Ny Fanisana

Toko faha-31

1 Niteny tamin'i Moizy Iaveh nanao hoe:

2 Valio amin'ny Madianita ny nataony tamin'ny zanak'Israely: rahefa afaka izany dia hangonina any amin'ny razanao hianao. 3 Dia niteny tamin'ny vahoaka Moizy nanao hoe: Omàny hiantafika ny lehilahy sasany aminareo, ka aoka handroso hanafika an'i Madiana izy, mba hahatanteraka ny famalian'ny Tompo an'i Madiana.

4 Mandefasa arivo lahy isam-pokony avy ho any an-tafika hianareo, avy amin'ny fokon'Israely rehetra. 5 Koa nakana arivo lahy isam-pokony ny isan'arivon'Israely, dia lehilahy roa arivo sy iray alina voaoman-kiady.

6 Dia nalefan'i Moizy ho any an-tafika izy arivo lahy isam-pokony ireo, dia izy ireo sy Finea, zanak'i Eleazara mpisorona, izay nitondra niaraka taminy ny fanaka masina sy ny trompetra mikarantsana. 7 Nandroso hamely an'i Madiana izy, araka ny nandidian'ny Tompo an'i Moizy, ka novonoiny avokoa ny lahy rehetra. 8 Afa-tsy izay maty an'ady dia novonoiny koa ny mpanjakan'i Madiana: Evy, Rekema, Sora, Hora, ary Rebe, mpanjakan'i Madiana dimy lahy. Novonoiny tamin'ny sabatra koa Balaama zanak'i Beora. 9 Nobaboin'ny zanak'Israely avokoa ny vadin'ny Madianita mbamin'ny zanany madinika; norobainy daholo ny biby mpitondra entana sy ny biby fiompiny rehetra ary ny fananany rehetra. 10 Nodorany avokoa ny tanàna rehetra teo amin'ny tany nonenany, mbamin'ny tobiny rehetra. 11 Rahefa nalainy daholo ny babo rehetra sy ny zavatra voaroba rehetra, na olona na biby, 12 dia nentiny ny sambotra, ny zavatra voaroba sy ny babo ho any amin'i Moizy sy Eleazara mpisorona ary ny fiangonan'Israely rehetra teo an-toby, teo an-dohasahan'i Moaba, akaikin'i Jordany tandrifin'i Jerikao. 13 Nivoaka hitsena azy ireo teo ivelan'ny toby Moizy sy Eleazara mpisorona ary ny lohany rehetra amin'ny fiangonana.

14 Ary tezitra Moizy tamin'ny mpitari-tafika, dia ireo tompon'arivo sy tompon-jato, avy any amin'ny ady. 15 Hoy izy tamin'ireo: Navelanareo ho velona ve ny vehivavy rehetra e? 16 Ireo ihany anefa, noho ny tenin'i Balaama, no nitarika ny zanak'Israely hivadika tamin'ny Tompo tamin'ilay raharaha tamin'i Fogora, ka voan'ny loza tamin'izay ny fiangonan'ny Tompo; 17 koa ankehitriny vonoy ny lahy rehetra amin'ireo ankizy madinika ireo, vonoy koa ny vehivavy rehetra efa nandry tamin-dehilahy, 18 fa ny zazavavy rehetra tsy mbola nandry tamin-dehilahy no velomy ho anareo. 19 Ary hianareo dia mitobia any ivelan'ny toby mandritra ny hafitoana, ka izay rehetra nahafaty olona, na nikasika faty, dia samia mandio tena, amin'ny andro fahatelo sy amin'ny andro fahafito, na hianareo na ny sambotrareo. 20 Diovy koa ny fitafiana rehetra, ny fanaka hoditra rehetra, ny lamba volon'osy rehetra, ary ny fanaka hazo rehetra. 21 Hoy Eleazara mpisorona tamin'ny lehilahy mpiantafika rehetra izay nandeha tany an'ady: Izao no tapaky ny lalàna nandidian'ny Tompo an'i Moizy:

22 Ny volamena, ny volafotsy, ny varahina, ny vy, ny fira-potsy ary ny fira-mainty, 23 mbamin'ny zavatra rehetra sahy afo, ataovy amin'ny afo dia hadio izy; nefa mbola hodiovina amin'ny rano fandiovana izy. Ary izay rehetra tsy sahy afo, dia ataovy amin'ny rano. 24 Sasao ny lambanareo amin'ny andro fahafito dia hadio hianareo, ka hahazo miditra amin'ny toby rahefa afaka izany. 25 Ary niteny tamin'i Moizy Iaveh nanao hoe:

26 Alaonao sy Eleazara mpisorona ary ny loham-pianakaviana amin'ny fiangonana, ny isan'ny zavatra nentin-ko babo, na olona na biby fiompy, 27 ka zarao ny babo ho an'ny mpiady nandeha tany an-tafika sy ho an'ny fiangonana rehetra. 28 Ny an'ny miaramila niantafika angalao iray isan-diman-jato, na olona na omby na boriky na ondry, ho anjara aloa amin'ny Tompo. 29 Ny azy ireo antsasany no hangalanareo an'izany, ka omeo an'i Eleazara mpisorona ho anjara natokana ho an'ny Tompo. 30 Ny antsasany an'ny zanak'Israely kosa, anavaho iray isan-dimampolo, na olona na omby na boriky na ondry sy ny biby fiompy rehetra, ka omeo ny Levita, izay miambina ny Fonenan'ny Tompo. 31 Dia nataon'i Moizy sy Eleazara mpisorona izany, araka ny nandidian'ny Tompo an'i Moizy. 32 Tamin'ny zavatra norobainy, ny sisan'ny babo azon'ny mpanafika, dia nisy ondry dimy arivo amby fito alina sy enina hetsy,

33 omby roa arivo amby fito alina, 34 boriky arivo amby enina alina, 35 ary vehivavy mbola tsy nandry tamin-dehilahy roa arivo amby telo alina. 36 Ny antsasany anjaran'ny tany an-tafika, dia ondry diman-jato amby fito arivo sy telo alina sy telo hetsy, 37 ka dimy amby fitopolo sy enin-jato no anjara naloa ho an'ny Tompo tamin'ireo; 38 omby enina arivo amby telo alina, ka ny roa amby fitopolo no anjara naloa ho an'ny Tompo tamin'ireo; 39 boriky diman-jato amby telo alina, ka iraika amby enimpolo no anjara naloa ho an'ny Tompo tamin'ireo. 40 ary olona enina arivo amby iray alina, ka roa amby telopolo no anjara naloa ho an'ny Tompo tamin'ireo. 41 Dia nomen'i Moizy an'i Eleazara mpisorona ny anjara natokana ho an'ny Tompo, araka ny nandidian'ny Tompo an'i Moizy. 42 Ny amin'ilay antsasany an'ny zanak'Israely kosa, izay navahan'i Moizy tamin'ny an'ny mpanafika, 43 io antsasany an'ny fiangonana io, dia nisy ondry diman-jato amby fito arivo sy telo alina sy telo hetsy, 44 omby enina arivo sy telo alina, 45 boriky diman-jato amby telo alina, 46 ary olona enina arivo sy iray alina. 47 Nangalan'i Moizy iray isan-dimampolo io antsasany an'ny zanak'Israely io, ka nomeny ny Levita izay miambina ny Fonenan'ny Tompo araka ny nandidian'ny Tompo an'i Moizy. 48 Dia nanatona an'i Moizy ny lehiben'ny arivo amin'ny tafika, ny tompon'arivo, sy tompon-jato, ka nanao taminy hoe:

49 Efa naka ny isan'ny mpanafika fehinay izahay mpanomponao, ka tsy nisy latsak'isa izahay, na dia iray aza. 50 Koa aterinay ho fanatitra ho an'ny Tompo kosa, ny firavaka volamena efa hitanay avy, dia fehin-tànana, rojo madinika, masom-bolamena, kavina ary fehivozona hanaovana ny fanonerana ho anay eo anatrehan'ny Tompo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0835