Ny Detoronomy

Toko faha-14

17 ny pelikano, ny manarana, ny vivy, 18 ny vano be, mbamin'ny vano isan-karazany, ny lavasanga, sy ny manavy. 19 Ny biby kely manan'elatra rehetra, dia hevero ho maloto, ka aza homana izany. 20 Fa ny vorona madio rehetra no hano. 21 Aza mihinam-biby maty ho azy, fa omeo ny vahiny ao anaty vavahadinao izany hohaniny, na amidio amin'ny vahiny. Fa hianao dia vahoaka masina ho an'ny Tompo Andriamanitrao. Aza mahandro zanak'osy amin'ny rononon-dreniny.

22 Atokano ny fahafolon'ny vokatra rehetra avy amin'ny voa nafafinao, dia ny vokatry ny taninao isan-taona.

23 Ary hohaninao eo anatrehan'ny Tompo Andriamanitrao, amin'izay fitoerana hofidiny hamponenany ny anarany, ny fahafolon'ny varinao, sy ny divainao vaovao sy ny diloilonao, mbamin'ny voalohan-teraky ny omby aman-ondrinao, mba hianaranao hatahotra an'ny Tompo Andriamanitra mandrakariva. 24 Nefa raha lavitra loatra ho anao ny làlan-kaleha ka tsy azonao entina any izany noho ny halaviran'ny fitoerana hofidin'ny Tompo Andriamanitrao hamponenany ny anarany, rahefa nambinin'ny Tompo Andriamanitrao hianao, 25 dia takalozy vola ny fahafolom-bokatrao, ka fihino ao an-tànanao ny vola dia mankanesa amin'ny fitoerana izay nofidin'ny Tompo Andriamanitrao. 26 Amidio izay rehetra irin'ny fanahinao amin'ny vola, na omby, na ondry, na divay, na lalikera misy alikola, izay rehetra tian'ny fanahinao, ka mihinàna eo anatrehan'ny Tompo Andriamanitrao, ary mifalia hianao sy ny ankohonanao. 27 Aza manary ny Levita izay ao anatin'ny vavahadinao, fa tsy mba manana anjara na lova eo aminao izy. 28 Amin'ny faran'isam-pahatelo taona dia atokàny ny fahafolon'ny vokatrao rehetra amin'izany taona izany, ary ataovy eo anatin'ny vavahadinao.

29 Ka aoka ho avy amin'izay ny Levita izay tsy mba manana anjara na lova eo aminao, mbamin'ny vahiny sy ny kamboty amam-pitondrantena izay ao anatin'ny vavahadinao, dia hihinana izy, ka hivoky mba hanambinan'ny Tompo Andriamanitrao anao amin'ny asa rehetra ataon'ny tànanao.

Toko faha-15

1 Amin'ny faran'ny isam-pahafito taona, dia manaova fanafahana.

2 Ka toy izao no hanaovana ny fanafahana: ny tompon-trosa rehetra izay nampanàna vola dia hanao famelana ny amin'izay nampisamboriny ny namany. Tsy hanery ny namana aman-drahalahiny izy rahefa voantso ny fanafahan'ny Tompo. 3 Azonao terena ny olon-kafa firenena; fa izay anao amin'ny rahalainao kosa, dia aoka hanaovan'ny tànanao famelana, 4 mba tsy hisy mahantra eo aminao. Fa hambinin'ny Tompo marina tokoa hianao, any amin'ny tany izay nomen'ny Tompo Andriamanitrao ho fanananao, 5 raha mihaino ny feon'ny Tompo Andriamanitrao amin'ny fanarahana tsara ny didiny rehetra izay andidiako anao anio. 6 Fa dia hanambina anao Iaveh Andriamanitrao araka ny efa voalazany taminao; hampisambotra amin'ny firenena maro hianao, fa hianao tsy mba hisambotra kosa; hanapaka firenena maro hianao fa tsy mba hotapahina. 7 Raha misy mahantra ny rahalahinao ao anatin'ny anankiray amin'ny vavahadinao any amin'ny tany omen'ny Tompo Andriamanitrao anao, dia aza manamafy ny fonao, na manakombona ny tànanao amin'ny rahalahinao mahantra,

8 fa aoka hivelatra aminy ny tànanao; ka hampisambotra azy ny sahaza ilainy araka ny mahory azy. 9 Tandremo fandrao mitsiry ao am-ponao ity hevitra tsy mendrika ity hoe: Akaiky ity ny taona fahafito, taom-panafahana, ka ho ratsy maso amin'ny rahalahinao mahantra hianao amin'izay, ka tsy hanome na inona na inona azy, ka hitaraina amin'ny Tompo hiampanga anao izy, ka sao milonjo ota hianao. 10 Tsy maintsy manome azy hianao, ary aza misy alahelo ny fonao, raha manome azy hianao, fa izany no hanambinan'ny Tompo anao amin'ny asanao rehetra sy amin'ny raharaha rehetra hataonao. 11 Na oviana na oviana ny tany tsy ilaozan'olona ory; ka izany no anomezako anao ity didy ity: Aoka hamelatra ny tànanao amin'ny rahalahinao hianao, amin'ny ory sy ny mahantra eo amin'ny taninao. 12 Raha mivaro-tena aminao ny iray amin'ny rahalahinao hebrio na lahy izany na vavy, dia hanompo anao enin-taona izy; amin'ny taona fahafito, dia hovotsoranao ho afaka aminao izy.

13 Ary rahefa alefanao aminao izy, dia aza halefa hiala maina, 14 fa anomezo falim-pò mihitsy izy, avy amin'ny biby madinika fiompinao sy ny avy eo am-pamoloana amam-pamiazanao; ny harena izay nanambinan'ny Tompo Andriamanitrao anao no hanomezanao azy. 15 Tsarovy fa efa mba andevo tany amin'ny tany Ejipta hianao, saingy nanafaka anao Iaveh Andriamanitrao, ka izany no anomezako anao anio izao didy izao. 16 Raha ny ankizilahinao anefa no manao aminao hoe: Tsy te-hiala aminao aho noho ny fitiavany anao sy ny ankohonanao, sady finaritra izy ao aminao, 17 dia alaovy ny haolo ka teveho eo amin'ny varavarana ny sofiny, dia ho mpanomponao mandrakizay izy. Toy izany koa no hataonao amin'ny ankizivavinao. 18 Aoka tsy ho mafy aminao ny hamotsotra ny ankizilahinao ho afaka aminao, satria nahazoanao avo sasaka noho ny karaman'ny mpikarama ny nanompoany anao enin-taona, dia hambinin'ny Tompo Andriamanitrao hianao amin'izay rehetra hataonao. 19 Atokany ho an'ny Tompo Andriamanitrao ny lahy rehetra voalohan-teraky ny biby fiompinao, na vaventy na madinika; aza mampiasa ny voalohan-teraky ny ombinao, na manety ny voalohan-teraky ny ondrinao,

20 fa aoka hohaninao sy ny ankohonanao izany isan-taona eo anatrehan'ny Tompo Andriamanitrao any amin'ny fitoerana izay hofidiny. 21 Raha manan-kilema anefa izy, fa mandringa na jamba na misy kilema ratsy hafa na inona na inona, dia aza atolotra ho sorona amin'ny Tompo Andriamanitrao, 22 fa hano ao anatin'ny vavahadinao ihany, ka na olona maloto na olona madio, dia samy hihinana azy, toy ny fihinana gazela na serfa. 23 Faingy ny rany kosa no aza hanina, fa araraho amin'ny tany toy ny rano.

Toko faha-16

1 Tandremo ny volana Abiba, ka ankalazao ny Paka, fanomezam-boninahitra an'ny Tompo Andriamanitrao, fa tamin'ny volana Abiba, raha alina, no nitondran'ny Tompo Andriamanitrao anao nivoaka tany Ejipta.

2 Any amin'ny fitoerana izay hofidin'ny Tompo Andriamanitrao hamponenany ny anarany, no hamonoanao ny soron'ny Paka, amin'ny Tompo Andriamanitrao, ny ondry sy ny omby. 3 Aza mihinana mofo misy lalivay miaraka amin'ireo sorona ireo fa mofo tsy misy lalivay no hano mandritra ny hafitoana, dia mofom-pahoriana, satria tamim-pahamaikana no nivoahanao tany amin'ny tany Ejipta mba hahatsiarovanao ny andro nivoahanao tany Ejipta, amin'ny andro rehetra iainanao. 4 Aoka tsy hisy lalivay ao aminao amin'ny faritaninao rehetra mandritra ny hafitoana, ary aza misy avela hiloaka alina ho tra-maraina ny henan'ny sorona novonoinao tamin'ny harivan'ny andro voalohany. 5 Tsy ho azonao amonoana ny soron'ny Paka avokoa tsy akory ny tanàna rehetra homen'ny Tompo Andriamanitrao anao, 6 fa amin'ny fitoerana izay hofidin'ny Tompo Andriamanitrao hamponenany ny anarany ihany no hamonoanao ny soron'ny Paka, amin'ilay hariva maty masoandro iny, izay fotoana nivoahanao tany Ejipta. 7 Atsatsiho ny sorona ary hano eo amin'ny fitoerana izay hofidin'ny Tompo Andriamanitrao; ary nony maraina dia modia ho any an-dainao. 8 Henemana no hihinananao mofo tsy misy lalivay ary ny andro fahafito, dia hatao ny fivoriana lehibe ho fanomezam-boninahitra an'ny Tompo Andriamanitrao; tsy hanao asa na inona na inona hianao. 9 Hanisa herinandro fito hianao, ka raha vao santarina amin'ny antsim-bary ny vary dia hatombokao ny fanisana herinandro fito;

10 dia hankalaza ny fetin'ny Herinandro ho fanomezam-boninahitra an'ny Tompo Andriamanitrao hianao, amin'ny fanolorana an-tsitra-po avy amin'ny tànanao, araka izay nanambinan'ny Tompo Andriamanitrao anao. 11 Any amin'ny fitoerana izay hofidin'ny Tompo Andriamanitrao hamponenany ny anarany no hifalianao eo anatrehan'ny Tompo Andriamanitrao, hianao, ny zanakao lahy sy ny zanakao vavy, ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao, ny Levita ao anatin'ny vavahadinao ary ny vahiny sy ny kamboty sy ny mpitondratena mitoetra eo afovoanao. 12 Tsarovy fa efa mba andevo tany Ejipta koa hianao, ka tandremo ny hanatanteraka ireo didy ireo. 13 Hafitoana no hankalazanao ny fetin'ny Tabernakla, rahefa voangonao ny vokatra avy eo am-pamoloana amam-pamiazanao.

14 Mifalia amin'izany fety izany hianao, mbamin'ny zanakao lahy sy ny zanakao vavy, ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao, ary ny Levita sy ny vahiny mbamin'ny kamboty sy ny mpitondratena ao anatin'ny vavahadinao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1542