Ny Detoronomy

Toko faha-21

10 Raha mivoaka hiady amin'ny fahavalonao hianao, ka atolotry ny Tompo Andriamanitrao eo an-tànanao izy ary misy azonao sambo-belona izy ireo,

11 ka mahita vehivavy tsara tarehy anankiray amin'ny babo hianao, ka raiki-pitia azy sy maniry hanambady azy, 12 dia ento miditra ao anatin'ny tranonao izy. Amin'izay ny lohany haratany, ny hohony halany, 13 ny fitafiany tamin'ny nahababo azy havelany, ary izy hitoetra ao an-tranonao, hitomany ny ray aman-dreniny iray volana izy; rahefa izany dia handeha aminy hianao, ka hianao ho vadiny, izy ho vadinao. 14 Ary raha avy izay tsy hankasitrahanao azy intsony, dia avelao izy handeha amin'izay tiany, fa tsy ho azonao hamidy vola, tsy hoentina toy ny andevo, satria efa novinadinao izy. 15 Raha misy lehilahy nampirafy roa, ka ny iray tiany, ny iray halany, ary samy miteraka zazalahy aminy, na ilay tiany, na ity halany, ary ny zanany lahimatoa dia naterak'ity halany,

16 dia tsy azony atao lahimatoa ny zanak'ilay tiany ho solon'ny zanak'ilay halany amin'ny andro andidiany ny fananany ho an-janany, satria izy no tena lahimatoa. 17 Fa ny zanak'ity tsy tiany ihany no hataony lahimatoa, sy homeny anjaran-droa amin'ny ananany rehetra, satria santatry ny fahatanjahany io zanany io, ka an'io ny fizokiana. 18 Raha misy olona manan-janaka lahy maditra sy manohitra, tsy henoiny akory izay feon-drainy na feon-dreniny, ary na faizin'ireo aza izy dia tsy henoiny,

19 dia hosamborin-drainy aman-dreniny izy, ka hoentiny amin'ny loholon'ny tanàna, eo am-bavahadin'ny fitoerana onenany, 20 ary holazainy amin'ny loholon'ny tanàna hoe: Ity zanakay ity dia maditra sy manohitra, tsy mihaino ny feonay, fa manaram-po amin'ny fahalotoana amam-pimamoana. 21 Dia hitora-bato azy ny olona rehetra eo an-tanànany ka ho faty izy. Ary izany no hamongorana ny ratsy eo afovoanao, ary handre izany Israely rehetra ka hatahotra. 22 Raha misy olona manao heloka mahafaty, ka novonoina sy nahantona amin'ny hazo,

23 dia tsy hiloak'alina eo ambony hazo ny fatiny, fa tsy maintsy halevinao mihitsy androtr'iny ihany, satria hiharan'ny fanozonan'Andriamanitra ny faty mihantona, ka aza lotoinao ny tany omen'ny Tompo Andriamanitrao anao ho lova.

Toko faha-22

1 Raha mahita omby na ondry mania an'ny rahalahinao hianao, dia aza hihodiviranao, fa avereno any amin'ny rahalahinao izany.

2 Raha tsy akaikinao anefa ny itoeran'ny rahalahinao, ka tsy fantatrao izy, dia raiso ao aminao ilay biby, ka ho ao aminao izy mandra-pahatongan'ny rahalainao mitady azy, ary amin'izay dia haverinao aminy. 3 Toy izany koa no hataonao amin'ny zava-bery rehetra, izay verin'ny rahalahinao ka hitanao, aza hihodiviranao izany. 4 Raha hitanao lavo eny an-dàlana ny ampondra na ombin'ny rahalahinao, dia aza hihodiviranao, fa tsy maintsy manampy azy mihitsy hianao hanarina ny lavo.

5 Aoka ny vehivavy tsy hitafy fitafian-dehilahy, ary aoka ny lehilahy tsy hitafy fitafiam-behivavy, fa izay rehetra manao izany dia fahavetavetana eo anatrehan'ny Tompo Andriamanitrao.

6 Raha mahita akanim-borona hianao, eny an-dàlana na eny ambony hazo, na ety amin'ny tany, na efa zanany na mbola atodiny, ka kotrehin-dreniny ao, na ny zanany na ny atodiny, dia aza alaina omban-dreniny ny zanany;

7 tsy maintsy halefanao handeha ny reniny, fa ny zanany ihany no alao ho anao, mba ho sambatra sy ho lava andro hianao. 8 Raha manao trano vaovao hianao, dia asio aro-fanina manodidina ny tafon-tranonao mba tsy hanisy rà amin'ny tranonao hianao, raha sendra misy olona mianjera avy aminy.

9 Aza fafazana voan-javatra roa karazana ny tanim-boalobokao, fandrao samy holazaina zavatra masina avy izy, na ny zavatra nafafinao na ny vokatry ny tanim-boalobokao.

10 Aza mampiray jioga ny omby sy ny ampondra hiasa tany. 11 Aza mitafy lamba voatenona tamin'ny volon'ondry mifahana rongony. 12 Asio sahondrany ny zorony efatra amin'ny lamba itafianao.

13 Raha misy lehilahy nampakatra vehivavy ho vadiny, sy efa nandeha taminy, nefa tonga tsy tia azy indray,

14 ka manendrikendrika azy amin'izay mahafa-baraka sy mahafa-pofona azy, manao hoe: Nampakatra ity vehivavy ity aho, kanjo nony nandeha taminy aho dia hitako fa tsy virjiny izy, 15 dia halain'ny ray aman-drenin-drazazavavy ny famantarana azy ho virjiny, ka haposany amin'ny loholon'ny tanàna eo am-bavahady. 16 Ary hiteny amin'ny loholona ny rain-drazazavavy, hanao hoe: Nomeko ho vadin'io lehilahy io ny zanako vavy, kanjo nony tsy tiany, 17 endrikendrehiny amin'izay mahafa-baraka azy, lazainy hoe: Hitako fa tsy virjiny ny zanakao. Nefa indreto ny famantarana fa virjiny ny zanako vavy. Sady velariny eo anatrehan'ny loholon'ny tanàna amin'izay ny fitafiany. 18 Dia hosamborin'ny loholon'ny tanàna izany lehilahy izany, ka hofaiziny. 19 Hampandoavina sazy, volafotsy zato sikla izy, ary homeny ny rain-drazazavavy izany, noho izy nanala baraka ny iray amin'ny virjinin'Israely, sady hitoetra ho vadiny ravehivavy ka tsy azony isaorana raha velona koa izy. 20 Raha marina ihany kosa anefa izany, ka hita tokoa ny tsy maha-virjiny an-drazazavavy, 21 dia hoenti-mivoaka ho eo am-baravaran-drainy razazavavy, ka hitora-bato azy mandra-pahafatiny ny mponina ao an-tanànany, satria zava-betaveta loatra no efa nataony teo amin'Israely, tamin'ny nijangajangany tao an-tranon-drainy. Izany no hamongoranao ny ratsy eo afovoanao. 22 Raha misy lehilahy azo mandry amim-behivavy manam-bady dia hovonoina, ho faty avokoa izy roa, na ralehilahy nandry tamin-dravehivavy, na ravehivavy. Izany no hamongoranao ny ratsy ao afovoan'Israely.

23 Raha misy zazavavy virjiny efa fofombadin'olona, ary misy lehilahy mifanehitra aminy ao an-tanàna ka mandry aminy,

24 dia ento mivoaka ho eo ambavahadin'ny tanàna izy roa, ka torahy vato ho faty: razazavavy moa noho izy niantso tao an-tanàna, ralehilahy kosa noho izy nametaveta ny vadin'ny namany. Izany no hamongoranao ny ratsy eo afovoanao. 25 Fa raha any an-tsaha kosa ralehilahy no mifanehatra amin-drazazavavy fofombadin'olona ka manao an-keriny mandry aminy, dia ralehilahy nandry taminy ihany no hatao maty, 26 aza manino-maninona an-drazazavavy, satria tsy manan-keloka tokony hahafaty azy izy, sahala amin'ny raha misy olona namely ny namany ka mamono azy izany, zavatra iray ihany ireo; 27 any an-tsaha izy no nifanehatra taminy, ary niantso ihany razazavavy fofombadin'olona, fa tsy nisy namonjy azy. 28 Raha misy lehilahy mifanehatra amin-jazavavy virjiny tsy mbola voafofo, ka misavika azy sy mandry aminy, ary tratra izy roa;

29 dia hanome volafotsy dimampolo sikla an-drain-drazazavavy ity lehilahy nandry taminy, ary ho vadiny razazavavy, satria efa nanala baraka azy izy, ka tsy azony isaorana raha mbola velona koa izy.

Toko faha-23

1 Tsy hisy olona haka ny vadin-drainy na hanainga ny firakofan-drainy.

2 Izay torotoro vihy na tapa-pilahiana, dia tsy hiditra amin'ny fiangonan'ny Tompo.

3 Ny teraka amin'ny fanambadiana mahadiso, dia tsy hiditra amin'ny fiangonan'ny Tompo. Na dia ny taranany fahafolo aza tsy hiditra ny fiangonan'ny Tompo. 4 Ny Amonita sy ny Moabita dia tsy hiditra amin'ny fiangonan'ny Tompo, na dia hatramin'ny taranany fahafolo aza, dia tsy hiditra amin'ny fiangonan'ny Tompo na oviana na oviana; satria tsy tonga nitsena hanina sy rano anareo izy teny an-dàlana, fony hianareo nivoaka avy tany Ejipta: sady nampaka sy nanamby vola an'i Balaama, zanak'i Beora avy any Petora, any Mesopotamia, hanozona anao. 5 Saingy tsy nihaino an'i Balaama Iaveh Andriamanitrao, fa nampody ny fanozonana ho tso-drano ho anao Iaveh Andriamanitrao, noho ny fitiavan'ny Tompo Andriamanitrao anao. 6 Aza manan-draharaha amin'izay hahitany soa na hiadanan'izy ireo, na oviana na oviana, raha mbola velona koa hianao. 7 Aza mankahala ny Edomita, fa rahalahinao izy; aza mankahala ny Ejipsiana, fa efa vahiny tany amin'ny taniny hianao:

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1453