Ny Fanisana

Toko faha-33

51 Mitenena amin'ny zanak'Israely hoe: Rahefa tafita an'i Jordany hianareo, ka efa any amin'ny tany Kanaana, 52 dia roahy eo alohanareo ny mponina rehetra amin'ny tany, fongory avokoa ny vato misy sarin-javatra voasokitra, mbamin'ny sary anidina rehetra, ary ravao daholo ny fitoerana avony rehetra; 53 dia alao ho anareo ny tany, ka oneno, fa efa nomeko anareo ny tany hanananareo azy. 54 Filokana no hizaranareo ny tany araka ny fokonareo avy: ny maro isa homenareo anjara bebe kokoa, ny vitsy isa homenareo anjara lova kelikely kokoa; ka izay ho azony amin'ny filokana no ho anjarany avy; horaisinareo ho fanananareo araka ny fokom-pianakavianareo avy izany. 55 Fa raha tsy roahinareo eo alohanareo kosa ny mponina amin'ny tany dia ho tsilo amin'ny masonareo sy fitsindrona amin'ny lanivoanareo izay sisa tavela aminy, ka ny fanao amin'ny fahavalo no hataony aminareo amin'ny tany honenanareo.

56 Ary izaho hampihatra aminareo izay nokasaiko hatao aminy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0376