Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko voalohany

51 Nahefa asa mahery tamin'ny sandriny izy: dia nampihahafiny izay niavonavona tamin'ny fisainan'ny fony;

52 naongany hiala tamin'ny fiketrahany ny mpanapaka, fa ny ambany kosa nasandrany; 53 ary ny noana novokisany soa, fa ny mpanan-karena kosa, dia nampodiny mitondra tànam-polo. 54 Niahy an'Israely mpanompony izy, fa tsy hadinony ny famindram-pony

55 tamin'i Abrahama sy ny taranany mandrakizay, araka ny efa voalazany tamin'ny razantsika. 56 Nitoetra tokony ho telo volana tao amin'i Elizabeta Maria vao nody tany an-tranony.

57 Ary nony tonga ny andro hiterahan'i Elizabeta dia tera-dahy izy.

58 Ary nahare ny miara-monina aminy sy ny havany fa efa nankalazain'ny Tompo ny famindram-pony taminy, ka dia niara-nifaly taminy. 59 Nony afaka havaloana, dia tonga izy hamora ny zaza, ary Zakaria, araka ny anaran-drainy no ndeha hataony anarany. 60 Fa niteny reniny nanao hoe: Tsia, tsy izany, fa hatao hoe Joany izy. 61 Fa hoy izy ireo taminy: Tsy misy na dia iray aza amin'ny havanao manana izany anarana izany. 62 Ary nanao baikon'ny moana tamin'ny rainy izy ireo nanontany izay tiany hatao anarany. 63 Dia nangataka fàfana izy, ary nanoratra hoe: Joany no anarany; ka gaga daholo izy rehetra. 64 Niaraka tamin'izay dia nisokatra ny vavany, ary nivaha ny lelany, dia niteny izy ka nisaotra an'Andriamanitra. 65 Azon'ny tahotra avokoa ny mponina rehetra teny manodidina, ary niely hatraiza hatraiza tany amin'ny tendrombohitr'i Jodea izany zava-mahatalanjona rehetra izany. 66 Ary izay rehetra nahare dia nandatsaka izany tao am-pony ka nanao hoe: Ho inona re ity zaza ity? Fa nomba azy ny tànan'ny Tompo. 67 Ary dia feno ny Fanahy Masina Zakaria rainy, ka naminany hoe:

68 Isaorana anie ny Tompo Andriamanitr'Israely, noho izy namangy sy nanavotra ny olony,

69 ary nanangana tandro-pamonjena ho antsika tao amin'ny fokon'i Davida mpanompony, 70 araka ny nolazainy tamin'ny vavan'ireo mpaminaniny masina hatramin'ny andro tany aloha, 71 mba hamonjy antsika amin'ny fahavalontsika sy amin'ny tànan'izay rehetra mankahala antsika. 72 He izany nanaovany famindra-po tamin'ny razantsika sy nahatsiarovany ny fanekeny masina,

73 dia ilay fianianana nataony tamin'i Abrahama razantsika hanome antsika 74 fahafahana amin'ny tànan'ny fahavalontsika, mba hanompoantsika azy tsy aman-tahotra, 75 amim-pahamasinana sy fahamarinana, eo anatrehany amin'ny andro rehetra hiainantsika. 76 Ary hianao kosa, ry zaza, dia hatao hoe mpaminanin'ny Avo indrindra, fa hialoha ny Tompo hianao hamboatra ny halehany,

77 mba hanome ny olony ny fahalalam-pamonjena amin'ny famelana ny helony: 78 Noho ny halehiben'ny famindra-pon'ny Andriamanitsika nampiposaka ny Masoandro hamangy antsika avy any ambony,

79 mba hanilo izay rehetra mipetraka ao amin'ny maizina sy amin'ny aloky ny fahafatesana, ka hitarika ny diantsika ho amin'ny làlam-piadanana. 80 Dia nitombo sy nihahery fanahy ny zaza, ary nitoetra tany an'efitra, ambara-pahatongan'ny andro hisehoany amin'Israely.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1066