Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Boky Voalohan'ny Makabeo

1 Makabeo toko 4
Ny nandresen'i Jodasa Makabeo an'i Gorjiasa sy Lisiasa - Ny nanadiovana ny Tempoly sy nitokanana azy indray.

       1Nitondra miaramila dimy arivo Gorjiasa, sy mpitaingin-tsoavaly voafantina arivo, 2ka niainga alina hanatona ny tobin'ny Jody sy hamely azy tampoka; ny miaramila avy amin'ny trano miamandan'i Siona no nitari-dàlana azy. 3Nony nandre izany Jodasa dia niainga izy sy ireo lehilahy mahery, hamely ny tafiky ny mpanjaka izay ao Emaosa, 4fony mbola tafaely tany ivelan'ny toby ny miaramila. 5Dia tonga tamin'ny alina, tao an-tobin'ny Jodasa, Gorjiasa, nefa tsy nahita olona, ka lasa nikaroka azy ireo tany an-tendrombohitra, fa hoy izy: nandositra antsika izy ireo. 6Vao nipoaka ny andro, dia niseho teo amin'ny tany lemaka Jodasa nitondra miaramila telo arivo; izy ireo anefa tsy mba nanana izay fitaovana niriny, na ny hiarovany tena na ny hamelezany. 7Raha nahita ny tobin'ny firenena voaro mafy izy ireo, ny miaramila misarona amin'ny fiarovan-tratra, ny miaramila an-tsoavaly misafo eny manodidina azy, izay samy zatra ady avokoa, 8dia hoy Jodasa tamin'ireo miaramila nomba azy: Aza matahotra izay hamaroan'ireo, na mivadi-po amin'izay famelezany, 9fa tsarovy ny namonjena ny razantsika tao amin'ny ranomasina Mena, fony izy nenjehin'i Faraona nomban-tafika lehibe. 10Koa ankehitriny miantsoa mitaraina amin'ny lanitra isika, ary matokia fa hamindra fo amintsika izy, hahatsiaro ny fanekeny tamin'ny razantsika ary handrava io tafika io anio eo imasontsika izy; 11dia ho fantatry ny firenena rehetra fa manana olon-kanafaka sy hamonjy azy Israely.
       12Tamin'izay nanopy ny masony ireo hafa firenena, ka nahatazana azy ireto tamy hamely azy, 13dia nivoaka ny toby hiady. Notsofin'ireo nomba an'i Jodasa niaraka tamin'izay, ny trompetra; 14dia rafitra ny ady, ka resy ny firenena sy nandositra teny amin'ny tany lemaka, 15lavon-tsabatra avokoa ny vody làlana, ary nenjehin'ny Jody hatrany Gazara, sy hatrany amin'ireo tany lemak'i Jodea sy Azota ary Jamnia, ka nahafatesany efa ho telo arivo lahy. 16Izay Jodasa sy ny tafiny, vao niverina nijanona tsy nanenjika intsony, ary hoy izy tamin'ny vahoaka: 17Aza liana ny hamabo hianareo, fa mbola misy ady miandry antsika. 18Ato an-tendrombohitra akaikintsika ato izao Gorjiasa sy ny miaramilany, ka tohay mafy aloha ny fahavalontsika, reseo izy, vao izay no hahazo maka ny babony tsy aman-tahotra hianareo. 19Mbola miteny eo Jodasa no indro niseho ny antoko-miaramilan'i Gorjiasa nivoaka avy ao an-tendrombohitra. 20Hitan'ireo fa ny namany nandositra, ny toby nodoran'ny Jody, satria tazana ny setroka maneho izay natao. 21Raiki-tahotra mafy izy nahita izany; nony tazany koa amin'izay ny tafik'i Jodasa, nilahatra teo amin'ny tany lemaka, voaoman-kiady, 22dia nandositra any amin'ny Filistina avokoa izy rehetra. 23Fa Jodasa kosa niverina nandraoka ny babo tao an-toby, ka volamena sy volafotsy betsaka mbamin'ny lamba jaky volomparasy sy jaky mena mangatrakatraka ary harem-bevava no nentiny. 24Hira no nataony nony nody; fiderana ny Tompo no nasondrony ho any an-danitra: Fa tsara izy, ary maharitra mandrakizay ny famindram-pony. 25Nahazo famonjena lehibe Israely tamin'izany andro izany.
       26Nilaza ny nanjo rehetra tamin'i Lisiasa ireo hafa firenena izay afa-nandositra, 27ka nalahelo sady kivy io, nony nandre izany vaovao izany, fa ny fikasany hamely an'Israely maty afo, ary ny didin'ny mpanjaka tsy tanteraka. 28Tamin'ny taona manaraka, namory tafika iray indray Lisiasa, miaramila an-tongotra voafantina enina alina, ary an-tsoavaly dimy arivo, ho enti-mandresy ny kirin'ny Jody. 29Dia nandroso nankany Jodea izy ireo, ka niorin-toby teo akaikin'i Betorona. Ary nandeha hanohitra azy Jodasa, nitarika miaramila iray alina. 30Nony nahita ity tafika mahatahotra izy, dia nivavaka nanao hoe: Ry mpanafaka an'Israely ô, isaorana hianao, hianao ilay nanorotoro ny herin'ilay lehilahy goavana be, tamin'ny tànan'i Davida mpanomponao, sy nanolotra ny tobin'ny Filistina teo an-tànan'i Jonatasa, zanak'i Saola, sy ny dekany. 31Fiazo eo an-tànan'Israely vahoakanao io tafika io; ary aoka hifanaritaka izy ireo mbamin'ny miaramilany an-tongotra sy an-tsoavaly. 32Ataovy raiki-tahotra izy, ketraho ny hasahiany be ebo; ary aoka ny fahareseny hampikorontana azy. 33Ataovy lavon'ny sabatr'ireto tia anao izy ireo, ary aoka izay rehetra mahalala ny anaranao hanao hira fiderana anao avokoa. 34Dia natombok'izy ireo ny ady, ka nisy dimy arivo lahy tamin'ny tafik'i Lisiasa no niampatra teo anoloan'ny Jody. 35Nony hitan'i Lisiasa ity fiparitaky ny tafiny, sy izato fahasahian'ny miaramilan'i Jodasa, izay nitomban-ko velona na ho faty amim-boninahitra, dia nody ho any Antiokia izy, ka naka miaramila tamin'ny hafa firenena; ny hiverina ho any Jodea indray no nampoiziny rahefa nampitomboiny ny miaramilany.
       36Ary hoy kosa Jodasa sy ireo rahalahiny: Efa resy ity ny fahavalontsika, ka ndeha amin'izao hiakatra hanadio ny tempoly sy hitokana azy indray. 37Dia nivory ny tafika manontolo, ka niakatra ho any an-tendrombohitra Siona. 38Nony hitan'izy ireo ity fitoerana masina foana, ny otely voaloto, ny varavarana may, ny hazo madinika maniry tao amin'ny kianja, toy ny anaty ala na eny an-tendrombohitra, ary ny efitrano voarava, dia 39norovitiny ny fitafiany, nigogogogo tamim-pisaonana mafy izy, nohosenany lavenona ny lohany, 40nahohony tamin'ny tany ny tarehiny, ary raha niara-naneno nikarantsana ny trompetra, dia nandefa fitarainana tamin'ny lanitra izy ireo. 41Tamin'izay, dia nakan'i Jodasa antokony iray ny foloalindahy hiady amin'ny Siriana tao amin'ny trano mimanda mandra-panadio ny fitoerana masina. 42Rahefa izany, nifidy mpisorona tsy manan-tsiny, miraiki-po amin'ny lalàn'Andriamanitra izy, 43dia nodiovin'izy ireo ny fitoerana masina, ary notateriny any am-panarian'ondana ny vato voaloto. 44Nifampihevitra ny amin'izay tokony hanaovana ny otelin-tsorona dorana izay efa voaloto, 45ka nahita hevitra tsara izy, dia ny handrava an'io, fandrao hahatonga fahafaham-baraka ho azy, noho izy efa voaloton'ny jentily. Dia noravany ny otely, 46ary napetrany teo amin'ny tendrombohitry ny tempoly amin'ny fitoerana mety tsara ny vato, mandra-pahatongan'izay mpaminany, hanapaka izay tokony hanaovana azy. 47Dia naka vato tsy voapaika, araka ny lalàna, izy ireo ary nanangana otely anankiray vaovao, araka ny marik'ilay taloha. 48Naoriny indray ny fitoerana masina mbamin'ny atin'ny tempoly, ary nohamasininy ny kianja. 49Nanao fanaka masina vaovao indray izy; dia napetrany tao amin'ny tempoly indray ny fanaovan-jiro, ny otely fandoroan-java-manitra, ny latabatra. 50Nodorany hanetona eo ambony otely ny emboka, nampirehetiny ny lalampy teo amin'ny fanavoan-jiro, ary notsilovin'ireo ny tempoly. 51Napetrany teo ambony latabatra ny mofo, ary nahantony ny efitra lamba.
Nony vitan'izy ireo ny asa rehetra nataony, 52dia nifoha maraina koa izy, tamin'ny andro fahadimy amby roapolon'ny volana fahasivy, izay volana atao hoe Kasleo, tamin'ny taona fahavalo amby efapolo amby zato, 53ka nanatitra sorona, araka ny lalàna, teo ambonin'ny otelin-tsorona dorana vaovao izay narafiny. 54Tamin'ny volana sy ny andro nandotoan'ny firenena ny otely indrindra no nanamasinana azy indray, tamin'ny hiran'ny salamo, sy tamin'ny feon'ny harpa aman-dokanga sy kipantsona. 55Indray nihohoka ny vahoaka, dia nitsaoka ary niandrandra ny lanitra, nisaotra an'ilay nanambina azy. 56Naharitra valo andro no nanaovany ny fitokanana ny otely, ary an-kafaliana no nanaterany ny sorona dorana sy ny sorom-pisaorana amam-piderana. 57Noravahany fehiloha aman'ampinga be renty ny anoloan'ny tempoly, namboariny koa ny fidirana amin'ny tempoly sy ny efitrano sady nasiany varavarana. 58Nisy fifaliana lehibe indrindra teo amin'ny vahoaka, ka afaka ny fahafaham-baraka nafitsoky ny firenena. 59Ary Jodasa nifanara-kevitra tamin'ireo rahalahiny mbamin'ny fiangonan'Israely rehetra, dia nandidy ny hankalazana ireo andro nitokanana ny otely, amim-pifaliana sy firavoravoana mandritra ny havaloana isan-taona, miantomboka amin'ny fahadimy amby roapolon'ny volana Kasleo. 60Tamin'izany fotoana izany ihany, izy ireo nanorina teo amin'ny tendrombohitra Siona manda avo manodidina sy tilikambo mafy, mba tsy hahazoan'ny firenena manosihosy ny fitoerana masina intsony, toy ny efa nataony teo aloha. 61Nametraka miaramila iray toko tao Jodasa hiambina sy hiaro azy. Nohamafisina koa Betsora, mba hananan'ny vahoaka fiarovana tandrifin'Idomea. >