoratra ho isan'ireo, rahefa nisaina ny anarany isam-batan'olona, ny lehilahy rehetra hatramin'ny roapolo taona no ho miakatra, ny lehilahy rehetra mahatam-piadiana,

23 dia nisy telon-jato amby sivy arivo sy dimy alina no voasoratra ho isan'ny fokon'i Simeona. 24 Ny terak'i Gada, ny taranak'ireo araka ny fianakaviany sy ny fokom-pianakaviany avy, rahefa nisaina ny anarany hatramin'ny roapolo taona no ho miakatra, ny lehilahy rehetra mahatam-piadiana,

25 dia nisy dimampolo amby enin-jato sy dimy arivo sy efatra alina no voasoratra ho isan'ny fokon'i Gada. 26 Ny terak'i Jodà, ny taranak'ireo araka ny fianakaviany sy ny fokom-pianakaviany avy, rahefa nisaina ny anarany hatramin'ny roapolo taona no ho miakatra, ny lehilahy rehetra mahatam-piadiana,

27 dia nisy enin-jato amby efatra arivo sy fito alina novoasoratra ho isan'ny fokon'i Jodà. 28 Ny terak'Isakara, ny taranak'ireo araka ny fianakaviany sy ny fokom-pianakaviany avy, rahefa nisaina ny anarany hatramin'ny roapolo taona no ho miakatra, ny lehilahy mahatam-piadiana,

29 dia nisy efa-jato amby efatra arivo sy dimy alina no voasoratra ho isan'ny fokon'Isakara. 30 Ny terak'i Zabolona, ny taranak'ireo araka ny fianakaviany sy ny fokom-pianakaviany avy, rahefa nisaina ny anarany hatramin'ny roapolo taona no ho miakatra, ny lehilahy rehetra mahatam-piadiana,

31 dia nisy efa-jato amby fito arivo sy dimy alina no voasoratra ho isan'ny fokon'i Zabolona. 32 Ny zanak'i Josefa: ny terak'i Efraima, ny taranak'ireo araka ny fianakaviany sy ny fokom-pianakaviany avy, rahefa nisaina ny anarany hatramin'ny roapolo taona no ho miakatra, ny lehilahy rehetra mahatam-piadiana,

33 dia nisy diman-jato amby efatra alina no voasoratra ho isan'ny fokon'i Efraima. 34 Ny terak'i Manase, ny taranak'ireo araka ny fianakaviany sy ny fokom-pianakaviany avy, rahefa nisaina ny anarany hatramin'ny roapolo taona no ho miakatra, ny lehilahy rehetra mahatam-piadiana, 35 dia nisy roan-jato amby roa arivo sy telo alina, no voasoratra ho isan'ny fokon'i Manase. 36 Ny terak'i Benjamina, ny taranak'ireo araka ny fianakaviany sy ny fokom-pianakaviany avy, rahefa nisaina ny anarany hatramin'ny roapolo taona no ho miakatra, ny lehilahy rehetra mahatam-piadiana,

37 dia nisy efa-jato amby dimy arivo sy telo alina no voasoratra ho isan'ny fokon'i Benjamina. 38 Ny terak'i Dana, ny taranak'ireo araka ny fianakaviany sy ny fokom-pianakaviany avy, rahefa nisaina ny anarany hatramin'ny roapolo taona no ho miakatra, ny lehilahy rehetra mahatam-piadiana,

39 dia nisy fiton-jato amby roa arivo sy enina alina no voasoratra ho isan'ny fokon'i Dana. 40 Ny terak'i Asera, ny taranak'ireo araka ny fianakaviany sy ny fokom-pianakaviany avy, rahefa nisaina ny anarany hatramin'ny roapolo taona no ho miakatra, ny lehilahy rehetra mahatam-piadiana,

41 dia nisy diman-jato amby arivo sy efatra alina no voasoratra ho isan'ny fokon'i Asera. 42 Ny terak'i Neftalì, ny taranak'ireo araka ny fianakaviany sy ny fokom-pianakaviany avy, rahefa nisaina ny anarany hatramin'ny roapolo taona no ho miakatra, ny lehilahy rehetra mahatam-piadiana,

43 dia nisy efa-jato amby telo arivo sy dimy alina no voasoratra ho isan'ny fokon'i Neftalì. 44 Ireo no voaisa nisain'i Moizy sy Aarona, mbamin'izy roa ambin'ny folo lahy, filohany amin'Israely, lehilahy iray avy isam-pokony.

45 Ny zanak'Israely rehetra izay nisaina araka ny fokom-pianakaviany avy, hatramin'ny roapolo taona no ho miakatra, ny lehilahy rehetra amin'Israely izay mahatam-piadiana, 46 ny voaisa rehetra dia nisy dimam-polo amby diman-jato sy telo arivo sy enina hetsy. 47 Tsy mba nisaina niaraka tamin'ireo ny Levita araka ny fokom-pianakaviany.

48 Niteny tamin'i Moizy Iaveh nanao hoe:

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1527