Bokin'i Josoe
Toko voalohany
8 Aoka tsy ho afaka am-bavanao ny bokin'ity lalàna ity, fa hosaintsaininao andro aman'alina sady hotandremanao ny hanao araka izay rehetra voasoratra ao, fa amin'izany dia hiadana amin'ny làlanao rehetra sy hahomby tsara hianao. 9 Tsy efa nodidiako hianao va amin'ny hoe: matanjaha ary mahereza fo; aza matahotra na manam-badi-po, fa Iaveh Andriamanitrao no momba anao na aiza na aiza halehanao. 10 Dia nanome izao didy izao tamin'ny manam-boninahitry ny vahoaka Josoe: Mandehana mitety ny toby hianareo, ka mandidia ny olona hoe:11 Manomàna vatsy hianareo, fa raha afaka hateloana dia hita an'ity Jordany ity hianareo, handeha haka ny tany omen'ny Tompo Andriamanitrareo ho fanananareo. 12 Ary izao no teny nataon'i Josoe, tamin'ny Robenita sy ny Gadita, ary ny antsasaky ny fokon'i Manase:
13 Tsarovy ny nandidian'i Moizy, mpanompon'ny Tompo, anareo nanao hoe: Efa nomen'ny Tompo fitsaharana hianareo, sy nomeny ity tany ity. 14 Koa ny vady aman-janakareo madinika, mbamin'ny biby ompianareo, dia hijanona amin'ny tany nomen'i Moizy anareo, ety an-dafin'i Jordany. Fa hianareo lehilahy matanjaka sy mahery fo rehetra kosa, dia hita mitondra fiadiana eo alohan'ny rahalahinareo, 15 ary hanampy azy hianareo mandra-panomen'ny Tompo fitsaharana toa anareo koa amin'ny rahalahinareo, ka efa mahazo ny tany omen'ny Tompo Andriamanitrareo azy izy ireo; izay vao hiverina hianareo amin'ny tany izay anareo, aty an-dafin'i Jordany, fiposahan'ny masoandro. 16 Dia namaly an'i Josoe izy ireo, ka nanao hoe: Hataonay avokoa izay rehetra nandidianao anay. 17 Toy ny nanekenay an'i Moizy tamin'ny zavatra rehetra, no hanekenay anao koa. Fa aoka kosa anie homba anao Iaveh Andriamanitrao tahaka ny nombany an'i Moizy. 18 Na zovy na zovy mandà ny didinao, ka tsy manaiky amin'izay rehetra andidianao, dia hatao maty. Fa matanjaha kosa ary mahereza fò.
Toko faha-2
1 Nandefa mpisafo tany roa lahy mangingina avy tany Setima Josoe zanak'i Nòna, nataony hoe: Mandehana, zahao ny tany, sy Jerikao. Dia niainga izy roa lahy, ka tonga tao amin'ny tranon'ity vehivavy janga anankiray atao hoe Rahaba, ary nandry tao.2 Nisy kosa nampandre izany tamin'ny mpanjakan'i Jerikao, nanao hoe: Injao misy olona avy amin'ny zanak'Israely, tonga alina aty hisafo ny tany.
3 Dia naniraka ny mpanjakan'i Jerikao hilaza amin-dRahaba hoe: Avoahy ireo lehilahy izay tonga tao aminao tafiditra ny tranonao, fa hisafo ny tany no nahatongavan'ireo aty. 4 Fa nalain-dravehivavy kosa izy roa lahy ka nafeniny, dia hoy izy: Tonga teto amiko tokoa ireny lehilahy ireny, nefa tsy fantatro na avy aiza na avy aiza izy; 5 ary nony ndeha hanidy ny vavahady ny olona tamin'ny hariva dia nivoaka izy ka tsy fantatro izay nalehany. Enjeho faingana fa tratranareo izy. 6 Kanjo nasainy niakatra any ambony tafon-trano izy ireo, dia nafeniny tao ambony tafon-trano. 7 Nanenjika azy ireo olona nihazo ny làlana mankany amin'ny fitan'i Jordany, ary vao tafavoaka ireny mpanenjika ireny dia nohidiana ny vavahady. 8 Talohan'ny handrian'ireto mpisafo tany, dia niakatra tao aminy tao ambony tafon-trano Rahaba, ka nanao taminy hoe:
9 Fantatro fa efa nomen'ny Tompo anareo ity tany ity, satria izahay efa raiki-tahotra ny anaranareo; ny mponina rehetra amin'ity tany ity efa ketraka eo anoloanareo. 10 Renay ny nanamainan'ny Tompo ny ranomasina Mena teo anoloanareo, fony hianareo nivoaka avy tany Ejipta; sy ny nanaovanareo ny mpanjakan'ny Amoreana roa lahy, tany an-dafin'i Jordany, dia Sehona sy Oga, izay nataonareo anatema. 11 Ka nony nandre izany izahay dia samy rera-po sy nanary toky avokoa tamin'ny fihavianareo, satria Iaveh Andriamanitrareo ihany no Andriamanitra, any ambony amin'ny lanitra ary ety ambany amin'ny tany. 12 Koa ankehitriny, mihanta aminareo aho, mba hianiana amin'ny Tompo hianareo, fa ho toy ny namindrako fo taminareo no mba hamindranareo fo amin'ny ankohonan'ny raiko koa; ary omeo famantarana mahatoky aho, 13 fa hovelominareo ny raiko aman-dreniko, sy ny anadahy aman-drahavaviko, mbamin'ny olona rehetra momba azy, ka hamonjy anay tsy ho faty hianareo. 14 Dia hoy izy roa lahy taminy: Raha tsy ambaranao izao raharahanay izao dia aoka ho faty ho anareo izahay; ary rahefa homen'ny Tompo anay ny tany dia famindram-po amam-pahamarinana no hataonay aminao. 15 Dia nampidininy tamin'ny mahazaka avy eo am-baravaran-kely izy ireo, fa nanolotra ny manda indrindra ny tranony, ary teo ambony manda no nitoerany.
16 Ka hoy izy taminy: Mankanesa any an-tendrombohitra, fandrao tojo ny mpanenjika hianareo, ary miere any hateloana, mandra-piveriny; fa rahefa afaka izany vao mandehana amin'ny làlanareo. 17 Dia hoy ireo lehilahy taminy hoe: Izao no mba hanatanterahana ny fianianana nasainao hataonay: 18 Rahefa hiditra amin'ity tany ity izahay dia afehezo eo amin'ny varavaran-kely nampidinanao anay ity kofehy mena mangatrakatraka ity, ary vorio ato aminao, ato an-tranonao, avokoa ny ray aman-dreninao sy ny anadahinao mbamin'ny ankohonan-drainao rehetra. 19 Ary izay mivoaka ny varavaran'ny tranonao ho any ivelany, dia azy ho azy ny rany, fa tsy anananay tsiny. Fa raha mikasi-tànana ny anankiray amin'izay rehetra ao an-tranonao, dia anay ho anay ny rany. 20 Raha hianao koa no manambara izao raharahanay izao, dia afaka amin'ny fianianana nampanaovinao anay izahay. 21 Hoy ny navaliny azy: Aoka ho araka ny teninareo. Dia nalefany izy ireo ka nandeha, ary nafehiny teo amin'ny varavaran-kely ilay kofehy mena mangatrakatraka. 22 Nony nandeha ireto mpisafo tany dia nankany an-tendrombohitra sy nijanona hateloana tao, mandra-piverin'ny mpanenjika azy. Nikaroka azy tany an-dàlana rehetra tany ireo mpanenjika azy, fa tsy nahita azy.
23 Dia niverina izy roa lahy, ka nidina ny tendrombohitra sy nita an'i Jordany. 24 Tonga tany amin'i Josoe zanak'i Nòna izy dia nilaza ny zavatra rehetra nihatra taminy. 25 Hoy izy tamin'i Josoe: Efa natolotry ny Tompo eo an-tànantsika tokoa ny tany rehetra, ary efa ketraka ny mponina rehetra amin'ny tany eo anoloantsika.
Toko faha-3
1 Dia nifoha maraina koa Josoe, ka niala tany Setima izy mbamin'ny zanak'Israely rehetra; nony tonga tao Jordany izy ireo dia nijanona teo, alohan'ny hitana azy.2 Nony afaka hateloana, dia nitety ny toby ny manam-boninahitra, 3 ka nandidy ny vahoaka hoe: Rahefa hitanareo ny fiaran'ny faneken'ny Tompo Andriamanitrareo, entin'ny mpisorona Levita, dia mialà eo amin'ity toerana itobianareo ity, ka miaingà manaraka azy. 4 Asio elanelany sahabo ho arivo hakoho anefa aminareo sy izy, mba hahitanareo ny làlana hombanareo, fa làlana mbola tsy nalehanareo na oviana na oviana izany. 5 Ary hoy Josoe tamin'ny vahoaka: Hamasino ny tenanareo, fa hanao fahagagana eo afovoanareo Iaveh rahampitso. 6 Dia niteny tamin'ny mpisorona Josoe ka nanao hoe: Ento ny fiaran'ny fanekena ka mità eo alohan'ny vahoaka. Dia nentin'izy ireo ny fiaran'ny fanekena, ka nandroso teo alohan'ny vahoaka izy. 7 Hoy Iaveh tamin'i Josoe: Indro aho hanomboka hanandratra anao eo imason'Israely rehetra mba ho fantany fa toy ny nombako an'i Moizy no ombàko anao koa.
8 Ary hianao dia manomeza izao didy izao amin'ny mpisorona mitondra ny fiaran'ny fanekena: Rahefa tonga eo amoron'ny ranon'i Jordany hianareo, dia mijanòna ao anatin'i Jordany. 9 Ary Josoe nilaza tamin'ny zanak'Israely hoe: Manatòna hianareo, ary mihainoa ny tenin'ny Tompo Andriamanitrareo. 10 Dia hoy Josoe: Izao no hahafantaranareo fa eo afovoanareo tokoa ny Andriamanitra velona, ka tsy maintsy horoahiny eo anoloanareo tokoa ny Kananeana, ny Heteana, ny Heveana, ny Ferezeana, ny Gergeseana, ny Amoreana, ary ny Jeboseana: 11 Indro handroso eo alohanareo ao anatin'i Jordany ny fiaran'ny faneken'ilay Tompon'ny tany rehetra; 12 koa ankehitriny mangalà roa ambin'ny folo lahy amin'ny fokon'Israely, dia lehilahy iray avy isam-pokony. 13 Ary raha vao miroboka ao anatin'ny ranon'i Jordany ny faladian-tongotry ny mpisorona mitondra ny fiaran'ny Tompo, Tompon'ny tany rehetra, dia ho tapaka ny ranon'i Jordany, ny midina avy any ambony, ka hihandrona hoatra ny antontan-javatra. 14 Nony efa nivoaka ny lainy ny vahoaka hita an'i Jordany dia nialoha ny vahoaka ny mpisorona mitondra ny fiaran'ny fanekena.