Bokin'i Josoe
Toko faha-3
15 Raha vao tonga teo Jordany ny mpitondra ny fiara, ary niroboka ny sisin-drano ny tongotry ny mpisorona mpitondra ny fiara - fa tondraka mihoatra ny morony rehetra i Jordany mandritra ny fararano, - 16 dia nihandrona ny rano midina avy any ambony, ka niavosa hoatra ny antontan-javatra tery lavitra ery, akaikin'ny tanànan'i Adoma, izay anilan'i Sartàna, ary tapaka mihitsy ny midina mankany amin'ny ranomasina Arabaha, dia ny ranomasin-tSira, ka nita tandrifin'i Jerikao ny vahoaka. 17 Nitsatoka tsy nihetsika tamin'ny tany maina teo afovoan'i Jordany ny mpisorona nitondra ny fiaran'ny faneken'ny Tompo, nandritra ny nitan'Israely rehetra tamin'ny tany maina, mandra-pahatafitan'ny firenena rehetra an'i Jordany.Toko faha-4
1 Nony tafita an'i Jordany avokoa ny firenena rehetra, dia hoy Iaveh tamin'i Josoe:2 Mangalà roa ambin'ny folo lahy amin'ny vahoaka, dia lehilahy iray avy isam-pokony, 3 ka omeo didy izy hoe: Makà vato roa ambin'ny folo, avy eo amin'ity fitoerana ity, eo afovoan'i Jordany, amin'ilay fitoerana nitsatohan'ny tongotry ny mpisorona, dia ento miaraka aminareo, sy apetraho eo amin'izay fitoerana hitobianareo anio alina. 4 Dia nantsoin'i Josoe ny lehilahy iray avy isam-pokony, 5 ka nilazany hoe: Mandehana eo alohan'ny fiaran'ny Tompo Andriamanitrareo, eo afovoan'i Jordany, ka samia maka vato iray avy, hatao an-tsoroka, araka ny isan'ny fokon'Israely, 6 mba ho famantarana eo afovoanareo izany. Raha manontany anareo ny zanakareo indray andro any, manao hoe: Inona, hoy hianareo, no hevitr'ireo vato ireo? 7 dia valio hoe: Tapaka teo anoloan'ny fiaran'ny faneken'ny Tompo ny ranon'i Jordany, fa nony nita an'i Jordany ny fiara dia tapaka ny ranon'i Jordany; ka fahatsiarovana mandrakizay ho an'ny zanak'Israely ireto vato ireto. 8 Notanterahin'ny zanak'Israely ny didin'i Josoe, fa araka ny tenin'ny Tompo tamin'i Josoe, dia naka vato roa ambin'ny folo teo afovoan'i Jordany, araka ny isan'ny fokon'Israely, nentiny teo amin'ny fitoerana tsy maintsy handriany amin'ny alina dia napetrany teo. 9 Nanangana vato roa ambin'ny folo Josoe, teo afovoan'i Jordany, teo amin'ilay toerana nijanonan'ny tongotry ny mpisorona nitondra ny fiaran'ny fanekena; ka nipetraka tao mandrak'androany izany.
10 Nijanona teo afovoan'i Jordany ny mpisorona nitondra ny fiara, mandra-pahatanteraky ny zavatra nasain'ny Tompo nolazain'i Josoe tamin'ny vahoaka, araka izay rehetra nandidian'i Moizy an'i Josoe; dia nita faingana ny olona.
11 Nony tapitra avokoa ny vahoaka rehetra dia nandeha teo anoloan'ny vahoaka ny fiaran'ny Tompo sy ny mpisorona. 12 Ary nandroso samy nitam-piadiana teo alohan'ny zanak'Israely, araka ny tenin'i Moizy taminy, ny tarana-dRobena sy ny taranak'i Gada, ary ny antsasaky ny fokon'i Manase, 13 Lehilahy sahabo ho efatra alina voaoman-kiady no nita teo anatrehan'ny Tompo teo amin'ny tany lemak'i Jerikao. 14 Nasandratry ny Tompo teo imason'Israely rehetra Josoe, tamin'izany andro izany, ka toy ny natahoran'izy ireo an'i Moizy no natahorany azy koa, tamin'ny andro rehetra niainany. 15 Ary niteny tamin'i Josoe Iaveh nanao hoe:
16 Omeo didy ny mpisorona mitondra ny fiaran'ny Vavolombelona, hiala eo Jordany. 17 Dia nomen'i Josoe ny mpisorona izao didy izao: Mialà eo Jordany hianareo. 18 Nony niala teo afovoan'i Jordany ny mpisorona nitondra ny fiaran'ny faneken'ny Tompo ka vao nikasika ny tany maina ny faladian-tongony, dia nody amin'ny toerany ny ranon'ny ony, toy ny taloha nihoatra ny morona indray. 19 Tamin'ny andro fahafolon'ny volana voalohany no niala teo Jordany ny vahoaka dia nitoby tao Galgalà, teo amin'ny sisintanin'i Jerikao farany atsinanana.
20 Natsangan'i Josoe teo Galgalà, ny vato roa ambin'ny folo nalain'izy ireo tao Jordany,
21 ka hoy izy tamin'ny zanak'Israely: Rahefa hanontany an-drainy ny zanakareo indray andro any hoe: 22 Inona no hevitr'ireo vato ireo? dia atoroy ny zanakareo ataovy hoe: Nandia tany maina Israely nita io Jordany io. 23 Satria nataon'ny Tompo Andriamanitrareo maina ny ranon'i Jordany teo anoloanareo mandra-pitanareo, toy ny nataon'ny Tompo Andriamanitrareo tamin'ny ranomasina Mena, izay nataony maina teo anoloantsika, mandra-pitantsika, 24 mba ho fantatry ny firenena rehetra eto an-tany, fa mahery ny tànan'ny Tompo, ary mba hatahoranareo mandrakariva an'ny Tompo Andriamanitrareo.
Toko faha-5
1 Nony ren'ny mpanjakan'ny Amoreana rehetra any an-dafin'i Jordany any andrefana sy ny mpanjakan'ny Kananeana rehetra akaikin'ny ranomasina fa nataon'ny Tompo maina ny ranon'i Jordany teo anoloan'ny zanak'Israely mandra-pitantsika, dia kivy ny fony ka nanary toky teo anoloan'ny zanak'Israely izy.2 Tamin'izany andro izany hoy Iaveh tamin'i Josoe: Manaova antsy vato ho anao, ka ataovy fanindroany ny famorana ny zanak'Israely.
3 Dia nanao antsy vato ho azy Josoe, ka namora ny zanak'Israely teo an-kavoana Aralota. 4 Izao no antony namoran'i Josoe azy: Ny vahoaka rehetra nivoaka avy tany Ejipta, ny lehilahy, ny mpiantafika rehetra dia efa maty tany an'efitra avokoa, teny an-dàlana, taorian'ny nivoahany avy tany Ejipta. 5 Fa efa voafora daholo ny vahoaka rehetra nivoaka, fa ny vahoaka rehetra teraka tany an'efitra, teny an-dàlana kosa, hatramin'izay nivoahana tany Ejipta dia tsy voafora. 6 Satria efapolo taona no nandehanan'ny zanak'Israely tany an'efitra, mandra-pahalany ritra ny firenena rehetra, dia ny mpiantafika rehetra nivoaka avy tany Ejipta, fa tsy nihaino ny feon'ny Tompo, ka efa nianianan'ny Tompo taminy fa izy ireo tsy havelany hahita ny tany izay nianianany tamin'ny razany homena antsika, tany tondra-dronono sy tantely. 7 Ary ny zanany no natsangany handimby azy, ka ireo no noforan'i Josoe, satria mbola tsy voafora avokoa, noho izy tsy noforàna teny an-dàlana. 8 Nony tapitra voafora avokoa ny firenena rehetra dia nijanona teo amin'izay nitoerany tao an-toby izy aloha, mandra-pahasitrany. 9 Ary hoy Iaveh tamin'i Josoe: Nesoriko ho afaka taminareo androany ny fahafaham-baraka tany Ejipta. Dia natao hoe Galgalà mandraka androany izany toerana izany. 10 Nitoby tao Galgalà ny zanak'Israely, dia nanao ny Paka, tamin'ny andro fahefatra ambin'ny folon'ny volana, rahefa harivariva ny andro, teo an-tany lemak'i Jerikao.
11 Ny ampitson'ny Paka ihany no efa nihinanany mofo tsy misy lalivay sy lango, tamin'ny vokatry ny tany. 12 Ary ny ampitson'ny Paka, rahefa nihinana tamin'ny vokatry ny tany izy, dia nitsahatra ny mana; ary tsy nahazo mana intsony ny zanak'Israely, ka dia ny vokatry ny tany Kanaana no nohaniny tamin'izany taona izany. 13 Efa mby akaiky an'i Jerikao Josoe, no nanopy maso nijery, ka indro nisy lehilahy anankiray nitana sabatra voatsoaka nijoro teo anatrehany; dia nanatona azy Josoe, ka nanao taminy hoe: Momba anay va hianao sa momba ny fahavalo?
14 Tsia, hoy ny navaliny, fa filohan'ny tafik'Iaveh no tonga eto ankehitriny aho. 15 Nidaboka tamin'ny tany sy niankohoka Josoe, ka nanao taminy hoe: Inona no lazain'ny Tompoko amin'ny mpanompony? 16 Ary hoy ilay filohan'ny tafik'Iaveh tamin'i Josoe: Esory hiala amin'ny tongotrao ny kapanao, fa masina io tany ijanonanao io. Dia nataon'i Josoe izany.
Toko faha-6
1 Nihidy Jerikao, ka nirindrina hatraiza hatraiza noho ny amin'ny zanak'Israely: tsy nisy nivoaka, tsy nisy niditra ny olona.2 Ary hoy Iaveh tamin'i Josoe: Jereo, efa natolotro eo an-tànanao Jerikao, mbamin'ny mpanjakany sy ny olo-maheriny.
3 Koa mandehana manodidina ny tanàna hianareo rehetra, dia ny lehilahy mpiantafika, mandehana hianareo manodidina indray maka ny tanàna, ka henemana hianareo hanao toy izany ihany. 4 Mpisorona fito no hitondra trompetra fito mafy faneno eo alohan'ny fiara, ary amin'ny andro fahafito hianareo handeha manodidina impito ny tanàna, ary ny mpisorona hitsoka ny trompetra. 5 Rahefa mitsoka ny trompetra mafy faneno izy ka renareo ny feon'ny trompetra, dia hanao akoralava ny vahoaka, ka hirodana ho azy ny mandan'ny tanàna, ary samy hiakatra amin'ny hitsiny avy ny vahoaka. 6 Dia niantso ny mpisorona Josoe, zanak'i Nòna, ka nanao taminy hoe: Ento ny fiaran'ny fanekena, ka aoka ny mpisorona fito hitondra trompetra fito mafy faneno eo alohan'ny fiaran'ny Tompo.
7 Ary hoy izy tamin'ny vahoaka: Mandrosoa hianareo mandehana manodidina ny tanàna, ary aoka handeha eo alohan'ny fiaran'ny Tompo ny lehilahy mitam-piadiana.