Ny Jenezy

Toko faha-20

6 Dia hoy Andriamanitra taminy tamin'ny nofy: Izaho koa mahalala fa fo mahitsy no nanaovanao izany; izany no niarovako anao tsy hanota amiko. Ka tsy navelako hikasika azy hianao. 7 Koa ankehitriny avereno ny vadin'io lehilahy io, fa mpaminany izy, ka hivavaka ho anao, dia ho velona hianao. Fa raha tsy averinao io fantaro fa ho faty mihitsy hianao dia hianao mbamin'izay rehetra ambany fahefanao. 8 Vao maraina dia nantsoin'i Abimeleka avokoa ny mpanompony ary nolazainy taminy izany rehetra izany; ka raiki-tahotra mafy ireo olona ireo.

9 Dia nantsoin'i Abimeleka koa Abrahama ka hoy izy taminy: Inona izao nataonao taminay izao? Inona no tsy mety nataoko taminao no dia nampiditra heloka be vava tamiko sy tamin'ny fanjakako hianao? Zavatra tsy fanao mihitsy izao nataonao tamiko izao. 10 Dia hoy koa Abimeleka tamin'i Abrahama: Fa nihevitra inona hianao, no dia nanao izany? 11 Ary izao no navalin'i Abrahama: Hoy aho anakampo: Tsy misy tahotra an'Andriamanitra kely akory angamba amin'ity tany ity, ka hovonoin'ny olona aho, noho ny amin'ny vadiko. 12 Sady anabaviko ihany tokoa izy, saingy zanak'i dada, fa tsy zanak'ineny, ka dia novadiko. 13 Nony nampivezivezen'Andriamanitra lavitra ny tranon'i kaky aho, dia hoy aho tamin'i Sarà: Izao no fitia angatahiko ataonao amiko: Any amin'izay tany rehetra hahatongavantsika any aho lazao hoe: Anadahiko io. 14 Dia naka omby sy ondry sy ankizilahy amin'ankizivavy Abimeleka ka nomeny an'i Abrahama, ary Sarà vadiny naveriny taminy koa.

15 Hoy Abimeleka: Indro eo anoloanao ny taniko, ka mitoera amin'izay tianao. 16 Ary hoy koa izy tamin'i Sarà: Nomeko volafotsy arivo sikla ny anadahinao, izany no fanampena-maso ho anao, amin'izay rehetra eo aminao sy amin'ny olona rehetra, ka dia afa-tsiny hianao izao. 17 Ary nifona tamin'Andriamanitra Abrahama dia nositranin'Andriamanitra Abimeleka sy ny vadiny amam-panompovaviny, ka niteraka ireo.

18 Fa efa nataon'ny Tompo momba ny kibon'ny ankohonan'i Abimeleka rehetra noho ny amin'i Sarà vadin'i Abrahama.

Toko faha-21

1 Namangy an'i Sarà Iaveh araka ilay efa voalazany, notanterahin'ny Tompo tamin'i Sarà ny efa nampanantenainy.

2 Nanana anaka Sarà ka nitera-dahy tamin'i Abrahama, tamin'ny fahanterany, nony tonga ny fotoana nolazain'Andriamanitra azy. 3 Ary ny anaran'ilay zaza teraka taminy, naterak'i Sarà taminy, dia nataon'i Abrahama hoe Isaaka. 4 Nony teraka havaloana izy dia noforan'i Abrahama, araka ny efa nandidian'Andriamanitra azy. 5 Efa zato taona Abrahama tamin'ny nahaterahan'Isaaka zanany. 6 Ary hoy Sarà: Efa nomen'Andriamanitra ahy izay hampihomehy ahy, ka na iza na iza handre izany dia hihomehy noho ny amiko. Hoy koa izy: 7 Iza moa no nanan-kevitra ny hilaza amin'i Abrahama hoe: Hampinono zaza Sarà? Kanjo antitra izy ity vao tera-dahy taminy aho.

8 Nihalehibe ny zaza dia notazana. Ary nanao fanasana lehibe Abrahama tamin'ny andro nanotazana an'Isaaka.

9 Ilay zanak'i Agara Ejipsiana naterany tamin'i Abrahama kosa, hitan'i Sarà fa nihomehy, 10 ka hoy izy tamin'i Abrahama: Roahy io andevovavy io sy ny zanany; fa ny zanak'io andevovavy io dia tsy mahazo miray lova amin'ny zanako, amin'Isaaka. 11 Nampalahelo mafy an'i Abrahama izany teny izany, noho ny amin'ny zanany. 12 Fa hoy Andriamanitra tamin'i Abrahama: Aza atao mampalahelo anao ny amin'ny zaza sy ny andevovavinao, fa na inona na inona angatahin'i Sarà ekeo avokoa, satria avy amin'Isaaka no hihavian'ny taranaka hitondra ny anaranao. 13 Kanefa hotongaviko firenena ihany koa ny zanaky ny andevovavinao, satria terakao izy. 14 Dia nifoha maraina koa Abrahama, ka naka mofo sy rano eran'ny siny hoditra anankiray; nomeny an'i Agara sy nataony teo an-tsorony ireo ary ny zaza koa, dia nalefany izy. Nandeha ravehivavy ka nirenireny tany an'efitr'i Bersabea tany.

15 Nony lany ny rano tamin'ilay siny hoditra, dia nariany teo am-poto-kazo kely anankiray ny zaza; 16 ary lasa izy nipetraka lavidavitra tandrifiny sahabo ho tra-tsipika; fa hoy izy: Tsy tiako ny hahita ny hahafatesan'ny zaza. Koa nipetraka tandrifiny izy, dia nanandra-peo ary nitomany. 17 Andriamanitra nandre ny feon'ny zaza, ka ny Anjelin'Andriamanitra tany an-danitra dia niantso an'i Agara nanao hoe: Fa maninona izato hianao, ry Agara? Aza matahotra fa efa henon'Andriamanitra ny feon'ny zaza, ao amin'ny toerana misy azy. 18 Mitsangàna hianao, areno ny zaza, ka tantano izy, fa hataoko firenena lehibe izy. 19 Dia nampahiratin'Andriamanitra ny mason'i Agara, nahita lavaka fantsakana izy, ary nofenoiny rano tao ny siny hoditra, dia nampisotroiny ny zaza. 20 Nomban'Andriamanitra ny zaza, ka nihalehibe; ary nonina tany an'efitra izy, sy tonga mpandefa tsipika. 21 Nonina tany amin'ny efitra Faràna izy; ary nangalan-dreniny vady avy amin'ny tany Ejipta. 22 Tamin'izany andro izany, Abimeleka narahin'i Fikola, filohan'ny tafiny, niteny tamin'i Abrahama hoe: Omban'Andriamanitra hianao amin'izay rehetra ataonao.

23 Koa mianiàna amiko eto amin'ny anaran'Andriamanitra fa tsy hamitaka ahy, na ny zanako, na ny zafikeliko hianao, fa ho araka ny soa nataoko taminao no mba hataonao amiko sy amin'ity tany onenanao koa. 24 Hoy Abrahama: Hianiànako izany. 25 Nanome tsiny an'i Abimeleka anefa Abrahama, fa nisy lavaka fantsakana anankiray nanaovan'ny mpanompony an-keriny. 26 Hoy ny navalin'i Abimeleka: Tsy mahalala izay nanao izany aho; fa hianao tsy nampandre ahy, izaho tsy nandre izany raha tsy vao izao. 27 Dia naka ondry aman'omby Abrahama, natolony an'i Abimeleka ka nifanao fanekem-pihavanana izy roa lahy. 28 Ary nanavaka ondrivavy kely fito tamin'ny biby fiompiny Abrahama. 29 Ka hoy Abimeleka taminy: Inona ireo ondrivavy kely fito navahanao ireo? 30 Hoy ny navaliny: Horaisinao avy amin'ny tanako ireo ondrivavy kely fito ireo mba ho vavolombelona ho ahy fa izaho no nihady io lavaka fantsakana io. 31 Izany no nanaovana io toerana io hoe Bersabea, satria teo izy roa lahy no samy nianiana. 32 Nanao fanekem-pihavanana tao Bersabea izy ireo. Rehefa vita izany dia niainga Abimeleka sy Fikola, filohan'ny tafiny, ka niverina ho any amin'ny tanin'ny Filistìna. 33 Namboly tamarisa tao Bersabea Abrahama, ary niantso ny anaran'ny Tompo Andriamanitra mandrakizay teo izy. 34 Naharitra ela no nitoerany tany amin'ny Filistìna.

Toko faha-22

1 Taorian'izany, nizaha toetra an'i Abrahama Andriamanitra ka nanao taminy hoe: Ry Abrahama ô! Ary hoy izy: Inty aho.

2 Dia hoy Andriamanitra: Ento ny zanakao, ilay lahitokanao, ilay tianao, dia Isaaka, ka mankanesa any amin'ny tany Moria, ary rehefa mby any, atero izy ho sorona dorana eo ambonin'ny anankiray amin'ny tendrombohitra hatoroko anao. 3 Nifoha maraina koa Abrahama, nanisy lasely ny ampondrany, naka roalahy tamin'ny mpanompony hiaraka aminy, sy Isaaka zanany, ary namaky ny hazo hataina amin'ny sorona dorana, dia niainga nankany amin'ny tany efa nolazain'Andriamanitra azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1554