Bokin'i Josoe

Toko faha-15

55 Maona, Karmela, Zifa, Jotà, 56 Jezraela, Jokadama, Zanoe, 57 Akaïna, Gabaà, Tamnà: tanàna folo sy ny zanabohiny; 58 Halola, Besora, Gedora, 59 Mareta, Bet-Anota sy Eltekona, tanàna enina sy ny zanabohiny. 60 Kariat-Baala, dia Kariat-Jearima izany ary Arebà: tanàna roa sy ny zanabohiny. 61 Ny tao amin'ny efitra: Bet-Aralà, Medina, Sakakà,

62 Nebsana, Ir-Hamelàka ary En-Gadi: tanàna enina sy ny zanabohiny. 63 Tsy naharoaka ny Jeboseana izay monina ao Jerosalema ny taranak'i Jodà, ka niara-nitoetra tamin'ny taranak'i Jodà ao Jerosalema ny Jeboseana mandraka androany.

Toko faha-16

1 Ny an'ny taranak'i Josefa araka ny filokana: Ny any atsinanana dia niantomboka avy eo amin'i Jordany ao Jerikao; avy eo dia tonga amin'ny efitra izay miakatra avy any Jerikao hatramin'i Betela mihazo ny tendrombohitra.

2 Avy ao Betela ny faritry ny tany nihatra tamin'i Lozy, ary nihazo tamin'ny faritry ny tanin'ny Arkeana ao Atarota, 3 dia nidina ao andrefana mankany amin'ny tanin'ny Jefletiana, hatramin'ny tanin'i Betorona ambany ka hatrany Gazera, dia nihatra amin'ny ranomasina. 4 Izany no lova noraisin'ny taranak'i Josefa, dia Manase sy Efraima. 5 Izao no faritry ny tanin'ny taranak'i Efraïma araka ny fianakaviany: ny faritry ny lovany dia izao: amin'ny atsinanana, Ataret-Adara hatrany Betorona ambony.

6 Amin'ny lafiny andrefana ny faritry ny tany dia nipaka tamin'i Makmetata, any avaratra, ary niolaka ny faritry ny tany atsinanana mankany Tanata-Selao, dia nihazo teo anoloany mankamin'ny atsinanan'i Janoe. 7 Avy eo Janoe dia nidina nankany Atarota sy Naaratà, nikasika an'i Jerikao, ka nihatra an'i Jordany. 8 Avy eo Tafohà dia nandroso any amin'ny lafiny andrefana ho any amin'ny ranon-driaka Kanà, ka nihatra tamin'ny ranomasina. Izany no lovan'ny taranak'i Efraïma araka ny fianakaviany. 9 Nisy tanàna koa samy omban'ny zanabohiny avy nitokana teo afovoan'ny lovan'ny taranak'i Manase, ka an'ny taranak'i Efraïma. 10 Tsy nandroaka ny Kananeana nonina tao Gazera izy ireo, ka niara-nonina tamin'i Efraïma mandrak'androany ny Kananeana, nefa ampanaoviny fanompoana kosa.

Toko faha-17

1 Mbola nisy zara tany koa ho an'ny fokon'i Manase araka ny filokana noho izy lahimatoan'i Josefa. Makira lahimatoan'i Manase sy rain'i Galaada dia nahazo an'i Galaada sy Basana, satria lehilahy mpiantafika izy.

2 Ny taranak'i Manase sisa koa, dia samy nomena anjara araka ny fianakaviany avy, dia ny taranak'i Abiezera, ny taranak'i Heleka, ny taranak'i Esriela, ny taranak'i Sekema, ny taranak'i Hefera, ary ny taranak'i Semidà; ireo no zanakalahin'i Manase zanak'i Josefa, araka ny fianakaviany. 3 Salfaada, zanak'i Hefera, zanak'i Galaada, zanak'i Makira, zanak'i Manase, tsy nanan-janakalahy, fa zanakavavy no nananany; ka ireto no anaran'ny zanany vavy: Maalà, Noà, Heglà, Melkà, ary Tersà. 4 Nankeo anatrehan'i Eleazara mpisorona sy teo anatrehan'i Josoe zanak'i Nòna, sy teo anatrehan'ny filohany izy ireo, ka nanao hoe: Nandidy an'i Moizy Iaveh hanome zara tany anay eo amin'ny anadahinay. Dia nomena zara tany teo amin'ny rahalahin-drainy izy ireo, araka ny didin'ny Tompo. 5 Koa nahazo anjaram-polo Manase, afa-tsy ny tany Galaada sy Basàna, any an-dafin'i Jordany, 6 satria ny zanaka vavin'i Manase dia nahazo lova teo afovoan'ny zanakalahin'i Manase sisa. 7 Ny faritry ny tanin'i Manase, dia hatrany Asera no mankany Makmetata, izay tandrifin'i Sikema, ka nandroso niankavanana ny faritry ny tany mankany amin'ny mponina ao En-Tafoà:

8 An'i Manase ny tany momba an'i Tafoà; fa Tafoà any amin'ny vava tanin'i Manase, no an'ny taranak'i Efraïma. 9 Dia nidina ny faritry ny tany ho ao amin'ny ranon-driak'i Kanà, eo atsimon'ny ranon-driaka; ny tanàna amin'io tany io, izay lasan'i Efraïma, dia tao afovoan'ny tanànan'i Manase, ary ao avaratry ny ranon-driaka ka mipaka amin'ny ranomasina, no faritry ny tanin'i Manase. 10 Koa ny ao atsimo dia an'i Efraïma, fa ny ao avaratra no an'i Manase, ary ny ranomasina no mamaritra azy. Eo avaratra izy manolotra an'i Asera, ary ao atsinanana, an'i Isakara. 11 Izao no lasan'i Manase tao amin'ny tanin'Isakara sy Asera: Betisàna sy ny tanàna momba azy, Jeblaama sy ny tanàna momba azy, ny mponina ao Dora sy ny tanàna momba azy, ny mponina ao Tenàka sy ny tanàna momba azy, ny mponina ao Magedao sy ny tanàna momba azy: ireo no faritanin'i Havoan-telo. 12 Tsy nahazo an'ireo tanàna ireo ny zanak'i Manase, ka dia sahy nipetraka tamin'izany tany izany ny Kananeana. 13 Nony efa nihamahery ny zanak'Israely dia nampandoaviny hetra ny Kananeana fa tsy noroahiny. 14 Ary niteny tamin'i Josoe, ny taranak'i Josefa ka nanao hoe: Efa tonga vahoaka be izahay izao, ary notahin'ny Tompo mandrak'androany izahay, ka nahoana no dia loka iray sy anjara iray ihany no nomenao anay?

15 Dia hoy Josoe taminy: Raha vahoaka be àry hianareo miakara any an'ala, ka miteveza any amin'ny tanin'ny Ferezeana sy ny Refaima honenanareo, rahefa ety tsy omby anareo ny tendrombohitr'i Efraïma. 16 Fa hoy ny taranak'i Josefa: Ny tendrombohitra dia tsy omby anay, nefa samy manan-kalesy vy avokoa ao amin'ny Kananeana rehetra monina amin'ny tany lemaka, na ireo any Betisàna sy ny tanàna momba azy, na ireo amin'ny lohasahan'i Jezraela. 17 Izao no navalin'i Joseo ny fianakavian'i Josefa, dia Efraïma sy Manase: Vahoaka be hianao; ka be hery koa; dia tsy anjara iray ihany no anao; 18 fa ho anao koa ny tendrombohitra; ala izany ka dia hotevenao dia ho anao ny sisiny, satria horoahinao ny Kananeana na manan-kalesy vy sy mahery aza izy.

Toko faha-18

1 Nivory ny fiangonan'ny zanak'Israely rehetra tao Silao, ka nanangana ny trano lay fihaonana. Efa resy teo anoloany ny tany.

2 Fito ny foko sisa tsy mbola nahazo ny lovany tamin'ny fokon'ny zanak'Israely.

3 Hoy Josoe tamin'ny zanak'Israely: Mandra-pahoviana hianareo no hanao tsikamokamo amin'ny fakana ny tany izay nomen'ny Tompo Andriamanitry ny razanareo anareo? 4 Koa mifidiana telo lahy isam-poko hianareo, dia hirahiko izy, ary hiainga ka hitety ny tany ireo, ka handahatra ny toetry ny tany hizarana azy, ary hiverina aty amiko indray. 5 Hozarainy fito toko ny tany; Jodà hitoetra amin'ny faritaniny ao atsimo, ary ny taranak'i Josefa hitoetra amin'ny faritaniny ao avaratra. 6 Hianareo àry handahatra ny toetry ny tany hataonareo fito toko, ka hoentinareo mankaty amiko, dia hanao filokana ho anareo eto anatrehan'ny Tompo Andriamanitsika aho. 7 Fa ny Levita, dia tsy mba hanana anjara, ary Gada sy Robena mbamin'ny antsasaky ny fokon'i Manase dia efa nahazo ny lovany tany an-dafin'i Jordany any atsinanana, izay nomen'i Moizy mpanompon'ny Tompo azy. 8 Dia niainga ireo lehilahy ireo, ka lasa nandeha, ary nomen'i Josoe didy izy ireo raha nandeha mba handaharany ny toetry ny tany ka nataony hoe: Mandehana hianareo tetezo ny tany, ka alaharo ny toetrany dia miverena aty amiko, amin'izay aho hanao filokana ho anareo eto Silao eto anatrehan'ny Tompo?

9 Nandeha ireo lehilahy ireo, ary noteteziny ny tany, nalahany tamin'ny boky ny toetrany isan-tanàna, nataony fito toko, dia niverina tany amin'i Josoe tao an-toby tao Silao izy. 10 Dia nanao filokana ho azy ireo, teo anatrehan'ny Tompo, Josoe tao Silao, ka tao no nizaran'i Josoe ny tany tamin'ny zanak'Israely araka ny anjarany. 11 Ny fokon-taranak'i Benjamina araka ny fianakaviany no azon'ny olka, ary ny faritany lasany tamin'ny filokana dia ao anelanelan'ny an'ny taranak'i Jodà sy ny taranak'i Josefa.

12 Amin'ny lafiny avaratra ny faritry ny taniny dia nanomboka eo Jordany dia niakatra ny faritra nianavaratra amin'ny kosolasolan'i Jerikao, dia niakatra indray tamin'ny tendrombohitra any andrefana, ary nipaka tamin'ny efitra Betavena. 13 Avy eo ny faritra dia nahazo an'i Lozy amin'ny kisolasolan'i Lozy, any atsimo, dia Betela izany; dia nidina indray ny faritry ny tany mankany Atarot-Adara, nihazo tamin'ny tendrombohitra ao atsimon'i Betorona ambany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1745