Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Fanisana

Fanisana toko 31
Tafika namaliana ny Madianita.

       1Niteny tamin'i Moizy Iaveh nanao hoe: 2Valio amin'ny Madianita ny nataony tamin'ny zanak'Israely: rahefa afaka izany dia hangonina any amin'ny razanao hianao.
       3Dia niteny tamin'ny vahoaka Moizy nanao hoe: Omàny hiantafika ny lehilahy sasany aminareo, ka aoka handroso hanafika an'i Madiana izy, mba hahatanteraka ny famalian'ny Tompo an'i Madiana. 4Mandefasa arivo lahy isam-pokony avy ho any an-tafika hianareo, avy amin'ny fokon'Israely rehetra.
       5Koa nakana arivo lahy isam-pokony ny isan'arivon'Israely, dia lehilahy roa arivo sy iray alina voaoman-kiady. 6Dia nalefan'i Moizy ho any an-tafika izy arivo lahy isam-pokony ireo, dia izy ireo sy Finea, zanak'i Eleazara mpisorona, izay nitondra niaraka taminy ny fanaka masina sy ny trompetra mikarantsana. 7Nandroso hamely an'i Madiana izy, araka ny nandidian'ny Tompo an'i Moizy, ka novonoiny avokoa ny lahy rehetra. 8Afa-tsy izay maty an'ady dia novonoiny koa ny mpanjakan'i Madiana: Evy, Rekema, Sora, Hora, ary Rebe, mpanjakan'i Madiana dimy lahy. Novonoiny tamin'ny sabatra koa Balaama zanak'i Beora. 9Nobaboin'ny zanak'Israely avokoa ny vadin'ny Madianita mbamin'ny zanany madinika; norobainy daholo ny biby mpitondra entana sy ny biby fiompiny rehetra ary ny fananany rehetra. 10Nodorany avokoa ny tanàna rehetra teo amin'ny tany nonenany, mbamin'ny tobiny rehetra. 11Rahefa nalainy daholo ny babo rehetra sy ny zavatra voaroba rehetra, na olona na biby, 12dia nentiny ny sambotra, ny zavatra voaroba sy ny babo ho any amin'i Moizy sy Eleazara mpisorona ary ny fiangonan'Israely rehetra teo an-toby, teo an-dohasahan'i Moaba, akaikin'i Jordany tandrifin'i Jerikao.
       13Nivoaka hitsena azy ireo teo ivelan'ny toby Moizy sy Eleazara mpisorona ary ny lohany rehetra amin'ny fiangonana. 14Ary tezitra Moizy tamin'ny mpitari-tafika, dia ireo tompon'arivo sy tompon-jato, avy any amin'ny ady. 15Hoy izy tamin'ireo: Navelanareo ho velona ve ny vehivavy rehetra e? 16Ireo ihany anefa, noho ny tenin'i Balaama, no nitarika ny zanak'Israely hivadika tamin'ny Tompo tamin'ilay raharaha tamin'i Fogora, ka voan'ny loza tamin'izay ny fiangonan'ny Tompo; 17koa ankehitriny vonoy ny lahy rehetra amin'ireo ankizy madinika ireo, vonoy koa ny vehivavy rehetra efa nandry tamin-dehilahy, 18fa ny zazavavy rehetra tsy mbola nandry tamin-dehilahy no velomy ho anareo. 19Ary hianareo dia mitobia any ivelan'ny toby mandritra ny hafitoana, ka izay rehetra nahafaty olona, na nikasika faty, dia samia mandio tena, amin'ny andro fahatelo sy amin'ny andro fahafito, na hianareo na ny sambotrareo. 20Diovy koa ny fitafiana rehetra, ny fanaka hoditra rehetra, ny lamba volon'osy rehetra, ary ny fanaka hazo rehetra.
       21Hoy Eleazara mpisorona tamin'ny lehilahy mpiantafika rehetra izay nandeha tany an'ady: Izao no tapaky ny lalàna nandidian'ny Tompo an'i Moizy: 22Ny volamena, ny volafotsy, ny varahina, ny vy, ny fira-potsy ary ny fira-mainty, 23mbamin'ny zavatra rehetra sahy afo, ataovy amin'ny afo dia hadio izy; nefa mbola hodiovina amin'ny rano fandiovana izy. Ary izay rehetra tsy sahy afo, dia ataovy amin'ny rano. 24Sasao ny lambanareo amin'ny andro fahafito dia hadio hianareo, ka hahazo miditra amin'ny toby rahefa afaka izany.
       25Ary niteny tamin'i Moizy Iaveh nanao hoe: 26Alaonao sy Eleazara mpisorona ary ny loham-pianakaviana amin'ny fiangonana, ny isan'ny zavatra nentin-ko babo, na olona na biby fiompy, 27ka zarao ny babo ho an'ny mpiady nandeha tany an-tafika sy ho an'ny fiangonana rehetra. 28Ny an'ny miaramila niantafika angalao iray isan-diman-jato, na olona na omby na boriky na ondry, ho anjara aloa amin'ny Tompo. 29Ny azy ireo antsasany no hangalanareo an'izany, ka omeo an'i Eleazara mpisorona ho anjara natokana ho an'ny Tompo. 30Ny antsasany an'ny zanak'Israely kosa, anavaho iray isan-dimampolo, na olona na omby na boriky na ondry sy ny biby fiompy rehetra, ka omeo ny Levita, izay miambina ny Fonenan'ny Tompo. 31Dia nataon'i Moizy sy Eleazara mpisorona izany, araka ny nandidian'ny Tompo an'i Moizy.
       32Tamin'ny zavatra norobainy, ny sisan'ny babo azon'ny mpanafika, dia nisy ondry dimy arivo amby fito alina sy enina hetsy, 33omby roa arivo amby fito alina, 34boriky arivo amby enina alina, 35ary vehivavy mbola tsy nandry tamin-dehilahy roa arivo amby telo alina. 36Ny antsasany anjaran'ny tany an-tafika, dia ondry diman-jato amby fito arivo sy telo alina sy telo hetsy, 37ka dimy amby fitopolo sy enin-jato no anjara naloa ho an'ny Tompo tamin'ireo; 38omby enina arivo amby telo alina, ka ny roa amby fitopolo no anjara naloa ho an'ny Tompo tamin'ireo; 39boriky diman-jato amby telo alina, ka iraika amby enimpolo no anjara naloa ho an'ny Tompo tamin'ireo. 40ary olona enina arivo amby iray alina, ka roa amby telopolo no anjara naloa ho an'ny Tompo tamin'ireo. 41Dia nomen'i Moizy an'i Eleazara mpisorona ny anjara natokana ho an'ny Tompo, araka ny nandidian'ny Tompo an'i Moizy. 42Ny amin'ilay antsasany an'ny zanak'Israely kosa, izay navahan'i Moizy tamin'ny an'ny mpanafika, 43io antsasany an'ny fiangonana io, dia nisy ondry diman-jato amby fito arivo sy telo alina sy telo hetsy, 44omby enina arivo sy telo alina, 45boriky diman-jato amby telo alina, 46ary olona enina arivo sy iray alina. 47Nangalan'i Moizy iray isan-dimampolo io antsasany an'ny zanak'Israely io, ka nomeny ny Levita izay miambina ny Fonenan'ny Tompo araka ny nandidian'ny Tompo an'i Moizy.
       48Dia nanatona an'i Moizy ny lehiben'ny arivo amin'ny tafika, ny tompon'arivo, sy tompon-jato, ka nanao taminy hoe: 49Efa naka ny isan'ny mpanafika fehinay izahay mpanomponao, ka tsy nisy latsak'isa izahay, na dia iray aza. 50Koa aterinay ho fanatitra ho an'ny Tompo kosa, ny firavaka volamena efa hitanay avy, dia fehin-tànana, rojo madinika, masom-bolamena, kavina ary fehivozona hanaovana ny fanonerana ho anay eo anatrehan'ny Tompo. 51Dia noraisin'i Moizy sy Eleazara mpisorona izany volamena izany, tamin'izy ireo, izany firavaka rehetra tsara tefy izany. 52Dimampolo amby fiton-jato sy enina arivo sy iray alina sikla ny volamena rehetra voavaka nateriny ho an'ny Tompo avy amin'ny tompon'arivo sy tompon-jato. 53Ny mpanafika tamin'ny foloalindahy dia samy nahazo ny babony ho azy ihany. 54Nony voarain'i Moizy sy Eleazara mpisorona ny volamena tamin'ny tompon'arivo sy tompon-jato dia nentiny tao amin'ny trano lay fihaonana ho fahatsirovana ho an'ny zanak'Israely eo anatrehan'ny Tompo. >