Bokin'i Josoe

Toko faha-19

36 Edemà, Aramà, Asora, 37 Kedesy, Edraïa, En-Hasora, 38 Jerona, Magdalela, Horema, Beti-Anata, ary Beti-Samesy; tanàna sivy ambin'ny folo sy ny zanabohiny. 39 Izany no lovan'ny fokon-taranak'i Neftalì, araka ny fianakaviany, ny tanàna sy ny zanabohiny. 40 Ny fokon-taranak'i Dana, araka ny fianakaviany, no nahazo ny anjara fahafito tamin'ny loka.

41 Izao no tao anatin'ny faritry ny lovany: Saraà, Estaola, Hira-Semesy, 42 Selebina, Ajalona, Jetelà, 43 Elona, Temnà, Akrona, 44 Elteke, Gebetona, Balaata, 45 Jodà Bene-Baràka, Geta-Remona, 46 Mejarkona, ary Arekona, mbamin'ny faritany tandrifin'i Jope. 47 Nitatra ho eo ivelan'ny azy ireo ny faritanin'ny taranak'i Dana; fa niakatra niady tamin'i Lesema ny taranak'i Dana, ka nahafaka azy sy namely azy tamin'ny lelan-tsabatra, ka nahazo azy sy nanorim-ponenana tao, ary niantso azy hoe Dana, araka ny anaran'i Dana, rain'izy ireo. 48 Izany no lovan'ny fokon-taranak'i Dana, araka ny fianakaviany, ny tanàna sy ny zanabohiny. 49 Nony vitan'izy ireo ny fizarana ny tany, araka ny faritra mamaritra azy avy, dia nomen'ny zanak'Israely lova, teo afovoan'izy ireo, Josoe, zanak'i Nona.

50 Noho ny didin'ny Tompo dia nomen'izy ireo azy ny tanàna nangatahiny dia Tamnat-Sare amin'ny tendrombohitr'i Efraima. Naoriny indray ny tanàna, dia nonina tao izy. 51 Ireo no lova nozarain'Eleazara mpisorona, sy Josoe zanak'i Nona, ary ny loham-pianakaviana amin'ny fokon'ny zanak'Israely, tamin'ny filokana, tany Silao, teo anatrehan'ny Tompo, teo am-baravaran'ny trano lay fihaonana. Izany no nanaperany ny fizarana ny tany.

Toko faha-20

1 Niteny tamin'i Josoe Iaveh nanao hoe: Mitenena amin'ny zank'Israely, ka lazao hoe:

2 Anendreo tanàna fialofana hianareo araka izay nandidiako anareo tamin'ny alàlan'i Moizy, 3 hahazoan'ny mpamono handosirana, dia izay nahafaty olona tsy nahy, fa tsy nahalala, ka hatao fialofana ho anareo tsy ho azon'ny mpamaly rà. 4 Handositra amin'ny anankiray amin'ireo tanàna ireo izay namono olona, dia hijanona eo anoloan'ny vavahadin'ny tanàna, ka hanambara ny mahazo azy amin'ny loholon'izany tanàna izany, dia horaisin'ireo ho ao amin'ny ao an-tanàna izy, ka homeny trano mba hipetrahany eo amin'izy ireo. 5 Raha manenjika azy ny mpamaly rà, dia tsy hatolony ho eo an-tànany ny mpamono, satria tsy fahalalana no nahafatesany ny namany, fa tsy nankahala azy taloha izy. 6 Hitoetra amin'izany tanàna izany iazy nahafaty olona, mandra-pisehony hotsaraina eo anatrehan'ny fiangonana, mandra-pahafatin'izay mpisorona lehibe amin'izany andro izany. Fa amin'izay dia hody ilay nahafaty olona ary hiverina any an-tanànany sy any an-tranony, dia any amin'ny tanàna nialany nandositra. 7 Ny natokany dia Kadesy any Galilea amin'ny tendrombohitr'i Neftalì; Sikema, amin'ny tendrombohitr'i EfraIma, ary Kariat-Arbe, dia Hebrona izany, amin'ny tendrombohitr'i Jodà.

8 Any an-dafin'i Jordany tandrifin'i Jerikao any atsinanana dia ireto no nofidiny: Bosora, any an'efitra, any amin'ny tany lemaka, an'ny fokon-dRobena; Ramota, any Galaada, an'ny fokon'i Gada; ary Gaolona, any Basàna, an'ny fokon'i Manase. 9 Ireo no tanàna natokana ho an'ny zanak'Israely rehetra, sy ny vahiny mitoetra eo aminy, hialofan'izay rehetra nahafaty olona tsy nahy, mba tsy ho fatin'ny tànan'ny mpamaly rà izy, alohan'ny hisehoany eo anatrehan'ny fiangonana.

Toko faha-21

1 Nanatona an'i Eleazara, mpisorona, sy Josoe, zanak'i Nona ary ny loham-pianakaviana amin'ny fokon'ny zanak'Israely, ny loham-pianakavian'ny Levita,

2 ka niteny tamin'izy ireo, tao Silao, amin'ny tany Kanaana, nanao hoe: Didy noomen'ny Tompo an'i Moizy ny hanomezana tanàna honenanay sy ny tany manodidina azy ho an'ny bibinay. 3 Dia iazo no tanàna sy ny tany manodidina azy, nomen'ny zanak'Israely, avy amin'ny lovany, ho an'ny Levita, araka ny didin'ny Tompo. 4 Ny fianakavian'ny Kaatita aloha no nanaovana ny loka, ka tanàna telo ambin'ny folo tamin'ny fokon'i Jodà sy ny fokon'i Simeona, ary ny fokon'i Benjamina no azon'ny taranak'i Aarona, mpisorona, anisan'ny levita, tamin'ny filokana,

5 ary ny tanàna folo tamin'ny fianakaviana, fokon'i Efraima sy fokon'i Dana, ary antsasa-pokon'i Manase, no azon'ny taranak'i Kaata sisa, tamin'ny loka. 6 Tanàna telo ambin'ny folo, tamin'ny fianakaviana fokon'Isakara sy fokon'i Asera ary fokon'i Neftalì, sy antsasa-pokon'i Manase, any Basàna, no azon'ny taranak'i Gersona tamin'ny loka. 7 Tanàna roa ambin'ny folo tamin'ny fokon-dRobena, sy fokon'i Gada, ary fokon'i Zabolona, no azon'ny taranak'i Merarì, araka ny fianakaviany. 8 Ireo sy ny tany manodidina azy no nomen'ny zanak'Israely tamin'ny olka, ho an'ny taranak'i Levì, araka ny didy nomen'ny Tompo tamin'ny alàlan'i Moizy. 9 Ny tanàna nomeny avy tamin'ny fokon-taranak'i Jodà, sy fokon-taranak'i Simeona, dia ireto voatondro amin'ny anarany avy;

10 dia ho an'ny taranak'i Aarona, izay anisam-pianakavian'ny Kaatita amin'ny taranak'i Levì, fa izy ireo no nanaovana ny loka voalohany. 11 Dia nomeny azy, tao amin'ny tendrombohitr'i Jodà, ny tanànan'i Arbe, rain'i Enàka, dia Hebrona izany, ary ny tany manodidina azy. 12 Fa ny saha momba izany tanàna izany sy ny zanabohiny kosa anefa dia nomeny an'i Kaleba, zanak'i Jefone, ho fananany. 13 Ny taranak'i Aarona mpisorona dia nomeny ny tanàna fialofan'ny mamono olona, dia Hebrona sy ny manodidina azy, ary koa Lebnà sy ny manodidina azy, 14 Jetera sy ny manodidina azy, Estemao sy ny manodidina azy, 15 Holòna sy ny manodidina azy, Dabira sy ny manodidina azy, 16 Aina sy ny manodidina azy, Jeta sy ny manodidina azy, Betsamesy sy ny manodidina azy, tanàna sivy no avy amin'ireo foko roa ireo. 17 Ny avy ami'ny fokon'i Benjamina, dia Gabaona sy ny manodidina azy, Gabaà sy ny manodidina azy, 18 Anatota sy ny manodidina azy, Almona sy ny manodidina azy, dia tanàna efatra. 19 Tontalin'ny tanànan'ny mpisorona, taranak'i Aarona, telo ambin'ny folo omban'ny manodidina azy. 20 Ny amin'ny finakavian'ny zanak'i Kaata izay Levita, dia ny zanak'i Kaata sisa kosa, dia tanàna avy amin'ny fokon'i Efraima, no azony tamin'ny loka.

21 Nomena azy Sikema, tanàna fialofan'izay namono olona, mbamin'ny tany manodidina azy, amin'ny tendrombohitr'i Efraima; 22 ary koa Gazera sy ny manodidina azy, Kibsaima sy ny manodidina azy, Beti-Horona sy ny manodidina azy; tanàna efatra. 23 Ny avy amin'ny fokon'i Dana, Eltekao sy ny manodidina azy, Gabatona sy ny manodidina azy, 24 Ajalona sy ny manodidina azy; Geta-Remona sy ny manodidina azy. Tanàna efatra. 25 Ny avy amin'ny antsasaky ny fokon'i Manase dia Tanaka sy ny manodidina azy ary Geta-Remona sy ny manodidina azy. Tanàna roa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1479