Ny Detoronomy
Toko faha-19
1 Rehefa voaringan'ny Tompo Andriamanitrao ny firenena izay omen'ny Tompo anao ny taniny, rehefa voaroakanao izy, fa hianao no efa monina amin'ny tanànany sy ny tranony,2 dia manokàna tanàna telo eo afovoan'ny tany omen'ny Tompo Andriamanitrao anao ho fanananao. 3 Ataovy tsara voatra ny làlana mankao, ary zarao ho faritany telo ny tany omen'ny Tompo Andriamanitrao ho lovanao, mba hahazoan'izay mahafaty olona rehetra mandositra amin'ireo tanàna ireo. 4 Toy izao no hahavelona aina ny nahafaty olona ka mandositra ao: raha nahafaty ny namany tsy nahy izy, nefa tsy fahavalony teo aloha. 5 Ohatra ka misy olona mandeha hikapa hazo any an'ala, miaraka amin'ny olon-kafa anankiray; dia manainga ny famaky hikapa hazo ny tànany, fa mitsoaka amin'ny zarany ny lela famaky ka mahavoa ilay namany sy mahafaty azy: handositra amin'ny iray amin'ireo tanàna ireo ilay olona, dia ho velona aina. 6 Raha tsy izany, dia henjehin'ny mpamaly rà mbola mirehi-katezerana ilay nahafaty olona, ka ho trany raha lavitra loatra ny làlana, dia hasiany ho faty, nefa olona tsy tandrifin'ny hovonoina akory, noho izy tsy nanao halavolo teo aloha. 7 Izany no anomezako anao izao didy izao: Manokàna tanàna telo. 8 Ary raha itarin'ny Tompo Andriamanitrao ny faritaninao, araka ny efa nianianany tamin'ny razanao; ka omeny anao avokoa ny tany rehetra nampanantenainy ny razanao homena anao,
9 raha toa hianao mitandrina sy manaraka izao didy rehetra omeko anao anio izao, amin'ny fitiavana an'ny Tompo Andriamanitrao sy amin'ny fizorana amin'ny làlany mandrakariva, - dia ampio telo koa ireo tanàna telo ireo, 10 mba tsy halatsaka amin'ny tany omen'ny Tompo Andriamanitrao anao ho lovanao, ny rà tsy manan-tsiny; ka dia tsy hisy rà ao aminao. 11 Fa raha olona mankahala ny namany kosa no manotrika hamely azy, ka irotsahany sy asiany ka mahafaty azy tokoa, ary mandositra amin'ny iray amin'ireo tanàna ireo, 12 dia haniraka hisambotra azy ny loholona amin'ny tanànany, sy hanolotra azy ho eo an-tànan'ny mpamaly rà, mba ho faty izy. 13 Aza miantra azy ny masonao fa esory amin'Israely ny rà tsy manan-tsiny, dia hiadana hianao. 14 Aza mamindra ny orim-baton'ny namanao efa vitan'ny razany amin'ny lova ho azonao eny amin'ny tany izay omen'ny Tompo Andriamanitrao anao ho fanananao.
15 Raha vavolombelona iray monja dia tsy hoekena hiampanga olona, ny amin'ny heloka na ota anankiray na ota inona na ota inona natao. Fa ny tenin'ny vavolombelona roa na tenin'ny vavolombelona telo ihany no hanaporofoana izany.
16 Raha misy vavolombelona mitsangana hanomboka olona ho nanao heloka,
17 dia hiseho eo anatrehan'ny Tompo izy roa lahy miady, eo anatrehan'ny mpisorona sy ny mpitsara izay tompon'anjara raharaha amin'izany andro izany; 18 ary hanao famotorana tsara ny mpitsara, koa raha hita fa vavolombelona mandainga ilay vavolombelona, fa nanao filazana tsy marina niampangany ny rahalahiny, 19 dia ampiharo aminy izay nokendreny hatao amin'ny rahalahiny. Izany no hamongoranao ny ratsy eo aminao. 20 Rehefa handre izany ny olon-kafa dia hatahotra ary tsy hisy sahy hanao zavatra ratsy tahaka izany eo aminao intsony.
21 Aza miantra maso akory: aina no solon'ny aina, maso no solon'ny maso, nify no solon'ny nify, tànana no solon'ny tànana, tongotra no solon'ny tongotra.
Toko faha-20
1 Raha mivoaka hiady amin'ny fahavalonao hianao, ka mahita soavaly aman-kalesy sy vahoaka maro noho hianao, dia aza matahotra azy fa momba anao Iaveh Andriamanitrao, izay nitondra anao niakatra avy tany amin'ny tany Ejipta.2 Rehefa mioman-kiady hianareo, aoka handroso ny mpisorona, dia hiteny amin'ny vahoaka ka hanao amin'izy ireo hoe: 3 Mihainoa, ry Israely. Miomàna hanafika ny fahavalonareo hianareo anio ka aza rera-po, aza matahotra, aza mihorohoro ary aza manam-badi-po eo anoloany, 4 fa Iaveh Andriamanitrareo no miara-mandeha aminareo hiady ho anareo hamely ny fahavalonareo, ary hamonjy anareo. 5 Dia hiteny amin'ny vahoaka ny manamboninahitra ka hanao hoe: Iza no nanao trano vaovao, ka mbola tsy nitokana azy: Aoka hiala izy ka hody any aminy fandrao maty an'ady ka olon-kafa no hitokana azy. 6 Iza no namboly tanim-boaloboka, ka mbola tsy nahazo vokatra taminy? Aoka hiala izy ka hody any aminy fandrao maty an'ady, ka olon-kafa no hahazo ny vokany. 7 Iza no nifamofo tamim-behivavy fa mbola tsy nampakatra azy? Aoka hiala izy ka hody any aminy, fandrao maty an'ady, ka olon-kafa no hampakatra azy. 8 Mbola hiteny amin'ny vahoaka ny manam-boninahitra ka hilaza aminy hoe: Iza no matahotra ary iza no rera-po? Aoka hiala izy ka hody any aminy mba tsy ho ketraka toy ny azy koa, ny fon'ny rahalahiny. 9 Rehefa tapi-miteny amin'ny vahoaka ny manam-boninahitra dia hitsangan-kitarika ny vahoaka ny mpifehy antoko-miaramila. 10 Rehefa mby akaikin'ny tanàna hotafihinao hianao, dia taomy hanao fihavanana izy.
11 Raha valiany fihavanana sy vohany hianao, dia ho mpandoa hetra sy mpanomponao avokoa ny olona rehetra ao. 12 Fa raha tsy manao fihavanana aminao kosa, fa te-hiady aminao izy dia ataovy fahirano. 13 Ka rehefa atolotry ny Tompo Andriamanitrao eo an-tànanao izy, dia vonoy amin'ny lelan-tsabatra ny lehilahy rehetra. 14 Fa ny vehivavy kosa, ny zaza, ny biby fiompy sy ny zavatra rehetra ao an-tanàna, izay mety ho babo, dia alaovy ho anao; ho azonao hanina ny babo rehetra avy tamin'ny fahavalonao, izay homen'ny Tompo Andriamanitrao anao. 15 Toy izany no hataonao amin'ny tanàna rehetra lavitra dia lavitra anao, tsy anisan'ny tanànan'ireto firenena ireto. 16 Fa raha ny amin'ny tanànan'ireo firenena izay nomen'ny Tompo Andriamanitrao ho lovanao, dia aza misy hovelomina ao, rehefa mety ho manam-pofon'aina koa. 17 Fa atokano ho anatema ireo firenena ireo, ny Heteana, ny Amoreana, ny Kananeana, ny Ferezeana, ny Heveana, ary ny Jeboseana, araka ny nandidian'ny Tompo Andriamanitrao anao, 18 mba tsy hampianarany anareo hanaraka ny fahavetavetana rehetra ataony amin'ny andriamaniny, ka tsy hanota amin'ny Tompo Andriamanitrareo hianareo. 19 Raha ela no anaovanao fahirano ny tanàna iray sy hiadianao aminy hakana azy dia aza levonina kapaina amin'ny famaky ny hazo, fa hohaninao ny voan'ireny ka aza alavo; sady olona koa ve ny hazo any an-tsaha, ka dia hataonao fahirano?
20 Fa ny hazo fantatrao fa tsy fihinam-bo kosa, dia azonao levonina sy alavo ihany ka hanaovanao milina hamelezana ny tanàna miady aminao, mandra-paharesiny.
Toko faha-21
1 Raha misy maty novonoin'olona hita miampatra any an-tsaha amin'ny tany omena'Iaveh Andriamanitrao anao hanananao azy, ka tsy fantatra izay namono azy,2 dia aoka ny loholona amam-pitsaranao handeha handrefy ny anelanelan'ny tanàna manodidina sy ny toerana misy ny faty. 3 Ary ny amin'ny tanàna akaikin'ny faty indrindra dia halain'ny loholona amin'izany tanàna izany ny vantotr'ombivavy iray izay tsy mbola nampiasaina, na nitari-javatra amin'ny jioga, 4 ka hitondra azy midina amin'ny sakeli-drano tsy ritra amin'ny fitoerana tsy mbola voavoly na voafafy, ary ao no hamolahany ny hatoky ny vantotr'ombivavy ao amin'ny sakeli-drano. 5 Dia hanatona ny mpisorona, taranak'i Levì, fa ireo no nofidin'ny Tompo Andriamanitrao, hanompo azy sy hitso-drano amin'ny anaran'ny Tompo Andriamanitrao; ary araka ny tenin'izy ireo no itsarana ny fifandirana sy ny fandratràna rehetra. 6 Hanasa ny tànany eo ambonin'ilay vantotr'ombivavy voafola-katoka teo amin'ny sakeli-drano ny loholona rehetra amin'ny tanàna akaikin'ny faty indrindra, 7 dia hiteny izy ireo, ka hanao hoe: Tsy nandatsaka ity rà ity ny tànanay, ary tsy nahita izany ny masonay. 8 Ry Iaveh ô, avelao ny helok'Israely vahoakanao izay navotanao, ary aza avela ao afovoan'Israely vahoakanao ny rà tsy manan-tsiny. Dia voaonitra amin'izy ireo izany rà izany. 9 Izany no hanesoranao eo afovoanao ny rà tsy manan-tsiny, amin'ny fanaovanao izay mahitsy eo imason'ny Tompo.