Ny Salamo

Toko faha-119

151 Akaiky hianao, ry Iaveh, ary fahamarinana avokoa ny didinao.

152 Efa fantatro ela ny amin'ny fampianaranao, fa naorinao ho mandrakizay izy.

153 RESCH Jereo ny fahoriako, ka vonjeo aho; fa tsy manadino ny lalànao aho.

154 Arovy aho amin'ny adiko, ary valio ny ratsy natao tamiko; velomy indray aho araka ny teninao.

155 Lavitra ny ratsy fanahy ny famonjena, satria tsy asiany raharaha ny lalànao.

156 Betsaka ny famindram-ponao, ry Iaveh, velomy indray aho araka ny fandaharanao.

157 Maro ny mpanenjika amam-pandrafy ahy; tsy mba mihataka amin'ny fampianaranao aho.

158 Tsiravina aho, mahita ny mpivadika, satria tsy mba mitandrina ny teninao ireny.

159 Dinihonao fa tiako ny didinao; Iaveh ô, velomy indray aho araka ny hatsaram-ponao.

160 Fahamarinana no tontalin-kevitry ny teninao, ary mandrakizay avokoa ny lalàn'ny fahamarinanao.

161 SCHIN Enjehim-panjaka tsy ahoan-tsy ahoana aho; ny teninao no hany atahoran'ny foko.

162 Mifaly amin'ny teninao aho, hoatra ny mahazo babo be.

163 Halako, mahatsiravina ahy ny lainga; tia ny lalànao aho.

164 Midera anao impito isan'andro aho, noho ny lalàn'ny fahamarinanao.

165 Be fiadanana izay tia ny lalànao; ary tsy misy zava-manafintohina azy.

166 Manantena ny famonjena aho, ry Iaveh, ary manaraka ny didinao.

167 Mitandrina ny fampianaranao ny fanahiko, ary miraiki-pitia amin'izany izy.

168 Mitana ny fandaharanao amana fampianaranao aho; fa eo anatrehanao avokoa ny làlako.

169 THAV Ho tonga eo anatrehanao anie ny fitarainako, ry Iaveh ô ; Omeo fahazavan-tsaina araka ny teninao aho.

170 Ho tonga hatrany aminao anie ny fifonako, afaho, araka ny teninao, aho.

171 Hamoaka fiderana anao anie ny molotro, satria nampianarinao ahy ny lalànao.

172 Hitory ny teninao anie ny lelako, fa marina avokoa ny didinao.

173 Hivelatra hamonjy ahy anie ny tànanao; fa efa nifidy ny fandaharanao aho.

174 Maniry ny famonjenao aho, ry Iaveh ô, ary ny lalànao no fahafinaretako.

175 Ho velon-kidera anao anie ny fanahiko, ary ho avy hamonjy ahy ny fitsaranao.

176 Mania toy ny ondry very aho: tadiavo ny mpanomponao, fa tsy mba manadino ny didinao aho.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0373