Ny Jenezy

Toko faha-17

3 Dia niankohoka tamin'ny tany Abrama ary Andriamanitra niteny taminy nanao hoe: 4 Ny amiko dia izaho no fanekeko aminao: Hianao dia ho tonga rain'ny firenena tsy hita isa, 5 ary ny anaranao dia tsy hatao hoe Abrama intsony, fa hatao hoe Abrahama, satria hataoko rain'ny firenena tsy hita isa hianao. 6 Hampitomboiko dia hampitomboiko hianao, hataoko firenena maro hianao, ary hisy mpanjaka avy aminao. 7 Manao fanekena aminao aho, aminao sy amin'ny taranakao, hanaraka anao amin'ny taona mifandimby, dia ho fanekena maharitra mandrakizay, mba ho Andriamanitrao aho, sy ho Andriamanitry ny taranakao handimby anao. 8 Homeko anao sy ny taranaka handimby anao ny tany izay ipetrahanao izao mbola vahiny izao, dia ny tany Kanaana manontolo hananany azy mandrakizay, ary izaho no ho Andriamanitr'izy ireo. 9 Hoy Andriamanitra tamin'i Abrahama: Ny aminao kosa, hitandrina ny fanekeko hianao, dia hianao sy ny taranakao amin'ny taona mifandimby.

10 Ka ny fanekena hotandremanareo, izay ifanekeko izaho sy hianareo sy amin'ny taranaka handimby anao, dia izao: Hoforàna avokoa ny lehilahy eo aminareo. 11 Hifora amin'ny nofonareo hianareo; ary izany no ho mariky ny fanekeko aminareo. 12 Vao teraka havaloana ny zazalahy eo aminareo amin'ny taona mifandimby, dia hoforàna izy; na ny teraka ao an-trano, na izay novidim-bola tamin'ny olon-kafa na iza na iza, izay hafa firenena aminao. 13 Tsy maintsy foràna avokoa ny lehilahy, na ny teraka ao an-trano, na ny novidim-bola, ka dia ho eo amin'ny nofonareo ny fanekeko, ho fanekena mandrakizay. 14 Raha lehilahy tsy noforàna tamin'ny nofony, dia hoesorina amin'ny fireneny, fa nivadika ny fanekeko. 15 Hoy Andriamanitra tamin'i Abrahama: Ny vadinao Saray tsy hataonao Saray intsony ny anarany fa Sarà no anarany.

16 Hasiako soa izy, ary izy koa hampiterahako zazalahy aminao. Hasiako soa izy ho tonga firenena maro, ary hisy mpanjakam-pirenena avy aminy. 17 Niankohoka tamin'ny tany Abrahama sady nihomehy nanao anakampo hoe: Lehilahy efa zato taona va ka dia mbola hiteraka indray! Ary Sarà, vehivavy efa sivy folo taona ve ka dia hiteraka! 18 Dia hoy Arahama tamin'Andriamanitra: Enga anie ka ho velona eo anatrehanao Ismaely! 19 Hoy Andriamanitra: Eny, hitera-dahy ho anao Sarà vadinao; hataonao hoe Isaaka no anarany; ary hanao fanekem-pihavanana aminy aho, dia fanekena mandrakizay ho an'ny taranany hanaraka azy. 20 Ny amin'Ismaely dia efa nihaino anao aho, ka efa nitso-drano azy aho; hataoko maro anaka izy, ary hampitomboiko be indrindra. Hiteraka andriana roa ambin'ny folo izy, ary hotongaviko ho firenena lehibe. 21 Ny fanekeko anefa dia haoriko amin'Isaaka, izay haterak'i Sarà, vadinao, ho anao, raha avin-taona toy izao. 22 Nony tapi-niteny tamin'i Abrahama Andriamanitra dia niakatra izy niala teo aminy. 23 Dia nalain'i Abrahama Ismaely zanany, mbamin'ny ompikeliny rehetra sy izay rehetra novidiny vola, dia ny lahy rehetra tamin'ny olona ao an-tranony, ka noforany androtr'izay ihany, araka ny nandidian'Andriamanitra azy.

24 Efa sivy amby sivy folo taona Abrahama tamin'izy noforàna; 25 ary efa telo ambin'ny folo taona Ismaely tamin'izy noforàna. 26 Noforàna androtr'izay avokoa Abrahama sy Ismaely zanany, ary ny lehilahy rehetra tao an-tranony, na ny ompikeliny na izay novidim-bola tamin'ny olona hafa firenena, dia samy niara-noforàna taminy.

Toko faha-18

1 Ary Iaveh niseho taminy, teo amin'ireo terebintan'i Mambre, raha ilay nipetraka teo am-baravaran'ny lainy iny izy, tamin'ilay nigaingaina iny ny andro.

2 Nanopy ny masony ary nijery izy, ka indreto olona telo lahy nijoro nifanandrify aminy. Vao nahita azy izy, dia nihazakazaka avy eo am-baravaran'ny lainy, nitsena azy, ary rahefa niankohoka tamin'ny tany izy, 3 dia nanao hoe: Tompo ô, raha nahita fitia eo imasonao aho, aza dia lalovana fotsiny lahy ny mpanomponao, 4 fa aoka hangalàna rano kely hianareo, hanasana ny tongotrareo. Mialà sasatra eo am-pototr'ity hazo ity hianareo; 5 dia hangalako mofo kely hianareo hataonareo tohan'aina, vao manohy ny dianareo hianareo, fa izany no nandalovanareo amin'ny mpanomponareo. Dia hoy ny navalin'ireo: Ataovy àry, araka izay voalazanao. 6 Dia niverina faingana Abrahama nankeo an-day amin'i Sarà ka nanao hoe:

7 Faingàna hianao, mangalà lafarina intelon'ny famarana, ditio ka ataovy mofo. 8 Avy eo Abrahama dia nandeha faingana ho any amin'ny andian'omby, dia naka zanak'omby anankiray tanora sy tsara izy, ary nomeny ny mpanompony izay nahandro izany faingana; dia nandray mena-dronono sy ronono mbamin'ilay zanak'omby efa nandrahoina izy, ary narosony izany teo anoloan'izy ireo, ary izy kosa nitsangana teo anilany, teo am-poto-kazo. Ary nihinana izy ireo. 9 Rahefa izany dia hoy ireo taminy: Aiza Sarà vadinao? Hoy ny navaliny: Ao an-day ao izy. 10 Ary hoy izy: Hiverina aty aminao indray aho, raha avin-taona toy izao, ary hanana zazalahy Sarà vadinao. Ren'i Sarà teo am-baravaran'ny lay, teo ivohony, izany teny izany. 11 Ary Abrahama sy Sarà dia efa samy antitra, ela andro niainana; ary Sarà dia efa nitsaha-potoana, 12 ka nihomehy anakampo Sarà nanao hoe: Izay izaho efa anti-bavy ity ve dia mbola hahalala izay fifalia-nofo koa? ary ny tompoko koa itsy efa antitra! 13 Hoy Iaveh tamin'i Abrahama: Nahoana Sarà no nihomehy nanao hoe: Izay izaho efa anti-bavy ity ve dia mbola hiteraka indray? 14 Moa misy zava-mahatalanjona tsy efan'ny Tompo va na inona na inona? Raha avin-taona toy izao dia hiverina aty aminao indray aho; ary Sarà dia hahazo zazalahy. 15 Nandà Sarà nanao hoe: Tsy nihomehy aho tsy akory; fa natahotra izy. Tsia fa nihomehy tokoa hianao, hoy izy. 16 Nitsangana handeha ireo lehilahy ireo, dia nitodika nankany Sodoma; Abrahama izany nandeha niaraka taminy koa hanatitra azy.

17 Ary hoy Iaveh: Hafeniko amin'i Abrahama va izay efa hataoko?

18 Abrahama anefa no ho tonga firenena lehibe sy mahery, sady aminy no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin'ny tany. 19 Fa izy no voafidiko handidy ny zanany sy ny fianakaviany any aoriana mba hanaraka ny lalàn'ny Tompo, amin'ny fitandremana ny rariny sy ny hitsiny: ka hanatanterahan'ny Tompo amin'i Abrahama ny soa nampanantenainy azy. 20 Dia hoy Iaveh: Mafy loatra ny fitarainana miakatra avy amin'i Sodoma sy Gomora, ary lehibe indrindra ny fahotan'izy ireo. 21 Koa hidina aho ary hizaha raha efa feno tokoa ny halehiben'ny fahotany araka ny fitarainana tonga hatraty amiko, ary raha mbola tsy feno dia ho hitako. 22 Niainga ireo lehilahy ireo, ka nandeha nankany Sodoma; fa Abrahama kosa mbola nijanona teo anatrehan'ny Tompo ihany.

23 Ary nanatona Abrahama ka nanao hoe: Hataonao maty miaraka amin'ny meloka koa va ny marina? 24 Angamba hisy olo-marina dimampolo ao an-tanàna ao ka hovonoinao koa va ireny. Ary tsy hamindranao fo va ny tanàna noho ireo olo-marina dimampolo ireo, raha misy izany tokoa ao? 25 Sanatria anao izay hanao izany, ka hamono ny marina miaraka amin'ny meloka. Sahala izany ny hahazo ny marina sy ny meloka! Sanatria anao izany. Mpitsara ny tany rehetra ve ka tsy hitsara marina? 26 Hoy Iaveh: Raha mahita olo-marina dimampolo ao an-tanàna Sodoma aho, dia hamindra fo amin'ny tanàna manontolo noho ny fitiavako an'ireo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1839