Bokin'i Josoe

Toko faha-18

14 Amin'ny lafiny andrefana dia nandroso ny faritry ny tany ary niolaka hatramin'ny tendrombohitra ao anoloan'i Betorona eo atsimo, ka nipaka tamin'i Kariata-Baala, dia Kariata-Jearima izany, tanànan'ny taranak'i Jodà; izany no lafiny andrefana. 15 Amin'ny lafiny atsimo, nanomboka eo amin'ny tendron'i Kariata-Jearima ny faritry ny tany, ary nandroso niankandrefana nipaka tamin'ny lohan'ny ranon'i Neftòa, 16 dia nidina ny faritra avy amin'ny faran'ny tendrombohitra izay tandrifin'ny lohasahan'ny taranak'i Enoma, ao amin'ny tany lemaky ny Rafaima, eo avaratra; dia nidina indray nandeha amin'ny lohasahan'i Enoma, mankamin'ny kisolasola atsimon'ny Jeboseana, dia nidina hatrany amin'ny loharanon'i Rogela; 17 nandroso any avaratra ary nipaka tamin'i En-semesa, nipaka tamin'i Gelilota izay eo an-tandrifin'ny fiakaran'i Adomima, ary nidina mankamin'ny vaton'i Boena zana-dRobena, 18 nihazo tamin'ny ilany avaratra ny tendrombohitra eo anoloan'ny Arabaha, nidina tamin'ny Arabaha, 19 Nihazo tamin'ny kisolasola avaratr'i Beti-Haglà ny faritry ny tany, ary nipaka tamin'ny farany avaratra amin'ny ranomasin-tSira ny faritry ny tany eo amin'ny vava ranon'i Jordany, ao atsimo: izany no farany atsimo. 20 Ary ny farany atsinanana dia Jordany. 21 Izany no lovan'ny taranak'i Benjamina amin'ny faritra manodidina azy manontolo, araka ny fianakaviany.

22 Ary ny tanànan'ny fokon'ny taranak'i Benjamina araka ny fianakaviany dia: Jerikao, Beti-Heglà, Eneka-Kaisy, Beti-Arabà, Samaraïma,

23 Beteta, Avima, Afarà, Ofera, 24 Kefara-Emona, Ofnì ary Gabe: tanàna roa ambin'ny folo sy ny zanabohiny. 25 Gabaona, Ramà, Berota, 26 Mesfe, Kafarà, Amosa, 27 Rekema, Jarefela, Tarelà, 28 Selà, Elefa, Jebosy, dia Jerosalema izany, Gabaata ary Kariata: tanàna efatra ambin'ny folo, sy ny zanabohiny.

Toko faha-19

1 Simeona no nahazo ny anjara faharoa tamin'ny loka, dia ny fokon-taranak'i Simeona, araka ny fianakaviany: ny lovany dia tao afovoan'ny lovan'ny taranak'i Joda.

2 Ary izao no tao amin'ny lovany: Bersabe, Sabea, Moladà, 3 Haser-Soala, Balà, Asema, 4 Eltolada, Betola, Harmà, 5 Sikelega, Beti-Harkabota, Hasersosa, 6 Beti-Lebaota, ary Sarohena: tanàna telo ambin'ny folo sy ny zanabohiny. 7 Aina, Bemona, Atera, ary Asàna: tanàna efatra sy ny zanabohiny, 8 mbamin'ny zanabohitra rehetra manodidina ireo tanàna ireo, hatrany Baalata-Beera, dia Ramata atsimo. Izany no lovan'ny fokon-taranak'i Seimeona, araka ny fianakaviany. 9 Ny anjaran'ny taranak'i Jodà no nangalana ho lovan'ny taranak'i Simeona, satria ny anjaran'ny taranak'i Jodà dia lehibe loatra ho azy ireo, ka tao afovoan'ny taniny no nahazoan'ny taranak'i Simeona ny lovany. 10 Ny taranak'i Zabolona, araka ny fianakaviany, no nahazo ny anjara fahatelo tamin'ny loka, tonga hatrany Sarida ny faritry ny lovany,

11 niakatra niankandrefana mankany Meralà, ny faritra, nipaka tamin'i Dabaseta, nipaka tamin'ny ranon-driaka ao anoloan'i Jekonama. 12 Avy eo Sarida dia niolaka niantsinanana manandrify ny masoandro miposaka hatrany amin'ny faritr'i Keseleta-Taboro, nihatra hatrany Dabereta, ary niakatra hatrany Jafie. 13 Avy eo dia nihazo tamin'i Gata-Hefera sy Takasina, any atsinanana, manandrify ny masoandro miposaka ary nihatra tamin'i Remona izay mifanolotra amin'ny Noà. 14 Dia niolaka ny faritry ny tany mianavaratra mankany Hanatona, sy nihatra tamin'ny lohasaha Jeftahela. 15 Ny tanàna dia Kateta, Naalola, Semerona, Jedalà sy Betilehema, tanàna roa ambin'ny folo ary ny zanabohiny. 16 Izany no lovan'ny taranak'i Zabolona, araka ny fianakaviany, dia ireo tanàna ireo sy ny zanabohiny. 17 Isakara no nahazo ny anjara fahefatra tamin'ny loka; dia ny taranak'Isakara, araka ny fianakaviany.

18 Ka ny faritry ny taniny dia Jezraela Kasalota, Sonema, 19 Hafaraïma, Seona, Anaharata, 20 Rabota, Kesiona, Abesy, 21 Rameta, En-Ganima, En-Haddà, Beti-Fesesa. 22 Ary ny faritry ny taniny dia nikasika any Tabora sy Sedesema ary Beti-Samesy, ka tafapaka hatrany Jordany, tanàna enina ambin'ny folo sy ny zanabohiny. 23 Izany no lovan'ny fokon'ny taranak'Isakara araka ny fianakaviany, dia ny tanàna sy ny zanabohiny. 24 Ny fokon-taranak'i Asera araka ny fianakaviany, no nahazo ny anjara fahadimy tamin'ny loka.

25 Ny faritry ny taniny dia Halkata, Kalì, Betena Aksafa, 26 Elmeleka, Amaala sy Mesaby; ary eo andrefana, dia nipaka tamin'i Karmela sy Sihora-Labanata, 27 dia niolaka mankany Beti-Dagona, nipaka tamin'i Zabolona sy ny lohasaha Jeftahela eo avaratr'i Beti-Emeka sy Nahiela ary nihatra tamin'ny tanin'i Kabola eo an-kavia, 28 sy Abrana, Rohoba, Hamona ary Kanà, hatrany Sidona Lehibe, 29 dia niolaka ny faritry ny tany mankany Ramaha hatrany Tira, tanàna mimanda, ary niolaka ny faritra mankany Hosa, ka nihatra tamin'ny ranomasina, akaikin'ny faritanin'i Akziba, 30 fanampin'izany Amà, Afeka, ary Rohoba; tanàna roa amby roapolo sy ny zanabohiny. 31 Izany no lovan'ny fokon-taranak'i Asera, araka ny fianakaviany, dia ireo tanàna ireo sy ny zanabohiny. 32 Ny taranak'i Neftalì, araka ny fianakaviany, no nahazo ny anjara fahenina, tamin'ny loka.

33 Ny faritry ny taniny dia hatrany Helefa avy eo amin'ny aoka ao Saananima no nankany Adami-Nekeba sy Jebnaela ka hatrany Lekoma, dia nihatra tao Jordany. 34 Niolaka niankandrefana any Azanota-Tabora ny faritra, ary avy ao dia nihatra tany Hokokà, nipaka tamin'i Zabolona eo atsimo, sy tamin'i Asera eo andrefana, ary tamin'i Jodà, teo akaikin'i Jordany, eo atsinanana. 35 Ny tanàna mimanda dia Asedima, Sera, Emata, Rekata, Kenereta,

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1436