Ny Detoronomy
Toko faha-32
51 satria nanota tamiko teo afovoan'ny zanak'Israely hianareo, tao amin'ny ranon'i Meribà any Kadesy, amin'ny efitra Sina, ka tsy nankamasina ahy, teo afovoan'ny zanak'Israely. 52 Ho hitanao tandrifinao ny tany, nefa tsy hiditra eo amin'izany tany izany izay omeko ny zanak'Israely hianao.Toko faha-33
1 Izao no tso-drano nataon'i Moizy, olon'Andriamanitra, tamin'ny zanak'Israely, talohan'ny nahafatesany.2 Hoy izy: Tonga avy tany Sinaia Iaveh, niposaka ho azy ireo avy any Seira izy; namirapiratra avy ao an-tendrombohitra Farana izy, ary nivoaka teo afovoan'ny masina tsy omby alinalina; ary nitselatra ho azy ireo avy eo ankavanany ny tsirim-pahazavana. 3 Tiany koa ny vahoaka, eo an-tananao avokoa ny masiny rehetra, mipetraka ao an-tongotrao izy ireo, ary samy mandray ny teninao avokoa.
4 Nanome didy antsika Moizy; lovan'ny fiangonan'i Jakoba.
5 Tonga mpanjaka ao amin'i Jesoarona izy, nony nivory ny lohan'ny vahoaka mbamin'ny fokon'Israely rehetra.
6 Aoka ho velona fa tsy ho faty Robena, Ary aoka tsy hihena ho vitsy ny lehilahy ao aminy.
7 Izao kosa ny amin'i Joda; hoy izy: Henoy ny feon'i Joda, ry Iaveh, ary ento hiverina amin'ny vahoakany izy. Ny tanany no hiady ho an'Israely ary hiaro hanampy azy hamely ny fahavalony.
8 Ny amin'i Levi dia hoy izy: Ny Orimanao sy ny Tomimanao dia amin'ny olonao masina, izay nozahanao toetra tao Masa izay nifamalianao tao amin'ny ranon'i Meriba,
9 izay nilaza tamin-drainy aman-dreniny hoe: Tsy nahita azy ireo aho, izay tsy nahalala ny rahalahiny na nahafantatra na inona na inona momba ny zanany, fa nankato ny teninao izy, ary nitana ny fanekenao.
10 Jakoba, ampianariny ny fitsipikao, ary Israely ny lalanao. Manolotra ny emboka manitra eo amin'ny vavoronao izy, sy ny sorona dorana eo ambonin'ny otelinao.
11 Tahio ny heriny, ry Tompo o! ankasitraho ny asan'ny tanany; folahy ny valahan'izay mandrafy azy sy izay mankahala azy: aoka tsy hiarina intsony ireny.
12 Ny amin'i Benjamina dia hoy izy: Malalan'ny Tompo izy, ka handry fahizay monina eo akaikiny; arovan'ny Tompo lalandava izy, mipetraka eo anelanelan'ny sorony.
13 Ny amin'i Josefa dia hoy izy: Tahin'ny Tompo ny taniny; azy ny andro fanomezan-tsoan'ny lanitra, ny rano amin'ny hantsana lehibe monina ao ambany;
14 ny vokatsoa masaky ny masoandro; ny voan-javatra soa indrindra isam-bolana;
15 ny vokatsoa indrindra avy amin'ny tendrombohitra fahagola; Ny fanomezana tsara indrindra avy amin'ny havoana mandrakizay,
16 Ny fanomezana tsara indrindra avy amin'ny tany sy ny fahavokarany. Ny fankasitrahan'ilay nitoetra teo amin'ny zava-maniry milobolobo anie ho tonga eo an-dohan'i Josefa, eo amin'ny tampon'ny lohan'ny andrian'ny rahalahiny
17 An'ny ombalahiny voalohan-teraka, azy ny dera, tandrok'ombimanga no tandrony; amin'io no hanotoany ny vahoaka rehetra hatrany amin'ny faravazan-tany. Toy izany ny alinalin'i Efraima, Toy izany ny arivoarivon'i Manase.
18 Ny amin'i Zabolona dia hoy izy: Mifalia, ry Zabolona, amin'ny fandehananao, ary hianao, ry Isakara, ao an-dainao.
19 Miantso ny vahoaka ho ao an-tendrombohitra ireo; ao izy hanatitra sorom-pahamarinana, fa hitsentsitra ny habetsahan-javatra avy amin'ny ranomasina izy, sy ny harena miafina ao amin'ny fasika.
20 Ny amin'i Gada dia hoy izy: Isaorana anie ilay manome fitoerana malalaka an'i Gada! Mandry toy ny liom-bavy izy; ka mamiravira ny sandry na ny loha aza.
21 Nifidy ny voalohan-tany ho azy izy; fa anjaram-pifehy no voafina ao, ary nandroso nialoha lalana ny vahoaka, nanatanteraka ny fahamarinan'ny Tompo izy sy ny fitsarany, niaraka tamin'Israely.
22 Ny amin'i Dana hoy izy: Dana dia liona vantony, miantoraka avy ao Basana.
23 Ny amin'i Neftali dia hoy izy: Vohin'ny tombon-tsoa hianao, ry Neftali, ary feno ny fitahian'ny Tompo: ka raiso ho fanananao ny ranomasina sy ny any atsimo.
24 Ny amin'i Asera dia hoy izy: Hotahina eo amin'ny zanak'i Jakoba anie Asera, aoka izy no ho tian'ny rahalahiny indrindra ka hanoboka ny tongony amin'ny diloilo.
25 Aoka ho vy amam-barahina ny karetsaka hidinao, ary hifamatra amin'ny andronao ny fiadananao.
26 Tsy misy tahaka an'Andriamanitra, ry Jesoarona o izay mandia ny lanitra mba ho tonga hamonjy anao, sy mandia ny rahona, amin'ny voninahiny.
27 Ny Andriamanitry ny taona fahagola dia fialofana, ny sandriny mandrakizay no anohanany anao; mandroaka ny fahavalo eo anoloanao izy, sady milaza hoe: Aringano.
28 Mandry fahizay, Israely; miboiboika miavaka ny loharanon'i Jakoba, ao amin'ny tany be vary aman-divay, ary ny lanitra ao aminy mampitsororoka ny ranonando.
29 Sambatra hianao, ry Israely! Zovy moa no toa anao! Fa hianao dia vahoaka voavonjin'ny Tompo, izay ampingan'ny famonjena anao, sabatry ny voninahitrao. Hihatsaravelatsihy eo anoloanao ny fahavalonao, fa hianao kosa handia ny havoany.
Toko faha-34
1 Niakatra avy eo an-tany lemak'i Moaba Moizy, nankany an-tendrombohitra Nebao, ao an-tampon'i Fasgà, tandrifin'i Jerikao.2 Ary nasehon'ny Tompo azy avokoa ny tany rehetra dia Galaada hatrany Dana; Neftalì rehetra mbamin'ny tanin'i Efraima andrefana; 3 Ny Negeba, ny faritanin'i Jordany, ny lohasahan'i Jerikao; dia ny tanànan'ny rofia, hatrany Segora. 4 Dia hoy Iaveh taminy: Io no tany izay nianianako tamin'i Abrahama sy Isaaka ary Jakoba hoe: Homeko ny taranakao izany. Nataoko nahita maso azy hianao, nefa tsy hiditra eny hianao. 5 Teo no nahafatesan'i Moizy, mpanompon'ny Tompo, dia teo amin'ny tanin'i Moaba, araka ny didin'ny Tompo.
6 Ary naleviny teo an-dohasaha, amin'ny tanin'i Moaba, tandrifin'i Bet-Fogora izy. Ary tsy misy olona mahalala ny fasany mandraka androany. 7 Efa roapolo amby zato taona Moizy no maty, nefa ny fahiratany tsy nihena, ny tanjany tsy niala taminy. 8 Nisaona an'i Moizy telopolo andro tao amin'ny tany lemak'i Moaba ny zanak'Israely ka tapitra ny andro fitomaniana tamin'ny fisaonana an'i Moizy. 9 Ary Josoe, zanak'i Nòna, dia feno ny fanahim-pahendrena, fa efa nametrahan'i Moizy tànana izy, ka nanoa azy ny zanak'Israely sy nanao araka ny nandidian'ny Tompo an'i Moizy.
10 Tsy nisy mpaminany nitsangana teo amin'Israely intsony sahala amin'i Moizy izay fantatry ny Tompo mifanatrika,
11 na ny amin'ny famantarana amam-pahagagana nanirahan'ny Tompo azy tany Ejipta, hanaovany izany tamin'i Faraona sy ny mpanompony mbamin'ny taniny rehetra, 12 na ny amin'ny tànany mahery rehetra aman-java-mahatahotra rehetra izay vitan'i Moizy teo imason'Israely rehetra.
Bokin'i Josoe
Toko voalohany
1 Rahefa maty Moizy, mpanompon'ny Tompo, dia niteny tamin'i Josoe zanak'i Nòna, mpanompon'i Moizy, Iaveh nanao hoe:2 Efa maty Moizy, mpanompoko, koa mitsangàna hianao ankehitriny, mità an'io Jordany io, hianao sy izao vahoaka rehetra izao, ho any amin'ny tany izay omeko ny zanak'Israely. 3 Efa nomeko anareo avokoa, araka ny voalazako tamin'i Moizy, ny tany rehetra hodiavin'ny faladianareo. 4 Hatramin'ny efitra sy hatramin'io Libàna io ka hatramin'ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata, dia ny tanin'ny Heteana rehetra, ary hatramin'ny ranomasina lehibe any amin'ny fisitrihan'ny masoandro, no ho faritaninareo. 5 Tsy hisy olona hahatohitra anao amin'ny andro rehetra hiainanao; tahaka ny nombako an'i Moizy no hombako anao koa; tsy hahafoy anao aho na handao anao. 6 Matanjaha ary mahereza fo, fa hianao no hampanana ity firenena ity ny tany efa nianianako tamin'ny razany homena azy. 7 Fa matanjaha kosa ary mahereza fo tokoa, sady mitandrema tsara mba hanaraka ny lalàna rehetra nandidian'i Moizy mpanompoko anao. Aza mivily amin'izany na ho amin'ny ankavanana na ho amin'ny ankavia, mba hahomby hianao amin'izay rehetra hataonao.