Ny Detoronomy

Toko faha-23

8 azo raisina hiditra amin'ny fiangonan'ny Tompo ny zaza nateraka avy amin'izy ireo, hatreo amin'ny taranaka fahatelo. 9 Raha mandeha am-pitobiana hiady amin'ny fahavalonao hianao, dia fadio ny zava-dratsy rehetra.

10 Raha misy olona tsy madio eo aminao noho ny zava-nahazo azy tamin'ny alina, dia hivoaka ny toby izy ary tsy hiditra ao amin'ny toby, 11 fa handro amin'ny rano izy nony harivariva ary hahazo miditra ny toby rehefa maty ny masoandro. 12 Aoka hisy toerana iray any ivelan'ny toby ka ao no hivoahanao, 13 ary asio lapely iray ny fitaovanao hihadianao lavaka, rehefa hipetraka any ivelany hianao, ka nony avy eo, dia totofy ny fivalananao. 14 Fa nandeha eo afovoan'ny tobinao Iaveh Andriamanitrao, mba hiaro anao ary hampanaiky resy ny fahavalonao eo anoloanao, ka tsy maintsy ho masina ny tobinao, ka tsy hahitan'ny Tompo zava-tsy mety ao aminao, mba tsy hialany aminao. 15 Aza atolotra ny tompony intsony, ny andevo nilefa mialoka ao aminao.

16 Aoka izy hitoetra eo aminao, eo amin'ny taninao, amin'ny toerana hofidiny, amin'ny anankiray amin'ny tanànanao, amin'izay mahafinaritra azy; aza mampahory azy hianao. 17 Aoka tsy hisy mpijangajanga amin'ny zanakavavin'Israely, aza misy mijangajanga ny zanakalahin'Israely.

18 Aza misy enti-manefa voady any an-tranon'ny Tompo Andriamanitrao, na ny tangim-behivavy janga na ny hofan'alikalahy, fa samy fahavetavetana eo imason'ny Tompo Andriamanitrao, ireo zavatra roa ireo. 19 Aza mampanàna amin'ny rahalahinao na vola, na hanina, na zavatra hafa azo ampananaina.

20 Ny olon-kafa firenena no azonao ampanànan-javatra, fa aza mba mampanàna amin'ny rahalahinao, mba hanambinan'ny Tompo Andriamanitrao anao, amin'izay rehetra hataonao, any amin'ny tany hidiranao hanananao azy. 21 Raha mivoady amin'ny Tompo Andriamanitrao hianao, dia aza ela fanefa izany, fa raha tsy izany dia hampamoahin'ny Tompo Andriamanitrao mihitsy hianao ny amin'izany, ka hivesatra fahotana.

22 Raha tsy mivoady hianao, dia tsy hisy fahotana ao aminao. 23 Fa ny teny naloaky ny vavanao dia tandremo sy efao, araka ny voady nataonao an-tsitra-po tamin'ny Tompo Andriamanitrao sy notononin'ny vavanao. 24 Raha miditra ny tanim-boaloboky ny namanao hianao, dia mahazo mihinam-boaloboka araka izay tianao sy hivoky amin'izany nefa aza misy hataonao an-tsobikinao.

25 Raha mamaky tanim-barin'ny namanao hianao, dia mahazo mioty salohim-bary amin'ny tànanao, fa tsy hijinjanao amin'ny antsy ny varin'ny namanao.

Toko faha-24

1 Raha misy lehilahy naka vady sy efa nampakatra azy, ka avy izay tsy hahitan-dravehivavy fitia eo imasony indray, fa misy zava-mahadikidiky hitany aminy, dia aoka hanoratra taratasy fisaoram-bady ho an-dravehivavy izy, ka rahefa voatolony eo an-tànany izany, dia halefany hiala ao an-tranony izy.

2 Ary rahefa niala tao aminy izy, dia handeha ka afaka hanambady olon-kafa. 3 Raha tsy tia azy koa ity vadiny faharoa, ka nanoratra taratasy fisaoram-bady ho azy, sy efa nanolotra izany eo an-tànany, sady efa nampiala azy tao an-tranony, na sendra maty izany lehilahy nanambady azy fanindroany izany, 4 dia tsy mahazo manambady azy intsony ilay vadiny voalohany efa nisaotra azy, rahefa voaloto izy, satria fahavetavetana eo imason'ny Tompo izany, ka aza mampiditra fahotana amin'ny tany omen'ny Tompo Andriamanitrao ho lovanao. 5 Ny lehilahy vao nampaka-bady dia tsy handeha hiantafika ary tsy hampanaovina raharaha momba ny fitondram-bahoaka, fa ho afaka hikarakara ny tokantranony herintaona izy ary hampifaly ny vady vao nampakariny.

6 Aza misy maka ny vato roa fikosoham-bary ho antoka, na ny vatony ambony, fa maka ny aina ho antoka izany.

7 Raha misy olona azo nangalatra ny anankiray amin'ny rahalahiny ao amin'ny zanak'Israely ka nanandevo azy, na nivarotra azy, dia hohelohin-ko faty izany mpangalatra izany. Izany no hamongoranao ny ratsy eo afovoanao.

8 Tandremo amin'ny fery habokàna, ka toavy tsara sy araho izay rehetra hatoron'ny mpisorona Levitika anareo, araho tsara avokoa izay rehetra nandidiako azy.

9 Tsarovy ny nataon'ny Tompo Andriamanitrao tamin'i Maria teny an-dàlana, tamin'ny nivoahanareo tany Ejipta. 10 Raha mampisambo-javatra ny namanao hianao, na inona na inona izany, dia aza miditra ao an-tranony handray ny antoka aminy,

11 fa andraso eo alatrano ary ilay nampisamborinao dia hitondra ny antoka eo aminao eo alatrano. 12 Raha mahantra izany lehilahy izany, dia aza mandry mitana ny antoka avy aminy hianao, 13 fa raha maty masoandro avereno mihitsy any aminy ny antoka mba handriany amin'ny lambany, ka hitso-drano anao izy, dia ho fahamarinana ho anao eo anatrehan'ny Tompo Andriamanitrao izany. 14 Aza mampahory ny mpikarama mahantra sy tsy manana, na ny anankiray amin'ny rahalahinao izany, na ny anankiray amin'ny vahiny mitoetra amin'ny taninao, ao anatin'ny vavahadinao.

15 Omeo androtriny ihany ny karamany, ary aza avela ho tratry ny masoandro milentika izany trosa izany, fa mahantra izy, ka andrasan'ny fanahiny izany; raha tsy izany dia hotaraininy amin'ny Tompo hianao, ary hahazo fahotana. 16 Ny ray tsy hovonoina ho solon-janany, ny zanaka tsy hovonoina ho solon-drainy; fa isam-batan'olona dia samy ho fatin'ny fahotana nataony avy.

17 Aza manao ny tsy an-drariny amin'ny vahiny sy ny kamboty; ary aza maka ny fitafian'ny mpitondratena ho antoka.

18 Tsarovy fa efa mba andevo tany Ejipta koa hianao, saingy navotan'ny Tompo Andriamanitrao, ka izany no andidiako anao hanao toy izany. 19 Raha mijinja ny varinao any an-tsaha hianao, ka misy amboara hadinonao any an-tsaha, aza miverina haka izany intsony, fa aoka ho an'ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany, mba hanambinan'ny Tompo Andriamanitrao anao amin'ny asan-tànanao rehetra.

20 Raha manintsana ny fototr'olivanao hianao, dia aza savana indray ato aoriana, fa aoka ho an'ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena, ny sisa mijanona. 21 Raha mioty ny voalobokao hianao, dia aza tsimponina indray aty aoriana ny salohiny sisa, fa aoka ho an'ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany. 22 Tsarovy fa efa mba andevo tany amin'ny tany Ejipta koa hianao, ka izany no andidiako anao hanao toy izany.

Toko faha-25

1 Raha misy fifanjihiran'olona, ka efa niseho teo anatrehan'ny mpitsara izy ireo, ary efa notsaraina, ka ny marina nafahana, ary ny meloka nohelohina,

2 raha ny kapohina no tandrify an'izay meloka, dia hasain'ny mpitsara hivalandotra amin'ny tany izy, ka hokapohina eo anatrehany, ary hatao araka ny helony ny isan'ny kapoka hamely azy. 3 Tsy atao mihoatra ny efapolo anefa ny isan'ny kapoka hasainy hamelezana azy, fa raha tohizana hatao betsaka mihoatra noho izany ny kapoka hamelezana azy, sao dia ho toy ny tsinontsinona eo imasonao ny rahalahinao. 4 Aza fehezina ny vavan'ny omby mively vary.

5 Raha misy mpirahalahy miara-monina, maty momba ny iray aminy, dia aoka ny vadin'ny maty tsy hanambady vahiny any ivelany fa ny rahalahin'ny vadiny ihany no aoka handeha hanatona azy hanambady azy, sy hitondra loloha azy.

6 Ary ny voalohan-janany lahy haterany no handova ilay rahalahy maty sy haka ny anarany, mba tsy ho faty eo amin'Israely izany anarana izany. 7 Raha tsy tian-dralehilahy ny hitondra loloha ny vadin-drahalahiny, dia aoka hanatona ny loholona eo ambavahady ravehivavy, ka hanao hoe: Tsy mety mamelo-maso ny rahalahiny eo imason'Israely ny rahalahin'ny vadiko, fa tsy mety manambady sy mitondra loloha ahy izy. 8 Dia hampiantso an-dralehilahy sy hiteny aminy ny loholon'ny tanàna, ka raha mikiry izy, manao hoe: Tsy te-hanambady azy aho, 9 dia hanatona azy eo anatrehan'ny loholona ravehivavy, sy hanala ny kapa amin'ny tongony ary handrora amin'ny tavany sady hanao hoe: Toy izao no hatao amin'ny lehilahy tsy mety mamelo-maso ny rahalahiny. 10 Ary ny fianakaviany dia hantsoina eo imason'Israely hoe: fianakavian'ilay afa-kapa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1404