Bokin'i Josoe

Toko faha-21

26 Folo no tontalin'ny tanàna omban'ny manodidina azy no an'ny fianakavian'ny zanak'i Kaata sisa. 27 Izao no nomena ny taranak'i Gersona, anisan'ny fianakavian'ny Levita: avy amin'ny antsasaky ny fokon'i Manase, ilay tanàna fialofan'izay namono olona, dia Gaolòna, any Basàna, sy ny manodidina azy; ary koa Bosrà sy ny manodidina azy; tanàna roa.

28 Avy ami'ny fokon'Isakara: Kesiona sy ny manodidina azy; 29 Dabereta sy ny manodidina azy; Jaramota sy ny manodidina azy, En-Ganima sy ny manodidina azy: tanàna efatra. 30 Avy amin'ny fokon'i Asera: Masala sy ny manodidina azy, Abdona sy ny manodidina azy, 31 Helkata sy ny manodidina azy, Rohaba sy ny manodidina azy: tanàna efatra. 32 Avy ami'ny fokon'i Neftalì ilay tanàna fialofan'izay namono olona, Kadesy any Galilea sy ny manodidina azy, ary Hamota-Dora sy ny manodidina azy, Kartàna sy ny manodidina azy, tanàna telo. 33 Tontalin'ny tanànan'ny Gersonita, araka ny fianakaviany, tanàna telo ambin'ny folo omban'ny manodidina azy. 34 Izao no nomena ny fianakavian'ny taranak'i Merarì, Levita sisa; avy amin'ny fokon'i Zabolona: Jeknama sy ny manodidina azy; Kartà sy ny manodidina azy;

35 Damnà sy ny manodidina azy, Naalola sy ny manodidina azy: tanàna efatra. 36 Avy ami'ny fokon'i Gada: ilay tanàna fialofan'izay namono olona, dia Ramota any Galaada sy ny manodidina azy, 37 ary koa Manaïma sy ny manodidina azy, Hesebona sy ny manodidina azy, Jazera sy ny manodidina azy: tanàna efatra izy rehetra. 38 Tontalin'ny tanàna azon'ny taranak'i Merarì, araka ny fianakaviany tamin'ny loka, dia ny fianakavin'ny Levita sisa: tanàna roa ambin'ny folo. 39 Ny tontalin'ny tanànan'ny Levita teo amin'ny fananan'ny taranak'Israely dia valo amby efapolo sy ny manodidina azy. 40 Samy manana ny tany manodidina azy avokoa ireo tanàna ireo; toy izany daholo ireo tanàna rehetra ireo. 41 Dia nomen'ny Tompo an'Israely avokoa izany, ny tany rehetra nianianany homena ny razanay, ka nalain'izy ireo ho fananany sy nonenany.

42 Nampandry fahalemana azy tami'ireo manodidina azy Iaveh, araka ny efa nianianany tamin'ny razany, ka tsy nisy nahatoha azy ny fahavalony na dia iray aza, ary natolotry ny Tompo teo an-tànany izy. 43 Tsy nisy foana akory, na dia iray aza, ny teny soa rehetra nolazain'ny Tompo tamin'ny taranak'Israely, fa tanteraka avokoa.

Toko faha-22

1 Dia nantsoin'i Josoe tamin'izay ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon'i Manase,

2 ka hoy izy tamin'izy ireo: Efa notoavinareo ny zavatra rehetra nandidian'i Moizy mpanompon'ny Tompo anareo ary efa nohenoinareo tamin'izay rehetra nandidiako anareo ny feoko. 3 Tsy nandao ny rahalahinareo hianareo, hatramin'izay andro lava izay ka mandraka androany, ka nitandrina tsara ny didin'ny Tompo Andriamanitrareo. 4 Ary ankehitriny, efa nomen'ny Tompo Andriamanitrareo fitsaharana ny rahalahinareo, araka ny efa nolazainy taminy; koa modia ary mankanesa any amin'ny lainareo, any amin'ny tany izay anareo, izay nomen'i Moizy mpanompon'ny Tompo anareo any a-dafin'i Jordany. 5 Kanefa tandremo tsara ny hanaraka ny fitsipika aman-dalàna nandidian'i Moizy mpanompon'ny Tompo anareo, ka tiava an'ny Tompo Andriamanitrareo, mandehana amin'ny làlany rehetra, mitandrema ny didiny, miraiketa fo aminy, ary manompoa azy ami'ny fonareo rehetra sy amin'ny fanahinareo rehetra. 6 Dia nitso-drano azy ireo Josoe ary nandefa azy, ka lasa nankany amin'ny lainy izy ireo. 7 Moizy no nanoma faritany, any amin'i Basàna, ho an'ny antsasaky ny fokon'i Manase, ary Josoe kosa no nanome faritany ny antsasany sisa amin'ny rahalahiny aty an-dafin'i Jordany aty andrefana. Nony nampody azy ireo ho any an-dainy Josoe dia nitso-drano azy, 8 ka nanao taminy hoe: Hody eny an-dainareo hianareo, mitondra harena be, biby fiompy sesehena, volafotsy, volamena, varahina, sy vy ary fitafiana be dia be, koa zarao amin'ny rahalahinareo ny babo azo tamin'ny fahavalonareo. 9 Dia nandao ny zank'Israely tao Silao amin'ny tany Kanaana ny fokon-dRobena sy ny fokon'i Gada, ary ny antsasaky ny fokon'i Manase dia nody nankany amin'ny tany Galaada izay efa noraisiny ho zara taniny araka ny nandidian'ny Tompo tamin'ny alàlan'i Moizy.

10 Nony tonga teo amin'ny faritanin'i Jordany, izay anisan'ny tany Kanaana, ny tarana-dRobena, sy ny taranak'i Gada, ary ny antsasaky ny fokon'i Manase, dia nanorina otely teo amoron'i Jordany, ary lehibe no fijery izany otely izany. 11 Ren'ny zanak'Israely, fa nisy nilaza hoe: Indreo fa nanorina otely eo amin'ny faritanin'i Jordany, eo anoloan'ny tany Kanaana, amin'ny lafin-tanin'ny zanak'Israely, ny tarana-dRobena, ny taranak'i Gada, ary ny antsasaky ny fokon'i Manase. 12 Nony nandre izany ny zanak'Israely dia nivory tao Silao ny fiangonan'ny zanak'Israely rehetra mba hiakatra hamely azy sy hanafika azy. 13 Nirahin'ny zanak'Israely ho any amin'ny tarana-dRobena sy ny taranak'i Gada ary ny antsasaky ny fokon'i Manase, any amin'ny tany Galaada, Finea, zanak'i Elezara mpisorona,

14 nombany loholona folo lahy, dia loham-pokom-pianakaviana iray avy isam-pokon'Israely, samy loham-pokom-pianakaviana tamin'ny isan'arivon'Israely. 15 Nony tonga tany amin'ny tarana-dRobena sy ny taranak'i Gada ary ny antsasaky ny fokon'i Manase any amin'ny tany Galaada izy ireo dia niteny taminy nanao hoe: 16 Izaono lazain'ny fiangonan'ny Tompo rehetra: Inona izato fahotana nataonareo tamin'ny Andriamanitr'Israely, fa niala tamin'ny Tompo androany hianareo, tamin'ny nanorenanareo otely hodinanareo amin'ny Tompo androany? 17 Tsy ampy ho antsika va ny heloka tamin'i Fogora, nefa mbola tsy nahadio tena ho afaka amin'izany isika mandrak'androany, na dia efa nasian'ny loza aza ny fiangonan'ny Tompo, 18 no dia miodina miala amin'ny Tompo koa hianareo anio? Raha miodina amin'ny Tompo anefa hianareo anio, dia ho tezitra amin'ny fiangonan'Israely rehetra izy rahampitso. 19 Koa raha ny tany fanananareo no heverinareo ho maloto, dia mankanesa any amin'ny tany izay fananan'ny Tompo, izay ipetrahan'ny fonenan'ny Tompo, ka monena any aminay; fa aza miodina amin'ny Tompo ary aza miodina aminay, amin'ny fanorenana otely hafa noho ny otelin'ny Tompo Andriamanitsika, 20 Moa tsy Akàna zanak'i Zare va no nanao fahotana, ny amin'ny zavatra natao anatema, moa tsy ny fiangonan'Israely va no nipoahan'ny hatezeran'ny Tompo? Ka dia tsy izy irery no maty noho ny heloka nataony. 21 Dia namaly ny tarana-dRobena, ny taranak'i Gada ary ny antsasaky ny fokon'i Manase, ka nanao tamin'ireo mpifehy isan'arivon'Israely hoe:

22 Ny Tsitoha, Andriamanitra, Iaveh, ny Tsitoha, Andriamanitra, Iaveh mahalala, ary Israely koa hahalala. Raha fiodinana sy fivadihana amin'ny Tompo izany, dia aza mamonjy anay akory hianao anio, ry Andriamanitra ô! 23 Raha ny hiala amin'ny Tompo no nanorenanay, sy ny hanatitra sorona dorana, sy fanatitra ary ny hanao sorom-pihavanana eo amboniny, dia aoka hampamoahin'ny Tompo izany izahay. 24 Raha tsy tahotra ny hihatra aminay kosa no nanaovanay izany, fa hoy izahay: Indray andro any, ny taranakareo hilaza amin'ny tanarakay hoe: Mifaninona akory moa hianareo sy Iaveh Andriamanitr'Israely? 25 Jordany no faritra nataon'ny Tompo hanelanelana anay sy hianareo, ry tarana-dRobena sy taranak'i Gada, ka tsy manana anjara amin'ny Tompo akory hianareo? Amin'izany ny taranakareo dia hampitsahatra ny taranakay tsy hatahotra an'ny Tompo; 26 ka nifampilaza izahay hoe: Andeha isika hanorina otely anakiray, tsy hanaterana sorona dorana, na sorona, 27 fa mba ho vavolombelona ho anay sy hianareo, sy ny fara mandimby antsika, fa izahay dia manompo an'ny Tompo eo anatrehany amin'ny sorona doranay, sy ny soronay, ary ny sorom-pihavananay, mba tsy hilazan'ny taranakareo amin'ny taranakay rahatrizay hoe: Tsy manana anjara amin'ny Tompo hianareo. 28 Ary hoy izahay: Raha avy izay hilazany izany amintsika na amin'ny taranatsika indray andro any, dia izao no havalintsika indray andro any, dia izao no havalintsika azy: Jereo ny endriky ny otelin'ny Tompo naorin'ny razanay, tsy hanaterana sorona, fa ho vavolombelona ho anay sy hianareo. 29 Koa lavitra anay izay hikomy amin'ny Tompo na hiala amin'ny Tompo anio, ka hanorina otely hanaterana sorona dorana, sy fanatitra ary sorona afa-tsy ny otelin'ny Tompo Andriamanitsika, izay eo anoloan'ny fonenany. 30 Nony ren'i Finea, mpisorona, sy ny lohan'ny fiangonana, mpifehy ny isan'arivon'Israely izay niaraka taminy ny teny nolazain'ny tarana-dRobena sy ny taranak'i Gada ary ny taranak'i Manase dia afa-po izy ireo.

31 Ary hoy Finea, zanak'i Eleazara mpisorona tamin'ny tarana-dRobena sy ny taranak'i Gada ary ny taranak'i Manase: Fantatray izao fa eto afovoantsika Iaveh, satria tsy nanao izany fahotana izany tamin'ny Tompo hianareo; koa amin'izany, dia efa nanafaka ny zanak'Israely tamin'ny tànan'ny Tompo hianareo. 32 Dia nandao ny tarana-dRobena sy ny taranak'i Gada, Finea, zanak'i Eleazara mpisorona sy ny loholona, ka niverina, avy amin'ny tany Galaada, ho any amin'ny tany Kanaana, ao amin'ny zanak'Israely, ka nanao ny filazany tamin'izy ireo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1403