Ny Detoronomy
Toko faha-16
15 Hafitoana no hankalazanao ny fety, ho fanomezam-boninahitra an'ny Tompo Andriamanitrao any amin'ny fitoerana izay hofidian'ny Tompo, fa hambinin'ny Tompo Andriamanitra hianao, amin'ny vokatra rehetra, sy amin'ny asan-tànanao rehetra, ka dia hifaly eram-po tokoa hianao. 16 Intelo isan-taona no hisehoan'ny lehilahy rehetra aminareo, eo anatrehan'ny Tompo Andriamanitrareo, any amin'ny fitoerana izay hofidiny, dia amin'ny fetin'ny Azima, sy ny fetin'ny Herinandro, ary ny fetin'ny Tabernakla; ka aoka tsy ho tànam-polo fotsiny no hisehoany eo anatrehan'ny Tompo,17 fa aoka samy hanatitra izay zakany avy araka ny fanambinana nomen'ny Tompo Andriamanitra azy. 18 Asio mpitsara sy andriambaventy ny tanàna homen'ny Tompo Andriamanitrao anao, araka ny fokonao avy, ary hitsara ny vahoaka ara-drariny izy.
19 Aza mampandefitra ny rariny, aza mizaha tavan'olona ary aza mandray kolikoly fa ny kolikoly mahajamba ny mason'ny hendry sy mampivadika ny tenin'ny marina. 20 Araho an-tsakany sy an-davany ny rariny mba ho velona hianao, sy hanana ny tany izay homen'ny Tompo Andriamanitrao anao. 21 Aza hanangananao aserà, na hazo na inona na inona, eo andanin'ny otely, izay hatsanganao ho an'ny Tompo Andriamanitrao.
22 Aza mba manao tsangam-bato izay halan'ny Tompo Andriamanitrao.
Toko faha-17
1 Aza hatao sorona amin'ny Tompo Andriamanitrao ny omby na zanak'ondry manan-kilema na misy takaitra, satria fahavetavetana eo imason'ny Tompo Andriamanitrao izany.2 Raha eo afovoanao, amin'ny iray amin'ny tanànanao izay omen'ny Tompo Andriamanitrao anao, no misy lehilahy na vehivavy manao izay ratsy eo imason'ny Tompo Andriamanitrao amin'ny fivadihana ny fanekeny,
3 ka lasa mankamin'andriamani-kafa, hanompo azy sy hiankohoka eo anatrehany, dia eo anatrehan'ny masoandro na ny volana na ny zava-drehetra milahatra eny an-danitra, izay tsy nasaiko hatao; 4 rahefa misy milaza izany aminao ka efa renao izany, dia fotory tsara, ka raha marina izany ary voaporofo tokoa izany, ka tanteraka tokoa teo amin'Israely izany fahavetavetana izany, 5 dia avoahy eo am-bavahady izay lehilahy na vehivavy meloka nanao izany zava-dratsy izany, ka torahy vato ho faty na lehilahy na vehivavy. 6 Amin'ny tenin'ny vavolombelona roa na telo no hamonoana ho faty izay tokony ho faty, fa ny tenin'ny vavolombelona iray monja tsy hamonoana azy. 7 Ny tànan'ny vavolombelona no hiainga voalohany hamono azy, vao ny tànan'ny vahoaka rehetra. Izany no hamongoranao ny ratsy eo aminao. 8 Raha misy ady momba ny vonoan'olona, na fifanolanana, na fandratràna olona, zavatra ifandirana ao anaty vavahadinao, ka ataonao sarotra loatra, dia hitsangana hianao ary hiakatra any amin'ny fitoerana izay hofidin'ny Tompo Andriamanitrao;
9 dia handeha hanatona ny mpisorona, taranak'i Levì, sy ny mpitsara izay tompon-draharaha amin'izany andro izany. Hila hevitra aminy hianao ka hambarany aminao izay araka ny lalàna. 10 Dia ataovy araka izay didim-pitsarana hatorony anao, any amin'ny fitoerana nofidin'ny Tompo, ary tandremo mba hifanaraka tsara amin'izay hampianariny no hataonao. 11 Araka ny lalàna hampianariny anao sy araka ny didim-pitsarana holazainy aminao no ataovy, fa aza mivily amin'izay hambarany anao, na ho amin'ny ankavanana na ho amin'ny ankavia. 12 Hohelohin-ko faty izay mety hoentim-piavonavonana, ka amin'ny ataony dia tsy hihaino ny mpisorona mitoetra eo hanompoany an'ny Tompo Andriamanitrao, na tsy mihaino ny mpitsara. Izany no hamongoranao ny ratsy eo amin'Israely. 13 Fa hatahotra ny vahoaka rehetra rehefa mandre izany, ka tsy hety ho entim-piavonavonana intsony. 14 Raha avy izay hahatafidiranao any amin'ny tany omen'ny Tompo Andriamanitrao anao, ary efa azonao ho fanananao izy sy efa niorim-ponenana any hianao, ka manao hoe: Mba te-hanam-panjaka hifehy ahy toy ny firenena rehetra manodidina ahy, aho;
15 dia izay hofidin'ny Tompo Andriamanitrao ihany no hatsanganao ho mpanjaka hifehy anao; eo afovoan'ny rahalahinao ihany no hangalanao mpanjaka izay hatsanganao hifehy anao, fa ny olon-kafa firenena, izay tsy rahalahinao, dia tsy ho azonao halaina ho mpanjakanao. 16 Aoka anefa izy tsy hanan-tsoavaly betsaka na hitondra ny vahoaka hiverina any Ejipta mba hahazoany soavaly betsaka, fa hoy Iaveh taminareo: Aza miverina amin'izany làlana izany intsony amin'ny sisa. 17 Aoka tsy hampirafy maro izy, fandrao mivily ny fony, ary aoka tsy hamory volafotsy sy volamena be miavosa izy. 18 Raha vao tafapetraka amin'ny sezam-panjakany izy, dia aoka hosoratany amin'ny boky anankiray ho azy ny dikan'izao lalàna izao, ka hataony mifanaraka amin'ilay ao amin'ny Levita mpisorona. 19 Ho eny aminy sy hovakiny amin'ny andro rehetra iainany izany, mba hianarany hatahotra an'ny Tompo Andriamininy sy hitandrina ny teny rehetra amin'izao lalàna izao sy izao fitsìpika rehetra izao, amin'ny fanarahana azy, 20 mba tsy hisandratan'ny fony ambonin'ny rahalahiny, ary tsy hiviliany ny didy na ho amin'ny ankavanana na ho amin'ny ankavia, ka ho lava andro ao amin'ny fanjakany izy sy ny taranany eo afovoan'Israely.
Toko faha-18
1 Ny mpisorona Levitika, ny fokon'i Levì rehetra dia tsy mba hanana anjara na lova miaraka amin'Israely, fa ny soron'ny Tompo atao amin'ny afo sy izay lova avy aminy no hiveloman'izy ireo.2 Tsy mba hanan-dova eo amin'ny rahalahiny izy, fa Iaveh no lovany, araka ny efa voalazany tamin'izy ireo. 3 Izao no anjaran'ny mpisorona avy amin'ny vahoaka amin'izay misorona omby na ondry: homena ny mpisorona ny sorony sy ny valanoranony ary ny vavoniny. 4 Homenao azy koa ny santatry ny varinao, sy ny divainao vaovao sy ny diloilonao ary ny santatry ny volon'ondrinao; 5 satria izy no voafidin'ny Tompo Andriamanitrao, tamin'ny fokonao rehetra, hitoetra eo anatrehan'ny Tompo sy hanao ny fanompoana amin'ny anaran'ny Tompo, dia izy sy ny zanany mandrakizay. 6 Raha misy Levita miala amin'ny anankiray amin'ny tanànanao, amin'izay fitoerana onenany ao amin'Israely na aiza na aiza, ka tonga araka ny fanirian'ny fony amin'ny fitoerana izay hofidin'ny Tompo,
7 sy manao fanompoana amin'ny anaran'ny Tompo Andriamaniny, toraky ny rahalahiny rehetra, ny Levita, izay mitoetra eo anatrehan'ny Tompo, 8 dia hanana anjara fivelomana toraky ny an'ireo koa izy, afa-tsy izay azony amin'ny fivarotana ny anjara lovany. 9 Rehefa tafiditra any amin'ny tany omen'ny Tompo Andriamanitrao anao hianao, dia aza mianatra maka tahaka ny fahavetavetan'ireo firenena ireo. 10 Aoka eo aminao tsy hisy olona mampandeha ny zanany lahy na zanany vavy hamaky ny afo, manao sikidy, mikaroka ny vintana, mitandrina fadifady, manao fankatoavana, mampiasa ody, 11 mila hevitra amin'ny mpamoha angatra sy amin'ny mpamosavy ary manontany ny maty; 12 fa halan'ny Tompo ny olona rehetra manao izany zavatra izany, ary noho izany fahavetavetana izany no handroahan'ny Tompo Andriamanitrao ireo firenena ireo ao anoloanao. 13 Aoka ho marina tanteraka amin'ny Tompo Andriamanitrao hianao. 14 Fa ireo firenena horoahinao no mihaino ny mpanandro sy ny mpisikidy, fa hianao kosa tsy avelan'ny Tompo Andriamanitrao hanao izany. 15 Hanangana mpaminany anankiray tahaka ahy eo afovoanao, eo amin'ny rahalahinao, Iaveh Andriamanitrao; hohenoinareo izy.
16 Izany no nangatahinao tamin'ny Tompo Andriamanitrao tany Horeba, tamin'ny andro nivoriana, nataonao hoe: Aoka tsy ho ny feon'ny Tompo Andriamanitro intsony no ho henoko, ary aoka tsy hahita izany afo lehibe izany intsony aho, fandrao maty. 17 Dia hoy Iaveh tamiko: Tsara ny voalazan'izy ireo. 18 Hananganako mpaminany anankiray tahaka anao, avy eo amin'ny rahalahiny, izy; hapetrako eo am-bavany ny teniko dia holazainy amin'izy ireo ny zavatra rehetra handidiako azy. 19 Ka raha misy tsy mihaino ny teniko, izay holazainy amin'ny anarako, dia izaho no hampamoaka azy ny amin'izany. 20 Fa ny mpaminany izay entim-piavonavonana kosa, ka manambara amin'ny anarako ny teny tsy nodidiako holazainy, na miteny amin'ny anaran'andriamani-kafa, dia ho faty izany mpaminany izany. 21 Ary raha hianao hanao anakampo hoe: Ahoana no hahalalantsika izay teny tsy nolazain'ny Tompo? 22 Rehefa miteny amin'ny anaran'ny Tompo ny mpaminany, nefa tsy tonga, ary tsy tanteraka ny zavatra nolazainy, dia izany no teny tsy nolazain'ny Tompo: fiavonavonana no nilazan'ny mpaminany izany; aza matahotra azy hianao.