Ny Fanisana
Fanisana toko 33
Ny nitobian'ny zanak'Israely teny an-dàlana.
1Izao no nitobian'ny zanak'Israely nony nivoaka avy tany amin'ny tany Ejipta, araka ny antokony avy, ambanin'ny fitondran'i Moizy sy Aarona. 2Nalatsak'i Moizy an-tsoratra ny toerana niaingany araka ny nitobiany manaraka ny didin'ny Tompo, ka izao avy no nitobiany araka ny niaingany.
3Niala tao Ramsesa tamin'ny volana voalohany izy, tamin'ny andro fahadimy ambin'ny folon'ny volana voalohany. Ny ampitson'ny Paka dia tamin'ny tànana voasandratra no nivoahan'ny zanak'Israely teo imason'ny Ejipsiana rehetra. 4Ary ny Ejipsiana nandevina izay novonoin'ny Tompo teo aminy, dia ny lahimatoany rehetra, ary nahatran'ny Tompo tamin'ny andriamaniny koa ny fitsarana. 5Nony niala teo Ramsesa ny zanak'Israely, dia nitoby tao Sokota. 6Niala tao Sokota izy, dia nitoby tao Etama, izay eo an-tsisin'ny efitra. 7Niala tao Etama izy, dia nivily tao Fihahirota, izay mifanandrify amin'i Beelsefona, ka nitoby teo anoloan'i Magdaloma. 8Niala teo anoloan'i Fihahirota izy, dia nita ny ranomasina ho any an'efitra. Nony nandeha làlan-kateloana tany an'efitra Etama izy dia nitoby tao Marà. 9Niala tao Marà izy dia tonga tao Elima izay nisy loharano roa ambin'ny folo, sy foto-drofia fitopolo, ka nitoby tao. 10Niala tao Elima izy, dia nitoby teo amoron'ny ranomasina Mena. 11Niala teo amin'ny ranomasina Mena izy, dia nitoby tany an'efitra Sina. 12Niala tany an'efitra Sina izy, dia nitoby tao Dafkà. 13Niala tao Dafkà izy, dia nitoby tao Alosy. 14Niala atao Alosy izy, dia nitoby tao Rafidima, ary tsy nisy rano tao hosotroin'ny vahoaka. 15Niala tao Rafidima izy, dia nitoby tany an'efitra Sinaia.
16Niala tany an'efitra Sinaia izy, dia nitoby tao Kibrota-Hataavà. 17Niala tao Kibrota-Hataavà izy, dia nitoby tao Haserota. 18Niala tao Haserota izy, dia nitoby tao Retmà. 19Niala tao Retmà izy, dia nitoby tao Remonfaresa. 20Niala tao Remonfaresa izy, dia nitoby tao Lebnà. 21Niala tao Lebnà izy, dia nitoby tao Resà. 22Niala tao Resà izy, dia nitoby tao Keelatà. 23Niala tao Keelatà izy, dia nitoby tao an-tendrombohitra Sefera. 24Niala tao an-tendrombohitra Sefera izy, dia nitoby tao Aradà. 25Niala tao Aradà izy, dia nitoby tao Makelota. 26Niala tao Makelota izy, dia nitoby tao Tahata. 27Niala tao Tahata izy, dia nitoby tao Tare. 28Niala tao Tare izy, dia nitoby tao Metkà. 29Niala tao Metkà izy, dia nitoby tao Hesmonà. 30Niala tao Hesmonà izy, dia nitoby tao Moserota. 31Niala tao Moserota izy, dia nitoby tao Bene-Jaakàna. 32Niala tao Bene-Jaakàna izy, dia nitoby tao Hor-Gadgada. 33Niala tao Hor-Gadgada izy, dia nitoby tao Jetebata. 34Niala tao Jetebata izy, dia nitoby tao Hebrona. 35Niala tao Hebrona izy, dia nitoby tao Asiongabera. 36Niala tao Asiongabera izy, dia nitoby tany an'efitra Sina, izany hoe tao Kadesy.
37Niala tao Kadesy izy, dia nitoby tany an-tendrombohitra Hora, tao an-tsisin'ny tany Edoma. 38Niakatra tao an-tendrombohitra Hora Aarona mpisorona araka ny didin'ny Tompo, dia maty tao izy tamin'ny taona fahefapolo taorian'ny nivoahan'ny zanak'Israely tany amin'ny tany Ejipta, volana fahadimy, andro voalohan'ny volana. 39Efa telo amby roapolo amby zato taona Aarona, tamin'izy maty tao an-tendrombohitra Hora. 40Ary ren'ilay Kananeana mpanjakan'i Arada izay nonina tao Negeba amin'ny tany Kanaana fa hoe tamy ny zanak'Israely.
41Niala tao an-tendrombohitra Hora izy, dia nitoby tao Salmonà. 42Niala tao Salmonà izy, dia nitoby tao Fonona. 43Niala tao Fonona izy, dia nitoby tao Obota. 44Niala tao Obota izy, dia nitoby tao Ije-Abarima, amin'ny sisin-tanin'i Moaba. 45Niala tao Ije-Abarima izy, dia nitoby tao Dibon-Daga. 46Niala tao Dibon-Daga izy, dia nitoby tao Helmon-Delbataïma. 47Niala tao Helmon-Delbataïma izy, dia nitoby tao an-tendrombohitra Abarima tandrifin'i Nebao. 48Niala tao an-tendrombohitra Abarima izy, dia nitoby tao amin'ny tany lemak'i Moaba, amoron'i Jordany, tandrifin'i Jerikao. 49Ny moron'i Jordany nitobiany, dia hatreo Betsimota, ka hatrany Abela-Setima amin'ny tany leman'i Moaba.
50Niteny tamin'i Moizy Iaveh, tao amin'ny tany lemak'i Moaba amoron'i Jordany tandrifin'i Jerikao nanao hoe: 51Mitenena amin'ny zanak'Israely hoe: Rahefa tafita an'i Jordany hianareo, ka efa any amin'ny tany Kanaana, 52dia roahy eo alohanareo ny mponina rehetra amin'ny tany, fongory avokoa ny vato misy sarin-javatra voasokitra, mbamin'ny sary anidina rehetra, ary ravao daholo ny fitoerana avony rehetra; 53dia alao ho anareo ny tany, ka oneno, fa efa nomeko anareo ny tany hanananareo azy. 54Filokana no hizaranareo ny tany araka ny fokonareo avy: ny maro isa homenareo anjara bebe kokoa, ny vitsy isa homenareo anjara lova kelikely kokoa; ka izay ho azony amin'ny filokana no ho anjarany avy; horaisinareo ho fanananareo araka ny fokom-pianakavianareo avy izany.
55Fa raha tsy roahinareo eo alohanareo kosa ny mponina amin'ny tany dia ho tsilo amin'ny masonareo sy fitsindrona amin'ny lanivoanareo izay sisa tavela aminy, ka ny fanao amin'ny fahavalo no hataony aminareo amin'ny tany honenanareo. 56Ary izaho hampihatra aminareo izay nokasaiko hatao aminy. >