Ny Detoronomy
Toko faha-25
11 Raha misy olona roa lahy miady ka manatona kosa ny vadin'ny anankiray hanafaka ny lahy eo an-tànan'ilay mamely azy sy maninjitra ny tànany mandray ankasarotana an'itsy mpamono,12 dia tapaho ny tànany, aza miantra maso azy akory. 13 Aza asiana vato roa, mahery sy osa, ao an-kitaponao.
14 Aza asiana efah roa, lehibe sy kely, ao an-tranonao. 15 Fa vato tonga ohatra sy marina no tano, ary efah tonga ohatra sy marina no tano, mba ho lava andro eo amin'ny tany omen'ny Tompo Andriamanitrao anao hianao. 16 Fa fahavetavetana eo imason'ny Tompo Andriamanitrao izay manao izany zavatra izany, dia izay manao ny zavatra tsy marina. 17 Tsarovy ny nafitsok'i Amaleka anao teny an-dàlana, tamin'ny nivoahanao avy tany Ejipta,
18 dia ny nifanenany taminao teny an-dàlana sy namelezany anao avy ao aoriana, dia izay rehetra efa trotraka nanaraka eo aorianao, fa hianao efa reraka sy valaka; tsy nanana tahotra an'Andriamanitra kely akory izy. 19 Ka raha avy izay hanomezan'ny Tompo Andriamanitrao fitsaharana anao, tsy hohelingelenin'ny fahavalonareo rehetra manodidina anao, any amin'ny tany omen'ny Tompo Andriamanitrao anao ho lovanao mba hanananao azy, dia vonoy tsy ho ety ambanin'ny lanitra intsony ny fahatsiarovana an'i Amaleka, aza manadino izany.
Toko faha-26
1 Rahefa tonga any amin'ny tany omen'ny Tompo Andriamanitrao ho lovanao hianao, ka efa tompon-tany sy tafaorim-ponenana any,2 dia angalao avokoa ny santatry ny vokatry ny tany rehetra azonao amin'ny tany omen'ny Tompo Andriamanitrao anao, ka ataovy ao an-tsobika, dia mankanesa amin'ny fitoerana hofidin'ny Tompo Andriamanitrao hamponenany ny anarany. 3 Misehoa eo anatrehan'ny mpisorona izay manao raharaha amin'izany andro izany, ka lazao aminy hoe: Manambara amin'ny Tompo Andriamanitrao aho anio, fa tonga eto amin'ny tany nianianan'ny Tompo tamin'ny razantsika homena antsika. 4 Dia horaisin'ny mpisorona ny sobika eny an-tànanao, ka hapetrany eo anoloan'ny otelin'ny Tompo Andriamanitrao. 5 Ary hiteny eo anatrehan'ny Tompo Andriamanitrao hianao ka hanao hoe: Ny raiko dia Arameana efa saiky maty; nidina nankany Ejipta izy, nomban'olom-bitsy dia zary mpivahiny tany; tao izy no tonga firenena lehibe sy mahery ary maro. 6 Mafy ny nitondran'ny Ejipsiana antsika, fa sady nampahory antsika izy, no nampanao fanompoana mavesatra antsika. 7 Koa nitaraina tamin'ny Tompo Andriamanitry ny razantsika isika, dia nohenoin'ny Tompo ny feontsika, nojereny ny fijaliantsika, sy ny fahantrantsika ary ny fampahoriana antsika, 8 ka tànana mahery, sandry ahinjitra, fangorohoroana lehibe ary famantarana amam-pahagagana, no namoahan'ny Tompo antsika avy tany Ejipta. 9 Nitondra antsika ho amin'ity toerana ity izy, ary nanome antsika an'ity tany ity, dia tany tondra-dronono sy tantely. 10 Koa ankehitriny, ry Iaveh, inty aho mitondra ny santatry ny vokatry ny tany efa nomenao ahy. Dia hapetrakao eo anoloan'ny Tompo Andriamanitrao izany, ka hiankohoka eo anatrehan'ny Tompo Andriamanitrao hianao. 11 Rahefa izany dia miaraha mifaly amin'ny Levita sy ny vahiny eo aminao, noho ny soa rehetra nomen'ny Tompo Andriamanitrao anao sy ny ankohonanao. 12 Rahefa tapitra voatokanao avokoa ny fahafolon-karena rehetra avy amin'ny vokatrao, amin'ny taona fahatelo, izay taona fandoavana ny fahafolon-karena ka atolotrao ny Levita mbamin'ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena mba hohaniny ao anatin'ny vavahadinao sy hivokisany,
13 dia lazao eo anatrehan'ny Tompo Andriamanitrao hoe: Efa navoakako tao an-tranoko avokoa ny zava-masina, ka nomeko ny Levita mbamin'ny vahiny, sy ny kamboty ary ny mpitondratena, araka ny didy rehetra nomenao ahy; tsy nisy nodikaiko na nohadinoiko ny didinao na dia iray aza. 14 Tsy nisy nohaniko ireo zavatra ireo tamin'ny fisaonako, na navoakako ny tranoko tamin'ny fahalotoako, na nataoko fahan-kanina raha nisy maty, fa nihaino ny feon'ny Tompo Andriamanitro aho, ary nanao araka izay rehetra nandidianao ahy. 15 Tsinjovy eny amin'ny fonenanao masina any an-danitra ka tahio Israely vahoakanao, mbamin'ny tany tondra-dronono sy tantely nomenao anay, araka ny efa nianiananao tamin'ny razanay. 16 Iaveh Andriamanitrao no mandidy anao anio, hanaraka ireo didy amam-pitsìpika ireo; koa tandremo sy araho amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ireo.
17 Nampanambara tamin'ny Tompo hianao androany, fa izy no ho Andriamanitrao, ka nametra-teny hianao fa handeha amin'ny làlany, hitandrina ny didiny sy ny lalàna amam-pitsìpiny, ary hihaino ny feony. 18 Ary Iaveh kosa efa nampanambara anao androany, fa hianao araka ny efa voalazany taminao, dia ho vahoakany manokana, mitandrina ny didiny rehetra; ary izy mametra-teny hanandratra anao ho ambonin'ny firenena rehetra nataony, na amin'ny voninahitra na amin'ny laza, na amin'ny fahalehibeazana, ka dia ho vahoaka masina ho an'ny Tompo Andriamanitrao hianao, araka ny efa voalazany.
Toko faha-27
1 Ary Moizy sy ny loholon'Israely dia nanome izao didy izao tamin'ny vahoaka: Tandremo ny didy rehetra andidiako anareo anio.2 Rahefa tafita an'i Jordany hianareo, any amin'ny tany omen'ny Tompo Andriamanitrao anao dia manangana vato lehibe ka hosory sokay,
3 ary soraty eo aminy ny teny rehetra amin'ity lalàna ity, rahefa tafita hianao, mba hidiranao eo amin'ny tany omen'ny Tompo Andriamanitrao anao, izay tany tondra-dronono sy tantely, araka ny voalazan'ny Tompo Andriamanitry ny razanao taminao. 4 Any an-tendrombohitra Hebala no hatsanganareo ireo vato nandidiako anareo androany ireo rahefa tafita an'i Jordany hianareo, dia hosoranao sokay izy. 5 Ary handrafitra otely eo hianao ho an'ny Tompo, dia otely vato tsy voapai-by. 6 Vato tsy voavoatra no handrafetanao ny otelin'ny Tompo Andriamanitrao. Ary manatera sorona dorana eo amboniny ho an'ny Tompo Andriamanitrao. 7 Manatera sorom-pihavanana, ka mihinàna eo sy mifalia eo anatrehan'ny Tompo Andriamanitrao. 8 Ary soraty amin'ireo vato ireo ny teny rehetra amin'ity lalàna ity ka ataovy velona tsara ny soratra. 9 Dia niteny tamin'Israely rehetra Moizy sy ireo mpisorona levitika ka nanao hoe: Mangìna ka mihainoa, ry Israely: Androany no efa tonga vahoakan'ny Tompo Andriamanitrao hianao.
10 Koa henoy ny feon'ny Tompo Andriamanitrao, araho ny didy aman-dalàny izay andidiako anao anio. 11 Nomen'i Moizy didy ny vahoaka androtrizay nataony hoe:
12 Rahefa tafita an'i Jordany hianareo, dia ireto no hitoetra hitso-drano ny vahoaka ao an-tendrombohitra Garizima: Simeona, Levì, Jodà, Isakara, Josefa ary Benjamina;
13 ary ireto no hitoetra hanozona ao an-tendrombohitra Hebala: Robena, Gada, Asera, Zabolona, Dana, ary Neftalì. 14 Dia hiteny ny Levita, ka amin'ny feo avo no hilazany amin'ny olona rehetra ao amin'Israely hoe: 15 Aoka ho voaozona ny olona manao sarin-javatra voasokitra na sarin-javatra anidina, izay fahavetavetana eo imason'ny Tompo, asan-tànan'ny mpanao taozavatra, ka mametraka azy ao amin'ny fitoerana mangingina. Dia hamaly ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
16 Aoka ho voaozona izay manao tsinontsinona ny ray aman-dreniny. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
17 Aoka ho voaozona izay mamindra ny orim-baton'ny namany. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
18 Aoka ho voaozona izay mamery làlana ny jamba. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
19 Aoka ho voaozona izay manao ny tsy an-drariny amin'ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
20 Aoka ho voaozona izay mandry amin'ny vadin-drainy fa manainga ny firakofan-drainy izy. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
21 Aoka ho voaozona izay mandry amin'ny biby, na biby inona na biby inona. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
22 Aoka ho voaozona izay mandry amin'ny anabaviny, na zanakavavin-drainy izany, na zanakavavin-dreniny. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
23 Aoka ho voaozona izay mandry amin'ny rafozam-baviny. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.