Ny Salamo

Toko faha-119

1 ALEPH Sambatra ny tsy manan-tsiny amin'ny lalany, izay mandeha araka ny lalan'ny Tompo.

2 Sambatra izay mitana ny fampianarany; izay mitady azy amin'ny fony rehetra,

3 tsy mba manao ratsy, fa mandeha eo amin'ny làlany.

4 Efa namoaka ny didinao hianao; mba hitandreman'ny olona azy tsara.

5 Enga anie ka ho voahitsy ny làlako, mba hitandremako ny didinao!

6 Dia tsy hahazo henatra aho, mijery ny didinao rehetra.

7 Hidera anao amin'ny hitsim-poko aho, amin'ny fianarana ny didin'ny fahamarinanao.

8 Sitrako ny mitandrina ny didinao: aza dia ilaozanao tokoa aho.

9 BETH Hataon'ny zatovo ahoana no fahatonga ny làlany ho madio? Ny fitandremany tena araka ny teninao.

10 Mitady anao amin'ny foko rehetra aho; aza avela hania lavitra ny didinao.

11 Tehiriziko miafina ato am-poko ny teninao, mba tsy hanotako aminao.

12 Isaorana anie hianao, ry Iaveh! Ampianaro ny didinao aho.

13 Ny molotro no amisavisako ny fitsipika rehetra naloaky ny vavanao.

14 Ny manaraka ny fampianaranao dia hahazoako fifaliana toy ny hananako ny harena rehetra.

15 Sitrako ny misaintsaina ny didinao, sy ny mahira-maso amin'ny làlanao.

16 Ataoko fifaliana ho ahy ny làlanao; tsy hohadinoiko mandrakizay ny teninao.

17 GHIMEL Anehoy hatsaram-po ny mpanomponao mba ho velona aho, ka hitandrina ny teninao.

18 Sokafy ny masoko mba hahitako ny zava-mahagaga ao amin'ny lalànao.

19 Vahiny aho eto an-tany: aza afenina ahy ny didinao.

20 Ny fanahiko torotoron'ny faniriana izay mampitodika azy lalandava any amin'ny didinao.

21 Mandrahona ny mpiavonavona hianao, dia ireo olom-boaozona, izay mania lavitra ny didinao.

22 Halaviro ahy ny henatra amam-panesoana, fa mitandrina ny fampianaranao aho.

23 Na dia mipetraka aza ny mpanapaka sy miteny mamely ahy, mbola hisaintsaina ny lalànao ihany ny mpanomponao.

24 Eny, ny fampianaranao no fahafinaretako, izy no olona mpanolo-tsaina ahy.

25 DALETH Miraikitra amin'ny vovoka ny fanahiko; velomy indray aho araka ny teninao.

26 Naposako anao ny làlako, dia hoy ny navalinao ahy: Ampianaro ny lalànao aho.

27 Ampahafantaro ahy ny làlan'ny didinao, dia hisaintsaina ny fahagagana ataonao aho.

28 Azon'alahelo ny fanahiko ka latsa-dranomaso, atsangano indray aho araka ny teninao.

29 Halaviro ny làlan'ny lainga aho, fa omeo ahy ny soa ao amin'ny lalànao.

30 Nifidy ny làlan'ny fahamarinana aho, ataoko eo imasoko ny didinao.

31 Nifikitra tamin'ny fampianaranao aho; ry Iaveh, aza avela ho azon-kenatra aho.

32 Mihazakazaka eo amin'ny làlan'ny didinao aho, fa nohalalahinao ny foko.

33 HE Ry Iaveh ô, ampianaro ny làlan'ny didinao aho, mba hitandremako azy hatramin'ny faran'ny aiko.

34 Omeo fahazavan-tsaina aho, hitandremako ny lalànao: sy hankatoavako azy amin'ny foko rehetra.

35 Tariho aho amin'ny làlan'ny didinao, fa ao no hahitako fahasambarana.

36 Atongilano ho amin'ny fampianaranao ny foko, fa tsy ho amin'ny fahazoan-tombony.

37 Avilio tsy hahita izay zava-poana ny masoko; ataovy velona ao amin'ny làlanao aho.

38 Toavy amin'ny mpanomponao ny fampanantenanao, izay nataonao ho an'ny olona matahotra anao.

39 Esory amiko ny fahafaham-baraka izay atahorako; fa tsara ny didinao.

40 Mirehi-paniriana hanaraka ny didinao aho, velomy amin'ny fahamarinanao aho.

41 VAV Ho tonga amiko anie ny famindram-ponao, ry Iaveh ô, sy ny famonjenao araka ny teninao!

42 Ary ho haiko valiana izay maniratsira ahy, fa mitoky amin'ny teninao aho.

43 Aza esorina amin'ny vavako, tsy hisy intsony, ny tenim-pahamarinana, fa ny didinao no antenaiko.

44 Sitrako tsy tapaka ny mitandrina ny didinao; mandrakariva sy mandrakizay.

45 handeha amin'ny malalaka aho, fa ny didinao no katsahiko.

46 Hilaza ny fampianaranao eo anatrehan'ny mpanjaka aho, ka tsy ho menatra.

47 Ny didinao no hataoko fahafinaretako, fa tiako izy.

48 Hanandratra ny tànako amin'ny didinao, izay tiako, aho, ary hisaintsaina ny lalànao.

49 ZAIN Tsarovy ny teny nomenao ny mpanomponao, izay ampiorenanao ny fanantenako.

50 Izany no fiononako ao anatin'ny fahoriako, dia ny hameloman'ny teninao ahy indray.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0899