Boky Voalohan'ny Makabeo

Toko faha-4

51 Napetrany teo ambony latabatra ny mofo, ary nahantony ny efitra lamba. Nony vitan'izy ireo ny asa rehetra nataony, 52 dia nifoha maraina koa izy, tamin'ny andro fahadimy amby roapolon'ny volana fahasivy, izay volana atao hoe Kasleo, tamin'ny taona fahavalo amby efapolo amby zato, 53 ka nanatitra sorona, araka ny lalàna, teo ambonin'ny otelin-tsorona dorana vaovao izay narafiny. 54 Tamin'ny volana sy ny andro nandotoan'ny firenena ny otely indrindra no nanamasinana azy indray, tamin'ny hiran'ny salamo, sy tamin'ny feon'ny harpa aman-dokanga sy kipantsona. 55 Indray nihohoka ny vahoaka, dia nitsaoka ary niandrandra ny lanitra, nisaotra an'ilay nanambina azy. 56 Naharitra valo andro no nanaovany ny fitokanana ny otely, ary an-kafaliana no nanaterany ny sorona dorana sy ny sorom-pisaorana amam-piderana. 57 Noravahany fehiloha aman'ampinga be renty ny anoloan'ny tempoly, namboariny koa ny fidirana amin'ny tempoly sy ny efitrano sady nasiany varavarana. 58 Nisy fifaliana lehibe indrindra teo amin'ny vahoaka, ka afaka ny fahafaham-baraka nafitsoky ny firenena. 59 Ary Jodasa nifanara-kevitra tamin'ireo rahalahiny mbamin'ny fiangonan'Israely rehetra, dia nandidy ny hankalazana ireo andro nitokanana ny otely, amim-pifaliana sy firavoravoana mandritra ny havaloana isan-taona, miantomboka amin'ny fahadimy amby roapolon'ny volana Kasleo. 60 Tamin'izany fotoana izany ihany, izy ireo nanorina teo amin'ny tendrombohitra Siona manda avo manodidina sy tilikambo mafy, mba tsy hahazoan'ny firenena manosihosy ny fitoerana masina intsony, toy ny efa nataony teo aloha. 61 Nametraka miaramila iray toko tao Jodasa hiambina sy hiaro azy. Nohamafisina koa Betsora, mba hananan'ny vahoaka fiarovana tandrifin'Idomea.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.038