Ny Salamo

Toko faha-119

51 Manaraby ahy fatratra ireo mpiavonavona, fa tsy mba mivily amin'ny lalànao aho.

52 Ny didinao tamin'ny andro taloha no eritreretiko, ry Iaveh, ka mionona aho.

53 Azon'ny hatezerana aho noho ny amin'ny ratsy fanahy, izay mahafoy ny lalànao.

54 Ny lalànao no fihirako, eo amin'ny fitoerana fivahiniako.

55 Mahatsiaro ny anaranao aho nony alina, ry Iaveh ô, ka mitandrina ny lalànao.

56 Izao no anjara nomena ahy: mitandrina ny didinao aho.

57 HETH Ny anjarako, ry Iaveh, lazaiko izany, dia ny mitandrina ny teninao.

58 Mitalaho aminao amin'ny foko rehetra aho; mamindrà fo amiko araka ny teninao.

59 Mieritreritra ny làlako aho, ka mampiverina ny diako ho araka ny fampianaranao.

60 Midodododo aho, fa tsy mangataka andro, hitandrina ny didinao.

61 Manodidina ahy ny fandriky ny ratsy fanahy, fa tsy manadino ny lalànao aho.

62 Mifoha mamaton'alina hidera anao aho, noho ny fitsaran'ny fahamarinanao.

63 Sakaizan'izay rehetra matahotra anao aho; mbamin'izay mitandrina ny didinao.

64 Henika ny hatsaram-ponao ny tany, ry Iaveh, ampianaro ny lalànao aho.

65 TETH Nanehoanao ny hatsaram-ponao ny mpanomponao, araka ny teninao, ry Iaveh ô!

66 Ampianaro ny fahalalana marina amam-pahafantarana aho; fa matoky ny didinao.

67 Naniasia aho, fony mbola tsy naetry, fa mitandrina ny teninao aho ankehitriny.

68 Tsara fo sy manao soa hianao, Ampianaro ny lalànao aho.

69 Misy mpiavonavona, mamoron-dainga hamelezany ahy; izaho kosa, mitandrina ny didinao amin'ny foko rehetra.

70 Ny fon'izy ireo tsy mihontsina hoatra ny sabora, izaho kosa mahita ny fahafinaretako ao amin'ny lalànao.

71 Soa ho ahy ny naetry mba hianarako ny didinao.

72 Ny lalàna naloaky ny vavanao no tsara ho ahy; mihoatra noho ny volamena sy volafotsy miavosa.

73 YOD Ny tànanao no nanao ahy sy namolavola ahy; omeo fahazavan-tsaina aho, hianarako ny didinao.

74 Hifaly amin'ny fahitana ahy, izay matahotra anao, fa mitoky amin'ny teninao aho.

75 Fantatro, ry Iaveh, fa marina ny fitsaranao; tamin'ny fahamarinanao no nanetrenao ahy.

76 Ny hatsaram-ponao anie no ho fiononako, araka ny teny nomena ny mpanomponao.

77 Ho tonga amiko anie ny fiantranao ary ho velona anie aho, fa ny lalànao no fahafinaretako.

78 Aoka ny mpiavonavona nampahory ahy tsy an-drariny ho menatra; izaho kosa misaintsaina ny didinao.

79 Aoka hitodika ho atý amiko izay matahotra anao, mbamin'izay mahalala ny fampianaranao.

80 Ny foko manontolo anie ho amin'ny lalànao, mba tsy ho menatra aho.

81 KAPH Haninin'ny fanahiko ny famonjenao; ny teninao no antenaiko.

82 Valalanina ny masoko miandry ny fampanantenanao, hoy aho: Rahoviana no hampionona ahy hianao?

83 Fa efa tahaka ny siny hoditra mitanina amin'ny setroka aho, nefa tsy manadino ny lalànao.

84 Manana andro firy moa ny mpanomponao? Mba rahoviana no hamaizanao izay manenjika ahy?

85 Mihady lavaka hahaverezany ahy ireo mpiavonavona, izay mpanohitra ny lalànao.

86 Ny didinao rehetra dia fahamarinana; mpanenjika ahy tsy ahoan-tsy ahoana izy ireo: vonjeo aho.

87 Efa saiky nolevoniny eto amin'ny tany aho, fa izaho kosa tsy mba nahafoy ny didinao.

88 Velomy amin'ny hatsaram-ponao aho, dia hankato ny fampianaran'ny vavanao.

89 LAMED Iaveh ô, ny teninao, miorina mandrakizay any an-danitra.

90 Maharitra amin'ny taona rehetra mifandimby ny fahamarinany; nanorina ny tany hianao, dia maharitra izy.

91 Araka ny lalànao no mbola aharetan'ny zavatra rehetra mandraka androany; fa manaiky ny fandaharanao ny zavatra rehetra.

92 Raha tsy ny lalànao no nataoko fahafinaretako, dia efa maty tamin'ny fahoriako aho toy izay.

93 Tsy hohadinoiko mandrakizay ny didinao, fa izy no namelomanao ahy indray.

94 Anao aho: dia vonjeo, fa mitady ny didinao.

95 Miandry ahy ny ratsy fanahy mba hamono ahy: mihaino tsara ny fampianaranao aho.

96 Efa hitako fa misy fetra avokoa ny lavorary, ny didinao no tsy manam-petra.

97 MEM Endrey izany fitiavako ny lalànao! izy no fisaintsainako tontolo andro.

98 Ataonao hendry noho ny fahavaloko aho, amin'ny didinao, satria ato amiko mandrakariva aho.

99 Hendry noho ny mpampianatra ahy rehetra aho satria ny fampianaranao no fisaintsainako.

100 Manan-tsaina noho ny anti-panahy aho, satria mitandrina ny didinao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0396