Ny Salamo

Toko faha-119

101 Hazoniko lavitra ny làlan-dratsy rehetra ny tongotro, mba hitandremako ny teninao.

102 Tsy mba miala amin'ny didinao aho, fa hianao no nampianatra ahy.

103 Endrey, mamy loatra amin'ny lanilaniko ny teninao, manoatra noho ny tantely amin'ny vavako.

104 Ny didinao dia ahatongavako ho manan-tsaina; noho izany dia mankahala ny làlan'ny fitaka rehetra aho.

105 NUN Ny teninao dia fanilo mialoha ny diako, fahazavana eny an-dàlako.

106 Efa nianiana aho, ary tsy hivadika amin'izany, fa hitandrina ny didim-pahamarinanao.

107 Tonga amin'ny fara-fahoriana aho, Iaveh ô, velomy indray aho araka ny teninao.

108 Ankasitraho, ry Iaveh, ny fanatitra aloaky ny molotro, ary ampianaro ahy ny didinao.

109 An-tenda lava izao ny aiko, nefa tsy manadino ny lalànao aho.

110 Mamela-pandrika hamelezana ahy ny ratsy fanahy, nefa tsy mania lavitra ny didinao aho.

111 Ny fampianaranao no ananako mandrakizay mba ho lova, fa fifalian'ny foko izy.

112 Nandraika ny foko hitandrina ny didinao aho, mandrakizay, hatramin'ny farany.

113 SAMECH Halako ny olona miroa fo, ary tia ny lalànao aho.

114 Fialofako sy ampingako hianao mitoky amin'ny teninao aho

115 Miala amiko hianareo, ratsy fanahy, dia hitandrina ny didin'Andriamanitra aho.

116 Tohany araka ny fampanantenanao aho, mba ho velona, ary aza avela hahazoako henatra ny fanantenako.

117 Aoka ho tohako hianao, dia ho voavonjy aho, ka eo imasoko mandrakariva ny lalànao.

118 Ataonao tsinontsinona izay rehetra mania amin'ny lalànao; satria lainga foana ny hafetseny.

119 Arianao toy ny tain-drendrika ny ratsy fanahy rehetra amin'ny tany; noho izany dia tiako ny fampianaranao.

120 Mangovitra noho ny tahotra ny nofoko eo anatrehanao, ary matahotra ny fitsaranao aho.

121 AIN Manaraka ny rariny sy ny fahamarinana aho; aza dia foinao ho an'ny mpampahory ahy aho.

122 Aoka hianao hiantoka ny fananan'ny mpanomponao, ary aoka tsy hampahorian'ny mpiavonavona aho.

123 Valalanina ny masoko miandry ny famonjenao, sy ny fampanantenanao ny fitsarana marina.

124 Ento araka ny hatsaram-ponao ny mpanomponao, ary ampianaro ny lalànao aho.

125 Mpanomponao aho, ka omeo fahazavan-tsaina, mba hahalalako ny fampianaranao.

126 Fotoana tokony hiraharahan'ny Tompo izao, fa mandika ny lalànao izy ireo.

127 Noho izany dia tia ny didinao aho, mihoatra ny volamena, sy ny volamena madio.

128 Noho izany dia hitako fa marina avokoa ny didinao; halako ny làlam-pitaka rehetra.

129 PHE Mahagaga ny fampianaranao, ka mitandrina azy ny fanahiko.

130 Mahazava, ny famelarana ny teninao; ka mampahazo saina ny olona tsotra.

131 Atanatanako ny vavako, dia mitroka aho, fa lian-kitelina ny didinao aho.

132 Atodiho ahy ny tavanao, ka mamindrà fo amiko; fa rariny izany ho an'izay tia ny anaranao.

133 Afikiro amin'ny teninao ny diako, ary aza avela hisy haratsiana hanjaka ato amiko.

134 Afaho amin'ny fampahorian'ny olombelona aho, dia hitandrina ny didinao.

135 Ampamirapirato amin'ny mpanomponao ny tavanao, ary ampianaro ny lalànao aho.

136 Mandrotsa-dranomaso mandriaka ny masoko, noho ny tsy fitandreman'ny olona ny lalànao.

137 TSADE Marina hianao, ry Iaveh, ary araka ny rariny ny fitsaranao.

138 Namoaka ny fampianaranao hianao araka ny rariny, sy ny fahamarinana lavorary.

139 Mandritra aina ahy ny fahazotoako, satria manadino ny teninao ireo mpanohitra ahy.

140 Voazaha toetra tanteraka ny teninao, ka tia azy ny mpanomponao.

141 Sady kely aho no mavomavo, fa tsy mba manadino ny didinao.

142 Ny fahamarinanao dia fahamarinana mandrakizay, ary ny lalànao dia fahamarinana.

143 Tratry ny fahoriana aman-tebiteby aho; ny didinao no fahafinaretako.

144 Marina mandrakizay ny fampianaranao, omeo ny fahazavan-tsaina aho, mba ho velona.

145 QOPH Miantso anao amin'ny foko rehetra aho, valio aho, ry Iaveh, mba hitandremako ny lalànao.

146 Miantso anao aho, ka vonjeo, mba hanarahako ny fampianaranao.

147 Alohan'ny mazava atsinanana dia efa mitaraina aminao aho; matoky ny teninao aho.

148 Mialoha ny fiambenan'alina ny masoko, mba hisaintsaina ny teninao.

149 Henoy araka ny hatsaram-ponao ny feoko; velomy aho indray, ry Iaveh, araka ny fandaharanao.

150 Efa mby akaiky ireo mpanaraka ny ratsy, izay nihataka tamin'ny lalànao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1105