Boky Voalohan'ny Makabeo

Toko faha-11

51 Sady dia napetrany tokoa ny fiadiany, fa ny fihavanana no nataony. Nahazo voninahitra lehibe teo anatrehan'ny mpanjaka sy teo anatrehan'izay rehetra tao anatin'ny fanjakany ny Jody ary niverina ho any Jerosalema nitondra babo betsaka izy ireo. 52 Dia nahazo nipetraka teo amin'ny seza fiandrianan'ny fanjakany Demetriosa mpanjaka, ary nandry fahizay teo anoloany ny tany. 53 Nialany avokoa anefa ny fampanantenana nataony, nihatahany lavitra Jonatasa ary tsy notanterahiny ny fikasana tsara nasehony taminy, ka nampalahelo an'io mafy izy. 54 Taty aorian'izany tonga kosa Trifona, nitondra an'i Antiokosa mbola zaza, niantso azy ho mpanjaka, ary nametraka ny satrok'andriana taminy.

55 Nivory nanotrona azy avokoa ny miaramila nalefan'i Demetriosa, sady niady namely an'io, ka vaky nandositra io ka resy. 56 Lasan'i Trifona ireo elefanta, ary notanany Antiokia. 57 Tamin'izany nanoratra taratasy toy izao Antiokosa kely ho any amin'i Jonatasa: Hamafisiko ny maha-anao ny fiandrianan'ny mpisorona lehibe, atsangako hitondra ny faritany efatra hianao, ary ataoko iray laharana amin'ny sakaizan'ny mpanjaka. 58 Niaraka tamin'izany, dia nampitondra kapoaka volamena maromaro sy ny fanaka fomban-databatra iray ho azy izy, ary nanome làlana azy hisotro amin'ny kapoaka volamena sy hitafy jaky ary hitondra jaigrafy volamena. 59 Simona rahalahiny kosa notendreny ho governora amin'ny tany hatreo amin'ny farafaran-tanin'i Tira ka hatrany amin'ny sisin-tanin'i Ejipta. 60 Nivoaka Jonatasa tamin'izany, ka rafitra nitety ny tany rehetra mbamin'ny tanàna tany an-dafin'ny ony, ary nivory homba azy sy hiara-miady aminy avokoa, ny miaramila rehetra tany Siria. Dia tonga tao Askalona izy, ka tamy nitsena sy nanome voninahitra lehibe azy ny mponina tao.

61 Avy ao izy, dia nankao Gaza. Nohidian'ny mponina teo anoloany ny vavahadiny, ka nataony fahirano ny tanàna, nodorany ny manodidina azy, sady namaboany. 62 Izay dia nitaraina tamin'i Jonatasa ny olona tao Gaza, ka nekany ihany ny hihavana tamin'ireo, nefa nalainy ho antoka kosa ny zanakalahin'ny lehibeny, dia nalefany ho any Jerosalema. Noteteziny toy izany avokoa ny tany hatrany Damasa. 63 Ren'i Jonatasa tamin'izay, fa tonga ao Kadesa any Galilea ny jeneralin'i Demetriosa, nitondra tafika lehibe mikendry ny hisakana azy amin'ity asa efa natombony;

64 ka Simona rahalahiny no napetrany hitoetra tamin'ny tany, fa izy nandroso hamely an'ireo. 65 Nandroso ho any Betsora Simona nanao fahirano azy naharitra andro maro, sy nanasokera azy. 66 Nangata-pihavanana taminy ny nafahirano ka nekeny fa nasiny nivoaka ny tanàna, dia norasiny ho azy ny tanàna sy nametrahany miaramila mpiandry tany. 67 Jonatasa sy ny tafiny kosa nitoby teo amin'ny ranon'i Jenesara; ny ampitso vao maraina koa, dia niditra ny tany lemak'i Asora izy ireo. 68 Ary indreo ny miaramila hafa firenena tamy hitsena azy, teo amin'ny tany lemaka, sady nandefa otrika ao an-tendrombohitra hamely azy, ary nandroso hamantana hanehatra azy. 69 Nivoaka tampoka avy ao amin'ny fiereny ry zareo otrika dia nandrafitra ny ady, ka vaky nandositra ny miaramilan'i Jonatasa rehetra. 70 Tsy nisy nijanona afa-tsy Matatiasa zanak'i Absaloma sy Jodasa zank'i Kalfi, jeneralin'ny tafika. 71 Tamin'izay notriarin'i Jonatasa ny fitafiany, nohosenany vovoka ny lohany, ary nivavaka izy. 72 Izay vao lasa indray niady tamin'izy ireo, ka voatosiny hihemotra sy nataony vaky nandositra. 73 Nahita izany irery namany nandositra dia niverina taminy indray sy rafitra niaraka taminy nanenjika ny fahavalo hatrany Kades nisy ny tobiny; dia izy ireo indray no tonga nitoby tamin'izany toerana izany. 74 Nisy telo arivo lahy ny miaramila hafa firenena no maty tamin'izany andro izany, ary Jonatasa niverina ho any Jerosalema.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0375