Bokin'i Josoe

Toko faha-6

8 Nony efa niteny tamin'ny vahoaka Josoe, dia nandeha ireo mpisorona fito, nitondra ny trompetra fito mafy faneno, teo alohan'ny Tompo sy nitsoka trompetra, ary ny fiaran'ny faneken'ny Tompo dia nandroso teo aoriany.

9 Ny lehilahy àry fiadiana nandeha teo alohan'ny mpisorona nitsoka trompetra, ary ny vody làlana kosa nanarakaraka ny fiara; teo am-pandehanana dia notsofina ny trompetra. 10 Izao no didy efa nomen'i Josoe ny vahoaka: Aza manakora na miloa-peo, ary aza miloaka teny indraim-bava akory ny vavanareo, mandra-pahatongan'ny andro hilazako aminareo hoe: Manakorà. Fa amin'izay vao hanakora hianareo. 11 Dia nandroso nanodidina ny tanàna ny fiaran'ny Tompo, dia nanodidina azy indray mandeha; ka rahefa izany dia niverina tany an-toby ny olona, dia nandry tao. 12 Ny ampitson'iny, dia nifoha Josoe, ary nitondra ny fiaran'ny Tompo ny mpisorona.

13 Niainga ny mpisorona fito nitondra ny trompetra fito mafy faneno, teo alohan'ny fiaran'ny Tompo ary nitsoka ny trompetra. Ny lehilahy àry fiadiana nandeha teo alohan'ireo, ary ny vody làlana nanarakaraka ny fiaran'ny Tompo. Teo am-pandehanana dia notsofina ny trompetra. 14 Nandeha nanodidina ny tanàna indray mandeha koa izy tamin'ny andro faharoa, dia niverina tany an-toby; ka henemana izy nanao toy izany ihany. 15 Tamin'ny andro fahafito vao mangiran-dratsy ny andro dia nifoha izy ireo, ka nandeha manodidina ny tanàna araka ny fanaony, nataony impito; androtr'io ihany no nandehanany impito manodidina ny tanàna.

16 Nony tamin'ny fanimpitony raha nitsoka ny trompetra ny mpisorona, dia hoy Josoe tamin'ny vahoaka: Manakorà, fa efa natolotry ny Tompo anareo ny tanàna. 17 Hatao anatema ho an'ny Tompo ny tanàna, dia izy mbamin'izay rehetra ao aminy; fa Rahaba janga irery no hovelomina, dia izy sy izay rehetra miaraka aminy ao an-trano, noho izy nanafina ny iraka nirahintsika. 18 Tandremonareo anefa ny amin'ny zavatra natao anatema, fandrao mahatonga ny tobin'Israely ho anatema ka mampitabataba azy hianareo, raha maka zavatra amin'izay nataonareo anatema. 19 Ny volafotsy amam-bolamena rehetra, mbamin'ny fanaka varahina sy vy, dia hatokana ho an'ny Tompo avokoa, ka hiditra amin'ny rakitry ny Tompo. 20 Dia nanakora ny vahoaka, ary nitsoka trompetra ny mpisorona. Nony nandre ny feon-trompetra ny vahoaka dia nanakora mafy dia mafy, ary nirodana ny manda; koa samy niakatra ny tanàna tamin'ny hitsiny avy ny vahoaka. 21 Nony azo ny tanàna dia natolotra ho anatema tamin'ny lelan-tsabatra avokoa izay rehetra tao amin'ny tanàna, na lahy na vavy, na tanora na antitra, ary na dia hatramin'ny omby aman'ondry sy ny ampondra aza. 22 Ary hoy Josoe tamin'izy roa lahy izay nisafo ny tany: Midira ao an-tranon'ilay vehivavy janga, ka ento mivoaka ravehivavy sy izay rehetra azy, araka ny efa nianiananareo taminy.

23 Dia niditra ireo zatovo ireo mpisafo tany, ka nentiny nivoaka Rahaba sy ny ray aman-dreniny ary ny anadahiny mbamin'izay rehetra azy; nentiny nivoaka ny olona rehetra amin'ny fianakaviany, dia nataony any ivelan'ny tobin'Israely. 24 Dia nodoran'ny zanak'Israely ny tanàna mbamin'izay rehetra tao aminy, afa-tsy ny volafotsy amam-bolamena, mbamin'ny fanaka rehetra varahina sy vy, izay napetrany ao amin'ny rakitry ny tranon'ny Tompo.

25 Novelomin'i Josoe Rahaba janga, sy ny ankohonan-drainy mbamin'izay rehetra azy, ka mitoetra eo amin'Israely mandraka androany izy, noho izy nanafina ny iraka nirahin'i Josoe hisafo an'i Jerikao. 26 Tamin'izany andro izany Josoe nianiana nanao hoe: Ho voaozona eo anatrehan'ny Tompo izay olona hitsangana hanorina indray ity tanànan'i Jerikao ity; ny lahimatoany no hanefany ny sazin'ny hanorenany ny fotony, ary ny faralahiny no hanefany ny sazin'ny hananganany ny vavahadiny.

27 Nomban'ny Tompo Josoe, ka niely tamin'ny tany rehetra ny lazany.

Toko faha-7

1 Nanao fahadisoana momba ny anatema ny zanak'Israely; fa naka tamin'ny zavatra natao anatema i Akàna, zanak'i Karmi, zanak'i Zabdì, zanak'i Zare, tamin'ny fokon'i Jodà, ka nirehitra tamin'ny zanak'Israely ny fahatezeran'ny Tompo.

2 Naniraka olona Josoe niala tao Jerikao ho any Haia, any anilan'i Beta-Avena atsinanan'i Betela, ka nanao tamin'ireo hoe: Miakara hisafo ny tany. Dia niakatra ireo olona ireo, ka nisafo an'i Haia.

3 Nony tafaverina tao amin'i Josoe izy ireo, dia nilaza taminy hoe: Aoka tsy ny vahoaka rehetra no hiakatra; olona roa na telo arivo ihany no hiakatra dia ho resiny Haia, ka aza manasatra ny vahoaka rehetra ny amin'izany tanàna izany, fa vitsy izy ireo. 4 Tokony ho telo arivo lahy tamin'ny vahoaka no niakatra, kanjo vaky nandositra teo anoloan'ny mponina tao Haia ireo. 5 Nahafaty tokony ho enina amby telopolo lahy tamin'izy ireo ny olona tao Haia, sady nanenjika azy hatrany am-bavahady ka hatrany Sabarima, sy namely azy teny am-pidinana. Ka nivarahontsana tery ny fon'ny vahoaka, ary nanary toky izy. 6 Dia notriarin'i Josoe ny fitafiany ka nihohoka tamin'ny tany teo anatrehan'ny fiaran'ny Tompo izy sy ny loholon'Israely, mandra-paharivan'ny andro, sady nandraraka vovoka tamin'ny lohany izy ireo.

7 Ary hoy Josoe: Andray, ry Iaveh Tompo ô, nahoana re no dia nampitainao an'i Jordany ity vahoaka ity, hanoloranao anay eo an-tànan'ny Amoreana, mba handringana anay? Inay anie izahay mba nahay nipetraka tany an-dafin'i Jordany ihany. 8 Mifona re aho, ry Tompo ô. Inona no holazaiko, fa Israely ity no niamboho ny fahavalony. 9 Handre izany ny Kananeana sy ny mponina rehetra amin'ny tany, dia hanemitra anay sy hamono ny anaranay eto an-tany. Ka hataonao ahoana ity anaranao lehibe? 10 Dia hoy Iaveh tamin'i Josoe: Mitsangàna hianao, nahoana no miankohoka toy izao?

11 Efa nanota Israely, fa ny fanekeko nasaiko notandremany, nivadihany, ka nangalany ny zavatra natao anantema, norobainy izany, sady namitahany fa nafeniny tany anaty entany. 12 Ka tsy nahatoha ny fahavalony ny zanak'Israely fa niamboho teo anoloan'ny fahavalony izy, satria tonga anatema. Tsy homba anareo intsony aho amin'ny sisa, raha tsy asorinareo hiala aminareo ny anatema. 13 Koa mitsangàna hianao, hamasino ny vahoaka, ka lazao aminy hoe: Hamasino ny tenanareo ho amin'ny rahampitso, fa izao no lazain'ny Tompo Andriamanitr'Israely: Misy anatema eo afovoanao, ry Israely; ka tsy hahatoha ny fahavalonao hianao, mandra-panaisotrareo ny anatema hiala eo afovoanareo. 14 Ny maraina dia hanatona isam-pokony hianareo, ka ny foko izay hotanan'ny Tompo dia hanatona isam-pianakaviana, ary ny fianakaviana izay hotanan'ny Tompo dia hanatona isan-trano, ary ny trano izay hotanan'ny Tompo dia hanatona isam-batan'olona; 15 ary izay voatana ho azon'ny anatema dia hodorana amin'ny afo, izy mbamin'izay rehetra mety ho azy; satria mivadika ny faneken'ny Tompo sy manao izay fady indrindra amin'Israely. 16 Nony ampitso nifoha vao maraina koa Josoe, dia nampanatona an'Israely isam-pokony, ka ny fokon'i Jodà no voatana.

17 Nampanatoniny Jodà isam-pianakaviany, ka ny fianakavian'i Zare no voatana. Nampanatoniny isan-trano ny fianakavian'i Zare, ka Zabdì no voatana. 18 Ary nampanatoniny isam-batan'olona ny tao an-tranon'i Zabdì, ka Akàna zanak'i Karmì, zanak'i Zabdì zanak'i Zare avy amin'ny fokon'i Jodà no voatana. 19 Dia hoy Josoe tamin'i Akàna: Akàna, mihanta aminao aho, omeo voninahitra Iaveh Andriamanitr'Israely sy omeo haja izy. Lazao amiko izay nataonao, fa aza afenina ahy izany.

20 Ary hoy Akàna namaly an'i Josoe: Marina izany, izaho tokoa no nanota tamin'ny Tompo Andriamanitr'Israely, ary izao no nataoko: 21 Hitako tamin'ny babo, ny kapaoty tsara anankiray avy any Senaara, volafotsy lanjan-droan-jato sikla, ary anja-bolamena lanjan-dimampolo sikla, nitsiriritra ireo aho ka naka azy; voafina any ambanin'ny tany ao an-daiko izany, ka ny vola no ao ambany. 22 Dia nampandeha iraka Josoe, ka nankany an-day faingana izy ireo, ka indreo ny zavatra voafina tao an-dain'i Akàna, ary ny volafotsy tao ambany; 23 dia nalainy avy tao afovoan'ny lainy ireny ka nentiny tany amin'i Josoe sy ny zanak'Israely rehetra, ary napetrany teo anatrehan'ny Tompo. 24 Josoe sy Israely rehetra niaraka taminy dia naka an'i Akàna zanak'i Zare, mbamin'ny volafotsy, ny kapaoty, ny anja-bolamena, ny zanaka lahy aman-janaka vavin'i Akàna, ny ombiny, ny ampondrany, ny ondriny, ny lainy, mbamin'ny ananany rehetra, ka nentiny niakatra tany an-dohasaha Akora.

25 Dia hoy Josoe: Nahoana no dia nampikorontana anay hianao? Mba hokorontanin'ny Tompo koa hianao anio. Dia nitora-bato azy Israely rehetra. Nodorana tamin'ny afo izy ireo ary notoraham-bato, 26 ary nanangana antontam-bato lehibe teo ambonin'i Akàna ny olona, ka mbola maharitra ao mandraka androany izany. Dia nitony Iaveh tamin'ny firehetan'ny fahatezerany. Noho izany zava-nitranga izany no iantsoana io toerana io mandraka androany hoe Lohasahan'i Akora.

Toko faha-8

1 Ary hoy Iaveh tamin'i Josoe: Aza matahotra na manam-badi-po, fa ento miaraka aminao ny mpiantafika rehetra, dia mitsangàna ka miakara hamely an'i Haia. Jereo efa natolotro eo an-tànanao ny mpanjakan'i Haia, mbamin'ny vahoakany sy ny tanànany ary ny taniny.

2 Koa tahaka ny nanaovanao an'i Jerikao sy ny mpanjakany no hanaovanao an'i Haia sy ny mpanjakany koa; saingy ny babo avy aminy sy ny biby ompiny kosa no alao ho anareo. Asio otrika ao ivohon'ny tanàna. 3 Dia niainga Josoe sy ny mpiantafika rehetra hiakatra hamely an'i Haia. Nifidy lehilahy mahery telo alina Josoe, nalefany tamin'ny alina,

4 ka izao no baiko nomeny azy: Mahìna hianareo, dia aoka hanotrika ao ivohon'ny tanàna hianareo, ka aza manalavitra ny tanàna loatra ary samia mivonona hatrany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1403