Ny Fanisana

Toko faha-31

51 Dia noraisin'i Moizy sy Eleazara mpisorona izany volamena izany, tamin'izy ireo, izany firavaka rehetra tsara tefy izany. 52 Dimampolo amby fiton-jato sy enina arivo sy iray alina sikla ny volamena rehetra voavaka nateriny ho an'ny Tompo avy amin'ny tompon'arivo sy tompon-jato. 53 Ny mpanafika tamin'ny foloalindahy dia samy nahazo ny babony ho azy ihany. 54 Nony voarain'i Moizy sy Eleazara mpisorona ny volamena tamin'ny tompon'arivo sy tompon-jato dia nentiny tao amin'ny trano lay fihaonana ho fahatsirovana ho an'ny zanak'Israely eo anatrehan'ny Tompo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0864