Bokin'i Josoe

Toko faha-8

5 Fa hanatona ny tanàna aho sy ny vahoaka rehetra izay miaraka amiko, ka nony mivoaka mitsena anay izy ireo toy ny tamin'ny teo, dia handositra eo anoloany izahay. 6 Ary hivoaka hanenjika anay izy ireo mandra-pahatarikay azy lavitra ny tanàna fa hanao hoe: Mandositra antsika toy ny teo izy. Ka dia handositra eo anoloany izahay. 7 Amin'izay kosa hianareo dia hivoaka avy ao amin'ny fanaotrehanareo, ka haka ny tanàna; hatolotry ny Tompo Andriamanitrareo eo an-tànanareo izy. 8 Ary rahefa azonareo izy dia doroy, ataovy araka ny tenin'ny Tompo. Indro efa nomeko didy hianareo izao. 9 Dia nalefan'i Josoe izy ireo ka lasa naka toerana hiotrika tao anelanelan'i Betela sy Haia, tao andrefan'i Haia. Ary Josoe kosa nitoetra teo amin'ny vahoaka ihany tamin'iny alina iny. 10 Dia nifoha maraina koa Josoe, ka nony efa nijery ny toetry ny vahoaka, dia nandroso izy mbamin'ny loholon'Israely, nitarika ny vahoaka hamely an'i Haia.

11 Niakatra sy nanatona tao avokoa ny lehilahy mpiantafika rehetra teo aminy; nony tonga teo an-tandrifin'i Haia izy, dia nitoby teo avara-tanàna, ka ny lohasaha no nanelanelana azy sy Haia. 12 Dia naka lehilahy sahabo ho dimy arivo Josoe, napetrany ho otrika eo anelanelan'i Betela sy Haia, teo andrefan-tanàna. 13 Nony voalahatry ny vahoaka ny toby rehetra teo avara-tanàna, sy ny otrika teo andrefan-tanàna dia nandroso eo am-pamatonan-dohasaha iny alina iny ihany Josoe. 14 Vao nahita izany ny mpanjakan'i Haia dia nifoha maraina koa faingana ny lehilahy tao an-tanàna ka nivoaka hitsena an'Israely. nandroso niaraka tamin'ny vahoakany rehetra ny mpanjaka nankeo amin'ny toerana nifanekena tandrifin'ny lohasaha, fa tsy nahalala hoe misy otrika hamely azy ao ivohon'ny tanàna.

15 Nody resy teo anoloan'izy ireo Josoe sy Israely rehetra, ka nandositra tamin'ny làlana mankany an'efitra. 16 Tamin'izay ny vahoaka rehetra tao an-tanàna, nifamory hanenjika azy ireo. Dia nanenjika an'i Josoe izy ireo, ka dia voatarika lavitra ny tanàna. 17 Tsy nisy lehilahy sisa tao Haia sy tao Betela fa nivoaka nanenjika an'Israely izy rehetra. Navelany nivoha ny tanàna, ka lasa nanenjika an'Israely izy. 18 Ary hoy Iaveh tamin'i Josoe: Atsory mankany Haia ny lefona eny an-tànanao, fa efa natolotro ho eo ambany fahefanao izy. Dia natondron'i Josoe ny tanàna ny lefona teny an-tànany. 19 Vao nanatsotra ny tànany izy, dia niriotra faingana avy eo amin'izay nitoerany ny otrika, ka nihazakazaka niditra ny tanàna sy naka azy, ka nodorany faingana ny tanàna. 20 Niherika kosa ny tompon-tanànan'i Haia ka nahita ny setroky ny tanàna nisavoana any an-danitra, ary izy ireo tsy afa-nandositra intsony, na ho aiza na ho aiza, fa ny vahoaka nandositra mankany an'efitra nifontina namely azy nanenjika. 21 Ary nony hitan'i Josoe sy Israely rehetra ity tanàna efa azon'ny otrika, sy ny setroka nisavoana, dia nifototra izy ka namely ny mponina tao Haia; 22 ry zareo kosa nivoaka tao an-tanàna hitsena azy ka tonga voalafatry ny Israelita ny mponina tao Haia, ny sasany avy ao an-daniny iray, ny sasany koa avy ao an-kilany iray; ka noresen'ny Israelita izy, ka tsy nasiany olona iray sisa velona na afa-nandositra. 23 Nataony sambo-belona ny mpanjakan'i Haia, ka nentiny teo amin'i Josoe. 24 Nony tapitra matin'Israely ny mponina rehetra tao Haia, na teny an-tsaha, na tany an'efitra nanenjehany azy, ka efa lavon'ny lelan-tsabatra daholo hatramin'ny farany indrindra, dia niverina tao an-tanàna indray Israely rehetra ka novonoiny tamin'ny lelan-tsabatra ny olona tao.

25 Roa arivo sy iray alina no tontalin'ny maty tamin'izany andro izany, na lahy na vavy, samy mponina tao Haia avokoa.

26 Tsy nahemotr'i Josoe ny tànany natsotrany sy ny lefona mandra-panaovany anatema ny mponina rehetra tao Haia. 27 Ny biby fiompy sy ny zavatra babo tao an-tanàna ihany no nalain'ny Israelita, araka ny didin'ny Tompo, izay nandidiany an'i Josoe. 28 Nodoran'i Josoe Haia ary nofongorany nataony antontan-trano rava mandrakizay, izay mbola ao mandraka androany. 29 Nasainy hahantona tamin'ny hazo anankiray ny mpanjakan'i Haia, ka navelany teo mandra-paharivan'ny andro. Nony maty ny masoandro dia nasain'i Josoe nesorina teo amin'ny hazo ny fatiny, ka natsipy tao am-bavahadin'ny tanàna, sy notindriana antontam-bato lehibe izy mbola ao mandraka androany. 30 Tamin'izay Josoe dia nanangana otely ho an'ny Tompo Andriamanitr'Israely tao an-tendrombohitra Hebala,

31 araka ny didy nomen'i Moizy mpanompon'ny Tompo ny zanak'Israely, araka izay voasoratra ao amin'ny bokin'ny lalàn'i Moizy, dia otely vato tsy voavoatra, izay tsy voavely vy. Ary nanolotra sorona dorana teo amboniny ho an'ny Tompo izy ireo sy nanao sorom-pihavanana koa. 32 Nosoratan'i Josoe tamin'ny vato teo koa, ny dikan'ny lalàna efa nosoratan'i Moizy teo anatrehan'ny zanak'Israely. 33 Nitsangana teo an-daniny roa amin'ny fiaran'ny faneken'ny Tompo, Israely rehetra, ny loholony, ny manamboninahiny, ny mpitsarany, na ny vahiny na ny zanak'Israely, ny antsasany teo anilan'ny tendrombohitra Hebala, araka ny didy nomen'i Moizy mpanompon'ny Tompo fahiny, mba hitso-drano ny vahoakan'Israely. 34 Rahefa izany novakin'i Josoe ny tenin'ny lalàna rehetra dia ny tso-drano sy ny fanozonana araka izay rehetra voasoratra ao amin'ny bokin'ny lalàna. 35 Tamin'izay rehetra nandidian'i Moizy dia tsy nisy teny iray tsy novakin'i Josoe teo anatrehan'ny fiangonan'Israely rehetra, ny vehivavy sy ny zaza ary ny vahiny nitoetra teo afovoany.

Toko faha-9

1 Nony nandre izany ny mpanjaka rehetra aty an-dafin'i Jordany, na ny eny amin'ny tendrombohitra na ny eny amin'ny tany lemaka na ny amoron-tsiraky ny ranomasina lehibe, tandrifin'i Libàna, ny Amoreana, ny Kananeana, ny Ferezeana, ny Heveana, ary ny Jeboseana,

2 dia niray hina hiara-miady amin'i Josoe sy Israely. 3 Fa ny mponina tao Gabaona kosa, nony nandre ny nanaovan'i Josoe an'i Jerikao sy Haia,

4 dia nanao hafetsena. Niainga handeha izy ka nitondra vatsy ho eny an-dàlana; lasàka tonta sy siny hoditra fasian-divay efa rovitra sy mizaitra no nataony teo ambonin'ny ampondrany, 5 kapa tranainy sy mitampintampina no teo amin'ny tongony, lamba tonta no teo an-kodiny, ny mofo hohaniny dia maina sy efa potipotika avokoa. 6 Dia nankany amin'i Josoe tao an-toby tany Galgalà izy ireo, ka niteny taminy sy tamin'ny lehilahy rehetra tamin'Israely hoe: Avy any an-tany lavitra izahay; koan ankehitriny, aoka mba hanao fanekena aminay hianareo. 7 Fa namaly ireto Heveana ny lehilahy tamin'Israely: Sao dia monina eto aminay ihany hianareo, ka ahoana no hanaovanay fanekem-pihavanana aminareo? 8 Dia hoy ireo tamin'i Josoe: Mpanomponao izahay. Ary hoy Josoe taminy: Iza moa hianareo, ary avy aiza? 9 Dia hoy izy ireo: Tonga avy any an-tany lavitra indrindra ny mpanomponao noh ony anaran'ny Tompo Andriamanitrao, fa nandre ny lazany izahay sy izay rehetra nataony tany Ejipta, 10 ary ny nanaovany ny mpanjakan'ny Amoreana roa lahy tany an-dafin'i Jordany, dia Sehona mpanjakan'i Hasebona sy Oga mpanjakan'i Basàna, izay nonina tany Astarota. 11 Ka hoy ny loholonay sy ny mponina rehetra amin'ny taninay taminay: Mitondrà vatsy ho any an-dàlana, ka mandehana mitsena azy ireo, ary lazao aminy hoe: Mpanomponareo izahay, koa ankehitriny aoka mba hanao fanekem-pihavanana aminay hianareo. 12 Jereo ny mofonay, vao nafana itony no nalainay tany an-tranonay hatao vatsy, tamin'ny andro niainganay ho aty aminareo, ary izao kosa dia indro fa efa maina sy potipotika.

13 Mbola vao ireto siny hoditra fasiana divay ireto no nofenoinay azy, nefa he, rovitra izy ankehitriny, ary ny lamba aman-kapanay dia nihatonta, fa lavitra dia lavitra ny dia nalehanay. 14 Dia nangalan'ny lehilahy tamin'Israely ny vatsin'izy ireo, nefa tsy nanontany izay tenin'ny Tompo izy; 15 ary nanaiky hihavana amin'izy ireo Joseo, sy nanao fanekem-pihavanana taminy fa hovelominy izy; sady nianiana taminy araka izany koa ny lohan'ny fiangonana. 16 Kanjo, hateloana taorian'ny nanaovana ny fanekem-pihavanana dia re fa mifanakaiky aminy sy monina eo aminy ihany ireo.

17 Koa niainga ny zanak'Israely dia tonga tany an-tanànan'izy ireo nony afaka hateloana; ny tanànany dia Gabaona, Kfira, Berota ary Kariatiarima. 18 Noho ny fianianana nataon'ny lohan'ny fiangonana taminy tamin'ny anaran'ny Tompo Andriamanitr'Israely dia tsy namely azy ireo izy, nefa nimonomonona tamin'ny filohany, ny fiangonana rehetra. 19 Ka hoy ny filohany rehetra tamin'ny fiangonana rehetra: Efa nanao fianianana taminy izahay tamin'ny Tompo Andriamanitr'Israely, ary izao tsy mahazo mikasika azy isika.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1528