Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Boky Voalohan'ny Makabeo

1 Makabeo toko 11
Nony maty Aleksandra sy Ptolemea, nanao fanekem-pihavanana tamin'i Demetriosa Jonatasa sady nanampy azy hanafoana fikomiana anankiray - Tsy fankasitrahana anefa no azony, ka nandray ny fanekem-pihavanana tamin'i Antiokosa VI sy Trifona izy.

       1Namory miaramila tsy tambo isaina hoatra ny fasika eny amoron-dranomasina sy sambo maro koa ny mpanjakan'i Ejipta, ka nitady hahazo an-kafetsena ny fanjakan'i Aleksandra, hakambana amin'ny fanjakany. 2Dia nandroso ho any Siria izy, nanao tenim-pihavanana. Novohain'ny mponina teo anoloany ny tanàna ary nirohotra hitsena azy izy ireo, fa nodidian'i Alksandra hitsena azy noho ny maha-rafozany. 3Isaky ny tafiditra amin'ny tanàna anankiray anefa Ptolemea mametraka miaramila hiambina an'io. 4Nony mby teo akaikin'i Azota izy, nasehon'ny mponina azy ny tempolin'i Dagona may, ny tanàna mbamin'ny manodidina azy rava; ny faty maro nihahaka; ny sisan'ireo nodorana tamin'ny ady nangoniny hiavosa teny amin'ny làlana; 5ary notantarainy tamin'ny mpanjaka ny nataon'i Jonatasa mba hankahalany an'io; nangina anefa ny mpanjaka. 6Nankao amin'ny mpanjaka tao Jope Jonatasa hanome haja azy; nifampiarahaba izy ireo, dia nandry tao. 7Nanatitra ny mpanjaka hatreo amin'ny ony atao hoe Eleotera Jonatasa, vao niverina ho any Jerosalema.
       8Lasan'i Ptolemea mpanjaka tamin'izany ny tanàna amoron-dranomasina, hatramin'i Seleokia ao amoron'ny ranomasina; ary nihevitra zava-mamohetra amin'i Aleksandra izy. 9Nandefa ambasadaoro ho any amin'i Demetriosa mpanjaka izy hilaza aminy hoe: Avia, hanao fanekena isika fa homeko ho vadinao ny zanako vavy novinadin'i Aleksandra, dia hanjaka eo amin'ny fanjakan-drainao hianao. 10Nanenenako ny nanome azy ny zanako vavy, satria nitady hahafaty ahy izy. 11Naniry hahazo ny fanjakany izy no nanivaiva azy toy izany. 12Dia notsoahany tokoa ny zanany vavy ka nomeny an'i Demetriosa; hatramin'izay dia tafasaraka tamin'i Aleksandra izy, sady nitranga am-pahibemaso ny fifankahalany. 13Niditra ny tanàna Antiokia Ptolemea, ka nanao ny satro-panjakan'i Asia, ka satro-panjakana roa no indray nataony tamin'ny lohany, dia ny an'i Ejipta sy ny an'i Asia. 14Tany Silisia Aleksandra tamin'izany andro izany, satria nikomy ny mponina tamin'izany faritany izany. 15Vao nandre Aleksandra fa hoe navadiky ny rafozany, dia nandroso hamely azy: kanjo nalahatr'i Ptolemea mpanjaka kosa ny tafiny, dia nandroso hikatroka aminy tamin'ny tafika lehibe izy, nataony vaky nandositra. 16Nandisotra tany Arabia Aleksandra, hitady fialofana any, ka nandresy kosa Ptolemea mpanjaka. 17Kanjo notapahin'i Zabdiela Arabo ny lohan'i Alksandra, dia nampitondrainy ho any amin'i Ptolemea. 18Hateloana taorian'iany, dia maty Ptolemea mpanjaka, ka novonoin'ny mponina ny Ejipsiana tao amin'ny tanàna mimanda. 19Ary Demetriosa no tonga mpanjaka tamin'ny taona fahafito amby enimpolo amby zato.
       20Tamin'izany andro izany, novorin'i Jonatasa ny olona teo amin'i Jodea haka ny trano mimandan'i Jerosalema ary nanangana milina fiadiana betsaka izy, hamelezana azy. 21Tamin'izay nisy lehilahy vitsivitsy, mankahala ny fireneny, nandeha nankany amin'i Demetriosa mpanjaka niampanga an'i Jonatasa taminy hoe: Manao fahirano ny trano mimanda. 22Nahatezitra an'i Demetriosa ny nitantarana izany, ka vao nandre izany izy dia niezaka faingana nankany Ptolemaisa, sy nanoratra tamin'i Jonatasa hitsahatra tsy hanao fahirano ny trano mimanda sy ho tonga miaraka amin'izay hanatona azy any Ptolemaisa mba hidinika aminy. 23Nony nahazo izany taratasy izany Jonatasa dia nodidiany hotohizana ny fahirano, ary nifidy loholon'Israely vitsivitsy sy mpisorona maromaro hiaraka aminy izy, dia nanao vy very. 24Naka volamena sy volafotsy ary lamba ama-panatitra hafa betsaka izy, dia nankany amin'ny mpanjaka any Ptolemaisa ka noraisiny tsara. 25Nisy olona sasany ratsy fanahy iray firenena aminy, nanao fitarainana namely azy; 26toy ny nataon'ny mpanjaka talohany ihany no nataon'ny mpanjaka taminy: nofenoiny voninahitra teo anatrehan'ny sakaizany rehetra izy; 27naraikiny ho azy ny fiandrianan'ny mpisorona lehibe sy ny fiamboniana rehetra nomena azy taloha, ary nasainy nosoratana ho isan'ireo filohan'ny sakaizany izy. 28Nangataka tamin'ny mpanjaka Jonatasa hanafaka an'i Jodea sy ireo faritany telo amin'i Samaria, amin'ny hetra rehetra, dia hanome talenta telon-jato izy ho valin'izany. 29Neken'ny mpanjaka izany, ka izany rehetra izany, dia nanoratany taratasy ho an'i Jonatasa toy izao:
       30Demetriosa mpanjaka miarahaba an'i Jonatasa havany sy ny firenen'ny Jody. 31Indro alefanay aminareo ny kopian'ny taratasy milaza ny aminareo; nosoratanay ho an'i Lastenesa havanay, mba hahalalanareo azy. 32Demetriosa mpanjaka miarahaba an'i Lastenesa rainy! 33Izahay dia nanapa-kevitra ny hanisy soa ny firenen'ny Jody, izay sakaizanay, sy manao ny rariny aminay, noho ny fitiavana nasehony taminay. 34Ankatoavinay ho azy ireo ny faritanin'i Jodea sy ny faritany telo nesorina tamin'i Samaria hakambana amin'i Jodea, dia Efraima, Lida, Ramataima, mbamin'ny tany rehetra momba azy; ho fanambinana an'izay rehetra mandeha hanatitra sorona any Jerosalema no hahafoizanay izany, ho solon'izay naloany ho an'ny mpanjaka teo aloha, isan-taona, avy amin'ny vokatry ny tany amam-boankazo. 35Miantomboka izao mason'andro anio izao, ny zavatra hafa rehetra fandoany ho anay, na amin'ny hetra amam-pahafolon-karena anjaranay na amin'ny farihy fakan-tsira aman-tsatan'andriana tsy maintsy aloany aminay, 36dia afoinay ho azy daholo. Tsy azo anovana izao soa nomena azy izao, amin'ny sisa, na oviana na oviana. 37Koa ankehitriny, aza diso ny manao kopian'ity didy ity, halefa any amin'i Jonatasa sy hapetraka amin'ny toerana miharihary, any an-tendrombohitra masina.
       38Nony hitan'i Demetriosa mpanjaka fa nandry fahizay, teo anoloany, ny tany, ary tsy nisy fanoherana horeseny intsony, dia nalefany hody any an-tokantranony avy ny miaramilany rehetra, afa-tsy ireo miaramila hafa firenena nalainy tany amin'ny nosim-pirenena; ka tonga fahavalony avokoa ny miaramilan-drazany rehetra. 39Trifona, izay nomba an'i Aleksandra taloha, kosa, nony nahita fa nimonomonona tamin'i Demetriosa avokoa ny miaramila, dia nandeha nankany amin'i Emalkoela Arabo,izay nitaiza an'i Antiokosa, zanak'i Aleksandra mbola tanora: 40namoritra azy hanolotra an'ilaikely aminy, hampanjakainy handimby an-drainy; nitantara taminy izay rehetra nataon'i Demetriosa mbamin'ny fankahalan'ny miaramilany azy; naharitra andro maro no nitoerany tao.
       41Naniraka ho any amin'i Demetriosa mpanjaka Jonatasa nangataka ny hanalany ny miaramila izay tao amin'ny trano miamandan'i Jerosalema sy tamin'ireo trano mimanda hafa any Jodea, fa nandrafy ady tamin'Israely ireo. 42Ka izao no nasain'i Demetriosa havaly an'i Jonatasa: Tsy izany ihany no hataoko ho anao sy ho an'ny firenenao, fa iriko ny hameno voninahitra anao sy ny firenenao, raha vantany vao misy ahazoako manao izany. 43Koa ankehitriny dia mety ny andefasanao miaramila hamonjy ahy, fa lasa nitsoaka avokoa ny miaramilako. 44Dia miaramila telo arivo izay mahery indrindra no nalefan'i Jonatasa ho any aminy, tany Antiokia; nanatona ny mpanjaka ireo ka faly io tamin'ny fahatongavany. 45Nivory tao anatin'ny tanàna ny mponina tao an-tanàna, nisy roa alina sy iray hetsy, nitady hamono ny mpanjaka. 46Ny mpanjaka nialoka tao an-dapa; ary ny mponina nitana ny lalam-ben'ny tanàna sy efa nanomboka hiady. 47Fa nantsoin'ny mpanjaka tamin'izay ny Jody hamonjy azy, ka indray nivory nanodidina azy aloha ireo, vao indray nihahaka namakivaky ny tanàna, ka sahabo ho iray hetsy no matiny tao androtr'izay; 48nodorany ny tanàna, ary babo be dia be no azony tamin'izay andro izay, ary voavonjiny ny mpanjaka. 49Nony hitan'ny mponina fa voatanan'ny Jody, azony anaovana izay tiany ny tanàna, dia niraviravy tànana izy ka nandefa fitarainana tamin'ny mpanjaka, hoe: 50Mangataka fihavanana izahay, ary aoka ny Jody mba hitsahatra tsy hiady aminay sy amin'ny tanàna. 51Sady dia napetrany tokoa ny fiadiany, fa ny fihavanana no nataony. Nahazo voninahitra lehibe teo anatrehan'ny mpanjaka sy teo anatrehan'izay rehetra tao anatin'ny fanjakany ny Jody ary niverina ho any Jerosalema nitondra babo betsaka izy ireo. 52Dia nahazo nipetraka teo amin'ny seza fiandrianan'ny fanjakany Demetriosa mpanjaka, ary nandry fahizay teo anoloany ny tany. 53Nialany avokoa anefa ny fampanantenana nataony, nihatahany lavitra Jonatasa ary tsy notanterahiny ny fikasana tsara nasehony taminy, ka nampalahelo an'io mafy izy.
       54Taty aorian'izany tonga kosa Trifona, nitondra an'i Antiokosa mbola zaza, niantso azy ho mpanjaka, ary nametraka ny satrok'andriana taminy. 55Nivory nanotrona azy avokoa ny miaramila nalefan'i Demetriosa, sady niady namely an'io, ka vaky nandositra io ka resy. 56Lasan'i Trifona ireo elefanta, ary notanany Antiokia. 57Tamin'izany nanoratra taratasy toy izao Antiokosa kely ho any amin'i Jonatasa: Hamafisiko ny maha-anao ny fiandrianan'ny mpisorona lehibe, atsangako hitondra ny faritany efatra hianao, ary ataoko iray laharana amin'ny sakaizan'ny mpanjaka. 58Niaraka tamin'izany, dia nampitondra kapoaka volamena maromaro sy ny fanaka fomban-databatra iray ho azy izy, ary nanome làlana azy hisotro amin'ny kapoaka volamena sy hitafy jaky ary hitondra jaigrafy volamena. 59Simona rahalahiny kosa notendreny ho governora amin'ny tany hatreo amin'ny farafaran-tanin'i Tira ka hatrany amin'ny sisin-tanin'i Ejipta.
       60Nivoaka Jonatasa tamin'izany, ka rafitra nitety ny tany rehetra mbamin'ny tanàna tany an-dafin'ny ony, ary nivory homba azy sy hiara-miady aminy avokoa, ny miaramila rehetra tany Siria. Dia tonga tao Askalona izy, ka tamy nitsena sy nanome voninahitra lehibe azy ny mponina tao. 61Avy ao izy, dia nankao Gaza. Nohidian'ny mponina teo anoloany ny vavahadiny, ka nataony fahirano ny tanàna, nodorany ny manodidina azy, sady namaboany. 62Izay dia nitaraina tamin'i Jonatasa ny olona tao Gaza, ka nekany ihany ny hihavana tamin'ireo, nefa nalainy ho antoka kosa ny zanakalahin'ny lehibeny, dia nalefany ho any Jerosalema. Noteteziny toy izany avokoa ny tany hatrany Damasa.
       63Ren'i Jonatasa tamin'izay, fa tonga ao Kadesa any Galilea ny jeneralin'i Demetriosa, nitondra tafika lehibe mikendry ny hisakana azy amin'ity asa efa natombony; 64ka Simona rahalahiny no napetrany hitoetra tamin'ny tany, fa izy nandroso hamely an'ireo. 65Nandroso ho any Betsora Simona nanao fahirano azy naharitra andro maro, sy nanasokera azy. 66Nangata-pihavanana taminy ny nafahirano ka nekeny fa nasiny nivoaka ny tanàna, dia norasiny ho azy ny tanàna sy nametrahany miaramila mpiandry tany. 67Jonatasa sy ny tafiny kosa nitoby teo amin'ny ranon'i Jenesara; ny ampitso vao maraina koa, dia niditra ny tany lemak'i Asora izy ireo. 68Ary indreo ny miaramila hafa firenena tamy hitsena azy, teo amin'ny tany lemaka, sady nandefa otrika ao an-tendrombohitra hamely azy, ary nandroso hamantana hanehatra azy. 69Nivoaka tampoka avy ao amin'ny fiereny ry zareo otrika dia nandrafitra ny ady, ka vaky nandositra ny miaramilan'i Jonatasa rehetra. 70Tsy nisy nijanona afa-tsy Matatiasa zanak'i Absaloma sy Jodasa zank'i Kalfi, jeneralin'ny tafika. 71Tamin'izay notriarin'i Jonatasa ny fitafiany, nohosenany vovoka ny lohany, ary nivavaka izy. 72Izay vao lasa indray niady tamin'izy ireo, ka voatosiny hihemotra sy nataony vaky nandositra. 73Nahita izany irery namany nandositra dia niverina taminy indray sy rafitra niaraka taminy nanenjika ny fahavalo hatrany Kades nisy ny tobiny; dia izy ireo indray no tonga nitoby tamin'izany toerana izany. 74Nisy telo arivo lahy ny miaramila hafa firenena no maty tamin'izany andro izany, ary Jonatasa niverina ho any Jerosalema. >